Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fantatrao Ve?

Fantatrao Ve?

Fantatrao Ve?

(Mamaly ireto fanontaniana ireto ny andinin-teny eo akaikiny; ary hita eto ambany ny valiny. Raha mila fanazavana fanampiny, dia jereo ny boky “Fahatakarana ny Hevitry ny Soratra Masina”, frantsay, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.)

1. Nahoana no tsy mety ny mamaly faty? (Romanina 12:19)

2. Nahoana i Jehovah no mandrara ny fivavahana amin’ny sary? (Isaia 42:8)

3. Ahoana no niheveran’i Jesosy ny asa nanendren’Andriamanitra azy tetỳ an-tany? (Jaona 4:34)

4. Taiza ilay toerana nanosorana an’i Davida ho mpanjaka, ary lasa renivohiny talohan’ny nifindrany tany Jerosalema? (2 Samoela 2:1-4)

5. Inona no vatosoa mitovy amin’ilay avana manodidina ny seza fiandrianan’i Jehovah, tao amin’ny fahitan’i Jaona? (Apokalypsy 4:3)

6. Taiza ilay toerana nijanonan’i Paoly, rehefa nentina tany Roma toy ny mpigadra izy? (Asan’ny Apostoly 28:13)

7. Inona no teny poetika nampiasain’i Jeremia mba hanondroana an’i Jerosalema, tamin’izy nitomany an’ilay tanàna rava? (Fitomaniana 2:2)

8. Iza ilay mpanjaka natahoran’i Davida, ka nahatonga azy ho mody adala? (1 Samoela 21:13-16)

9. Nahoana no heloka mahafaty ny manamboatra na mampiasa menaka mitovy amin’ilay diloilo fanosorana nasain’i Jehovah namboarin’i Mosesy? (Eksodosy 30:31-38)

10. Iza ilay mpianatra nahatonga an’i Paoly sy Barnabasy ‘hisafoaka mafy’ sy hisara-dalana? (Asan’ny Apostoly 15:36-41)

11. Inona no tokony hataon’ny olona iray, mba hahazoana ny fiainana mandrakizay, araka ny Jaona 3:16?

12. Inona no teny fampiasan’ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany mba hanondroana ny mpiray finoana taminy? (3 Jaona 14)

13. Iza ilay olona fantatra tamin’ny fomba fihazakazany, rehefa nitondra vaovao ho an’i Davida? (2 Samoela 18:27)

14. Nahoana i Mosesy no tsy navela hiditra ny Tany Nampanantenaina? (Nomery 20:7-12)

15. Iza no fantatra fa mampiriotra ny kalesiny “hoatra ny olona adala”? (2 Mpanjaka 9:20)

[Efajoro, pejy 14]

Valiny

1. Satria hoy i Jehovah hoe: “Ahy ny famaliana. Izaho no hamaly”

2. Satria izy irery ihany no mendrika ivavahana sy omena voninahitra, ary dera

3. Toy ny sakafo

4. Hebrona

5. Emeraoda

6. Potioly

7. “Joda zanakavavy”

8. Akisy, mpanjakan’i Gata

9. Noheverina ho masina izy io. Mampiseho izany fa zava-dehibe sy masina ny fandaharana alamin’i Jehovah

10. Marka

11. Tokony haneho finoana an’i Jesosy

12. Namana

13. Ahimaza

14. Nanao zavatra tsy tamim-piheverana izy ka tsy nidera ny anaran’i Jehovah, rehefa nanome rano ny Israelita

15. Jeho