Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tokony Hanao Tatoazy ve Aho?

Tokony Hanao Tatoazy ve Aho?

Manontany ny Tanora Hoe . . .

Tokony Hanao Tatoazy ve Aho?

“Tsara tarehy ny tatoazy sasany. Tena zavakanto izy ireny.”​—Jalene. *

“Nanonofy ilay tatoazy voalohany nataoko foana aho nandritra ny roa taona.”​—Michelle.

TOA hita hatraiza hatraiza ny tatoazy na tombokavatsa. Mampidera azy io ny mpihira rock, ny olo-malazan’ny fanatanjahan-tena sy ny sarimihetsika, ary ny mpampiranty lamaody. Tanora maro no manaraka ny ohatr’izy ireo, ka jenitra erỳ mampiseho ny tatoazy eo amin’ny sorony, ny tanany, ny kibony, ary ny kitrokeliny. Hoy i Andrew: “Lamaody ny tatoazy, ary ny tsirairay no misafidy raha hanao azy io na tsia.”

Araka ny Rakipahalalan’izao Tontolo Izao (anglisy), ny tatoazy na “tombokavatsa dia sary na soratra maharitra atao amin’ny vatana. Hazokely na taolana norangitina, na fanjaitra, no ampiasaina. Atsoboka ao anaty loko aloha ny iray amin’ireo fitaovana ireo, ary avy eo tsindrontsindronina amin’iny ny hoditra, mba hanaovana ilay tatoazy.”

Sarotra fantarina ny tena isan’ny olona manao tatoazy, nefa misy boky milaza fa manao azy io ny 25 isan-jaton’ny tanora 15 ka hatramin’ny 25 taona, any Etazonia. Hoy i Sandy hoe: “Tena be mpitia izy io.” Nahoana no manintona ny tanora aoka izany ny tatoazy?

Nahoana izy io no be mpitia aoka izany?

Fomba miavaka anehoan’ny olona sasany fitiavana ny tatoazy. Hoy i Michelle: “Misy ny anaran’ilay ankizivavy nampiaraka taminy taloha, eo amin’ny kitrokelin’ny zokinay lahy.” Ny olana? “Tsy miaraka intsony izy ireo izao.” Hoy ny gazetiboky Zatovo (anglisy): “Mihevitra ny dokotera fa ny ampahefany mahery amin’ny olona rehetra manala tatoazy, dia tovovavy te hanala ny anaran’ilay ankizilahy niaraka taminy taloha.”

Mihevitra ny tanora sasany fa zavakanto ny tatoazy. Mariky ny fahaleovan-tena kosa izy io ho an’ny hafa. “Izaho ihany no mifehy ny fiainako”, hoy i Josie. Ny fanaovana tatoazy no “hany fanapahan-kevitra lehibe noraisiko teo amin’ny fiainana”, hoy ihany izy. Ny fanaovana tatoazy dia mamela ny tanora sasany hanandrana zava-baovao, sy hahatsapa fa izy ihany no mifidy izay paozy tiany. Mety ho mariky ny fikomiana sy ny fomba fiaina tsy eken’ny fiaraha-monina koa izy io. Izany no mahatonga ny tatoazy sasany hampiseho teny sy sary vetaveta na teny mihantsy.

Mety ho voasariky ny lamaody fotsiny anefa ny ankamaroan’ny tanora. Tokony hanao tatoazy ve anefa ianao, satria fotsiny hoe toa manao izany ny olona rehetra?

Ny fanaovana tatoazy tamin’ny andro fahiny

Tsy fanao maoderina akory ny tatoazy. Nahitana tatoazy ny fatina Ejipsianina sy Libyanina, izay efa voavoatra tsy ho lo. Heverina fa niaina an-jato taona maro talohan’ny andron’i Kristy izy ireo. Misy tatoazy koa ny faty mitovy amin’izany hita tany Amerika Atsimo. Nifandray mivantana tamin’ny fanompoan-tsampy ny ankamaroan’ny sary tamin’ny tatoazy. Nilaza ilay mpikaroka atao hoe Steve Gilbert, fa “sarin’ny andriamanitra Bes no asehon’ny tatoazy voalohany nisy sarin-javatra mazava tsara. Ao amin’ny angano ejipsianina, dia i Bes no andriamanitry ny fanaranam-po amin’ny filan’ny nofo sy ny filibana.”

Tsara homarihina fa noraran’ny Lalàn’i Mosesy tsy hanao tatoazy na tombokavatsa ny vahoakan’Andriamanitra. Hoy ny Levitikosy 19:28: “Aza mitetika ny tenanareo noho ny maty, na manao tombo-kavatsa amin’ny tenanareo: Izaho no Jehovah.” Ny mpanompo sampy, toy ny Ejipsianina, dia nanisy tatoazy misy ny anaran’ny andriamaniny, na famantarana azy ireo, teo amin’ny tratrany na ny tanany. Nanjary niavaka tamin’ny firenen-kafa ny Israelita, rehefa nankatò ny fandraran’i Jehovah tsy hanao tatoazy.​—Deoteronomia 14:1, 2.

Marina fa tsy eo ambanin’ny Lalàn’i Mosesy ny Kristianina ankehitriny, nefa mampieritreritra ny fandraran’izy io ny tatoazy. (Efesianina 2:15; Kolosianina 2:14, 15) Raha Kristianina ianao, dia azo antoka fa tsy tianao hasiana marika mampahatsiahy ny fanompoan-tsampy na ny fivavahan-diso ny vatanao, na dia tsy haharitra ela aza ilay izy.​—2 Korintianina 6:15-18.

