Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Safidy Mankarary

Safidy Mankarary

Safidy Mankarary

TSY mora amin’ny olona matetika ny mandanjalanja ny sakafony sy mitandrina ny fahasalamany. Noho ny rotoroton’ny fiainana ankehitriny, dia aleon’ny olona mihinana sakafo efa voahodina, toy izay hahandro sakafo manta. Toa mora kokoa ny mijery tele, na mampiasa ordinatera rehefa miala voly, toy izay hampiasa vatana. Mihamaro anefa ny olon-dehibe sy ankizy mety harary mafy noho ny safidy ataony amin’ireo lafiny ireo.

Hoy ny gazetiboky Herinandron’i Azia (anglisy): “Olona maro no voan’ny diabeta noho ny fihinanana sakafo matsiro be, nefa mipetraka foana.” Mampanahy fa voan’io aretina io koa na dia ny tanora kokoa aza. “Hitan’ny mpikaroka” tany Kanada “fa ny ampahafiton’ny ankizy latsaka ny 13 taona ihany no mihinana voankazo sy legioma ampy tsara, ary antsasany mahery kely monja no mba tsemboka rehefa milalao”, hoy ny gazety Gilaoby sy Taratasy (anglisy). “Atahorana kokoa ho voan’ny aretim-po” ny tanora manana fomba fiaina toy izany “rehefa feno 30 taona eo ho eo”, araka ilay tatitra.

Milaza koa ny manam-pahaizana momba ny torimaso fa tokony hatory adiny valo ny olon-dehibe isan’alina, ary betsaka kokoa noho izany ny an’ny tanora. Nasehon’ny fanadihadiana tany amin’ny Oniversiten’i Chicago mihitsy aza, fa manjary ahitana soritr’aretina mpahazo ny be taona ny tovolahy salama, raha adiny efatra monja izy no matory mandritra ny enina alina misesy. Olona maro no manao sorona ny fotoana tokony hatoriany, mba hiasana, na hianarana, na hialana voly. Mety hifanohitra amin’izay kendreny anefa ny vokatra azony. “Tsara kokoa ny manana saina vonon-kiasa sy tia karokaroka, ary tsy resin-tory rehefa mitondra fiara, toy izay saina zara raha miasa”, hoy i James Maas, mpikaroka momba ny torimaso any amin’ny Oniversiten’i Cornell, any New York.

Misy zavatra hafa koa anefa mety hisy fiantraikany eo amin’ny fahasalamantsika. Ho salama kokoa, ohatra, isika raha miezaka ho falifaly foana. Raha manana zava-kendrena tsara koa isika eo amin’ny fiainana, dia hanampy antsika izany mba hanao safidy tsara, ka ho salama hatrany.