Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Ataovy Foana Izay Tsara”

“Ataovy Foana Izay Tsara”

“Ataovy Foana Izay Tsara”

“Tiako ny milaza aminareo fa tsy very maina ny ezaka sy ny asa mafy ataonareo. Tena mahamarika an’izany ireo olona maniry hanatsara ny Tanànantsika sy manao izay hahatonga azy io hanintona ny mpitsidika. Ny fonenanareo dia mampiseho fa tena sarobidy aminareo ny faritra misy anareo sy ny Tanànantsika.”

Ireo no teny fiderana nataon’ny ben’ny tanànan’i Halton Hills, misy ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Kanada. Nanolotra takela-pahatsiarovana ho an’ny sampana ilay ben’ny tanàna, mba ho mariky ny “fankasitrahana, noho ny ezaka sy ny fandavan-tena [nataony] mba hampandrosoana sy hanatsarana ny fiainan’ny mponin’i Halton Hills rehetra.”

Voaporofo amin’izany teny fiderana avy amin’ny mpitondra fanjakana izany, fa tena marina ilay voalazan’ny Romanina 13:3, manao hoe: “Ataovy foana izay tsara, dia hahazo dera avy aminy ianao.” I Jehovah, ilay Mpanjakan’izao rehetra izao, anefa no mendrika hahazo ny dera sy ny haja rehetra.