Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fantatrao Ve?

Fantatrao Ve?

Fantatrao Ve?

(Mamaly ireto fanontaniana ireto ny andinin-teny eo akaikiny; ary hita eto ambany ny valiny. Raha mila fanazavana fanampiny, dia jereo ny boky “Fahatakarana ny Hevitry ny Soratra Masina”, frantsay, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.)

1. Iza no mpivady tantarain’ny Baiboly fa nalevina voalohany tao amin’ny zohin’i Makpela, tany akaikin’i Hebrona, ary iza koa no fantatra fa nalevina tao? (Genesisy 49:29-33; 50:13)

2. Iza ny zanak’i Davida nalaza ho tena tsara tarehy? (2 Samoela 14:25)

3. Nizaka zom-pirenena inona ny apostoly Paoly nanomboka tamin’ny nahaterahany? (Asan’ny Apostoly 22:25-28)

4. Inona no fampitandremana nomena an’i Adama, momba ilay voankazo voarara? (Genesisy 2:17)

5. Iza ilay lehilahy nirahin’i Rehoboama Mpanjaka ho any amin’ireo foko nikomy taminy tany avaratra rehefa nolaviny ny fangatahan’izy ireo, ary inona no nitranga tamin’io lehilahy io? (2 Tantara 10:18)

6. Inona no tian’i Jesosy hasongadina rehefa nilaza izy hoe “tsy misy mahay manompo tompo roa”? (Matio 6:24)

7. Nanjary nanao ahoana ny mana tsy nangonina, tamin’i Jehovah nanome mana ho an’ny Israelita? (Eksodosy 16:21)

8. Iza no namadika an’i Jesosy? (Lioka 6:16)

9. Iza no andriamanitra lehibe indrindran’ny Amonita? (Zefania 1:5)

10. Inona ny faritra amin’ny tenan’olombelona ampiasain’ny Baiboly matetika, mba hanondroana fananana hery lehibe? (Jeremia 32:17)

11. Iza no nilaza tamin’i Ahasoerosy Mpanjaka fa tokony hesorina tsy ho mpanjakavavy intsony i Vasty ary hosoloana vehivavy hafa? (Estera 1:14-20)

12. Ahoana no nanovan’i Mosesy ny rano mangidy tany Mara ho lasa mamy? (Eksodosy 15:23-25)

13. Taiza ny Israelita no niainga rehefa nifindra avy tany Ejipta? (Eksodosy 12:37)

14. Iza no nitatitra ny fandrosoan’ny asa fanamboarana ny tempoly tamin’i Josia, sy namaky taminy ny “bokin’ny lalàna” hita tao? (2 Mpanjaka 22:8-10)

15. Inona no lokon’ireo soavaly efatra hitan’i Jaona, tantarain’ny Apokalypsy, ary inona no mifanitsy amin’izy ireo? (Apokalypsy 6:2-8)

[Efajoro, pejy 22]

Valiny

1. Abrahama sy Saraha; nalevina tao koa i Isaka, Rebeka, Lea, ary Jakoba

2. Absaloma

3. Romanina

4. “Amin’ny andro izay ihinananao azy dia ho faty tokoa hianao”

5. Adorama, komandin’ny mpanao fanompoana. Notorahan’ny olona vato izy, ka maty

6. “Tsy mahay manompo an’Andriamanitra sy ny Harena ianareo”

7. “Nony nafana ny andro, dia levona ireny”

8. Jodasy Iskariota

9. Malkama

10. Ny sandry

11. Memokana, mpitondra tenin’ireo mpanapaka medianina sy persanina fito

12. ‘Nanehoan’i Jehovah hazo anankiray izy, ary natsipiny tao anaty rano izany’

13. Ramesesa

14. Safana, mpitan-tsoratry ny mpanjaka

15. Fotsy, mifanitsy amin’ny ady ara-drariny; mena toy ny afo, mifanitsy amin’ny ady ataon’ny olona; mainty, mifanitsy amin’ny mosary; hatsatra, mifanitsy amin’ny fahafatesana