Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahoana no Nirongatra Tampoka ny Herisetra?

Nahoana no Nirongatra Tampoka ny Herisetra?

Nahoana no Nirongatra Tampoka ny Herisetra?

NITSANGANTSANGANA nijery ny fiposahan’ny masoandro teny amoron-dranomasina tany Oregon, Etazonia, i Frank sy Gabriella indray maraina. Samy tsy nanampo na inona na inona izy ireo. Minitra vitsy taorian’izay anefa, dia samy maty voatifitra teo amin’ny lohany izy roa. Valifaty sa fialonana? Sady tsy valifaty no tsy fialonana. Nanatanteraka ny hetahetany fotsiny ilay mpitifitra tsy nahafantatra azy ireo akory. Tiany hofantarina hoe manao ahoana izany mamono olona izany.

“Faly nisarika ny sain’ny tandrefana rehetra i Martin Bryant, ny alahady 28 Aprily 1996. Nandehandeha eran’ny tanànan’i Port Arthur any Tasmania izy, ary nitifitra an’izay rehetra sendra azy. Nahatsapa fahafaham-po sy hery lehibe izy tamin’izay.” (Fanadihadiana ny Fiharatsian’ny Olombelona, anglisy, nataon’i Philip Atkinson) Olona 35 koa no matiny tamin’io!

Nitsangantsangana vao maraina tamin’ny bisikileta ny lehilahy iray 65 taona, tany Kanada. Nopaohin’ny aotomobilina izy raha iny nivoy tsara iny, ary nilaozan’ilay nandona rehefa noheveriny fa maty. Notaritaritin’ilay saofera tamin’ny aotomobilina ilay bisikileta, ary tsy navelany raha tsy teny amin’ny 700 metatra niala avy teo. Nihevitra aloha ireo manam-pahefana fa nitsoaka ilay saofera rehefa avy nandona an’ilay rangahy. Fantatra taorian’ny fanadihadiana anefa fa aotomobilina nangalarina ilay izy, ary faly nirimorimo taminy fotsiny ilay saofera. Toa “fitiavana hisetrasetra” fotsiny no nandonany an’ilay mpitaingina bisikileta.

Karazana herisetra fotsiny ve?

Efa nisy hatramin’ny taonjato maro ny herisetra. Ny karazana herisetra, toa an’iretsy resahina etsy ambony iretsy anefa, dia mahatonga ny olona hanontany hoe: “Fa dia nahoana loatra e? Fa inona mihitsy no ao an-tsain’ny olona manao izany?” Tsy dia voamariky ny olona ny karazana fandikan-dalàna sasany toy ny halatra sy hosoka. Misy anefa karazana herisetra mihamahazo vahana, sy tena mahaliana ny mpanao gazety. Hoy ny olona momba ireny herisetra ireny: ‘Tsy izy intsony kosa izany e! Aiza no hiafaran’ity tontolo ity?’

Tsy mitovy daholo akory ny herisetra misy vonoan’olona. Mampivarahontsana sy mahatsiravina izy ireny matetika. Toy izay hitantsika tetsy ambony, dia olona tsy manan-tsiny sy tsy mahafantatra an’ilay mpamono akory matetika no tafihiny. Matetika koa izany no tsy misy antony marim-pototra akory. Mihanaka be anefa ny famonoana tsy amin’ny antony toy ireny.

Tamin’ny Aprily 1999, tany amin’ny sekoly iray any Colorado, Etazonia, dia nitifitra sy nahafaty ankizy 12 sy mpampianatra iray ny mpianatra roa lahy, ary avy eo dia nitifi-tena. Maty koa ny lehilahy iray tany Kalifornia, tamin’ny 1982, satria nisy nanisy poizina ny fanafodiny. Tany Bootle, any Angletera, kosa tamin’ny 1993, dia nentin’ny ankizy roa lahy folo taona nivoaka ny toeram-pivarotana i James Bulger kely, izay roa taona, raha nentin’ny reniny hiara-miantsena taminy. Nentin’izy roa lahy tany akaikin’ny lalam-by izy, ary noveliveleziny mandra-pahafatiny.

Azo sokajina ho asa fampihorohoroana ny fihetsika sasany, toy ny fanafihana métro tany Tokyo, tamin’ny 1995. Nihoron-koditra i Japon iray manontolo rehefa nanafika an’io métro io tamin’ny gaza ny mpikambana tao amin’ny sekta iray. Olona 12 no maty tamin’izay, ary 5 000 mahery no naratra. Mbola tsy afaka ao an-tsain’ny maro koa ny nianjeran’ireo tranoben’ny Foibe Ara-barotra Iraisam-pirenena tany New York, sy ny fanafihana ny Pentagone, any Washington. Olona 3 000 teo ho eo no namoy ny ainy tamin’io. Efa ho 200 kosa, tamin’ny herintaona, no maty noho ilay fanafihana tamin’ny baomba tany Bali, any Indonezia.

Hita miharihary àry fa mihanaka be ny herisetra mahafaty olona. Olana eran-tany izy io, ary firenena maro sy olona avy amin’ny saranga samihafa no voakasika.

Toy ny mifaninana mihitsy indraindray ireo jiolahy hoe iza no namono olona tamin’ny fomba nahatsiravina indrindra. Mitombo be koa anefa ny famonoana olona amin-kabibiana noho ny fankahalana. Ny hany “hadisoana” vitan’ireo novonoina dia noho izy ireo hafa volon-koditra, fivavahana na firazanana. Izany no nitranga tany Rwanda tamin’ny 1994, ka Tutsi 800 000 teo ho eo no naripaka.

Olona maro àry no manontany tena hoe: ‘Fa inona no mitranga? Efa toy izany foana ve ny fiainana? Inona no mahatonga ny herisetra mampihoron-koditra toy izany? Mbola hihena na hifarana tanteraka ve izany?’ Ireo fanontaniana ireo sy ny hafa koa no hodinihina ao amin’ireo lahatsoratra manaraka.

[Teny notsongaina, pejy 4]

Tsy kendreny mialoha matetika izay hovonoin’ny mpamono olona, ary tsy misy antony manokana anaovany izany