Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fomba Enina Hitandroana ny Fahasalamana

Fomba Enina Hitandroana ny Fahasalamana

Fomba Enina Hitandroana ny Fahasalamana

Olana ho An’ny Tany An-dalam-pandrosoana

OLONA maro no miady mafy ankehitriny mba hitandroana ny fahadiovana, indrindra any amin’ny tany tsy dia ahitana rano madio firy. Indraindray koa tsy dia misy firy ny fomba tsara hikajiana ny fahasalamana. Ilaina anefa ny mitandro ny fahadiovana. Voalaza fa ny tena mankarary na mahafaty ny ankizikely, dia ny mikraoba niditra tao am-bavany tamin’ny alalan’ny tanany, na sakafo, na rano maloto. Ireto misy torohevitra nalaina avy tao amin’ny boky iray navoakan’ny Sampan-draharahan’ny Firenena Mikambana Mikarakara ny Reny sy ny Zaza. Afaka hisoroka aretina maro ianao, indrindra fa ny aretim-pivalanana, raha manaraka ireto torohevitra ireto.

1 Fomba fanariana maloto

Betsaka ny mikraoba ao anaty diky. Mety hisy mikraoba mpamindra aretina ny rano, sakafo, tanana, fitaovana, na toerana ikarakarana na androsoana sakafo. Mankarary izany raha tafiditra any am-bava ka voatelina. Ario ny maloto rehetra, fa izany no fomba tsara indrindra tsy hampiparitaka ny mikraoba toy izany. Tokony hariana any an-kabine ny diky. Ataovy azo antoka fa tsy misy taim-biby eny akaikin’ny trano, na lalana, na toerana filalaovan’ny ankizy.

Aleveno avy hatrany ny diky, raha tsy misy ny kabine. Tadidio fa mitondra otrikaretina mety hankarary ny diky rehetra, na dia ny an’ny zazakely aza. Tokony hariana any an-kabine koa izy ireny.

Diovy matetika ny kabine. Sarony sy tondrahy foana izy io.

2 Sasao ny tananao

Sasao matetika ny tananao. Miala ny mikraoba rehefa sasana amin’ny savony sy rano, na lavenona sy rano, ny tanana. Tsy ampy raha kobanina amin’ny rano fotsiny ny tanana, fa tokony hohosorana savony na lavenona daholo izy roa.

Tena ilaina ny manasa tanana rehefa avy any an-kabine, na avy namafa ankizikely avy nivoaka. Sasao koa ny tanana rehefa avy nandray biby, alohan’ny hisakafoana, ary alohan’ny hamahanana zaza.

Manampy ny olona hiaro tena amin’ny kankana mpitondra aretina ny fanasany tanana. Bitika ireny kankana ireny, ka tsy hita raha tsy amin’ny mikraoskaopy. Ny kankana dia mipetraka any anaty diky, pipỳ, rano mihandrona, tany, ary hena manta na tsy masaka tsara. Sasao ny tananao, fa izany no fomba voalohany hiarovanao ny vatanao tsy hidiran’ny kankana. Mety hisy kankana koa eny akaikin’ny kabine. Manaova àry kapa rehefa mandehandeha eny ianao, sao dia miditra amin’ny vatanao, amin’ny alalan’ny hodi-tongotrao, izy ireny.

Manao tanana am-bava ny ankizy mazàna. Sasao matetika àry ny tanan’izy ireo, indrindra rehefa avy nivoaka sy alohan’ny hisakafoana. Ampianaro hanasa ny tanany izy. Lazao aminy koa fa tsy tokony hilalao eny akaikin’ny kabine, na faritra fivoahan’ny olona, izy.

3 Sasao isan’andro ny tarehinao

Sasao amin’ny savony sy rano isan’andro ny tarehinao, fa miaro anao amin’ny areti-maso izany. Tokony hosasana koa ny tarehin’ny ankizy. Mahasarika lalitra mpitondra mikraoba ny tarehy maloto. Mety hampaharary maso na hahajamba mihitsy aza ireny mikraoba ireny.

Jereo matetika ny mason’ny zanakao. Mando sy mamiratra ny maso salama. Tokony hoentina any amin’ny mpitsabo ny zaza, raha maina ny masony, na mena, na bongo, na feno tai-maso.

