Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mitady ny Tonga Lafatra Foana Aho—Ahoana no Hialako Amin’izany?

Mitady ny Tonga Lafatra Foana Aho—Ahoana no Hialako Amin’izany?

Manontany ny Tanora Hoe . . .

Mitady ny Tonga Lafatra Foana Aho​—Ahoana no Hialako Amin’izany?

“Mitady ny tonga lafatra foana aho amin’izay rehetra ataoko.”​—Carly.

TANORA maro no sahiran-tsaina, satria mitady ny tonga lafatra foana amin’izay rehetra ataony.

Hoy ny boky Fitadiavana ny Tonga Lafatra​—Inona no Maharatsy ny Tsara Loatra? (anglisy): “Tsy mitovy mihitsy ny hoe miezaka manao zavatra tena tsara, izay mahasoa, sy ny hoe mitady ny tonga lafatra, izay tsy ho tratra mihitsy, sady tsy mahasoa. Mety ho tsy maintsy mandamina tsara ny zavatra ataony sy mametra tanjona ambony ny olona miezaka manao zavatra tena tsara. Miaiky ny fahadisoany koa anefa izy ireo, ary mahay miatrika izany. . . . Ny olona mitady ny tonga lafatra kosa anefa matahotra ny hanao fahadisoana foana. Sarotra loatra ny fitsipika apetrak’izy ireo.”

Manao an’izany koa ve ianao? Tsy hahavita na inona na inona ianao, raha sarotra loatra ny fitsipika apetrakao. Mety ho tsy te hanao zava-baovao mihitsy ianao, na mety hangataka andro foana rehefa hanao zava-dehibe sasany, satria matahotra ny tsy hahomby. Matetika aza angamba no tsy tianao izay olona tsy mahatratra ny fitsipika apetrakao, ka hanjary tsy hanana namana ianao.

Raha izany no mihatra aminao, dia diniho ilay tenin’ny Baiboly, ao amin’ny Mpitoriteny 7:16, manao hoe: “Aza marina loatra, ary aza miseho ho hendry loatra; nahoana no hosimbanao ny tenanao?” Mety ‘hanimba tena’ tokoa ny olona mitady ny tonga lafatra foana! Mety hotandindomin-doza ny ainy satria tsy misakafo ara-dalàna izy, fa lasa tsy mazoto homana mihitsy, na tendan-kanina loatra. *

Noho izany, dia mety hanontany ianao hoe: ‘Raha mitady ny tonga lafatra foana àry aho, ahoana no hialako amin’izany?’ Marina fa sarotra ny manova ny fisainanao, kanefa azo atao izany noho ny fanampian’Andriamanitra. Hojerentsika aloha ny fiheveran’Andriamanitra an’ireo olona mitady ny tonga lafatra.

Azo atao ve ny ho tonga lafatra?

Tena azonao atao tokoa ve ny ho tonga lafatra amin’ny lafiny rehetra? Tsy azo atao izany, satria milaza ny Baiboly hoe: “Tsy misy olo-marina, na iray aza. . . . Efa nivily ho amin’ny lalan-diso avokoa ny olona rehetra, ka samy tsy misy vidiny izy rehetra.” (Romanina 3:10-12) Tsy mampisaintsaina tokoa ve izany teny izany? Hita avy amin’izany fa na iza na iza miezaka ny ho tonga lafatra, dia tsy hahavita an’izany mihitsy.

Diniho, ohatra, ny apostoly Paoly. Tena matotra izy, kanefa tsy hoe lavorary akory ny fanompoany an’Andriamanitra. Niaiky izy hoe: “Rehefa te hanao izay tsara aho, dia ato anatiko ihany ny ratsy. Tena fahafinaretana ho ahy ny lalàn’Andriamanitra, araka ny toetra maha izy ahy ato anatiko, nefa ao amin’ny vatako dia ahitako lalàna hafa miady amin’ny lalàn’ny saiko sady mitondra ahy ho babon’ny lalàn’ny ota ao amin’ny vatako.” (Romanina 7:21-23) Tsy afaka ny ho Kristianina nahatoky i Paoly, raha tsy noho ny fanampian’Andriamanitra.

