Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hetraketraka—Ny Antony sy ny Vokany

Hetraketraka—Ny Antony sy ny Vokany

Hetraketraka​—Ny Antony sy ny Vokany

INONA no mahatonga ny ankizy iray hihetraketraka? Hamaly angamba ianao hoe: “Tsy raharahako izany e! Tsy misy mihitsy antony azo anamarinana ny fihetsiny.” Toa marina ny anao. Tsy mitovy mihitsy anefa ny hoe manala tsiny, sy ny hoe milaza ny antony mahatonga zavatra iray. Tsy hoe afa-tsiny akory ilay ankizy raha fantatsika ny antony nanaovany ilay fihetsika ratsy. Mety hanampy antsika hahatakatra ny fihetsiny kosa izany. Tena zava-dehibe io fahatakarana io. Nahoana?

Hoy ny ohabolana tranainy iray: “Ny fahendren’ny olona manindry ny fahatezerany.” (Ohabolana 19:11) Raha tezitra noho ny fihetsik’ilay mpihetraketraka isika, dia mety hahatonga antsika tsy hieritreritra tsara izany, ary mety hahakivy sy hahafeno fankahalana antsika mihitsy aza. Ho tony anefa isika raha azontsika hoe nahoana izy no nanao ilay fihetsika. Hanampy antsika amin’ny fitadiavana vahaolana koa izany. Andeha àry isika hijery ny antony sasany mahatonga io fihetsika tsy azo ekena io.

Inona no mahatonga ny hetraketraka?

Matetika no lasa mpihetraketraka ny zaza iray noho ny ohatra ratsy omen’ny ray aman-dreniny, na ny tsy firaharahan’izy ireo tanteraka azy. Notezain’ny ray aman-dreny tsy miraiki-po, na tsy dia miraharaha zanaka, ny maro amin’ireo mpihetraketraka. Misy koa nampianarin’ny ray aman-dreniny hampiasa herisetra mba handaminana olana. Tsy hahatsiaro ny tenany ho mihetraketraka mihitsy àry ilay zaza, rehefa manao teny mandratra na mamely olona. Mety hieritreritra aza izy fa ara-dalàna sy tsy mampaninona ny fihetsiny.

Nampijalin’ny raikeliny, ohatra, ny ankizivavy iray 16 taona tamin’izy tany an-trano, ary nisetrasetran’ny ankizy koa izy tany am-pianarana. Lasa mpihetraketraka izy nony tao amin’ny kilasy taona fahafito. Hoy izy: “Fahatezerana goavana nitombo tao anatiko tao ilay izy raha ny tena marina. Namely an’izay rehetra sendra ahy fotsiny aho. Tena mafy izany hoe mijaly. Te hampijaly ny olon-kafa koa ianao rehefa mahatsiaro mijaly.” Mety tsy hitovy amin’izany avokoa ny ataon’ny ankizivavy mpihetraketraka. Toy izany daholo anefa ny hatezerana tsapan’izy ireo. *

Sekoly maro no manana mpianatra be dia be avy amin’ny fiaviana samy hafa, sy nobeazina tamin’ny fomba isan-karazany. Mampalahelo ny mahita ankizy lasa mahery setra satria nampianarina azy tany an-trano fa ny fandrahonana sy ny fibetrohana no fomba mahomby indrindra hahazoany izay tadiaviny.

Mahonena ny mahita fa mandaitra izany fomba izany matetika. Mpanara-maso mpanampy ao amin’ny oniversite iray any Kanada i Shelley Hymel, ary efa roapolo taona izao no nanaovany fandinihana momba ny fihetsiky ny ankizy. Hoy izy: “Nahita fomba mahomby hahazoany izay tadiaviny ny ankizy sasany, ary mampalahelo fa tena mandaitra ny hetraketraka. Azony amin’io fomba io ny zavatra rehetra tadiaviny na fahefana izany na fanajana na fiheveran’ny hafa.”

