Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fitahiana avy Amin’Andriamanitra ve ny Harena?

Fitahiana avy Amin’Andriamanitra ve ny Harena?

Ny Fiheveran’ny Baiboly

Fitahiana avy Amin’Andriamanitra ve ny Harena?

“Ny fitahian’i Jehovah no mampanan-karena, ary tsy azon’ny fisasarana ampiana izany.”—OHABOLANA 10:22.

MIDIKA ve io andinin-teny io fa manome harena ny mpanompony Andriamanitra rehefa mitahy azy ireo? Misy olona mino an’izany. Diniho ny tenin’ny Pentekotista aostralianina iray, izay sady mpitory teny no mpanoratra. Hoy izy: ‘Holazaiko anao ao amin’ny bokiko ny antony ilanao vola bebe kokoa sy ny fomba hahazoanao vola bebe kokoa. Mino aho fa raha manova ny toe-tsainao ianao, ka mety tsara ny fiheveranao ny vola, dia hahazo fitahiana sy harena avy amin’Andriamanitra ianao, ary tsy ho sahirana ara-bola intsony.’

Toa midika anefa izany fa tsy notahin’Andriamanitra ny olona mahantra. Fitahiana avy aminy tokoa àry ve ny harena?

Nomena harena noho ny antony manokana

Tantarain’ny Baiboly fa nisy mpanompon’Andriamanitra nahatoky notahiny, ka nomeny harena. Tsy nitondra afa-tsy tehina, ohatra, i Jakoba rehefa niala tao an-tranony. Rehefa niverina nody anefa izy, 20 taona tatỳ aoriana, dia lasa nanana ondry sy omby ary boriky be dia be, ka nahaforona toby roa izany. Lazain’ny Baiboly fa fanomezana avy amin’Andriamanitra ny harena azon’i Jakoba. (Genesisy 32:11) Intỳ misy ohatra hafa: Very daholo ny fananan’i Joba, nefa notahin’i Jehovah izy tatỳ aoriana, ka nomeny “ondry aman-osy efatra arivo amby iray alina sy rameva enina arivo sy omby roa arivo ary borikivavy arivo.” (Joba 42:12) Nomen’i Jehovah harena faran’izay betsaka koa i Solomona Mpanjaka, ka mbola malaza hatramin’izao fa tena nanankarena be izy.—1 Mpanjaka 3:13.

Etsy an-danin’izany kosa, dia maro ny tantara ao amin’ny Baiboly momba ny mpanompon’Andriamanitra tsy nivadika taminy sy nankatò azy, nefa nahantra. Azo antoka fa tsy hoe nosazin’Andriamanitra akory ny mpanompony sasany, ka nataony nahantra, fa ny hafa kosa notahiny, ka nomeny harena. Inona àry no antony nanomezan’Andriamanitra harena ny mpanompony sasany?

Tsy nitovy ny antony nanaovany izany. Nomen’Andriamanitra harena i Jakoba mba hanampiana ny taranany ho tonga firenena hipoiran’ilay Taranaka nampanantenaina. (Genesisy 22:17, 18) Nomen’i Jehovah harena i Joba, mba hanaporofoana hoe iza no nitondra loza ho azy. Nanamasina ny anaran’i Jehovah izany. (Jakoba 5:11) Nampiasain’i Solomona hanorenana tempoly tsara tarehy ny ankamaroan’ny harena nomen’Andriamanitra azy. (1 Mpanjaka 7:47-51) Tsara homarihina anefa, fa hitan’i Solomona avy tamin’ny zavatra niainany hoe voafetra ihany ny soa entin’ny harena, ka nasain’i Jehovah nosoratany tao amin’ny Baiboly izany.—Mpitoriteny 2:3-11; 5:9; 7:12.

