Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Avy Amin’ny Mpamaky

Avy Amin’ny Mpamaky

Avy Amin’ny Mpamaky

Ankizy Mivaro-tena Tsy hitako izay hilazana ny fankasitrahako ilay andian-dahatsoratra hoe “Tena Mampalahelo ny Ankizy Mivaro-tena.” (8 Febroary 2003) Manala sarona ny zavatra rehetra maharikoriko tafiditra amin’ilay olana ilay andian-dahatsoratra. Tokony havoaka amin’ny gazety tsy ara-pivavahana koa ilay izy, araka ny hevitro, mba ho maro kokoa ny olona mahafantatra fa mbola misy ny karazana fanandevozana toy izany.

M. K., Repoblika Tseky

Syria Misaotra noho ilay lahatsoratra hoe “Syria—Mbola Ahitana Taratry ny Lasa Iray Mahaliana.” (8 Febroary 2003) Tsoriko aloha fa tsy nahaliana ahy mihitsy ny tantara hatramin’izay. Afaka nahita sary an-tsaina ireo lalana sy tanàna samy hafa notsidihin’ny apostoly Paoly anefa aho, rehefa namaky io lahatsoratra io. Manampy antsika hanitatra ny fahalalantsika sy hahafantatra ny toe-javatra tsy maintsy natrehin’ny mpanompon’Andriamanitra tamin’ny lasa ny fanazavana toy ireny.

T. S., Etazonia

Tsiky Tsiky no anaram-bosotra nomen’ny fianakaviako sy ny namako ahy. Nisy sariko anankiray izay aza nomen-dry zareo ahy, niaraka tamin’ny soratra kely hoe: “Rehefa mahita olona tsy mitsiky ianao, dia mba itsikio izy.” Nisy loza nihatra tamin’ny fianakaviako anefa vao haingana, ka nahaketraka tanteraka ahy. Nanova ny fomba fijeriko ilay lahatsoratra hoe “Ny Herin’ny Tsiky.” (8 Febroary 2003) Afaka mitsiky indray aho izao ka mampifaly ny olona. Misaotra an’i Jehovah aho, noho izy nampiasa io lahatsoratra io mba hanitsiana ny fomba fijeriko.

O. F., Nizeria

Sama Rehefa nanokatra ilay gazety Mifohaza! izahay mivady, dia nahita ilay lahatsoratra hoe “Mpandihy Mena Midorehitra.” (8 Febroary 2003) Hoy ny vadiko: “Natao ho anao ity.” Fantany tsara fa tena tiako ny zavaboarin’i Jehovah, indrindra ny sama mavokely bikàna. Tena te hahita mivantana io zavaboary tsara tarehy io aho. Misaotra anareo tamin’ilay lahatsoratra. Nampitombo ny fahalalako izy io.

M. N., Repoblika Tseky

Mifraody Iraika ambin’ny folo taona aho, ary nahafinaritra ahy ilay lahatsoratra hoe “Manontany ny Tanora Hoe... Ratsy ve ny Mifraody?” (8 Febroary 2003) Na dia tsy mahazo naoty tsara foana aza aho, dia fantatro fa tamin’ny fahamarinana no nahazoako azy ireny. Misy mahazo naoty ratsy noho ny ahy aza ny ankizy iray kilasy aminay, nefa mifraody! Madio koa ny feon’ny fieritreretako, ary izany no tena zava-dehibe.

Z. T., Aotrisy

Azon’ny fakam-panahy aho indray mandeha ka nifraody, angamba satria tsy noheveriko ho tena ratsy izy io. Hanampy ahy hahatsiaro andinin-teny toy ny Hebreo 13:18 io lahatsoratra io. Hisakana ahy tsy hifraody izany, isaky ny halaim-panahy hanao izany aho amin’ny manaraka.

N. I., Italia

Eo amin’ny taona voalohany any amin’ny lise aho. Nanandrana nifraody aho indraindray nandritra ny fanadinana, satria tsy noheveriko mihitsy hoe toy ny mangalatra ihany izany! Hiezaka hihazona feon’ny fieritreretana madio foana anefa aho izao, noho ny fanampian’io lahatsoratra io.

K. G., Estonia

Fankahalana Tena amin’ny foko no isaorako anareo, noho ny tantaran’i José Gomez ao amin’ilay lahatsoratra hoe: “Afaka Tamin’ny Fangejan’ny Fankahalana.” (8 Janoary 2003) Nampijalina nandritra ny taona maro koa aho. Tsy mankahala na iza na iza anefa aho izao. Mihatra amiko ilay tenin’i José hoe: “Taiza no ho niafarako raha tsy teo ny famindram-pon’i Jehovah?” Misaotra noho iny tantara momba ny nandresen’i José ny fankahalany iny.

N. T., Japon