Antony iray hafa mampirongatra ny hetraketraka koa ny tsy fahampian’ny fanaraha-maso. Mahatsiaro tena ho tsy manana mpiaro ny maro amin’ireo iharan’ny hetraketraka, ary mahaketraka fa marina izany matetika. Talen’ny foibem-pikarohana iray momba ny herisetra sy ny fandravonana fifandonana i Debra Pepler, avy amin’ny oniversite iray any Kanada. Nandinika akaiky ny fiainan’ny ankizy eny an-tokotanim-pianarana izy, ary hitany fa ny ampahefatry ny hetraketraka mitranga monja no voamarika sy voalamin’ny mpampianatra.

Mihevitra ny Pr. Pepler fa tena ilaina ny manao zavatra mba hisorohana fitrangan-javatra tsy irina. Hoy izy: “Tsy voavahan’ny ankizy ilay olana satria resaka fahefana no tafiditra amin’ilay izy. Mitombo foana koa ny fahefan’ilay mpihetraketraka, isaky ny avy mampijaly olona izy.”

Koa nahoana àry no vitsy ny tatitra voaray momba ny hetraketraka? Satria fantatr’ireo iharan’ny hetraketraka fa vao mainka hiharatsy ny toe-javatra raha mandaza izy ireo. Maro amin’ny tanora mpianatra àry no manahy sy mitebiteby foana mandritra ny taom-pianarana. Inona avy no vokatr’izany eo amin’ny fiainan’izy ireo?

Vokany eo amin’ny vatana sy ny fo

Misy tatitra iray navoakan’ny fikambanan’ny manam-pahaizana momba ny fahasalaman’ny sain’ny mpianatra, any Etazonia. Milaza izy io fa mpianatra maherin’ny 160 000 isan’andro no mingitrika satria matahotra mpihetraketraka. Mety tsy hiresaka intsony momba ny sekoly, na ny kilasiny, na zavatra hafa atao any am-pianarana ny mpianatra iharan’ny hetraketraka. Mety hanao tara lava koa izy isan’andro, na hingitrika, na hitady antony hialana amin’ny fianarana mihitsy aza.

Ahoana no hamantarana ny ankizy iharan’ny hetraketraka? Mety ho lasa kizitina izy, mora sosotra, kivy, kamokamo, ary mitokantokana. Mety hasiaka amin’ny ao an-trano, sy amin’ny namany koa izy. Simba koa na dia ireo ankizy tsy manan-tsiny aza, noho ny fahitana fotsiny an’ilay hetraketraka. Raiki-tahotra noho io toe-javatra io izy ireo ka lasa mihena ny fahaizany.

Hoy anefa ny gazety iray momba ny fahasalaman’ny ankizy: “Ny herisetra no ratsy indrindra amin’ny vokatry ny hetraketraka, tafiditra amin’izany ny famonoan-tena sy ny famonoana olona. Mety hahatsiaro tena ho tsy afaka manao na inona na inona ny ankizy iharan’ny hetraketraka, ka hamono tena na hamono hahafaty an’ilay mpampijaly azy.”

Niresaka momba izany koa ny Pr. Ed Adlaf, mpikaroka sy mpampianatra momba ny fahasalamam-bahoaka, any amin’ny Oniversiten’i Toronto. Hoy izy: “Mora marary fo kokoa, dieny izao na amin’ny hoavy, ny olona mihetraketraka na iharan’ny hetraketraka.” Nisy fanadihadiana natao tamin’ny mpianatra maherin’ny 225 000 tamin’ny taom-pianarana 2001 tany Ontario, any Kanada. Hita tamin’izay fa ny ampahefatra ka hatramin’ny ampahatelon’izy ireo no efa nihetraketraka, na niharan’ny hetraketraka. Efa tena nieritreritra ny hamono tena ny 1 ao anatin’ny 10 tamin’izy ireo.

Ny olona iharan’ny hetraketraka tsy an-kijanona dia mety hanjary tsy hatoky tena, harary mafy, na hamoy ny asany mihitsy aza. Ireto avy no mpanjo ny olona iharan’ny hetraketraka: aretin’andoha, tsy fahitan-tory, fitebitebena, ary fikorontanan-tsaina. Mararin’ny tahotra mafy, noho ny zavatra niainany koa ny sasany. Mety hampalahelo be anao ny mahita olona maratra noho ny herisetra ara-batana. Mety tsy ho toy izany no tsapa manoloana olona iray voan’ny ratram-po. Sarotra kokoa mantsy ny mahatsikaritra ratram-po. Koa mety tsy hiombona alahelo aminy àry ny namany sy ny fianakaviany, fa ho leo rehefa mahare azy mitaraina lava.

