Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Antoky ny Fahavelomana ny Rano

Antoky ny Fahavelomana ny Rano

Antoky ny Fahavelomana ny Rano

NANOVO rano teo am-pantsakana ilay vehivavy samaritanina. Noresahin’i Jesosy taminy ny momba ny loharano miboiboika, izay manome fiainana mandrakizay. (Jaona 4:14) Marina fa tsy niresaka rano ara-bakiteny akory i Jesosy. Na izany aza, dia tena ilaina mba hahavelomana ny rano ara-bakiteny satria izy io no zavatra faharoa ilain’ny olombelona manarakaraka ny rivotra. Velona herinandro maromaro ny olona na tsy misakafo aza. Dimy andro monja anefa izy dia maty, raha tsy misotro rano!

Voaforon’ny rano ny telo ampahefatry ny vatan’olombelona. Rano avokoa, ohatra, ny 75 ka hatramin’ny 85 isan-jaton’ny atidoha sy ny 70 isan-jaton’ny hozatra. Manampy ny vatantsika handevona sy handray sakafo koa ny rano, mba hamelomana ireo selantsika. Esorin’ny rano hiala amin’ny vatana ny poizina sy loto hafa. Mampahalama ny tonon-taolana sy ny tsinaibe koa ny rano, ary mihazona ny hafanan’ny vatana ho antonony. Fantatrao ve fa manampy ny olona hampihena tena koa ny fisotroana rano ampy tsara?

Misotroa rano mba hihena

Voalohany aloha, kely sodioma ny rano ary tsy misy kalôria, na menaka, na kolesterola. Faharoa, tsy mampahazoto homana ny rano. Ary fahatelo, manampy izy amin’ny fandevonana ny tahirin-tavy ao amin’ny vatana. Amin’ny fomba ahoana? Tsy afaka miasa ara-dalàna ny voa raha tsy ampy rano. Voatery manampy azy ny aty amin’izay, ka tsy mahavita mandevona tsara ny tavy intsony. Tehirizin’ny vatana àry ny tavy, ka mihamatavy ilay olona. Noho izany, dia hoy ny Dr. Donald Robertson, miasa ao amin’ny Foibe Fitsaboana Hatavezana Be Loatra, any Arizona, Etazonia: “Tena mampihena hatavezana ny fisotroana rano. Tsy afaka mandevona tsara ny tavy ny vatana, raha tsy misotro rano ampy tsara ny olona mampihena tena.”

Marina fa matetika dia mampahatavy ny fihazonan’ny vatana rano. Maro amin’ny olona manana vatana mihazona rano àry no mihevitra fa ny fisotroana rano kely kokoa no vahaolana. Diso hevitra anefa izy ireo. Mirona hihazona ny rano rehetra ao aminy ny vatana rehefa mitady tsy ho ampy rano, ary manangona izany any amin’ny felan-tongotra sy tanana ary ranjo. Manoro hevitra antsika àry ny manam-pahaizana momba ny sakafo mahavelona, hoe ilaina homena rano ampy tsara ny vatana. Tadidio koa fa arakaraka ny habetsahan’ny sira laninao no ilan’ny vatanao rano handevonana izany.

Omeo rano ny vatanao

Roa litatra eo ho eo isan’andro, ny rano lanin’ny hoditra, havokavoka, tsinay, ary ny voa. Ny fifohana rivotra fotsiny dia efa mandany rano sahabo ho antsasaky ny litatra isan’andro. Tsy ho ampy rano ny tenantsika raha tsy voasolo izany rano izany. Anisan’ny famantarana ny tsy fahampian-drano ny aretin’andoha, harerahana, fanaintainan’ny hozatra, pipỳ mavomavo be, tsy fahazakana hafanana, ary ny molotra sy maso maina.

Firy litatra àry ny rano tokony hosotrointsika? Hoy ny Dr. Howard Flaks, manam-pahaizana momba ny hatavezana be loatra: “Tokony hisotro rano roa litatra eo ho eo isan’andro, fara fahakeliny, ny olona salama. Betsaka kokoa ny rano ilain’ny olona mampiasa vatana na monina any amin’ny tany mafana. Tokony hisotro rano betsaka kokoa ny olona matavy. Tokony hisotro rano ampahefatry ny litatra isaky ny folo kilao fanampiny amin’ny lanjany ara-dalàna izy.” Misy milaza fa ampy ny misotro rano isaky ny mahatsiaro ho mangetaheta. Rehefa mahatsiaro ho mangetaheta be anefa ianao, dia efa midika izany fa tsy ampy rano ny tenanao.

Mahasolo rano ve ny zava-pisotro hafa? Marina fa azo atao koa ny misotro ranom-boankazo, kanefa misy kalôria izy ireny. Mihabetsaka koa ny rano ilain’ny vatana rehefa misotro zavatra be siramamy sy ronono ny olona iray, satria mila rano ny fandevonana azy ireny. Mampivalan-drano matetika kokoa ny zava-pisotro misy alkaola na misy kafeinina, toy ny kafe sy dite, ka ilaina ny misotro rano betsaka kokoa mba hanoloana ny rano very. Tsy misy mihitsy àry zava-pisotro hafa mahasolo ny rano. Tena antoky ny fahavelomana tokoa izy io. Andao àry aloha mba hisotro kely eran’ny vera e!

[Efajoro/Sary, pejy 12]

Fomba hampitomboana ny fatran’ny rano sotroina

● Mitondrà tavoahangy.

● Misotroa rano eran’ny vera isaky ny misakafo.

● Misotroa rano: aloha, sy mandritra, ary rehefa avy manao fanatanjahan-tena.

● Misotroa rano fa tsy kafe, rehefa eny anelanelam-potoana.

● Tantavano na asio ranom-boasarimakirana ny rano mba hanatsarana ny tsirony.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 12]

Sary: www.comstock.com