Nahoana no Manjaka ny Herisetra Ankehitriny?
Nahoana no Manjaka ny Herisetra Ankehitriny?
RATSY avokoa ny herisetra. Sarotra eritreretina kokoa anefa ny vonoan’olona tsy amin’ny antony. Tsy misy antony mazava izy ireny matetika, ka vaky loha ireo polisy mpanadihady. Mandroso be koa ny fampitam-baovao, nandritra ireo taona faramparany, ka ora vitsy monja dia efa miparitaka eo an-toerana na eran-tany mihitsy aza ny vaovao momba ny vonoan’olona mahatsiravina. Milaza ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana fa “mahakasika ireo kontinanta sy firenena rehetra, ary ny ankamaroan’ny mponina, ny herisetra.”
Mitombo koa ny herisetra tsy amin’ny antony, na dia any amin’ireo toerana nilamindamina taloha aza. Tena vitsy, ohatra, taloha ny asan-jiolahy tany Japon. Tamin’ny Jona 2001 anefa tany Ikeda, dia nisy lehilahy nankao amin’ny sekoly iray, ary nijinja ny ankizy mpianatra tamin’ny antsibe. Nahafaty ankizy 8 izy ary nandratra 15 hafa, tao anatin’ny ampahefatr’adiny. Nisy tanora hafa koa namono olona tsy fantany akory mba hahazoany fahafinaretana fotsiny. Raha atambatra izany rehetra izany sy ny hafa koa, dia miharihary fa niova ny toe-javatra.
Mihoron-koditra noho ny vonoan’olona tsy amin’ny antony koa na dia ny mponina any amin’ny toerana be asan-jiolahy aza. Vao mainka marina izany hatramin’ilay fanafihana tany New York, tamin’ny 11 Septambra 2001. Hoy i Gerard Bailes, manam-pahaizana momba ny saina: “Nanomboka tamin’iny fanafihana iny dia lasa toerana vaovao sy tena mampidi-doza ho antsika ny tany, ka na dia isika aza dia tsy afaka manampo ny zavatra mety hitranga.”
Nahoana izy ireo no mamono?
Tsy tokana monja ny antony mahatonga ny karazana herisetra tsy amin’ny antony. Tsy ahitana antony mazava ny vonoan’olona sasany, ka vao mainka sarotra ny mieritreritra azy. Sarotra tokoa ny mahazo ny fihetsiky ny olona iray mitondra antsibe, ka mamely sy mamono olona tsy fantany akory, na koa mandeha aotomobilina ka mitifitifitra fotsiny an’izay trano sendra azy.
Misy milaza fa efa raiki-tampisaka amin’ny olona ny herisetra. Misy kosa milaza fa tsy izany velively ny antony.—Jereo ilay fanazavana fanampiny hoe “Voaozona Hahery Setra ve Isika?”
Manam-pahaizana maro no mino fa anton-javatra sy tarehin-javatra maro no mahatonga ny olona hahavita herisetra feno habibiana. Ny Sekolin’ny Birao Federaly Momba ny Famotorana any Etazonia aza, dia tonga hatramin’ny filazana hoe: “Tsy hety ho asan’olona salama saina ny vonoan’olona.” Tsy miombon-kevitra amin’izany ny manam-pahefana sasany, nefa maro koa no manaiky fa misy fahamarinany ihany izany. Na ahoana na ahoana anefa dia tsy ho asan’olona misaina ara-dalàna ny vonoan’olona tsy amin’ny antony. Misy tsy mety mihitsy ny fahaizany misaina, ka lasa mahavita zavatra tsy hay eritreretina izy. Inona no mahatonga ny olona hanao izany? Andeha isika hijery antony sasany nambaran’ny manam-pahaizana.
