Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manafaha Tena Amin’ny Hetraketraka

Manafaha Tena Amin’ny Hetraketraka

Manafaha Tena Amin’ny Hetraketraka

‘Toetra nianarana ny hetraketraka, ary tsy misy zavatra nianarana ka tsy hay hadinoina.’​—Pr. Sally Murphy.

SAMY mila fanampiana na ny mpihetraketraka na ny iharan’ny hetraketraka. Mila ampianarina tsy hanampatra ny heriny ny mpihetraketraka rehefa mifandray amin’ny hafa. Mila omena hevitra azo ampiharina koa ireo iharan’ny hetraketraka mba hiatrehany an’ilay olana.

Matetika no tsy mahay mifandray amin’ny olona ny mpihetraketraka, ary tsy fantany koa ny fihetseham-pon’ireo ampijaliny. Mila ampiofanina tsara sy ampianarina hampita hevitra amin’ny olona izy. Hoy ny boky Aza Avela Hahazo Vahana Ireo Mpihetraketraka (anglisy): “Raha tsy ampianarina hanana toetra vaovao sy hampiseho izany ny mpihetraketraka, dia hanohy hihetraketraka foana izy mandritra ny androm-piainany. Hihetraketraka amin’ny vady aman-janany izy, na amin’ireo ho eo ambany fahefany rehefa any am-piasana.”

Ampio ny ankizy tsy hihetraketraka

Mety hanampy ny ankizy tsy hihetraketraka ny fampianarana azy hangoraka olona, dieny mbola kely izy. Mampiasa karazana fampianarana vaovao antsoina hoe fampianarana hangoraka izao ny mpanabe any amin’ny tany sasany. Ny tanjona dia ny hampianatra an’ireo zaza vao dimy taona monja, hahatsapa ny fihetseham-pon’ny olon-kafa sy ho tsara fanahy. Na dia mbola vitsy aza ny tatitra voaray momba ny vokatra maharitr’io fampianarana io, dia hita tamin’ny vokatra voangona fa malemy fanahy kokoa ireo nanaraka an’io fampianarana io, tsy toy ireo tsy nampianarina.

Raha ray aman-dreny ianao dia tsy tokony havelanao ho andraikitry ny sekoly irery ny fampiofanana ny zanakao amin’io lafiny io. Ampianaro hitondra ny hafa amim-panajana sy amim-pahamendrehana ny zanakao, ary mamelà ohatra tsara raha tsy tianao ho lasa mpihetraketraka izy. Inona no hanampy anao? Angamba anananao ilay boky tsy dia ankamamin’ny olona loatra, nefa tena tsara sy manome fampiofanana amin’io lafiny io. Tsy inona izany fa ny Baiboly. Ahoana no hanampian’izy io anao?

Ampianarin’izy io aloha hoe ahoana no fahitan’Andriamanitra ny hetraketraka. Maharikoriko azy izany! Hoy ny Baiboly momba an’Andriamanitra: ‘Ny mifaly hampidi-doza dia halan’ny fanahiny.’ (Salamo 11:5) Tsy jamba koa Andriamanitra ka tsy hahita ny zava-mitranga. Resahin’ny Baiboly fa nalahelo izy rehefa nijaly ny Isiraelita satria nisy “nampahory sy nampalahelo azy.” (Mpitsara 2:18) Matetika koa Andriamanitra no nanafay an’ireo nanampatra ny fahefany, ka nampijaly ny malemy sy ny tsy nanana mpiaro.​—Eksodosy 22:22-24.

Misy fampianarana koa ao amin’ny Baiboly, izay angamba ny malaza indrindra amin’ny fampianarana momba ny fangorahana ny hafa. Hoy i Jesosy: “Koa izay rehetra tianareo hataon’ny olona aminareo àry, dia mba ataovy aminy koa.” (Matio 7:12) Tsy mora ny mampianatra ny ankizy ho tia, sy hiaina mifanaraka amin’io Fitsipika Volamena io. Ny ray aman-dreny no mila manome ohatra tsara, mikiry, ary miezaka mafy, satria voajanahary amin’ny ankizy ny tsy fahalalana afa-tsy ny tenany. Tsy ho very maina anefa ny ezaka rehetra amin’izany. Hankahala hetraketraka ny zanakao raha mianatra ny ho tsara fanahy sy hitsetra ny hafa.