Ny fomba itahian’Andriamanitra antsika

Nampianatra ny mpianany tsy hihevitra ny vola ho zava-dehibe loatra i Jesosy, rehefa nilaza tamin’izy ireo mba ‘tsy hanahy’ ny amin’ny harena. Nohazavainy fa na i Solomona tamin’ny voninahiny rehetra aza tsy nitafy toy ny voninkazo any an-tsaha. Hoy koa izy: “Raha ny zavamaniry any an-tsaha, . . . no ampitafin’Andriamanitra toy izany, tsy mainka ve ianareo, ry kely finoana?” Nanome toky ny Kristianina i Jesosy, fa hahazo sakafo sy fitafiana ary fialofana izy ireo, raha manao ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny fahamarinany ho loha laharana eo amin’ny fiainany. (Matio 6:25, 28-33) Ahoana no ahatanterahan’izany fampanantenana izany?

Fitahiana ara-panahy no tena ho azon’izay manaraka ny torohevitry ny Baiboly. (Ohabolana 10:22) Mitondra fitahiana hafa koa anefa izy io. Mampirisika ny Kristianina, ohatra, ny Tenin’Andriamanitra hoe: “Aoka ny mpangalatra tsy hangalatra intsony, fa aoka kosa izy hiasa mafy.” (Efesianina 4:28) Lazainy koa fa “ho tonga malahelo ny miraviravy tànana amin’ny asany; fa mampanan-karena ny tànan’ny mazoto.” (Ohabolana 10:4) Ny Kristianina manaraka izany torohevitra izany matetika no fidin’ny mpampiasa hiasa ao aminy, satria manao ny marina sy miasa mafy. Efa fitahiana izany.

Mampianatra ny Kristianina koa ny Baiboly mba tsy hiloka, satria fialam-boly mampirisika ny olona ho tia vola izany. Toroany hevitra koa izy ireo mba tsy hifoka sigara, satria mandoto ny vatana izany, ary tsy himamo, satria manimba ny fahasalamana izany. (1 Korintianina 6:9, 10; 2 Korintianina 7:1; Efesianina 5:5) Hitan’ireo manaraka an’io torohevitra io fa mihena ny vola laniny, ary mihatsara ny fahasalamany.

Tsara lavitra noho ny volafotsy na volamena

Na izany aza anefa, dia tsy tokony hieritreritra isika fa ny harena ihany no porofon’ny fankasitrahan’Andriamanitra sy ny fitahiany. Nahariharin’i Jesosy, ohatra, fa mahantra ara-panahy ny Kristianina sasany tany Laodikia, rehefa nilaza tamin’izy ireo izy hoe: “Hoy ianao: ‘Manankarena aho ary efa nahazo harena ka tsy mila na inona na inona intsony.’ Tsy fantatrao anefa fa ory sy mampalahelo sy mahantra sy jamba ary mitanjaka ianao.” (Apokalypsy 3:17) Izao kosa no nolazainy tamin’ireo Kristianina mahantra tany Smyrna, nefa salama ara-panahy: “Fantatro ny fahorianao sy ny fahantranao (nefa manankarena ianao).” (Apokalypsy 2:9) Tsy nivadika mihitsy ireo Kristianina ireo, ka norobain’ny mpanenjika ny fananany. Lasa nahantra izy ireo noho izany, nefa nanana fananana tsara lavitra noho ny volafotsy na volamena.—Ohabolana 22:1; Hebreo 10:34.

Mitahy an’ireo miezaka manao ny sitrapony i Jehovah Andriamanitra. (Salamo 1:2, 3) Omeny hery sy fanampiana izy ireo hahafahany hiatrika fisedrana sy hamelona ny fianakaviany ary hanao ilay Fanjakana ho loha laharana eo amin’ny fiainany. (Salamo 37:25; Matio 6:31-33; Filipianina 4:12, 13) Tsy tokony hieritreritra àry ny Kristianina marina hoe ny harena no tena fitahiana avy amin’Andriamanitra. Hiezaka kosa izy ireo mba “hanankarena amin’ny asa tsara.” Raha miezaka mifandray akaiky amin’Andriamanitra ny Kristianina, dia “hanana harena tsara tahiry ho an’ny tenany, izany hoe fototra tsara ho amin’ny hoavy.”—1 Timoty 6:17-19; Marka 12:42-44.