Faharavan’ny fianakaviana
Mpitondra tenin’ny polisy mpanao famotorana, any Philippines, i Marianito Panganiban. Nanontany azy momba ny zavatra niainan’ireo mpamono olona amin-kabibiana, ny mpanoratra ny Mifohaza! Hoy ny navaliny: “Avy amin’ny fianakaviana rava mizarazara izy ireo, ary tsy ampy fiahiana sy fitiavana. Kivy izy ireo satria tsy mba manana mpitari-dalana, ka manjary manaonao foana.” Maro ny manam-pahaizana milaza fa matetika ny mpamono olona no avy amin’ny fianakaviana tsy mifankahazo loatra sy mahery setra.
Namoaka ny lisitr’ireo antony mety hahatonga ny ankizy hahery setra any an-tsekoly, ny Foibe Amerikanina Manadihady Asan-jiolahy. Anisan’ny voatanisa tao, ireto antony ara-pianakaviana ireto: tsy mifankahazo tsara ny ray aman-dreny sy ny zanaka, tsy takatry ny ray aman-dreny ny olana mahazo an-janany, tsy mifandray akaiky izy ireo, tsy ampy fifehezana ny ankizy na baranahiny mihitsy aza, ary tia manafinafin-javatra ny ankizy ka lasa maditra ambadika sy manafina ny tena fiainany amin’ny ray aman-dreniny.
Ankizy maro ankehitriny no mijaly noho ny faharavan’ny fianakaviany. Ny sasany kosa manana ray aman-dreny sahirana lava, ka tsy manam-potoana hiarahana aminy. Ankizy maro koa no tsy nampianarina hahalala fomba sy tsy nahazo ny tari-dalan’ny ray aman-dreniny. Mieritreritra ny manam-pahaizana sasany fa tsy mora miraiki-po ny ankizy niaina tamin’ny karazam-piainana toy izany, ka mora lasa mpamono olona tsy mifaditrovana.
Sekta sy antokon’olona feno fankahalana
Porofoin’ny zava-misy fa tena manan-kery hahatonga ny olona sasany hamono olona, ny sekta sy ny antokon’olona feno fankahalana. Tany Indiana, any Etazonia, ohatra, dia nisy tovolahy mainty hoditra iray 19 taona, nody avy nividy zavatra. Vetivety monja taorian’izay dia maty nitsirara teo amin’ny arabe izy,
satria voatifitra teo amin’ny lohany. Tovolahy iray sendra azy no nitifitra sy nahafaty azy. Nahoana? Toa naniry hiditra ho mpikambana tao amin’ny antokon’ny fotsy hoditra mpanavakava-bolon-koditra ilay nitifitra. Niriny koa ny mba hasiana tombokavatsa sarina tranon-kala, marika fa efa nahafaty mainty hoditra izy.Ny sekta no fototry ny fanafihana nampiasana gaza tany amin’ny métro tany Tokyo, sy ny famonoan-tena tambabe tany Jonestown, any Guyana, ary ny fahafatesan’ireo mpikambana 69 tao amin’ny Temple Solaire tany Soisa sy Kanada ary Frantsa, tamin’ny 1995. Mampiseho ireo ohatra ireo fa misy tokoa antokon’olona manan-kery hanova ny fomba fisainan’ny olona sasany. Mampanantena valisoa ho an’ireo mpanaraka azy ny mpitarika mahay mambabo olona, ka dia resy lahatra tokoa ireto farany manao zavatra “tsy azo eritreretina akory.”
Ny fampitam-baovao sy ny herisetra
Misy milaza fa mety hahatonga herisetra koa ny fampitam-baovao maoderina isan-karazany. Misy herisetra foana mantsy ao amin’ny televiziona, sinema, lalao video, ary Internet, ka lasa tsy mihontsina intsony sy zatra herisetra ny olona. Hoy ny Pr. Daniel Borenstein, prezidàn’ny Fikambanana Amerikanina Mitsabo Aretin-tsaina: “Tamin’ireo fandinihana maherin’ny 1 000, natao nandritra ny 30 taona mahery, dia hita fa mahatonga ny ankizy hahery setra ny herisetra aseho amin’ny televiziona sy filma ary video.” Izao koa no nolazainy nandritra ny fivorian’ny Antenimieran-doholona Amerikanina: “Mino tanteraka izahay fa manimba ny fahasalamam-bahoaka ny fialam-boly misy herisetra miverimberina.”—Jereo ilay fanazavana fanampiny hoe “Ny Fahitan’ny Dokotera ny Lalao Video Feno Herisetra.”