Soa ihany fa tsy mangataka na manantena antsika ho tonga lafatra Andriamanitra. “Izy mahalala ny toetsika ka mahatsiaro fa vovoka isika.” (Salamo 103:14) Rehefa any amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra ny olona vao ho tonga lafatra.

Diniho indray ireo tanjonao

Mandra-pahatongan’izany anefa, dia tsy tokony hanantena ny ho tonga lafatra mihitsy ianao. Tsy maintsy hanao fahadisoana ianao. (Romanina 3:23) Indraindray aza tsy tsapantsika akory ny fahadisoantsika! Hoy ny Salamo 19:12, araka ny Dikan-teny Anglisy Ankehitriny: “Tsy misy mahita ny fahadisoan’ny tenany.” Izao no nolazain’ny tanora iray antsoina hoe Matthew: “Tsy tonga lafatra ianao, ary tsy misy olona tonga lafatra eto an-tany. Tsy ho sambatra mihitsy ianao raha manantena ny tenanao ho tonga lafatra. . . . Zavatra tsy mitombina izany, sady tsy hisy mihitsy.”

Tokony hitadidy an’izany ianao, ka handinika indray ireo tanjonao. Ohatra, moa ve ianao miady mafy mihitsy mba ho ianao foana no hahavita ny tsara indrindra amin’ny zavatra rehetra? Lazain’ny Baiboly fa mety ho very maina fotsiny izany ezaka izany, ka ho “zava-poana sy misambo-drivotra foana.” (Mpitoriteny 4:4) Vitsy ihany mantsy no mahavita ny tsara indrindra. Ary na dia misy olona mahavita izany aza, dia tsy maintsy hisy olona hahavita tsara noho izy any aoriana.

Manoro hevitra ny apostoly Paoly hoe: “Izao no lazaiko amin’ny olona rehetra eo aminareo: Aza mihevi-tena mihoatra noho izay tokony hoheverina, fa rehefa mieritreritra kosa, dia mba ataovy tanjona ny ho tonga olona misaina.” (Romanina 12:3) Aoka ianao hahay handanjalanja! Diniho indray ireo tanjonao, ka ataovy mifanaraka amin’ny fahaizanao sy ny fetran’ny mety ho vitanao. Miezaha manao asa faran’izay tsara, kanefa aza mitady ny tonga lafatra. Mamera tanjona voafaritra tsara nefa azo tratrarina.

Nampirisika an’i Timoty, ohatra, i Paoly mba ho “mpiasa tsy mitsanga-menatra na amin’inona na amin’inona, ary manazava ny tenin’ny fahamarinana amin’ny fomba marina tsara.” (2 Timoty 2:15) Nampirisihin’i Paoly izy mba hanao asa faran’izay tsara, fa tsy hitady ny tonga lafatra. Ataovy antonony tsara koa àry ny tanjona apetrakao. Raha tsy tena fantatrao izay “antonony tsara”, dia miresaha momba izany amin’ny ray aman-dreninao na amin’ny olon-dehibe hafa itokisanao.

Misy manoro hevitra mihitsy hoe tokony hanandrana hanao zavatra tsy hainao ianao, toy ny hoe manao fanatanjahan-tena mbola tsy nataonao na mianatra mitendry zavamaneno. Mazava ho azy fa tsy maintsy hanao fahadisoana maro be ianao rehefa mianatra zava-baovao, kanefa tsy tena hoe ratsy akory izany. Mety hanampy anao izany mba hahita fa tsy maintsy manao fahadisoana ianao rehefa mianatra.

Na inona na inona iezahanao hovitaina, na hanao famelabelarana any am-pianarana izany, na hahay hitendry piano, dia tsarovy ilay torohevitra nomen’i Paoly hoe: “Aza malaina amin’izay ataonareo.” (Romanina 12:11) Aza mangataka andro àry, satria fotsiny hoe matahotra ny tsy hahomby ianao.

Nisy tovovavy iray nampihemotra foana ny devoara tokony hataony, satria, hono, “mandamina ny zavatra ataony” izy. Na dia tsara aza ny mandamina ny zavatra ataonao, dia aza atao fialan-tsiny mba hangatahana andro izany. Tsapan’io tovovavy io tatỳ aoriana fa “aleo manao devoara ihany, na dia tsy tena nahafa-po anao aza izay nataonao, toy izay tsy manao mihitsy.”

