Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hazokely Manadio Nify

Hazokely Manadio Nify

Hazokely Manadio Nify

AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY ZAMBIA

AFRIKA—kontinanta be olona tsara nify izy io, fa vitsy borosy nify! Ahoana àry no hetezan’izany? Ho an’ny maro, dia tapa-kazo tsotra iray no miantoka izany tsiky mahafinaritra izany. Tsy inona izany fa ilay hazokely fitsako!

Efa nampiasa hazokely fitsako ny Babylonianina fahiny, ary tatỳ aoriana ny Ejipsianina sy ny Grika ary ny Romanina. Fahita tany Arabia koa io hazokely atao “borosy nify” io, talohan’ny nahatongavan’ny fivavahana silamo tany. Nihena ny fitiavan’ny Eoropeanina ilay hazokely fitsako, 300 taona lasa teo ho eo izay. Kanefa, mbola be mpankafy izy io any amin’ny faritra sasany any Afrika sy Azia ary Moyen-Orient.

Any Moyen-Orient, dia misy karazana hazo iray tena fakan’ny olona hazokely fitsako. Hazo borosy nify no iantsoan-dry zareo azy any. Hazom-boasary makirana sy hazom-boasary no fampiasa any Afrika Andrefana, fa nimo (karazana voandelaka) kosa any Inde. Karazan-kazo efa ho 300 no angalana ilay hazokely fitsako any Afrika Atsinanana. Ahoana no anadiovan’io hazokely io ny nify?

Mihamisaratsaraka ny tsiratsiraka amin’ny faran’ilay hazokely, rehefa tsakoina, ka lasa toy ny “borosy” henjana. Rehefa tsakotsakoina foana ilay hazokely, dia manala ny potipoti-javatra eny anelanelan’ny nify sy mampikoriana tsara ny ra ao amin’ny hihy. Mampitombo ny fiforonan’ny rora ao anaty vava koa izany. Ny rora moa dia manadio ny aty vava sy misakana ny bakteria tsy hirongatra. *

Mihoatra noho ny borosy fotsiny anefa ilay hazokely fitsako. Ny zavatra simika ao amin’ny sampana sy fakan’ny zavamaniry sasany, dia misakana ny loto tsy hiraikitra amin’ny nify. Misy zavatra avy amin’ny hazokely sasany mamono bakteria sy mikraoba. Afaka misakana ny ratra kely amin’ny hihy koa ny sampan’ilay hazo borosy nify noresahina tetsy aloha. Any Namibia indray, ny tapaky ny hazo muthala, dia misakana ny fitomboan’ny otrikaretina, izay miteraka fahasimban’ny nify sy aretin’ny hihy ary aretin-tenda. Miaro ny nify tsy ho loaka, sy manamafy ny faka-nify sy ny hihy io fitaovana voajanahary fanadiovana nify io. Ampiasain’ny orinasa sasany hanamboarana famotsia-nify izao ny tsiratsiraka sy dity avy amin’ireny zavamaniry ireny.

Mazava ho azy fa aleon’ny sasany ilay borosy nify mahazatra. Na borosy nify anefa no ampiasainao, na ilay hazokely toy ny fampiasan’ny olona fahiny, dia azo antoka fa lafiny lehibe amin’ny fitandremam-pahasalamana ny fanadiovana nify.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 6 Mazava ho azy fa zava-dehibe koa ny sakafo. Mihinana voamadinika sy legioma betsaka kokoa ny mponina any ambanivohitr’i Afrika, noho ny mponina an-drenivohitra. Mazàna koa izy ireo no tsy dia mihinana siramamy sy zava-pisotro toy ny sôdà, na sakafo namboarina tany amin’ny orinasa. Ireo mantsy no tena mpanimba nify.

[Sary, pejy 31]

Iray amin’ireo hazo fakana hazokely fitsako ny nimo

[Sary nahazoan-dalana]

William M. Ciesla, Forest Health Management International, www.forestryimages.org