Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nanokanako ny Fiainako ny Siansa

Nanokanako ny Fiainako ny Siansa

Nanokanako ny Fiainako ny Siansa

NOTANTARAIN’I KENNETH TANAKA

“NY MARINA hanafaka anareo.” Nampirisika ahy hiezaka hahazo fahaizana ambony momba ny siansa ireo teny voasoratra eo amin’ny iray amin’ireo fitomboka famantarana ny Sekoly Ambonin’i Kalifornia Momba ny Teknolojia (Caltech) ireo. Nanjary niomana ho mpanao fikarohana momba ny siansa aho, rehefa niditra tany amin’io sekoly io tamin’ny 1974. Nahazo diplaoma ambony tamin’ny fianarana siansa momba ny tany aho, ary nanohy ny fianarako tany amin’ny Oniversiten’i Kalifornia, any Santa Barbara, taorian’izay.

Arakaraka ny nandrosoan’ny fianarako ny siansa, no nanovako ny fomba fihevitro momba an’Andriamanitra. Nanjary tsy nino azy intsony mantsy aho, rehefa nianatra momba ny evolisiona, nefa tsy maintsy novako izany tatỳ aoriana. Ahoana àry no nahatonga ahy, izay mpikaroka momba ny tany, ho lasa mpivavaka amin’Andriamanitra? Mamelà ahy hanazava izany.

Mbola kely dia efa talanjona nijery ny lanitra

Mbola kely aho dia efa tia siansa. Nihalehibe tany Seattle, eto Etazonia, aho, ary nampirisika ahy hampitombo fahaizana foana ny ray aman-dreniko. Tiako ny namaky boky momba an’izao rehetra izao, toy ny boky miresaka ny firafitr’izy io, ireo karazana hery toy ny sinton’ny tany sy ny hery niokleary, ny fotoana, ary ny fihetsehan’ny zavaboary. Hita fa tena nahaliana ahy ny siansa, tamin’izaho valo taona teo ho eo, ka nisy mpampianatra siansa nasain’ny sekoly nianarako hampianatra ahy manokana isan-kerinandro.

Nianatra sekoly alahady tany amin’ny fiangonana batista aho, nefa ny handeha tamin’ny fitsangantsanganana nalamin-dry zareo no tena nahatongavako tany. Tsy mba liana tamin’ny fivavahana na tamin’Andriamanitra kosa ny fianakaviako. Nanapa-kevitra koa aho fa tsy handray anjara amin’ny asan’ny fiangonana intsony, rehefa nahalala ny tantara sy ny habibiana vitan’ny fivavahana. Nanomboka nisalasala koa aho raha tena misy Andriamanitra, satria toa saika voazavan’ny siansa daholo ny zava-drehetra.

Fiovana maro teo amin’ny fiainako

Hianatra fizika no antony nangatahako hiditra tany amin’ny oniversite, nefa nanapa-kevitra ny hianatra siansa momba ny tany aho tamin’ny taona farany nianarako tany amin’ny lise. Anisan’ny fandaharam-pianarana ny fandehanana mijery ireo vato miavaka mipoitra avy any anaty tany, any amin’ny Fanjakan’i Washington. Nieritreritra aho hoe: ‘Tena tsara raha afaka miaraka ny fitiavako mitsangantsangana sy ny fianarako siansa!’

Siansa momba ny tany indray àry no nianarako, rehefa tonga tany amin’ny oniversite aho. Anisan’ny zavatra nianarana ny fotoana niforonan’ny tany, sy ny tantarany, hita avy amin’ireo sisan-javamaniry na taolam-biby. Nampianarina ahy koa tamin’izany, fa nivoatra miandalana ireny zavamaniry sy biby ireny. Marina aloha fa hitako hoe mbola tsy tena voaporofo ny fivoarana miandalana na ny evolisiona. Ny evolisiona anefa no toa azo ekena kokoa, indrindra raha ampitahaina amin’ny famoronana ninoan’ny maro, rehefa jerena ny tantaran’ny tany. Reko fa hanao adihevitra ny mpanohana ny famoronana sy ny mpanohana ny evolisiona tao amin’ny oniversite. Nanapa-kevitra ny tsy ho any aho, satria hita fa tsy noforonina tao anatin’ny herinandro latsaka ny tany, araka ny filazan’ny mpanohana ny famoronana sasany!

