Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hetraketraka—Olana Eran-tany

Hetraketraka—Olana Eran-tany

Hetraketraka—Olana Eran-tany

“Tongava any am-pianarana indrỳ rahampitso raha te ho faty.”—Naharay izany fandrahonana an-telefaonina izany, avy tamin’ankizivavy iray tsy nitonona anarana i Kristen, mpianatra any Kanada. *

“Tsy olona saro-tahotra aho nefa nanjary tsy te ho any am-pianarana intsony. Nanotika ny kiboko, ary nandoa foana aho isaky ny avy nisakafo maraina.”—Hiromi, tanora mpianatra any Japon, niresaka momba ny hetraketraka nanjo azy.

EFA nifanerasera tamin’ny mpihetraketraka ve ianao? Efa niaina an’izany ny maro amintsika. Mety ho tany am-pianarana izany, na tany am-piasana, na mety ho tao an-tokantrano mihitsy koa aza. Mihanaka be mantsy ankehitriny ny fanamparam-pahefana, any amin’ireo toerana ireo. Milaza ny loharanom-baovao britanika iray fa ny 53 isan-jaton’ny olon-dehibe no ampijalin’ny vadiny, na hetraketrahin’ny olona miara-manao tokantranomaso aminy. Mety ho lahy na vavy, manan-karena na mahantra, ny mpihetraketraka, ary toy izany koa ireo iharan’ny hetraketraka.

Inona anefa no tena atao hoe hetraketraka? Tsy tena hoe fanorisorenana tsy an-kijanona, na fandrahonana izy io. Tsy fampijaliana indray mandeha na indraindray fotsiny mazàna ny hetraketraka, fa fitambarana setrasetra madinika maro, atao mandritra ny fotoana iray. Niresaka momba izany i Dan Olweus, manam-pahaizana momba ny saina, anisan’ny nisantatra ny fandinihana akaiky sy voalamina momba ny hetraketraka. Nilaza izy fa fanaon’ny mpihetraketraka ny mila ady amin’olona, sy manao angaredona ary mampijaly ny kely noho izy.

Mety tsy hisy famaritana mahafaoka ny lafiny rehetra amin’ny hetraketraka. Lazaina anefa fa izy io dia “faniriana an-tsitrapo hampijaly olona, mba hanakorontanana ny sainy.” Tsy vitan’ny hoe mikorontan-tsaina noho izay mitranga fotsiny ilay iharan’ny hetraketraka, fa mitebiteby koa noho izay mbola mety hitranga. Fanaon’ny mpihetraketraka ny maneso, manakiana lava, manompa, mifosa, ary mitaky zavatra tafahoatra amin’ilay kendreny hampijalina.—Jereo ny efajoro eo amin’ny pejy faha-4.

Nisy nampijaly foana ilay tovovavy atao hoe Kristen, noresahina terỳ am-piandohana. Niharan’izany izy nandritra ny ankamaroan’ireo taona nianarany. Tamin’izy tany amin’ny sekoly fanabeazana fototra, dia nopetahan’ny mpampijaly kely siligaoma ny volony, nanihaniny ny paoziny, ary norahonany hodarohana izy. Mbola ratsy kokoa noho izany aza ny nanjo azy tany amin’ny lise, satria nisy nandrahona ho faty mihitsy izy tamin’ny alalan’ny antso an-telefaonina. Valo ambin’ny folo taona izy izao, ary mitaraina hoe: “Tokony ho toeram-pianarana ny sekoly fa tsy toerana handrenesana fandrahonana ho faty sy hampiferinaina.”

Hoy ny matihanina iray mpitsabo aretin-tsaina: “Mampalahelo izany, nefa dia toetra fahita eo amin’ny olombelona. Faly erỳ ny olona sasany manambany ny hafa.” Mety hitarika valifaty sy loza mihitsy aza anefa ny fihetsika toy izany. Tsy dia nahay niteny tsara, ohatra, ny lehilahy iray mpiasan’ny fitaterana. Nampijaly azy loatra ny fananihanian’ireo mpiara-miasa taminy, ka tamin’ny farany dia novonoiny ho faty ny efatra tamin’ireo, ary nitifi-tena izy avy eo.