Mety hanimba fahasalamana izy io

Tokony hoeritreretinao koa ny vokatry ny tatoazy eo amin’ny fahasalamana. Nanao izao fanamarihana izao ny Dr. Robert Tomsick, manam-pahaizana momba ny hoditra: “Mandrovitra ny hoditrao sy mampiditra loko ao anatiny ianao, rehefa manao tatoazy. Mety ho voan’ny aretina vokatry ny bakteria na ny virosy ianao, isaky ny manindrona ilay hoditra, na dia kely amin’ilay fanjaitra fotsiny aza no tafiditra. Mazàna mampidi-doza ny [tatoazy], araka ny hevitro.” Hoy koa izy: “Mety tsy ho zakan’ny vatanao ihany ilay loko rehefa tafiditra ao amin’ny hoditra, na dia tsy misy aretina aza, ka hivoaramena ny hoditrao, hisy karazana takopery, ary hangidihidy.”

Azo andramana esorina ihany ny tatoazy, na dia natao haharitra aza. Misy fomba samihafa azo ampiasaina amin’izany: Azo dorana amin’ny lazera ilay tatoazy, na misy fandidiana atao hanesorana azy. Azo kosehina amin’ny borosy vy manokana ilay hoditra manify, na vontosana ranon-javatra manokana misy sira, ary borosina mba hanesorana ilay tatoazy. Azo esorina amin’ny ranoka asidra koa ilay izy, ka holatra no ho eo amin’ny toerany. Lafo be ny fampiasana ireo fomba ireo ary mety hanaintaina. “Marary kokoa noho ny manao tatoazy, ny manaisotra azy amin’ny lazera”, hoy ilay gazetiboky Zatovo.

Ahoana no ho fiheveran’ny hafa?

Tokony hodinihinao tsara koa hoe ahoana no mety ho fihevitry ny hafa, rehefa mahita anao manao tatoazy izy, satria betsaka no tsy tia azy io. (1 Korintianina 10:29-33) Tamin’izy 16 taona dia nanao tatoazy noho ny haitraitra fotsiny i Li, vehivavy mipetraka any Taiwan. Iraika amby roapolo taona izy izao ary mpiasa birao. Miaiky izy hoe: “Mahasosotra ahy ny fijerin’ny mpiara-miasa amiko an’ilay tatoazy.” Milaza i Theodore Dalrymple, mpitsabo aretin-tsaina britanika, fa maro no mihevitra ny tatoazy ho ‘famantarana ny lehilahy anisan’ny antokon’olona mahery setra, masiaka, manohitra ny fiaraha-monina, ary mpanao heloka bevava.’

Nanamarika koa ny lahatsoratra tamin’ny gazetiboky iray hoe: “Mazava fa ny ankamaroan’ny Amerikanina dia mihevitra fa mety hampidi-doza ny manao tatoazy sy ny fitevehana ny vatana. Eken’ny 85 isan-jaton’ny [tanora], fa ‘ny olona manana tatoazy hita miharihary, dia tokony hahatakatra fa mety hampisy olana eo amin’ny asany, sy ny fifandraisany amin’ny hafa, io fomba fanehoana ny maha izy azy io.’”

Eritrereto koa hoe hanatsara sa hanimba ny lazanao amin’ny maha Kristianina anao ny fanaovana tatoazy. Mety “hampihemotra” ny hafa ve izany? (2 Korintianina 6:3) Marina aloha fa ataon’ny tanora sasany amin’ny faritra takona amin’ny vatany ilay izy. Na dia ny ray aman-drenin’izy ireo aza mety tsy hahafantatra izany tatoazy miafina izany. Tandremo anefa! Mety ho hitan’ny rehetra ny tsiambaratelonao, rehefa sendra mila mankany amin’ny dokotera tampoka ianao, na mandro miaraka amin’ny olon-kafa! Aleo ‘manao ny marina amin’ny zava-drehetra’, toy izay hanafinafina tatoazy ka hamita-tena fotsiny.​—Hebreo 13:18.

Mety tsy hanintona intsony ny tatoazy rehefa mandeha ny fotoana, toy ny lamaody rehetra ihany. Aoka hatao hoe manana pataloa jinina, na lobaka, na akanjo, na kiraro tena tianao be ianao. Midika ve anefa izany fa hanaovanao mandritra ny androm-piainanao ilay izy? Mazava ho azy fa tsia! Miova ny karazan’akanjo, ny didiny, ary ny lokony. Tsy mitovy amin’ny akanjo anefa ny tatoazy fa sarotra esorina. Ankoatra izany, rehefa 30 taona ianao, dia mety tsy ho tianao intsony izay tena nanintona anao, fony ianao 16 taona.

Betsaka no nanenina noho ny fanovana maharitra nataony teo amin’ny vatany. “Nanao tatoazy aho talohan’ny nahafantarako an’i Jehovah”, hoy i Amy. “Iezahako afenina foana izy io. Menatra aho rehefa sendra misy mahita ilay izy any am-pivoriana.” Inona no lesona azo raisina avy amin’izany? Mieritrereta tsara alohan’ny hanaovana tatoazy. Aza mandray fanapahan-kevitra izay mety hanenenanao any aoriana.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Novana ny anarana sasany.

[Sary, pejy 24]

Matetika olona mpikomy no manao tatoazy

[Sary, pejy 24]

Betsaka no manenina noho izy nanao tatoazy

[Sary, pejy 25]

Mieritrereta tsara alohan’ny hanaovana tatoazy