Marina fa tsy tia fivavahana mihitsy aho, nefa tsy maintsy nandinika indray momba ny fisian’Andriamanitra aho, rehefa nandeha matetika nandinika ireo vato mipoitra avy any anaty tany, any atsimoandrefan’i Etazonia. Nandinika ny volana sy ireo kintana tsara tarehy teny amin’ny lanitra tsy nisy rahona aho ny alina, tany amin’io tany efitra io, ka voatery niaiky fa tsy maintsy Andriamanitra no namorona izao rehetra izao. Eken’ny astronoma fa nanam-piandohana izao rehetra izao. Hitako anefa fa tsy ho voazavan’ny siansa na oviana na oviana hoe nahoana no nisy izany fiandohana izany. Toa azo inoana àry fa tsy maintsy nisy Mpamorona mahay sy matanjaka, namolavola sy nanao an’izao rehetra izao.

Sarin’ny planeta Mars, sy fanontaniana tsy voavaly

Teo am-panaovana ny sarin’ny planeta Mars ho an’ny Fikambanana Amerikanina Manadihady Momba ny Tany aho, tamin’izaho 27 taona, rehefa nahazo ny diplaoma ambony indrindra tamin’ny fianarana ny siansa momba ny tany, tamin’ny 1983. Nanomboka teo aho, dia namoaka lahatsoratra sy sary maro momba ireo planeta, ho an’ny mpahay siansa sy ny olon-tsotra. Nanampy tamin’ny fandefasana sambon-danitra teny amin’ny planeta Mars aho, satria lasa anisan’ny komity mpanolo-tsaina tao amin’ny Sampan-draharaham-pirenena Misahana ny Sambon-danitra sy ny any Ambony Tsy Taka-maso (NASA). Ny fikarohana sy ny asa hafa nataoko no nahafahako nihaona tamin’ny manam-pahaizana momba ny planeta, avy any amin’ny firenena sy oniversite ary fikambanana mpanao fikarohana maro.

Niova tsikelikely ilay fomba fijeriko fahiny momba ny siansa, vokatr’izany fampiofanana sy fikarohana rehetra izany. Tsapako fa tsy manome sady tsy hanome mihitsy ny fanazavana sy ny vahaolana rehetra ny siansa. Voamariko manokana fa tsy manome tanjona maharitra eo amin’ny fiainana ny siansa. Milaza ny mpahay siansa fa hirodana izao rehetra izao, na hiparitaka sy tsy hisy endriny intsony. Inona àry no dikan’ny fiainana, raha tsy maintsy hanjavona toy izany izao rehetra izao amin’ny farany?

Nianatra zava-baovao

Nifandray tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah aho, tamin’ny Septambra 1981, tamin’izaho nipetraka tany Flagstaff, any Arizona. Nanaiky hiara-mianatra Baiboly tamin’izy ireo aho, mba hanaporofoako aminy fa diso ny fivavahany sy ny Baiboly. Ho fantatro koa amin’izay hoe inona marina no tena resahin’ny Baiboly.

Nanomboka nandany ora maro isan-kerinandro aho nandinihana ireo fampianarana ao amin’ny Soratra Masina. Nahagaga ahy ny fahalalana sy hevi-dalina hitako tao amin’ny Baiboly. Tena tiako ny nikaroka ny maha marina ara-tsiansa ny Baiboly, sy ny fahatanterahan’ireo faminaniana maro ao anatiny, nandritra ny an’arivo taona nisian’ny olombelona. Tena nanaitra ahy hoe voaporofo mazava tsara fa miaina amin’ny “andro farany” isika, rehefa ampifandraisina ny faminaniana maro ao amin’ny Baiboly, toy ny ao amin’i Daniela sy Apokalypsy.—2 Timoty 3:1.

Tsy fantatro tamin’izany fa nisy olo-malaza nianatra Baiboly toa ahy koa. Tatỳ aoriana vao reko fa nanaja ny Baiboly sy nanao fikarohana lalina tao amin’izy io Atoa Isaac Newton, ilay noheverina ho ny mpahay siansa nahay indrindra hatramin’izay. Nifantoka tamin’ny faminanian’i Daniela sy ny Apokalypsy aho, toa an’i Newton. Nilaza mialoha fisehoan-javatra lehibe tena nitranga ireo boky ireo. * Tena nahazo tombony anefa aho, satria nahafantatra ny fahatanterahan’ireo faminaniana taorian’ny andron’i Newton, ary misy tanteraka amin’ny androko aza ny sasany aminy. Gaga aho satria isan-karazany ny faminaniana ao amin’ny Baiboly, sady mahatafiditra lafin-javatra betsaka, nefa tena marina sy tsy azo lavina. Mahavariana fa foto-kevitra tokana sy mahery, momba ireo raharaha lehibe mahakasika ny olombelona sy ny hoaviny, no ao anatin’ny Baiboly, na dia lehilahy 40 mahery aza no nanoratra azy io tao anatin’ny 1 600 taona.