Maro ny fitrangan-javatra tena nisy sy manamarina izany. Nilaza ny mpanao famotorana fa nijery imbetsaka filma feno herisetra ilay rangahy noresahina tamin’ny lahatsoratra teo aloha, izay namono tsy an-kiantra azy roa nijery ny fiposahan’ny masoandro teny amoron-dranomasina. Voalaza koa fa nandany ora maro isan’andro tamin’ny lalao video feno herisetra ireo roa lahy nanao ilay fitifirana tany an-tsekoly, izay nahafatesana olona 15. Nijery matetika filma feno herisetra sy famonoana koa izy ireo.
Zava-mahadomelina
Nitombo ho avo telo heny ny isan’ny zatovo namono olona, tany Etazonia, tato anatin’ny valo taona. Inona no anton’izany, hoy ny manam-pahefana? Tsy inona fa ny andian-jiolahy, indrindra fa ireo mpivarotra kôkainina (zava-mahadomelina). “Milaza ny polisy fa asan’andian-jiolahy ny telo ampahefatry” ny famonoana olona maherin’ny 500 farany, natao tany Los Angeles, any Kalifornia.
Mitatitra ny Sekolin’ny Birao Federaly Momba ny Famotorana hoe: “Nampiasa rongony avokoa ny ankabeazan’ireo tratra namono olona, sy ny ankamaroan’ireo ahiahina ho nanao izany.” Tsy tompon’ny tenany ny olona rehefa mamon-drongony ka mamono olona. Ny sasany indray mampiasa herisetra hiarovana ny rongony amidiny. Miharihary fa tena manan-kery eo amin’ny olona ny zava-mahadomelina ka mahatonga azy hanao habibiana.
Fiparitahan’ny fiadiana mandripaka ain’olona
Olona 35 no maty voatifitr’ilay lehilahy tany Tasmania, any Aostralia, noresahintsika tamin’ny lahatsoratra teo aloha. Nandratra olona 19 hafa koa anefa izy. Basy fampiasan’ny miaramila, sy tena ary fomba no nampiasainy tamin’io. Maro àry no mieritreritra fa anisan’ny mampirongatra ny herisetra ny fiparitahan’ny fiadiana toy izany.
Araka ny tatitra, dia 32 monja no maty voatifitra tany Japon tamin’ny 1995, ary saika vokatry ny fifanafihan’ny andian-jiolahy avokoa izany. Maherin’ny 15 000 kosa izany, tamin’io taona io ihany, tany Etazonia. Nahoana no lehibe toy izany ny elanelana? Satria hentitra ny lalàna any Japon, momba ny fahazoan-dalana hanana basy.
Tsy fahaizana miatrika olana
Hoy ny sasany rehefa mandre olona nanao habibiana izy: ‘Adala mihitsy angamba ny olona nahavita an’izany ka!’ Tsy hoe marary saina avokoa anefa ireo rehetra manao herisetra amin-kabibiana. Maro amin’izy ireo kosa no tsy mahay miatrika olana. Nitanisa antony mety hahavitan’ny olona sasany habibiana,
ireo manam-pahaizana. Ireto ny sasany amin’izany: tsy fahaizana mifandray amin’ny olon-kafa, fahavoazana vokatry ny herisetra ara-batana na fametavetana, toetra tia mitokantokana, fankahalana karazan’olona sasany (ohatra hoe vehivavy), tsy fahatsapana nenina amin’ny zava-dratsy natao, ary faniriana hanararaotra ny hafa.Mety tsy ho afaka hisaina ara-dalàna intsony ny olona sasany satria resin’ny olana mianjady aminy, ka lasa manao zavatra hafahafa. Naniry mafy ny ho tsikaritry ny hafa, ohatra, ny mpitsabo mpanampy iray. Notsindroniny ranom-panafody manalefaka hozatra àry ireo zazakely ka sempotra. Faly erỳ izy rehefa hitan’ny olona, nisahirana “namonjy” an’ireo zaza. Nampalahelo fa tsy avotra ny sasany tamin’ireo zaza. Voaheloka ho namono olona ilay ramatoa tamin’izay.