Aza mieritreritra zavatra mahakivy!

Tsy mora koa anefa ny manao zavatra tsy tena mahafa-po ny tena. Mety mbola hisy eritreritra mahakivy ihany hameno ny sainao. Inona no azonao atao? Tsy mahasoa mihitsy ny mifantoka amin’ny zavatra mahakivy. Miezaha mafy àry mba hanala izay eritreritra tsy mahasoa ao an-tsainao. Mba ataovy fihomehezana koa indraindray ireo fahadisoana ataonao, satria “ao ny andro ihomehezana.” (Mpitoriteny 3:4) Tsarovy fa tsy tian’i Jehovah ny fanevatevana olona, na dia ny tenantsika ihany aza no anaovantsika izany.​—Efesianina 4:31.

Aza mandevilevy foana ny tenanao, fa ampiharo ilay voalazan’ny Ohabolana 11:17 hoe: “Ny olona mamindra fo dia mahazo soa ho an’ny tenany [na manisy soa ny tenany]; fa ny lozabe dia todìn’ny halozany.” Ho mora aminao ve ny hanana namana, raha sarotra loatra ny fitsipika apetrakao? Azo inoana fa tsia. Mety ho efa nisy mihitsy aza olona tsy tianao satria tsy tonga lafatra. Inona àry no azonao atao?

Araho ilay didin’ny Baiboly hoe: “Mahaiza foana mifampizaka sy mifamela heloka tanteraka, raha misy manana antony hitarainana momba ny sasany.” (Kolosianina 3:13) Hanana namana maro kokoa ianao, raha antonony tsara ny zavatra antenainao amin’ny olona!

Mety hanontany tena ianao hoe: ‘Nahoana moa ny olona no tsy ho tia ahy, raha mitady ny tonga lafatra aho?’ Diniho izay mety ho vokany eo amin’ny olon-kafa, rehefa fantany fa ambony loatra ny tanjona tratrarinao. Izao no hazavain’ny boky iray: ‘Raha toa ianao mitaraina be foana isaky ny mahazo naoty latsaka kely noho ny ambony indrindra, dia mety ho toy ny manambany an’ireo namanao izay efa miezaka mafy vao mba mahazo naoty antonontonony.’ Miezaha àry mba tsy hijery ny lafy ratsin-javatra sy tsy ho tia tena. Ho hitan’ny olona fa mahafinaritra kokoa ny miaraka aminao.

Namintina izany i Carly, ilay ankizivavy voalaza etsy ambony, ka nilaza hoe: “Tsy maintsy nanapa-kevitra mihitsy aho mba tsy hitady ny tonga lafatra intsony.” Ahoana no azonao anaovana izany? Saintsaino ny fomba fihevitr’Andriamanitra. Raha mbola sarotra aminao ihany ny manova ny fisainanao momba ilay izy, dia miresaha amin’ny ray aman-dreninao, na amin’ny Kristianina matotra iray eo anivon’ny fiangonanareo. Mivavaha amin’Andriamanitra, ka mangataha fanampiana aminy mba hanova ny fisainanao. Tena afaka manampy anao tsy hitady ny tonga lafatra intsony ny vavaka.​—Salamo 55:22; Filipianina 4:6, 7.

Tsarovy fa tsy mangataka antsika ho tonga lafatra i Jehovah. Mitaky ny tsy hivadihantsika aminy fotsiny izy. (1 Korintianina 4:2) Raha miezaka mafy ny tsy hivadika aminy ianao, dia ho afa-po amin’ny tenanao, na dia tsy tonga lafatra aza.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 7 Jereo ilay lahatsoratra hoe: “Nahoana Aho no Mitady ny Tonga Lafatra Foana?”, ao amin’ny Mifohaza! 8 Aogositra 2003.

[Sary, pejy 25]

Mety tsy hahavita na inona na inona ianao raha matahotra ny tsy hahomby

[Sary, pejy 26]

Mety hanampy anao hizaka ny fahadisoana ataonao ny fianarana zava-baovao