Tsy mora tamiko anefa ny tsy nino intsony ny evolisiona. Tena nisy heviny tamiko mantsy ireo porofo ara-tsiansa mavesa-danja, manohana io fampianarana io. Hitako anefa fa tena marina sy tsy azo lavina ny zava-drehetra lazain’ny Baiboly momba izao rehetra izao hita maso.

Nanomboka tsapako fa tsy azoko lavina, na dia fampianarana iray monja ao anatin’ny Baiboly aza, raha tiako ny hahatakatra tsara ireo fampianarana betsaka sady mifampiankina ao anatiny. Anisan’izany ny fitantarana momba ny famoronana ao amin’ny Genesisy. Hitako àry fa ny fanekena ny Baiboly manontolo ho marina no mety indrindra.

Nitady ny fahamarinana hatrany

Nandray anjara tamina fikarohana momba ny siansa hatrany aho nandritra izany fotoana izany. Hitako, matetika, fa misy fampianarana eken’ny besinimaro mandritra ny fotoana kelikely, nefa voaporofo fa diso, atỳ aoriana. Izao koa ny olana hafa atrehinay mpahay siansa: Tena sarotra ny loha hevitra dinihinay, nefa voafetra ny fanazavana sy fitaovana fanaovana fikarohana eo am-pelatananay. Niezaka ny nitandrina àry aho mba tsy hanaiky fampianarana mbola tsy voaporofo, na dia mety ho nandaniana ron-doha be aza ny namoronana azy.

Maro tokoa ny lafin-javatra lehibe mahakasika izao tontolo izao tsy voazavan’ny siansa. Nahoana, ohatra, no mety tsara ny firafitr’izao rehetra izao sy ny lalàna fizika mifehy azy io, ka mampirindra tsara ny fiainan’ny zavamananaina sy ny fifandraisany amin’ny tontolo manodidina azy? Tsy voaporofon’ny siansa samirery fa misy Andriamanitra. Porofoin’ny Teniny avy amin’ny fanahy masina kosa fa tena misy Andriamanitra ary izy no Mpamorona. (2 Timoty 3:16) Manampy antsika hahafantatra Ilay nahatonga ny hery sy fahendrena ary hatsaran-tarehy hita eo amin’izao rehetra izao, izany fahalalana izany.

Nianarako tsara koa ny boky sy gazetin’ny Vavolombelon’i Jehovah, ka vao mainka ninoako fa tsy mifanohitra amin’ny siansa ny Baiboly. Anisan’ny nianarako ny boky Ny FiainanaAhoana no Nisiany? Evolisiona sa Famoronana? (anglisy) sy ilay hoe Misy Mpamorona Iray Miahy Anao Ve? (anglisy) Mamakafaka loha hevitra lalina momba ny siansa ireo boky ireo, ary manampy mba hahatakarana tsara ireo fikarohana atao ankehitriny sy ny hevitry ny manam-pahaizana ambony momba izany. Asehony koa fa mifanaraka amin’ny porofo ara-tsiansa ananana ny fanazavan’ny Baiboly.

Milahatra tsara, ohatra, ny nisehoan’ny zavamananaina, araka ny bokin’ny Genesisy. Hita fa marina tsara io filaharana io, rehefa jerena ireo sisan-javamaniry sy taolam-biby. Manondro fotoana lava be koa, araka ny fahazoan’ny olona fahiny azy, ny andro famoronana tsirairay. Mitovy amin’ilay teny hoe “vanim-potoana”, ampiasain’ny siansa amin’ny tantaran’ny tany, izy io. Tsy mifanohitra amin’ny siansa àry ny Baiboly. Resahiny ao fa naharitra fotoana lava be ireo andro famoronana. Tsy mifanaraka amin’ny Baiboly ny fanatsoahan-kevitry ny mpanohana ny famoronana sasany, izay milaza fa naharitra 24 ora ny andro famoronana tsirairay.

