Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ahoana no Niverenan’ireo Mikraoba Mahery?

Ahoana no Niverenan’ireo Mikraoba Mahery?

Ahoana no Niverenan’ireo Mikraoba Mahery?

EFA teo avokoa na virosy, na bakteria, na prôtôzôera, na holatra, na zavamiaina bitika hafa, nanomboka tamin’ny nisian’ny fiainana teto an-tany. Afaka mivelona amin’ny toerana tsy azon’ny zavaboary hafa ivelomana, ireo zavaboary tsotra indrindra ireo, noho ny fahaizany mifanaraka amin’ny toe-javatra vaovao. Samy nahitana azy ireo na ny loharano mahamay be any amin’ny fanambanin’ny ranomasina, na ny ranomandry mangatsiaka ben’ny Tendrontany Avaratra. Miatrika ny mahery vaika indrindra amin’ny mpanafika azy anefa izao ny mikraoba. Tsy inona izany fa ny antibiotika.

Efa zato taona lasa no fantatra ny sasany amin’ireo mikraoba mahatonga aretina, nefa mbola tsy nisy nahafantatra tamin’izany ny fanafodiny. Tsy nisy azon’ny mpitsabo natao àry, afa-tsy ny nankahery ny olona nararin’ireny mikraoba ireny. Ny rafi-kery fanefitry ny vatan’ilay marary ihany no tsy maintsy niady tamin’ilay aretina. Loza ny vokany matetika, raha tsy dia natanjaka loatra ilay rafi-kery fanefitra. Na kiaka kely fotsiny aza tamin’izay, dia nety ho nahafaty raha nidiran’ny mikraoba.

Niova tanteraka àry ny fitsaboana, rehefa hita ny fanafody mpamono mikraoba voalohany azo nampiasaina. Nampiasaina tamin’ireo taona 1930 ny sulfamide, ary tamin’ireo taona 1940 kosa ny fanafody toy ny penisilinina sy streptomisinina. Zava-baovao maro no hita nandritra ny am-polo taona nanaraka izany. Nisy 150 teo ho eo ny zavatra nanamboarana antibiotika tamin’ireo taona 1990, ary avy amin’ny sokajy 15 samihafa izy ireo.

Rava ny fanantenana fandresena

Faly be ny olona sasany tamin’ireo taona 1950 sy 1960, satria nino fa resy ny aretina vokatry ny mikraoba. Nisy manam-pahaizana aza nino fa ho fahatsiarovana ratsy sisa ireny aretina ireny. Nolazain’ny minisitry ny fahasalamana amerikanina, nanoloana ny Antenimieram-pirenena tamin’ny 1969, fa tsy ho ela dia “tsy hieritreritra momba ny aretina vokatry ny mikraoba intsony ny olombelona.” Nanoratra toy izao i David White sy Macfarlane Burnet, izay efa nahazo ny loka Nobel, tamin’ny 1972: “Hihena be ny aretina vokatry ny mikraoba, ka tsy hisy zavatra firy intsony ho azo ambara momba azy io.” Nisy tokoa nihevitra fa ho foana tanteraka ny aretina vokatry ny mikraoba.

Betsaka no lasa natoky tena be loatra, ka nihevitra fa efa tsy atahorana intsony ny aretina vokatry ny mikraoba. Nisy mpitsabo mpanampy iray efa zatra niasa nanomboka tamin’ny fotoana mbola tsy nisy antibiotika. Voamariny fa nanao an-tsirambina ny fahadiovana mahazatra ny mpitsabo mpanampy tanora sasany. Rehefa mampahatsiahy azy ireo izy fa ilaina ny manasa tanana, dia izao no avalin’izy ireo: “Aza matahotra, fa efa manana antibiotika isika izao.”

Tena ratsy anefa ny vokatry ny fahazarana mampiasa antibiotika, sy ny fiankinana aminy. Mahatonga ny aretina ho sarotra sitranina izany. Tsy vitan’izany ihany, fa niverina ho ny antony voalohany mahafaty olona betsaka indrindra eran-tany izao ny mikraoba! Ireto no anisan’ny antony mampahazo vahana ny aretina vokatry ny mikraoba: ady, tsy fahampian-tsakafo any amin’ny tany an-dalam-pandrosoana, tsy fahampian’ny rano madio, loto, fahamoran’ny fivezivezena eran-tany, ary fiovaovan’ny toetany eran-tany.

