Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Topy Maso Eran-Tany

Topy Maso Eran-Tany

Topy Maso Eran-Tany

Mahita ny Lalana Mody ny Orana

“Mahavariana fa mahita ny lalany mody ny orana, na dia rehefa tampenana aza ny masony, entina mihodinkodina izy, ary apetraka amin’ny rano tsy mahazatra azy.” Izany no lazain’ny gazety National Post any Kanada. Nisambotra orana maro tany atsimon’i Floride ny mpikaroka, ka nametraka azy ireo tao anaty fitoeran-drano maizimaizina. Nalefa tany amin’ny 37 kilaometatra avy tamin’ny toerana nisamborana azy, ireo orana ireo avy eo. Niverina tany amin’ilay toerana nisamborana azy foana anefa izy ireo, na dia notampenana aza ny masony. Mihevitra ny mpikaroka fa tsy misy mihitsy biby tsy manana hazondamosina, mahay mamantatra ny lalany toy izany. “Na inona na inona nataonay, dia hitan’ireo orana foana ny lalany mody”, hoy ny Pr. Kenneth Lohmann, izay nitarika ilay fikarohana. “Miavaka mihitsy ny vokatr’ilay fikarohana, rehefa heverina. Afaka mamaritra ny toerana misy azy, io hazandrano kely io, amin’ny toe-javatra izay hahavery tanteraka ny olombelona.”

Tsy Raisina ho Heloka Ilay Izy

Hoy ny gazety The Korea Herald: “Eken’ny lalàna any Meksika fa latsa-paka ao amin’ny olon-drehetra ny faniriana fahafahana. Ary tsy saziny izy ireo raha mikatsaka izany.” Tsy meloka ny voafonja, raha tsy mandika lalàna eo am-pandosirana, mandratra olona, manimba zavatra, manao kolikoly, na miray tetika amin’ny voafonja hafa. Mety hisy anefa ny loza. Afaka mitifitra izay manandrana mandositra ny mpiambina. Nanjary nampiasa hafetsena àry ireo voafonja mba handosirana. Tamin’ny 1998, ohatra, dia nampihena tena ny voafonja iray voaheloka noho ny famonoana olona. Tsy nijanona izy raha tsy 50 kilao sisa ny lanjany, mba hitondran’ny vadiny azy mody ao anaty valizy fitondrana ny lamba malotony. Voasambotra izy, sivy volana tatỳ aoriana, saingy nandositra indray, ary tsy hita intsony hatramin’izao.

Mitatra ny Vondrona Eoropeanina

‘Tanteraka ny fifanarahana mba hampiraisana an’i Eoropa Andrefana sy Eoropa Afovoany, 50 taona taorian’ny Ady Mangatsiaka, izay nampizara roa an’io kontinanta io.’ Izany no nivoaka tamin’ny gazety International Herald Tribune any Paris. Nanaiky ilay fanasana ho anisan’ny Vondrona Eoropeanina, manomboka amin’ny 2004, ny firenena folo, dia i Chypre, Estonia, Hongria, Letonia, Litoania, Malta, Polonina, Slovakia, Slovenia, ary ny Repoblika Tseky. Hiampy 75 tapitrisa àry ny vahoakan’io Vondrona io. Noho izany, dia hisy mpanjifa 450 tapitrisa ao amin’io Vondrona io, ary vola mitentina 10,7 tapitrisa tapitrisa dolara no hiasa ao. Mitovitovy amin’ny an’i Etazonia izany, satria 11,5 tapitrisa tapitrisa dolara no tontalin’ny vola mihodina any. “Sambany teo amin’ny tantara, vao tafaray i Eoropa”, hoy i Romano Prodi, prezidàn’ny Vaomiera Eoropeanina. Ho anisan’ny olana maro hatrehin’ilay Vondrona nitatra ny fanaovana raharaham-barotra amin’ny fiteny 21.

Mariazy Araka ny Fomba Tandrefana, any Japon

Mihatiam-bahoaka hatrany ny mariazy araka ny fomba tandrefana, any Japon, hoy ny gazety The Japan Times, na dia 0,8 isan-jato monja amin’ny Japoney aza no milaza tena ho Kristianina. Anisan’izany ny fampiasana akanjo mariazy fotsy sy fehezam-boninkazo, ary ny fidinana amin’ny lalantsaran’ny fiangonana. Rehefa nadinadinina ny mpivady 4 132 natao mariazy tamin’ny 2001, dia hita fa ny antsasany mahery no nanaraka ny fomba tandrefana. Ny ampahadimy nanaraka ny fomba shintoista, ary ny 0,9 isan-jato nanaraka ny fomba bodista. Mazàna ny fikambanana mpikarakara mariazy no manakarama “vahiny fotsy hoditra, tsy mpitondra fivavahana”, satria izany no tian’ny olona kokoa rehefa te hanaraka ny fomba tandrefana izy. Hoy ny solontenan’ny iray amin’ireny fikambanana ireny: “Mihevitra ny mpivady tanora maro fa ary fomba sy mihaja kokoa ny mariaziny, raha vahiny no asaina mitarika.” Mampanao ny voadim-panambadiana sy manonona andinin-teny ao amin’ny Baiboly no hany ataon’ireny “pasitera amin’ny faran’ny herinandro” ireny.