Ampio ireo iharan’ny hetraketraka

Tena sarotra amin’ny olona iharan’ny hetraketraka, indrindra raha tanora izy, ny ho tony sy tsy hikoropaka, rehefa mipoitra ny fanerena. Mety ho ny hanakorontana ny sainao no tanjon’ilay mpihetraketraka amin’ny fihetsiny. Manantena izy fa hisafoaka ianao na ho raiki-tahotra. Ho tratrany ny tanjony raha misafoaka ianao, na migogogogo mitomany ka hita ho mijaly erỳ. Amin’izay izy dia mety hitady hevitra hiverenan’izany foana.

Inona àry no azonao atao? Eritrereto ireto soso-kevitra ireto. Nosoratana indrindra ho an’ny tanora izy ireto, nefa afaka mampihatra azy izay rehetra iharan’ny hetraketraka.

Mitonia tsara; aza misafoaka. Izao no torohevitra feno fahendrena omen’ny Baiboly: “Mitsahara amin’ny fahatezerana, ary mahafoiza ny fahavinirana.” (Salamo 37:8) Hamela an’ilay mpihetraketraka hifehy anao ianao raha tsy mifehy ny fihetseham-ponao, ary mety hanao zavatra hanenenanao.​—Ohabolana 25:28.

Aza mieritreritra ny hamaly faty mihitsy. Hifototra aminao ihany izany matetika. Tsy hitondra fahafaham-po mihitsy ny valifaty, na ahoana na ahoana. Hoy ny ankizivavy iray, izay nodarohan’ny tanora dimy, tamin’izy 16 taona: “Nanapa-kevitra tao am-poko aho hoe ‘Mbola ho azoko ireny.’ Nampian’ny namako aho, ary namaly faty tamin’ny roa tamin’ireo namono ahy.” Inona ny vokany? “Nahatsiaro fahabangana tato anatiko aho”, hoy izy. Niharatsy koa ny toetrany nanomboka tamin’io fotoana io. Tsarovy ireto teny feno fahendrena hita ao amin’ny Baiboly ireto: “Aza mamaly ratsy ny ratsy, na amin’iza na amin’iza.”​—Romanina 12:17.

Mialà haingana raha hitanao fa toa mihahenjana ny rivo-piainana. Hoy ny Baiboly: “Ilaozy ny fifandirana, dieny tsy mbola mifandramatra.” (Ohabolana 17:14) Aza miarakaraka amin’ireo tia mihetraketraka. Hoy ny Ohabolana 22:3: “Ny mahira-tsaina mahatsinjo ny loza ka miery; fa ny kely saina kosa mandroso ka voa.”

Mety hila ny hiresaka mivantana amin’ilay mpihetraketraka ianao, raha tsy misy fiovana ny toe-javatra. Kendreo ny fotoana mahatony anao. Jereo tsara ilay mpihetraketraka, ary mitenena mafy sy amim-pahatapahan-kevitra. Lazao aminy fa tsy tianao ny ataony, ary tsy mampihomehy ilay izy fa mandratra. Aza manompa na mihantsy azy.​—Ohabolana 15:1.

Resaho amin’ny olon-dehibe tompon’andraikitra ilay hetraketraka. Resaho mazava tsara aminy ny momba ilay olana, ary angataho izy hanampy anao hiatrika an’ilay izy. Izany koa no ataovy antom-bavaka amin’Andriamanitra. Tena hanampy sy hampahery anao tokoa izany.​—1 Tesalonianina 5:17.

Tadidio fa mendrika ny hohajaina ianao amin’ny maha olona anao. Mety ho tian’ilay mpihetraketraka ny hieritreretanao fa olona tsy misy dikany ianao, ary tsy mendrika ny hohajaina. Tsy izy anefa no mpitsara anao. Andriamanitra no mpitsara anao, ary mitady ny toetra tsara ao amintsika tsirairay izy. Ilay mpihetraketraka no manjary tsy mendrika noho ny toetrany.

Arovy ny zanakareo ry ray aman-dreny

Dieny mbola kely koa ny ankizy dia efa azon’ny ray aman-dreniny atao ny manomana azy hiatrika amim-pahombiazana ny mpihetraketraka. Azony atao, ohatra, ny milalao tantara kely miaraka amin’ny zanany, hampianarana azy hatoky tena rehefa manoloana olon-kafa.