4 Rano madio ihany ampiasaina

Vitsy kokoa ny aretina hahazo ny fianakaviana, raha rano madio sy voaro amin’ny mikraoba no ampiasaina. Mety hadio ny rano ampiasainao raha avy amin’ny paompy voakojakoja tsara, na avy amin’ny fantsakana sy loharano tsy voaloto. Tsy azo antoka kosa ny rano avy any anaty dobo, renirano, siniben-drano na fantsakana tsy misarona. Azo antoka kokoa anefa izany raha ampangotrahina.

Tokony hosaronana ny fantsakana. Tokony hosasana matetika ny siny sy ny tady ary ny zinga fangalana sy fitahirizana rano. Eo amin’ny toerana madio koa no tokony hametrahana azy ireo, fa tsy eny amin’ny tany. Tsy tokony havela hanakaiky ny toerana fangalana rano ny biby, sady tsy tokony hampidirina ao an-trano. Aza mampiasa fanafody famonoana bibikely na zavatra simika eny akaikin’ny toerana fangalana rano.

Sinibe madio sy misarona no tokony hitehirizana rano, ao an-trano. Sinibe misy raobine no tsara indrindra. Raha tsy manana an’izany anefa ianao, dia mampiasà zinga na kaopy madio rehefa maka rano avy ao amin’ilay sinibe. Tsy tokony hokasihina amin’ny tanana maloto mihitsy ny rano fisotro.

5 Arovy amin’ny mikraoba ny sakafo

Afaka mamono mikraoba ianao, raha andrahoinao tsara ny sakafonao. Tokony handrahoina tsara ny sakafo, indrindra fa ny hena. Mitombo haingana ny mikraoba rehefa ao anaty sakafo mafana. Tokony hohanina haingana araka izay azo atao àry ny sakafo, rehefa masaka. Ataovy amin’ny toerana mahamay na mangatsiaka ny sakafo, raha tianao hotehirizina mihoatra ny adiny roa. Sarony koa ny sakafo masaka, raha tianao hohanina amin’ny fotoana hafa. Miaro azy io amin’ny lalitra sy ny bibikely izany. Hafanao indray ilay sakafo, alohan’ny hihinanana azy.

Ny nonon-dreny no tsara sy azo antoka indrindra ho an’ny ankizikely. Azo antoka kokoa ny ronono raha vao avy nampangotrahina, na novonoina ny mikraoba tao anatiny. Sasao amin’ny rano mangotraka foana ny biberao, alohan’ny hampiasanao azy. Ny biberao matetika no mitondra mikraoba miteraka aretim-pivalanana. Tsara kokoa raha ampinonoina ny zaza, na fahanana amin’ny kaopy tsotra sy madio.

Sasao amin’ny rano madio ny voankazo sy ny legioma, indrindra raha tsy andrahoina fa tonga dia omena ny zaza.

6 Toerana fanariam-pako

Mitondra mikraoba avokoa ny lalitra, kalalao, voalavo, ary totozy. Any amin’ny fako no tena mampitombo be azy ireny. Raha tsy misy mpaka fako eny amin’ny toerana misy anao, dia aleveno na dory ao anaty lava-pako isan’andro izy ireny. Diovy foana ny tranonao, ary esory daholo ny fako sy ny rano maloto.

Araho ireo soso-kevitra ireo, fa tsy ho ela dia hahazatra anao. Sady tsy sarotra izy ireo, no tsy mitaky fitaovana lafo vidy, nefa miantoka ny fahasalamanao sy ny an’ny fianakavianao.

[Sary, pejy 27]

Aleveno avy hatrany ny diky, raha tsy misy ny kabine

[Sary, pejy 27]

Sasao matetika ny tananao

[Sary, pejy 28, 29]

Sasao amin’ny savony sy rano isan’andro ny tarehinao

[Sary, pejy 28]

Vitsy kokoa ny aretina hahazo ny fianakaviana, raha rano madio sy voaro amin’ny mikraoba no ampiasaina

[Sary, pejy 29]

Sarony ny sakafo masaka, raha tianao hohanina amin’ny fotoana hafa

[Sary, pejy 29]

Aleveno na dory isan’andro ny fako