Mihamahery ny bakteria

Olana lehibe tsy noeritreretina mialoha ny fahafahan’ny mikraoba tsotra manohitra fanafody. Raha nojerena anefa ny zava-nitranga, dia tokony ho efa fantatra mialoha fa hahay hiaro tena amin’ny fanafody ny mikraoba. Nahoana? Nitovitovy tamin’izany mantsy ny zava-nitranga, tany antenatenan’ireo taona 1940, rehefa nanomboka nampiasaina ny DDT. * Faly erỳ tamin’izay ireo mpiompy nandripaka ny lalitra tamin’ny DDT. Nisy lalitra vitsivitsy tsy maty anefa, ka lasa mahatohitra DDT ny taranany. Lasa nihamaro be avy eo ireny lalitra ireny.

Mbola tsy nampiasaina akory ny DDT, na ny penisilinina tamin’ny 1944, dia efa nasehon’ny bakteria tamin’ny fomba hafakely fa afaka miaro tena izy ireo. Nahamarika izany ny Pr. Alexander Fleming, izay nahita ny penisilinina. Hitany tao amin’ny laboratoarany, fa mahatohitra ny fanafody namboariny ireo taranaka Staphylocoque doré (karazana katsentsitra), satria nihanatanjaka kokoa hatrany ny fonontsela miaro azy ireo.

Nilaza àry ny Pr. Fleming, tokony ho 60 taona lasa izay, fa mety hanjary hahay hiaro tena amin’ny penisilinina ny bakteria ao amin’ny olona marary. Hitombo be àry ny taranaky ny bakteria mahery, raha tsy ampy daozy hamonoana bakteria betsaka ny penisilinina. Hiverina ilay aretina amin’izay, ary tsy ho sitran’ny penisilinina intsony.

Hoy ny boky Fifanoheran-javatra Momba ny Antibiotika (anglisy): “Voaporofo fa marina ny tenin’i Fleming, ary ratsy mihoatra noho ny noeritreretiny aza ny zava-nitranga.” Nahoana? Fantatra fa misy bakteria manana fototarazo afaka mamokatra anzima mahatohitra penisilinina. Tsy hisy vokany amin’izy ireny ny fitsaboana amin’ny penisilinina, na dia atao maharitra aza. Tena nampivarahontsana izany!

Nisy antibiotika vaovao foana navoaka mba hiadiana amin’ny aretina vokatry ny mikraoba, tamin’ireo taona 1940 hatramin’ireo taona 1970. Nisy vitsivitsy koa hita nandritra ireo taona 1980 sy 1990. Afaka miady amin’ny bakteria nahatohitra ny fanafody teo aloha ireny antibiotika vaovao ireny. Nisy karazana bakteria nahatohitra azy ireny koa anefa, rehefa afaka taona vitsivitsy.

Nanjary fantatry ny olona fa mahagaga mihitsy ny fahaizan’ny bakteria manohitra fanafody. Mety hovan’ilay bakteria ny fonontselany mba tsy ho afaka hiditra ilay antibiotika, na hovany ny taharo simika ao aminy mba tsy hahafahan’ilay antibiotika hamono azy. Mety hatosiny hivoaka avy hatrany koa ilay antibiotika raha vao tafiditra, na potipotehiny tsotra izao fotsiny mba tsy ho afaka hamono azy.

Arakaraka ny itomboan’ny antibiotika koa no itomboan’ny bakteria mahery sy iparitahany. Tsy nahomby mihitsy àry ve ny fampiasana antibiotika? Tsy izany foana akory no izy. Sitran’ny antibiotika hafa mantsy matetika, ny aretina tsy sitran’ny antibiotika sasany. Nanimba tokoa ny fahafahan’ny bakteria manohitra antibiotika taloha, nefa azo fehezina tsara izany izao.

