Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Orkide Tsara Tarehy

Orkide Tsara Tarehy

Orkide Tsara Tarehy

AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY COSTA RICA

“Tsara tarehy erỳ izy ireo eo amin’ilay rindrina rakotra taila. Tsotsofin’ny rivotra malefaka izy ireo, sady tarafin’ny masoandro, ka vao mainka mahafinaritra ny mijery azy. Malomaloka ny andro indraindray, nefa tsy mampiova ny hakanton’izy ireo izany.”

IZANY no teny fampidirana tao amin’ny lahatsoratra an-gazety iray, izay nampandre momba ilay fampirantiana orkide fanao isan-taona eto San José, Costa Rica. Raha vao mandre fotsiny ny teny hoe orkide, dia mety ho tonga ao an-tsaina avy hatrany ny sasany amin’ireo voninkazo hafakely sy tsara tarehy indrindra eran-tany. Re nilaza toy izao ny olona iray nitsidika ilay fampirantiana: “Iza no afaka hilaza fa tsy Andriamanitra no namorona izao zavatra voakaly sy tsara tarehy izao?” Mendrika ny hoderaina tokoa i Jehovah Andriamanitra noho ny hatsaran-tarehin’ny orkide. Tena hita amin’ny zavatra nataony ny toetrany tsy hita maso.​—Romanina 1:20.

Efa an’arivo taona no be mpitia ny orkide. Voaporofo fa efa namboly azy ireny ny Sinoa, 4 000 taona mahery lasa izay. Voalaza koa fa nisy karazana orkide maromaro nambolena tany amin’ny faritra hafa tamin’ny tany. Nanao izany i Montezuma, izay nanjaka nanomboka tamin’ny 1502 ka hatramin’ny 1520, tany amin’ilay antsoina ankehitriny hoe Meksika. Tamin’ireo taona 1800 anefa vao tena be mpitady ny orkide.

Tamin’ny 1818, ny lehilahy iray tany Angletera, atao hoe William Cattley, dia nahazo zavamanirin’ny tany mafana avy tany Brezila. Voamariny fa nitovitovy tamin’ny fakan-javamaniry ny sasany tamin’izy ireo. Namboleny ireo fakan-javamaniry ireo, ka faly be izy avy eo satria nanome voninkazo volomparasy tsara tarehy izy ireo. Io ilay karazana orkide antsoina ankehitriny hoe Cattleya.

Fanaon’ny mpanankarena ny nanangona orkide tsy fahita firy nandritra ireo taona 1800. Ny karazany vaovao no tena lafo. Tsy nalaza firy intsony anefa ny fanangonana orkide, tany am-piandohan’ireo taona 1900. Nanomboka indray izany am-polo taona tatỳ aoriana, rehefa nahita fomba tsy nandaniam-bola hambolena orkide ny olona. Afaka nanana an’io voninkazo hafakely io daholo àry ny rehetra hatramin’izay!

Misy karazany maro be

Ny orkide angamba no voninkazo be karazany indrindra, satria mahatratra 20 000 izany maneran-tany. * Saika hita hatraiza hatraiza ny orkide, manomboka any amin’ny Faribolan-tendrontany Arktika ka hatrany amin’ny toerana somary karankaina. Eny an-tendron-kazo any amin’ny Tendrombohitra Andes, izay 3 000 metatra ambony ranomasina, no ahitana ny orkide sasany. Ny hafa kosa saika mijanona any ambanin’ny tany foana, toy ireo hita any Aostralia.

Isan-karazany ny haben’ny orkide sy ny lokony ary ny fofony. Mahatratra metatra maromaro ny haavon’ny orkide sasany any Papouasie-Nouvelle-Guinée, ary mahatratra roa taonina ny lanjany. Ny hafa kosa tafatsofoka tsara ao anaty fanosehana satria toy ny loham-panjaitra ny haben’ny felany. Maniry amin’ny tany ny orkide sasany, fa ny ankamaroany kosa maniry eny ambony hazo na zavamaniry hafa. Misy orkide mamoaka fofona manitra malefaka mitovitovy amin’ny voaniho na voaroimena, fa misy kosa mamoaka fofona mitovy amin’ny hena maimbo.

Mety hisy hanontany hoe: ‘Tena avy amin’ny fianakaviana iray ve ireo voninkazo rehetra ireo?’ Marina fa misy karazany maro be ny orkide, nefa misy zavatra roa mampiavaka azy amin’ny voninkazo hafa. Voalohany, mitovy daholo ny firafitry ny felan’ny orkide rehetra. Faharoa, tsy misaraka ny lahimbony sy ny vavimbony ao amin’ny orkide.

Orkiden’i Costa Rica

Kely ny velaran-tanin’i Costa Rica, nefa anisan’ny firenena manana orkide betsaka indrindra izy maneran-tany. Ahitana karazana orkide 1 400 eo ho eo eto. Azo antoka fa mbola misy karazany hafa, ary mbola ho hita izy ireny amin’ny hoavy. Mahatonga ny toetrandro eto Costa Rica halefadefaka ny Ranomasina Karaiba ao atsinanana sy ny Oseana Pasifika ao andrefana. Samy hafa àry ny habetsahan’ny hamandoana amin’ny faritra rehetra eto Costa Rica, ka mety tsara ho an’ny karazana orkide maro izany. Ahitana ala an-tendrombohitra maro koa eto, ka any amin’ireny no tena be orkide indrindra. Nahitana karazana orkide 47, ohatra, teo ambonin’ny hazo iray!

