Fomba Hananana Fanambadiana Vanona
Fomba Hananana Fanambadiana Vanona
“Mila mifandainga kely tsindraindray ny mpifankatia mba hampety ny fiarahany”, hoy ny gazety kanadianina La Presse. Nilaza io gazety io fa tsara ny mandainga, araka ny fanadihadiana natao. Navoaka tao amin’ny Gazety Momba ny Fifandraisana Amin’ny Olona (anglisy) izany fanadihadiana izany. Hoy i Tim Cole, mpampianatra any amin’ny Oniversiten’i De Paul, any Chicago, Etazonia: “Tsy atahorana hampisaraka ny [mpifankatia] ny mifamitaka [na mifandainga] kely tsindraindray.”
Anisan’ny fomba hananana fanambadiana vanona tokoa ve anefa ny famitahana? Manoro hevitra ny Kristianina ny Baiboly hoe: “Efa narianareo ny lainga, dia milazà ny marina amin’ny namanareo avy ianareo tsirairay.” (Efesianina 4:25) Handaitra ve io torohevitra io? Nanontaniana ny mpisolovava iray mpikarakara fisaraham-panambadiana hoe inona no antony tena mampisaraka ny mpivady. Izao no navaliny: “Tsy mahay milaza ny marina sy mamboraka ny tena ao am-pony izy ireo, ary tsy mahay mifampitondra toy ny tena mpinamana.”
Ahoana àry no hananana fanambadiana vanona? Izao no lohatenin’ny toko faha-3 amin’ny boky Ny Tsiambaratelon’ny Fahasambaram-pianakaviana: “Fanalahidy Roa ho An’ny Fanambadiana Maharitra.” Resahina ao amin’io toko io ny fomba roa manampy ny mpivady ho tena sambatra. Raha te hanafatra an’io boky io ianao, dia fenoy ilay tapakila ary alefaso any amin’ilay adiresy voalaza eo, na any amin’ny iray amin’ireo adiresy ao amin’ny pejy faha-5 amin’ity gazety ity.
□ Mba andefaso ilay boky hoe Ny Tsiambaratelon’ny Fahasambaram-pianakaviana aho.
Amin’ny fiteny:
□ Mba andefaso olona aho hampianatra Baiboly ahy maimaim-poana atỳ an-tranoko.