Mikraoba mahatohitra fanafody maro

Nihoron-koditra ny manam-pahaizana, rehefa nahita fa afaka mifanakalo fototarazo ny bakteria. Noeritreretina tamin’ny voalohany fa ny bakteria mitovy karazana ihany no afaka manao izany. Hita tamin’ny bakteria samy hafa karazana tanteraka anefa tatỳ aoriana ny fototarazo mitovy, samy afaka mahatohitra fanafody. Lasa mahatohitra fanafody mahazatra maro ny bakteria isan-karazany, noho io fifanakalozana fototarazo io.

Angaha vitan’izany ihany? Hita tamin’ny fikarohana tamin’ireo taona 1990 fa misy bakteria afaka miaro tena samirery amin’ny fanafody. Lasa mahatohitra karazana antibiotika maro vita avy amin’ny zavamananaina sy sentetika ny bakteria sasany, na dia antibiotika iray monja aza no tojo azy.

Hoavy manjombona

Mbola mandaitra amin’ny ankamaroan’ny olona izao ny ankabeazan’ny antibiotika. Hanao ahoana anefa amin’ny hoavy? Hoy ny boky Fifanoheran-javatra Momba ny Antibiotika: “Tsy afaka manantena isika hoe ho sitran’izay antibiotika voalohany ampiasaintsika ny aretina vokatry ny mikraoba.” Hoy koa izy io: “Voafetra ny karazana antibiotika any amin’ny toerana sasany, ka tsy misy mahomby ny antibiotika azo ampiasaina. ... Misy olona izao marary sy matin’ny aretina izay nambara tamin’ny 50 taona lasa fa ho foana tanteraka.”

Tsy ny bakteria ihany no lasa mahatohitra fanafody. Mahazendana koa ny fahaizan’ny virosy sy ny holatra ary ny katsentsitra madinika hafa, mifanaraka amin’izay toe-javatra misy azy. Mety ho very maina ny ezaka rehetra natao eran-tany, nitadiavana sy namokarana fanafody mamono mikraoba, noho ny fisian’ny karazana mikraoba toy ireny.

Inona àry no azo atao? Azo foanana na ahena ve ny herin’ireny mikraoba ireny? Inona no azo atao mba hahomby foana ny fampiasana antibiotika, eto amin’ity tany feno aretina vokatry ny mikraoba ity?

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 10 Poizina ny fanafody famonoana bibikely, ary toy izany koa ny fanafody. Mety hanampy izy ireny, nefa mety hanimba koa. Sady mamono mikraoba ny antibiotika, no mamono ny bakteria mahasoa koa.

[Efajoro/Sary, pejy 6]

Inona no Atao hoe Antibiotika?

Anisan’ny fanafody mpamono mikraoba ny antibiotika omen’ny dokotera. Antsoina hoe “fitsaboana simika” ny fitsaboana amin’ny fanafody toy ireny, amin’ny ankapobeny. Ampifandraisina amin’ny fitsaboana kansera matetika ny hoe “fitsaboana simika.” Izany koa anefa no niantsoana sady mbola iantsoana ny fitsaboana aretina hafa vokatry ny mikraoba.

Ny mikraoba dia zavamiaina bitika dia bitika, tsy hita raha tsy amin’ny mikraoskaopy. Miady amin’ny mikraoba mahatonga aretina ny antibiotika. Mampalahelo anefa fa simban’ireny fanafody ireny koa ny zavamiaina bitika mahasoa, ao amin’ny tenantsika.

I Selman Waksman (anisan’ny nahita ny streptomisinina) no nampiasa voalohany ny teny hoe “antibiotika”, tamin’ny 1941, mba hiantsoana ny zavatra afaka manohitra ny bakteria, avoakan’ny zavamiaina bitika sasany. Sarobidy ny antibiotika, satria afaka manapoizina ny mikraoba, nefa tsy manapoizina be anao.