Karazana orkide maro izao no iezahana harovana satria atahorana ho lany tamingana. Soa ihany fa mbola misy karazany hafa maniry tsara any amin’ny alan’i Costa Rica. Mamboly orkide izao no fialam-bolin’ny karazan’olona rehetra eto. Tsy sarotra ny mamboly azy ireny, nefa misy olana kely. Raha vao manomboka mamboly karazana orkide iray ny olona, dia mety ho te hanana karazany betsaka kokoa hatrany izy. Izao no fomba nilazan’ny mpanoratra iray izany: “Toy ny hoe mifehy tena mba tsy hihinana afa-tsy voanjo iray ny olona tsy mamboly afa-tsy orkide iray.”

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 9 Karazana orkide grefy efa ho 100 000 koa izao no fantatra.

[Efajoro/Sary, pejy 15]

Fampirantiana Orkide Fanao Isan-taona

Nanao fampirantiana orkide voalohany ny Fikambanana Mpiaro ny Orkiden’i Costa Rica tamin’ny 1971, mba hampirisihana ny olona hiaro ny orkide maniry ho azy. Kely ihany io fampirantiana io, satria karazana orkide 147 monja no naseho teo ambony latabatra vitsivitsy. Tsy ela anefa izay, dia karazana orkide 1 600 mahery no naseho. Ny loko marevaka ananan’ireo orkide no voamariky ny mpitsidika voalohany, raha vao tonga ao amin’ilay toerana fampirantiana izy ireo. Finaritra erỳ izy ireo avy eo, rehefa mahita fa misy ao daholo na orkide kely na orkide lehibe.

[Sary nahazoan-dalana]

Jardín Botánico Lankester

[Efajoro/Sary, pejy 16]

Zaridainan’i Lankester

Io toerana tsara tarehy sy milamindamina io no heverina ho anisan’ireo zaridainan-javamaniry sarobidy indrindra atỳ amin’ny kontinanta amerikanina. Ilay Anglisy mpandinika zavaboary atao hoe Lankester Wells no nanorina azy io tamin’ny 1917. Ahitana orkide tsara tarehy 800 karazana ao amin’io toerana io, ka avy eto Costa Rica sy avy any ivelany izy ireo, ary maniry ao anaty ala sy zaridaina mirefy 10,7 hektara. Toerana natao hiarovana ny orkide koa ny Zaridainan’i Lankester. Misy mivarotra tsy ara-dalàna mantsy indraindray ny orkide maniry ho azy, indrindra ireo karazany tsy fahita firy. Alain’ny fitondram-panjakana izay orkide tratrany, ka ambolena ao amin’ny Zaridainan’i Lankester mba ho voaro.

[Sary nahazoan-dalana]

Sary eo ambony: Jardín Botánico Lankester de la Universidad de Costa Rica

[Efajoro/Sary, pejy 17]

Fomba Fambolena Orkide ao An-trano

◼ Maniry tsara ny ankamaroan’ny orkide raha atao ao anaty tavim-boninkazo na harona nofenoina vatokely na hodi-kazo.

◼ Marina fa tsy mila tany ny ankamaroan’ny orkide, nefa mila asiana zezika tsy tapaka izy ireo, indrindra rehefa mamelana.

◼ Miankina amin’ilay karazana orkide ny hazavana ilainy. Mety tsara amin’ny orkide Vanda ny hazavana avy amin’ny varavarankely mitodika mianatsimo. Hazavana avy any andrefana na hazavana malefadefaka avy any atsimo kosa no tena mety amin’ny orkide Cattleya. Mety tsara amin’ny orkide Phalaenopsis koa izany.

◼ Rehefa manondraka orkide, dia tsy tokony hajanona mihitsy ny rano raha tsy mivoaka avy ao amin’ilay lavaka ao ambanin’ilay tavim-boninkazo. Somary efa maimaina ny orkide vao tokony hotondrahana.

◼ Toerana mandomando no tena mety amin’ny orkide. Raha any amin’ny tany maina àry no misy anao, dia apetraho ao anaty zavatra fisapisaka nofenoina vatokely ilay orkide, ka ataovy mila ho difotry ny rano hatramin’ireo vatokely.

[Sary]

“Phalaenopsis”

“Vanda”

“Cattleya”

[Sary nahazoan-dalana]

Jardinería Juan Bourguignon

[Sary, pejy 16, 17]

Mety hahatratra enina metatra mahery ity karazana orkide ity, ary mety hahatratra roa taonina ny lanjany

[Sary nahazoan-dalana]

Noemi Figueroa/Brooklyn Botanical Garden

[Sary, pejy 17]

Iray milimetatra monja ny haben’ny felan’ny orkide kely indrindra eran-tany