Kristaly Toy ny Tara-bolana
Kristaly Toy ny Tara-bolana
Nanapoaka vato ny mpitrandraka harena an-kibon’ny tany, tany akaikin’i Chihuahua, Meksika, tamin’ny Aprily 2000. Nahavita lavaka tany amin’ny 300 metatra ambanin’ny tany izy ireo, mba hitadiavana volafotsy sy firaka. Nisisika tamin’ny lavaka kelikely iray i Eloy Delgado, 40 taona, ka sendra zohy feno kristaly tantera-pahazavana goavam-be. “Nahafinaritra be ilay izy”, hoy izy, “toy ireny hazavana avy amin’ny fitaratra vaky ireny.” Nisy olon-kafa nilaza fa toy ny hoe “tara-bolana nivaingana tampoka” no fahitany ireo kristaly.
Ireo no heverina fa ny kristaly lehibe indrindra eran’izao tontolo izao. Ngeza toy ny hazo kesika efa lehibe ny sasany amin’izy ireo, mahatratra 15 metatra ny haavony ary milanja 10 taonina mahery! “Tena mahavariana mihitsy ny mahita kristaly goavam-be sy tonga lafatra toy izany”, hoy i Jeffrey Post, mpiandraikitra ny harena an-kibon’ny tany, ao amin’ny Fikambanana Smithsonian, any Washington. Nilaza izy fa kely sy azo fihinina anaty tanana ny ankamaroan’ny kristaly fahita eto an-tany.
Hoy ny gazetiboky Smithsonian (anglisy) tamin’ny Aprily 2002, mahakasika ny fiforonan’ireo kristaly ireo: “Feno solifara ny rano ao anatin’ireo zohy, satria misy toerana fitrandrahana firaka sy volafotsy tsy lavitra avy eo. Manomboka mandevona ireo vatosokay eny amin’ny sisin’ny zohy ilay rano, ka manome sokay be dia be. Rehefa mifangaro amin’ny solifara io sokay io, dia manjary kristaly goavam-be mbola tsy nisy mpahita hatramin’izay.”
Tena tsy zakan’ny olombelona ny mari-pana sy ny hamandoana ao anatin’ireny zohy ireny, na dia mety tsara amin’ny kristaly aza. Manakaiky ny 65 degre foana ny mari-pana, ary mahatratra 100 isan-jato ny hamandoana. Hoy i Richard Fisher, mpikaroka sady olona voalohany avy any Amerika Avaratra nitsidika an’ireo zohy: “Toy ny miditra ao anaty lafaoro ny miditra ao anatin’ilay zohy lehibe.” Nilaza koa izy fa mandritra ny enina ka hatramin’ny folo minitra ihany ny olona iray no afaka mijanona amin’ny toerana toy izany, fa tsy zaka intsony ny hafanana sy ny hamandoana aorian’izay.
Ny fahitana ireo kristaly goavam-be ireo dia mampahatsiahy antsika, fa mirakitra zavatra tena mahatalanjona ny tany sady feno zava-tsoa. Mbola tsy hitantsika anefa ny ankabeazan’izy ireny. Tsy miombon-kevitra amin’ny mpanao salamo, izay nilaza toy izao ve ianao: “Endrey ny hamaroan’ny asanao, Jehovah ô! Fahendrena no nanaovanao azy rehetra; henika ny zavatra nataonao ny tany”?—Salamo 104:24.
[Sary nahazoan-dalana, pejy 31]
Sary rehetra: © Richard D. Fisher