Hita maneran-tany ny hetraketraka

Hita maneran-tany ny hetraketraka any am-pianarana. Mitatitra fanadihadiana iray ny gazety momba ny fahasalaman’ny ankizy. Resahiny fa ny 14 isan-jaton’ny ankizy any Norvezy no mpihetraketraka, na misy mampijaly. Mitaraina ho misy mampijaly koa ny 15 isan-jaton’ireo ankizy any amin’ny sekoly fanabeazana fototra, any Japon. Tokotokony ho 17 isan-jaton’ireo mpianatra any Aostralia sy Espaina kosa no iharan’izany olana izany. Resahin’ny manam-pahaizana iray fa ankizy 1,3 tapitrisa no voakasiky ny hetraketraka, any Grande-Bretagne.

Nanadinadina mpianatra 2 972 avy amin’ny sekoly 21, ny Profesora Amos Rolider avy amin’ny Oniversiten’i Emek Yizre’el. Hitany tamin’io fanadinadinana io, hoy ny gazety israelianina iray, fa “nitaraina ho voadaroka, voadaka, voatositosika, ary nanaovan’ireo mpiara-mianatra taminy fihetsika vetaveta ny 65 isan-jaton’ireo ankizy nadinadinina.”

Mampiasa fomba vaovao tena mandaitra koa izao ny mpihetraketraka. Mandefa hafatra fandrahonana an-tsoratra amin’ny alalan’ny telefaonina fitondra mandeha, na ordinatera izy. Misy tanora koa mampiasa ny toerana azon’ny rehetra jerena sy anoratana ao amin’ny Internet, mba hanoratana hafatra feno fankahalana sy hiresahana momba ny fiainana manokan’ilay kendrena hampijalina. Nilaza ny Pr. Wendy Craig, avy amin’ny oniversite iray any Kanada, fa “tena manimba ireo ankizy iharany”, io karazana hetraketraka io.

Any am-piasana

Ny hetraketraka no anisan’ny mahazo vahana haingana indrindra amin’ireo herisetra fahita any am-piasana. Maro no mitaraina noho izany. Misy tatitra avy any amin’ny tany sasany milaza fa mbola mihanaka noho ny fanavakavaham-bolon-koditra sy ny fanadalana vehivavy, ny hetraketraka any amin-dry zareo. Mpiasa madinika 1 ao anatin’ny 5 isan-taona, any Etazonia, no iharan’ny hetraketraka.

Nanadinadina mpiasa 5 300 avy amin’ny fikambanana 70 ny oniversite iray any Grande-Bretagne, tamin’ny taona 2000. Hita tamin’izay fa nandritra ireo dimy taona farany, dia efa nanatri-maso hetraketraka ny 47 isan-jaton’ny mpiasa nadinadinina. Nisy fanadihadiana nataon’ny Vondrona Eoropeanina tamin’ny 1996. Olona 15 800 avy amin’ny firenena 15 mpikambana no nanontaniana tamin’izay, ary hita fa ny 8 isan-jaton’ny mpiasa, izany hoe mpiasa 12 tapitrisa eo ho eo, no efa norahonana na niharan’ny hetraketraka.

Mitovy ny fisehon’ny hetraketraka, na any an-tsekoly izany na any am-piasana. Mampiasa hery ny mpihetraketraka handratrana na hanalana baraka. Nahoana anefa no mihetraketraka ny olona sasany? Inona avy no vokatry ny hetraketraka? Ary ahoana no hiarovanao tena amin’izy io?

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 2 Novana ny anarana sasany.

[Efajoro, pejy 4]

Ireo Karazana Hetraketraka

Ara-batana: Io no mora fantarina indrindra. Ireto no ataon’ilay mpihetraketraka mba hampisehoany ny hatezerany: Mamono, manositosika, mandaka, na koa manimba ny fananan’ilay kendreny hampijalina.

Amin’ny teny: Manao teny mandratra sy manala baraka an’ilay kendreny hampijalina ny mpihetraketraka. Fanaony koa ireto: Mametaka anaram-bosotra, manompa, na manorisory tsy an-kijanona, na maneso.

Fanelezana tsaho: Manely tsaho hanimbana an’ilay kendreny hampijalina ny mpihetraketraka. Ny vehivavy mpihetraketraka no tena mpanao an’io.

Lasa mpihetraketraka ilay nampijalina: Misy amin’ireo niharan’ny hetraketraka no manjary mihetraketraka. Tsy fialan-tsiny mba hampijaliana olon-kafa akory ny hoe nampijalina ny tena. Entina hanazavana ilay fihetsika fotsiny izany.

[Sary nahazoan-dalana]

Loharanon-kevitra: Aza Avela Hahazo Vahana Ireo Mpihetraketraka (anglisy), nosoratan’i Gesele Lajoie, Alyson McLellan, ary Cindi Seddon.