Miteraka voka-dratsy ho an’ny tenan’ilay mihetraketraka koa ny fihetsiny. Hanohy hampijaly ny mpiara-miasa aminy ny ankizy mpihetraketraka any aoriana, raha tsy ahitsy dieny mbola kely. Hita tamin’ny fandinihana natao fa ireo ankizy mpihetraketraka dia mbola nanohy nihetraketraka ihany mandra-pahalehibeny. Mora kokoa amin’ireny ankizy ireny koa ny ho lasa mpamono olona, raha oharina amin’ireo tsy mpihetraketraka.

Ny fiantraikany eo amin’ny fianakaviana

Manakorontana ny filaminana sy ny fiadanan’ny tokantrano, ny hetraketraka any am-piasana. Mety hampijaly tsy amin’ny antony ny mpianakaviny mantsy ilay iharan’ny hetraketraka. Mety hiaro azy ny vadiny na ny hafa ao amin’ny fianakaviany, ka hanao zavatra tsy amim-pisainana hanohanana azy. Mety hanakiana azy koa anefa ny vadiny satria manakorontana ny ao an-trano izy. Ho leo ihany anefa amin’ny farany na dia ireo tsy nitsahatra ny nanohana ny vadiny aza, raha tsy misy fitsaharany ilay olana. Mety ho mora rava kokoa amin’izay ny fianakaviana, rehefa mandeha ny fotoana.

Mamoy ny asany, misara-panambadiana, na mamono tena mihitsy koa aza indraindray ireo iharan’ny hetraketraka. Ny antsasany ka hatramin’ny androatokon’ny Aostralianina iharan’ny hetraketraka any am-piasana, no nilaza fa simba ny fifandraisany tamin’ny olona nanaovany tokantranomaso, na ny vadiny, na ny fianakaviany.

Vidina lafo ny hetraketraka

Vidin’ny mpampiasa lafo koa ny hetraketraka any am-piasana. Mety ho sefo manao teny manindrona no hisehoan’ny hetraketraka any am-piasana, na mpiara-miasa miray tetika hanisy ratsy, ary tsy anavahana fa samy manao izany na lahy na vavy. Ireto no ataon’izy ireo: manara-maso tafahoatra, sarotsarotiny amin-javatra tsy misy dikany, manao teny manambany sy manakiana lava, ary matetika koa manala baraka eo imason’olona. Mahalana ny mpihetraketraka no mba miaiky ho tsy nahalala fomba, na miala tsiny noho ny fihetsiny. Matetika no mpiasa mahay sy mahatoky, ary tian’ny mpiara-miasa aminy, no ampijaliny.

Lasa tsy dia mahomby amin’ny asany intsony ny mpiasa iharan’ny hetraketraka. Misy akony koa ny hetraketraka, eo amin’ireo mpiasa hafa manatri-maso an’izany. Mahatonga ny mpiasa hahatsiaro tena ho tsy mahatoky amin’ny mpampiasa azy intsony ny hetraketraka, ary tsy hanao izay vitany intsony izy eo amin’ny asany. Araka ny tatitra voaray dia mitentina telo miliara dolara isan-taona ny fatiantoka ateraky ny hetraketraka, any amin’ireo indostria any Royaume-Uni. Voalaza koa fa izy io no mahatonga ny 30 isan-jaton’ny aretina vokatry ny fihenjanana.

Mazava àry fa misy akony amin’ny olona rehetra eran-tany ny hetraketraka. Mipetraka anefa ny fanontaniana hoe: Misy azo atao ve mba hampihenana sy hanafoanana an’io olana io?

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 6 Mazàna ny ankizivavy mpihetraketraka no manilikilika an’ilay kendreny hampijalina sy manely tsaho momba azy. Toa mihabetsaka koa anefa ny mampiasa herisetra.

[Sary, pejy 7]

Mety hahatsiaro tena ho ketraka sy manirery ny olona iharan’ny hetraketraka tsy an-kijanona

[Sary, pejy 7]

Zava-misy mahazatra sy mampalahelo ny hetraketraka any am-piasana