Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Misy Vahaolana Azo Antenaina Ve?

Misy Vahaolana Azo Antenaina Ve?

Misy Vahaolana Azo Antenaina Ve?

TOY ny hoe efa raiki-tampisaka amin’ny fiaraha-monina ankehitriny ny herisetra. Lasa toerana mampidi-doza mantsy ny tany, na dia miezaka aza ny mpanao asa soa sy ny polisy ary ireo mpanitsy ny mpandika lalàna, mba hahafahany hiverina indray eo amin’ny fiaraha-monina. Inona àry no vahaolana?

Miresaka fiovana lehibe efa antomotra ny Baiboly. Tsy ny fanjakan’olombelona anefa no hanatanteraka izany. Voafetra ihany mantsy ny zava-bitan’ny mpitondra olombelona, na dia tsara fikasa toy inona aza izy. Tsy manana ny hery na fahaizana ampy koa izy ireo, hamongorana ny herisetra sy hanorenana fiaraha-monina hanjakan’ny filaminana.

Fiovana lehibe hotanterahin’ny Mpamorona no resahin’ny Baiboly. Manana ny hery sy zo hanao izay tsy vitan’ny olombelona izy, satria izy no namorona ny zava-drehetra. Milaza ny Baiboly fa “izy no mahatsinontsinona ny mpanapaka sy mahatonga ny mpitsara amin’ny tany ho tahaka ny zava-poana . . ., noho ny haben’ny fahatanjahany sy ny heriny tsy toha.” (Isaia 40:23-26) Inona avy no fiovana ampanantenain’Andriamanitra, ary nahoana izany no mahatonga antsika hanantena tontolo tsara kokoa?

Mampanantena antsika Andriamanitra ao amin’ny Salamo 37:10 hoe: “Rehefa afaka kelikely, dia tsy hisy ny ratsy fanahy; handinika ny fonenany hianao, fa tsy ho hita izy.” Handringana an’ireo ratsy fanahy tsy azo ahitsy sy tsy mety miala amin’ny faharatsiany Andriamanitra. Tsy handripaka ny olon-drehetra anefa izy. Izao kosa no ampanantenain’ny mpanao salamo an’ireo mpandefitra sy manetry tena ary tia fihavanana: “Miandrasa an’i Jehovah, ka tandremo ny làlany, dia hanandratra anao handova ny tany Izy; ho faly hahita ny hamongorana ny ratsy fanahy hianao.” Rehefa tsy ho eo intsony ny ratsy fanahy dia hiravoravo “amin’ny haben’ny fiadanana”, ao amin’ny tontolo iray tsy hisy herisetra intsony, ireo sisa mitoetra.​—Salamo 37:11, 34.

Tokony hovana ny fo sy ny saina

Tsy ampy hamongorana ny herisetra anefa raha ny fandringanana ny ratsy fanahy sy ny fiarovana ny tsara fanahy fotsiny. Matetika ny olona no lasa mahery setra, satria tsy novolavolaina ho amin’ny tsara ny fony sy ny sainy. Eo amin’io lafiny io anefa no tena hiavaka ny fanjakan’Andriamanitra. Hampianarina sy hobeazina mba ho tia fahitsiana ny rehetra. Hoy ny Isaia 54:13: “Ny zanakao rehetra dia ho samy efa nampianarin’i Jehovah, ka dia ho be ny fiadanan’ny zanakao.”

Tena hahafa-po tokoa ny vokatra! Manao teny an’ohatra momba ny fiovan’ireo olona nanana toetram-biby ny Baiboly. Hoy izy: “Ny amboadia hiara-mitoetra amin’ny zanak’ondry; ny leoparda hiara-mandry amin’ny zanak’osy; ary ny zanak’omby sy ny liona tanora sy ny ombikely mifahy hiray toerana.” Nahoana? Satria “ny tany ho henika ny fahalalana an’i Jehovah, tahaka ny anaronan’ny rano ny fanambanin’ny ranomasina.” (Isaia 11:6, 9) Tsy voatery hiandry anefa ianao sy ny fianakavianao vao hahita izany fiovana izany. Ahoana no hampety izany?

Mandraisa soa dieny izao

Olona maro izao no efa niova, ka vonona hiditra ao amin’ilay tontolo tsy hisy herisetra intsony. Izao izy ireo dia efa mitafy ny toetra vaovao, takin’Andriamanitra amin’izay maniry ny hiaina ao amin’ny tontolo vaovaony. (2 Petera 3:13) Manao izany izao izy ireo ka miaina mifanaraka amin’ny fitsipiky ny Baiboly. Mariho ilay hevitra mahaliana resahin’ny Baiboly hoe: “Hohavaozina kosa ianareo eo amin’ny hery mibaiko ny sainareo, ka mba hitafy ny toetra vaovao izay noforonina araka ny sitrapon’Andriamanitra, amin’ny tena fahitsiana sy fahatokiana.”​—Efesianina 4:23, 24.

Miresaka misimisy kokoa momba ny toetra tsara efa tafin’ireo olona tso-po ny Kolosianina 3:12-14. Izao no voalaza ao: “Mitafia fitiavana lalina sy fangoraham-po, hatsaram-panahy, fanetren-tena, fahalemem-panahy, ary fahari-po, satria olom-boafidin’Andriamanitra ianareo, sady masina no tiana. Mahaiza foana mifampizaka sy mifamela heloka tanteraka, raha misy manana antony hitarainana momba ny sasany. Namela tanteraka ny helokareo i Jehovah, koa aoka ianareo mba hifamela heloka koa. Fa ambonin’izany rehetra izany, dia mitafia fitiavana fa fatorana mampiray tonga lafatra izy io.”

Irinao ve ny hahazo fanampiana mba hahaizanao mitafy ny toetra vaovao tokony hananan’ny Kristianina? Olona an-tapitrisa izao no efa nahazo izany, noho ny fanampian’ny Vavolombelon’i Jehovah. Na dia ireo jiolahy nahery setra be aza dia lasa tia fihavanana, noho ny fampianarana any amin’ny fivoriana any amin’ny Efitrano Fanjakana sy fivoriambe. * Raha tianao koa ny handray soa avy amin’ny fandaharam-pampianarana Baiboly tena mahasoa, dia aza misalasala manontany ny Vavolombelon’i Jehovah eo amin’ny misy anao. Ho faly izy ireo hanampy anao ho anisan’ireo miomana ny hiaina ao amin’ny tontolo vaovao tsy hisy herisetra intsony, izay haorin’Andriamanitra.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 12 Jereo, ohatra, ny gazety Mifohaza! tamin’ny 8 Mey 2001, pejy 8-10.

[Sary, pejy 10]

Olona an-tapitrisa no ampianarina hiaina ao amin’ny tontolo iray tsy hisy herisetra intsony