Koa mazava àry, fa antony maro no mahatonga ny olona hahery setra sy hamono olona. Mbola misy antony iray tena lehibe tsy azontsika hodian-tsy hita anefa.
Mamaly ny Baiboly
Ny Baiboly dia manampy antsika hahatakatra ny zava-mitranga ankehitriny sy ny antony anaovan’ny olona zavatra tafahoatra toy izany. Resahiny mazava tsara ny fihetsika fahitantsika. Hita ao amin’ny 2 Timoty 3:3, 4, ohatra, fa “tsy ho tia ny mpianakaviny” ny olona, ary “tsy hahafehy tena, ho masiaka be, tsy ho tia ny tsara”, ary “ho be di-doha.” Nilaza koa i Jesosy, ao amin’ny boky hafa ao amin’ny Baiboly, fa “hihamangatsiaka ny fitiavan’ny maro.”—Matio 24:12.
Hoy ny Baiboly: “Amin’ny andro farany dia hisy fotoan-tsarotra tsy mora setraina.” (2 Timoty 3:1) Eny, hita miharihary amin’ny zava-misy fa efa hifarana ity tontolo ity. Miharatsy foana ny toe-piainana sy ny toetran’ny olona. Misy vahaolana azontsika antenaina ve? Mamaly ny Baiboly hoe: “Ny ratsy fanahy sy ny mpisandoka dia vao mainka hiharatsy kokoa hatrany.”—2 Timoty 3:13.
Midika ve izany fa voaozona hiaina mandrakizay ao anatin’ny herisetra ny olombelona? Handinika izany isika ao amin’ny lahatsoratra manaraka.
[Efajoro, pejy 6]
VOAOZONA HAHERY SETRA VE ISIKA?
Misy milaza fa efa raiki-tampisaka amin’ny olombelona ny herisetra sy famonoana olona. Milaza ny mpanohana ny evolisiona fa nandova ny toetran’ireo bibidia tia setrasetra fotsiny isika satria taranak’izy ireo. Toa te hilaza izany fa voaozona hahery setra isika, ary tsy ho afaka ny hiala amin’izany intsony.
Betsaka anefa ny porofo mampiseho fa diso izany. Tsy hazavain’io teoria resahina etsy ambony io hoe nahoana no samy hafa, arakaraka ny kolontsaina, ny habetsahana sy ny karazana herisetra. Tsy hazavainy koa hoe nahoana no mahazatra ny herisetra any amin’ny kolontsaina sasany, nefa any amin’ny kolontsaina hafa kosa dia kely izany ary saika tsy misy mihitsy aza tatitra momba ny vonoan’olona. Nasehon’i Erich Fromm, manam-pahaizana momba aretin-tsaina, fa tsy marim-pototra ny teoria hoe nandova ny toetra mahery setran’ny rajako isika. Nilaza izy fa mahery setra ny biby sasany mba hahazoana izay ilainy ara-batana sy mba hiarovan-tena. Ny olombelona irery no fantatra fa mahita fahafinaretana amin’ny famonoana.