Na dia ny fijoroanao mahitsy tsara fotsiny aza, izay mampiseho fa matoky tena ianao, dia mety hampihemotra ny mpihetraketraka sasany. Mety hanampy anao koa ireto: jereo eo amin’ny masony izy, aza henjanina fa avelao halefaka ny tananao, ary mitenena amim-pahatapahan-kevitra. Ampirisihina mafy ny ray aman-dreny hampianatra ny zanany handao sy hanalavitra ny mpihetraketraka, ary mba hangataka ny fanampian’ny olon-dehibe azo atokisana, toy ny mpampianatra.

Manomboka amin’ny fampianarana ny fianakaviana ny famongorana ny hetraketraka. Hahatsiaro tena ho ilaina sy ankasitrahana ary tiana ny ankizy, raha vonona hihaino azy amim-paharetana sy amim-pangoraham-po ny ray aman-dreniny, rehefa iresahan’ny zanany momba ny zavatra mampanahy azy. Maro amin’ireo matihanina mpanoro hevitra momba ny fomba fitaizan-janaka sy ny famahana olana eo amin’ny mpinamana, no mampirisika ny ray aman-dreny hanampy ny zanany hatoky tena. Tsy dia lasibatr’ireo mpihetraketraka ny ankizy matoky tena toy izany.

Tsy vitan’ny resaka fotsiny anefa izany rehetra izany. Ilain’ny tsirairay ao amin’ny fianakaviana ny mianatra mifanaja sy mifanome voninahitra, ary mianatra mangoraka. Aza mandefitra mihitsy àry amin’ny fisian’ny hetraketraka ao an-tranonao. Ataovy toeram-pialofana hanjakan’ny fifanajana sy ny fifankatiavana ny tokantranonao.

Hisy farany ny hetraketraka

“Misy andro anapahan’ny olona ny namany ka ampidirany loza aminy.” (Mpitoriteny 8:9) Mamintina ny tantaran’olombelona amin’izany teny izany ny Baiboly. Marina tokoa fa zava-manahirana ny olona, efa hatramin’ny an’arivo taona, ny hetraketraka. Hoy ny mpanoratra iray ao amin’ny Baiboly: “Hitako koa ny fampahoriana rehetra atao atỳ ambanin’ny masoandro; ary indro ny ranomason’ny ampahorina, sady tsy nisy mpanony azy; ary loza no ataon’ny tànan’ny mpampahory azy, sady tsy nisy mpanony.”​—Mpitoriteny 4:1.

Tena hitan’Andriamanitra anefa ny hetraketraka rehetra mitranga eto an-tany, ary mangoraka an’ireo ampijalina izy. Mbola hanao zavatra mahakasika izany ve anefa izy? Eny tokoa! Mariho ny fampanantenany ao amin’ny Mika 4:4 hoe: “Samy hipetraka eny ambanin’ny voalobony sy ny aviaviny izy, ary tsy hisy hanaitaitra azy; fa ny vavan’i Jehovah, Tompon’ny maro, no efa niteny.”

Alao sary an-tsaina hoe hanao ahoana ny tany rehefa ho tanteraka izany fampanantenana izany. Tsy hisy olona hampihorohoro olon-kafa intsony. Tsy hisy mpihetraketraka intsony! Tsy tena manintona ve izany? Tsy vitan’ny hoe mampanantena hoavy toy izany fotsiny Andriamanitra. Misy fandaharana tena mandaitra koa, mba hampianarana Baiboly, alamina maneran-tany dieny izao. Tena andraisan-tsoa tokoa izy io. Ireo mandray anjara amin’io fampianarana io dia mianatra ny tsy hahery setra intsony, hitandro ny fiadanana eo amin’izy samy izy, ary hanaja sy hanome voninahitra ny hafa. (Efesianina 4:22-24) Tsy ho ela dia hameno ny tany io fampianarana tsy manan-tsahala io, ary hifarana hatreo ny olana momba ny hetraketraka. Ho tanteraka ny fampanantenan’Andriamanitra, hita ao amin’ny Baiboly. Hifaly ao amin’ny tontolo tsy hisian’ny mpihetraketraka intsony ny rehetra amin’izay!

[Sary, pejy 8]

Tsy mahamenatra ny manalavitra ny mpihetraketraka

[Sary, pejy 9]

Mampianatra ny ankizy hiatrika ny karazana hetraketraka rehetra ny fiainam-pianakaviana milamina

[Sary, pejy 10]

Ampianaro hiteny amim-patokian-tena nefa amim-pahaiza-mandanjalanja ny zanakao