Zavamaniry Mampidi-doza

“Tsy marina ilay fiheverana hoe tsy manimba ny vatana ny zavamaniry satria voajanahary”, hoy ny gazety El Financiero any Mexico. Mety hampidi-doza ny mitsabo tena amin’ny zavamaniry, araka an’i Abigail Aguilar Contreras avy amin’ny Fikambanana Fiantohana Sosialy any Meksika. Lazain’ilay gazety fa “raha tsy hain’ny olona ny mampiasa ilay raokandro, dia mety hampidi-doza ary hahafaty mihitsy, satria mahery sy misy fanafody izy ireny.” Ohatra iray amin’izany ny karazana ravintsara, izay ampiasaina mba hampihenan-tena. Mety hampivalana sy hampandoa ary hanimba ny fo io zavamaniry io. Koa aleo àry manatona mpitsabo amin’ny raokandro, alohan’ny hitsaboana tena amin’ny zavamaniry.

Kambana Nefa Tsy Mitovy ny Taona Nahaterahany

“Kambana i Caleigh sy Emily Johnson, ary betsaka ny mampitovy azy, afa-tsy ny andro nahaterahany, satria tsy mitovy ny taona nahaterahany”, araka ny gazety Daily News any New York. “Teraka tamin’ny 31 Des[ambra] tamin’ny 11.24 alina i Caleigh, fa i Emily kosa tamin’ny 1 Jan[oary] tamin’ny 12.19 antoandro.” Dibo-kafaliana ny renin’izy ireo, Dawn Johnson, avy any Barnegat, any New Jersey. Hoy izy: “Niriko samy hanana ny maha izy azy manokana izy mirahavavy, na dia kambana aza. Noporofoin’izy ireo hatramin’ny voalohany fa izany no izy.” Nandrasana ho teraka ny 2 Febroary izy ireo, kanjo teraka iray volana talohan’izay.

Miely any An-dakilasy ny Fiteny Amin’ny Internet

Lazain’ny gazety Toronto Star fa “miely any amin’ny lise any Angletera, ny teny nohafohezina fampiasa amin’ny Internet sy ny hafatra amin’ny telefaonina entin-tanana.” Misy mpanabe mihevitra fa “tsy amin’ny fomba fanoratry ny mpianatra ihany no manan-kery ny teknolojia vaovao, fa amin’ny fomba fisainany koa.” Mampiasa teny anglisy vaovao nohafohezina ny mpianatra izao. Ireny teny ireny matetika no fampiasa, rehefa tiana handeha haingana ny resaka amin’ny Internet, na ny hafatra amin’ny telefaonina entin-tanana. Mipoitra ao anaty devoara koa izao izany teny mifangaro teny nohafohezina izany.

Zava-baovao Momba ny Kafe

“Tsy hoe mahasalama kokoa noho ny kafe tsotra ny kafe tsy misy kafeinina, ary mety tsy hampahita tory mandritra ny alina manontolo koa izy io”, hoy ny gazety The Times any Londres. Ny fikarohana nataon’ny mpahay siansa tany amin’ny Hopitaly Fiofanana ho Mpitsabo any Zurich, any Soisa, dia nampiseho fa saika mitovy ny vokatr’ireo karazan-kafe ireo eo amin’ny fo sy ny lalan-dra ary ny rafi-pitatitra. Noho izany, dia mety ho tsy ny kafeinina no olana. Hoy ny Dr. Roberto Conti, izay nitarika ilay fikarohana: “Noheverinay hatramin’izay fa ny kafeinina ao anaty kafe no misy fiantraikany eo amin’ny fo sy ny lalan-dra. Hitanay anefa izao fa misy fiantraikany toy izany eo amin’ny olona tsy mpisotro kafe koa ny kafe tsy misy kafeinina. Izany dia mampiseho fa tena vitsy ny zavatra fantatsika momba ny herin’io zava-pisotro manaitaitra sy be mpitia indrindra eran-tany io.”