Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Boky Iray ho An’ny Tanora

Boky Iray ho An’ny Tanora

Boky Iray ho An’ny Tanora

Nanoratra tany amin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Rosia ny mpianatra iray any amin’ny oniversite, any Arkhangelsk. Nohazavainy fa olona teny an-dalana no nandraisany gazety navoakan’ny Vavolombelona. “Nahatonga ahy hieritreritra momba ny fiainana sy izay fantatro momba an’Andriamanitra sy ny fivavahana izany”, hoy ny taratasiny. “Te hianatra Baiboly aho izao. Tiako ny hianatra bebe kokoa momba ilay olona nanome ny ainy hanafaka antsika amin’ny fahotana sy hamonjy antsika, nefa tsy nahafantatra antsika akory.”

Hoy koa ny taratasiny: “Tena ilaina ny asa ataonareo, indrindra ny fanazavanareo amin’ny ankizy ny fahasamihafan’ny tsara sy ny ratsy. Mora mandray zavatra mantsy ny sain’ny ankizy, ka ianarany daholo izay zavatra manodidina azy, ary miova manaraka izany izy.” Manana zandry lahy iray sy zandry vavy iray io mpianatra io, ka nangataka iray amin’ilay boky hoe Manontany ny Tanora​—Valiny Mandaitra. “Mino aho fa hanampy ny zandriko io boky io any am-pianarana sy eo amin’ny fiainana”, hoy ihany izy.

Afaka mahazo io boky io koa ianao. Natao hanampiana ny tanora hiatrika ireo olana hitany amin’izao fotoana izao izy io. Fenoy fotsiny ilay tapakila ary alefaso any amin’ilay adiresy voalaza eo, na any amin’ny iray amin’ireo adiresy ao amin’ny pejy faha-5 amin’ity gazety ity.

□ Mba andefaso ilay boky hoe Manontany ny Tanora​—Valiny Mandaitra aho.

□ Mba andefaso olona aho hampianatra Baiboly ahy maimaim-poana atỳ an-tranoko.