Finoana fa tsy finoanoam-poana

Mpahay siansa aho, ka tsy tiako ny minomino foana. Tena hajaiko kosa ny finoana marim-pototra. Izao no famaritan’ny Hebreo 11:1 an’io finoana io: “Ny finoana dia fiandrasana amin-toky ny zavatra antenaina, ary fanomezana porofo mazava ny zavatra tena misy izay tsy hita maso.” Mila manana porofo marim-pototra ny olona iray fa tena avy amin’ny fanahy masin’Andriamanitra ny Baiboly, alohan’ny hinoany ny fampanantenan’Andriamanitra. Tsapako fa tokony holaviko ireo fampianarana ara-pivavahana be mpanaraka, nefa tsy marim-pototra sady tsy mifanaraka amin’ny Soratra Masina. Anisan’ireny ny fampianarana momba ny fanahy tsy mety maty, afobe, Andriamanitra telo izay iray, sy ny hafa koa. Avy amin’ny filozofia sy ny angano fahiny, na ny tsy fahalalana tsara ny Baiboly, ny maro amin’ireny fampianaran-diso ireny. Mino fampianarana tsy marim-pototra ny ankamaroan’ny mpivavaka ankehitriny, ka izany no mahatonga ny mpahay siansa maro tsy hanaja fivavahana loatra.

Anisan’ny andraikitro lehibe indrindra amin’ny maha mpahay siansa ahy ny mamaritra sy manaporofo ary mizara izay zavatra hitako nandritra ny fikarohana nataoko. Tsapako koa fa tokony hampianariko amin’ny olon-kafa ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly, satria tsy misy fahalalana lehibe noho izany. Nanomboka io asa mahafa-po io àry aho, ary natao batisa, ka lasa Vavolombelon’i Jehovah, 20 taona lasa izay. Afaka nampitombo ny fotoana itoriako ho 70 ora eo ho eo isam-bolana aho, nanomboka tamin’ny Septambra 2000. Faly aho nanomboka tamin’izay, satria mampianatra olona folo eo ho eo isam-bolana. Faly koa aho satria lasa mpampianatra Baiboly mazoto ny maro tamin’izy ireny.

Mbola tiako foana ny mandinika ny planeta Mars sy ny faritra hafa amin’izao rehetra izao amin’ny alalan’ny sambon-danitra ary fomba, alefa any ambony tsy taka-maso any. Mbola maro ny zavatra tsy takatry ny mpahay siansa. Tsy andriko ny hahatongavan’ilay fotoana hahazoan’ny olona valiny amin’ny fanontaniany rehetra mahakasika ny siansa sy Andriamanitra, na dia ireo lalina indrindra aza. Hitako fa tena misy dikany ny fiainan’ny olona iray, raha manana fahalalana marina an’Andriamanitra sy ny fikasany ho an’ny olombelona izy. Izany no tena dikan’ilay tenin’i Jesosy voasoratra eo amin’ny iray amin’ireo fitomboka famantarana ny Caltech, manao hoe: “Ny marina hanafaka anareo.”—Jaona 8:32.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 18 Nilaza ny heviny momba ny faminaniana ao amin’ny bokin’i Daniela sy ny Apokalypsy, ao amin’ny Baiboly, Atoa Isaac Newton tao amin’ilay bokiny hoe Fanamarihana Momba ny Faminanian’i Daniela sy ny Apokalypsy Nataon’i Md. Joany (anglisy), nivoaka tamin’ny 1733.

[Teny notsongaina, pejy 19]

“Toa saika voazavan’ny siansa daholo ny zava-drehetra”

[Teny notsongaina, pejy 20]

“Tsy manome sady tsy hanome mihitsy ny fanazavana sy ny vahaolana rehetra ny siansa”

[Teny notsongaina, pejy 21]

“Fahalalana marina sy hevi-dalina no azoko avy tao amin’ny Baiboly”

[Sarintany, pejy 18]

Sarin’ny planeta Mars

[Sary, pejy 20]

Nifantoka tamin’ny faminanian’i Daniela sy ny Apokalypsy aho, toa an’i Newton

[Sary nahazoan-dalana]

Oniversiten’i Florida

[Sary, pejy 21]

Resahiko amin’ny olon-kafa izay nianarako tao amin’ny Baiboly

[Sary nahazoan-dalana, pejy 18]

Ambony ankavia: Courtesy USGS Astrogeology Research Program, http://astrogeology.usgs.gov; Sarin’i Mars: National Geographic Society, MOLA Science Team, MSS, JPL, NASA; Tany eny amin’i Mars: NASA/JPL/Caltech

[Sary nahazoan-dalana, pejy 21]

Sarin’ny any ambony tsy taka-maso: J. Hester and P. Scowen (AZ State Univ.), NASA