Hoy ny Profesora James Fox sy Jack Levin, ao amin’ny boky iray momba ny famonoana olona: “Mora mahery setra kokoa ny olona sasany noho ny hafa. Tompon’ny safidiny anefa ny rehetra. Antony maro avy ao anatiny sy avy etỳ ivelan’ny olona no mahatonga azy hamono olona, ary tafiditra amin’izany ny safidiny sy fanapahan-keviny manokana. Tompon’andraikitra sy tompon-keloka amin’izay ataony izy.”
[Efajoro/Sary, pejy 7]
NY FAHITAN’NY DOKOTERA NY LALAO VIDEO FENO HERISETRA
Efa prezidà tao amin’ny Fikambanana Amerikanina Momba ny Fitsaboana, ny Pr. Richard Corlin. Nanao lahateny izy tamin’ny fivoahan’ny mpianatra ho dokotera tany Philadelphie, any Etazonia, ary noresahiny ny amin’ireo lalao video mahatonga herisetra. Amin’ny sasany amin’ireny lalao ireny mantsy, dia ilaina ny mandratra, mitifitra na mikendry, ny lohan’ilay olona ao amin’ilay lalao mihitsy aza, mba hahazoana isa be. Mandriaka ny ra, ary miparitaka ny atidohan’ilay voatifitra.
Nanazava ny Pr. Corlin fa tsy omena lalana hitondra aotomobilina, na hisotro zavatra misy alkaola, na hifoka sigara, ny ankizy kely. Hoy izy avy eo: “Avelantsika hianatra mitifitra anefa izy ireny, amin’ny taona mbola tsy ahaizany mifehy ny fahataitairany, sy tsy ananany fahamatorana hifehezana ny basy lalaoviny. . . . Dieny mbola kely ny zanatsika dia efa tokony hampianatra azy isika fa ratsy be foana ny vokatry ny herisetra.”
Mampalahelo fa tsy ampianarina momba ny voka-dratsin’ny herisetra ny ankizy, nefa zaza tsy manan-tsiny maro matetika no iharan’ny herisetra mahafaty. Araka ny tatitra dia ankizy folo isan’andro no maty voatifitra, any Etazonia. Hoy ny Pr. Corlin: “Mitana ny laharana voalohany eran-tany i Etazonia, eo amin’ny isan’ny ankizy maty voatifitra.” Inona no fanatsoahan-keviny? “Mandrahona ny fahasalamam-bahoaka eto amin’ny firenentsika ny herisetra ampiasana basy. Izany no zava-misy.”
[Efajoro, pejy 9]
ANTONY MAMPISY NY HERISETRA
Manam-pahaizana maro no mieritreritra fa ireto no antony mety hahatonga ny herisetra tsy amin’ny antony:
Faharavan’ny fianakaviana
Antokon’olona feno fankahalana sy mahery fihetsika
Sekta mampidi-doza
Fialam-boly feno herisetra
Fijaliana noho ny herisetra
Fidorohana zava-mahadomelina
Tsy fahaizana miatrika olana
Fiparitahan’ny fiadiana mandripaka ain’olona
Aretin-tsaina sasany
[Sary, pejy 8]
Iray amin’ireo fanafihana dimy nampiasana baomba tany Quezon City, any Philippines, nahafatesana olona 12 ary nandratrana 80 mahery
[Sary nahazoan-dalana]
AP Photo/Aaron Favila 30 Desambra 2000
[Sary, pejy 8]
Mpianatra roa tany amin’ny lisen’i Columbine, any Etazonia, namono mpampianatra iray sy mpianatra 12, ary avy eo namono tena
[Sary nahazoan-dalana]
AP Photo/Jefferson County Sheriff’s Department 20 Aprily 1999
[Sary, pejy 8, 9]
Aotomobilina voasesika baomba, nahafaty olona 182 sy nandratrana 132, tao amin’ny boîte de nuit tany Bali, Indonezia
[Sary nahazoan-dalana]
Maldonado Roberto/GAMMA 12 Oktobra 2002