Manapoizina kely antsika ihany anefa ny antibiotika rehetra, raha ny marina. Jeren’ny dokotera hoe manao ahoana ny habetsahan’ny mikraoba mety ho fatin’ilay fanafody, sy ny habetsahan’ny zavatra simba ao amin’ny vatantsika. Tsara ilay fanafody raha kely ny fanimbany antsika, fa mampidi-doza kosa raha lehibe. Raha ny marina dia efa an’arivo ny antibiotika hita, saingy tsy azo ampiasaina ny ankamaroany satria mety hanapoizina ny olona na ny biby.

Ny penisilinina no antibiotika voalohany azo nampiasaina. Avy amin’ny bobongolo atao hoe Penicillium notatum izy io. Tamin’ny 1941 no nampiasaina voalohany ny penisilinina atsindrona amin’ny lalandra. Hita tamin’ny 1943 kosa ny streptomisinina, ary bakteria avy amin’ny tany, atao hoe Streptomyces griseus no nahazoana azy. Maro koa ny antibiotika vaovao hita, rehefa nandeha ny fotoana. Avy amin’ny zavamananaina ny sasany amin’izy ireny, ary misy koa sentetika. Lasa mahery sy mahatohitra antibiotika maro anefa ny bakteria, ka nanjary olana eo amin’ny fahasalamana.

[Sary]

Manakana ny fitomboan’ilay bakteria ny bobongolo penisilinina, hita eo amin’ny fanambanin’ilay vilia kely

[Sary nahazoan-dalana]

Christine L. Case/Skyline College

[Efajoro/Sary, pejy 7]

Karazana Mikraoba

Virosy: Io no mikraoba bitika indrindra. Izy io no mahatonga ny aretina mahazatra, toy ny sery sy gripa ary aretin-tenda. Mahatonga areti-mandoza sasany koa ny virosy, ka anisan’ireny ny lefakozatra sy Ebola ary SIDA.

Bakteria: Zavamiaina bitika tokan-tsela sy tsy be pitsiny izy io, tsy manana vihy, ary tsy manana krômôzôma afa-tsy iray, amin’ny ankapobeny. An’arivo tapitrisa ny bakteria ao amin’ny vatantsika, ary ao amin’ny taovam-pandevonan-kanina ny ankabeazany. Manampy antsika handevon-kanina izy ireny, sady manome vitaminina K, izay mahatonga ny ra ho afaka hivaingana.

Misy 4 600 ny karazana bakteria fantatra, ka ny 300 eo ho eo monja amin’ireo no mahatonga aretina. Tsy voatanisa anefa ny aretina vokatry ny bakteria, eo amin’ny zavamaniry sy biby ary olona. Ireto no anisan’ny mpahazo ny olona: tioberkilaozy, kôlerà, difteria, vain’omby, fihasimban’ny nify, pnemonia sasantsasany, ary aretina azo avy amin’ny firaisana.

Prôtôzôera: Zavamiaina bitika tokan-tsela toy ny bakteria ihany izy io, saingy mety hanana vihy mihoatra ny iray. Prôtôzôera ny amiba sy ny tripanôzôma, ary ny katsentsitra mahatonga tazo. Tokony ho ny ampahatelon’ny karazan-javamiaina no katsentsitra, ary misy 10 000 eo ho eo ny karazany. Vitsy aminy ihany anefa no mahatonga aretina.

Holatra: Mety hahatonga aretina koa io. Zavamiaina bitika manana vihy izy io, ary toy ny kofehy mihorongorona sy mifampidipiditra ny bikany. Ny aretin-koditra, toy ny fahamasahan’ny tongotra, sy ny candidose no tena mahazatra, amin’ny aretina vokatry ny holatra. Matetika ny olona tsy ampy hery fiarovana ihany, vokatry ny tsy fahampian-tsakafo, na kansera, na zava-mahadomelina, na aretina hafa vokatry ny virosy, no voan’ny aretin-koditra tena atahorana.

[Sary]

Virosy Ebola

Bakteria “Staphylococcus aureus”

Prôtôzôera “Giardia lamblia”

Holatra

[Sary nahazoan-dalana]

CDC/C. Goldsmith

CDC/Janice Carr

Courtesy Dr. Arturo Gonzáles Robles, CINVESTAV, I.P.N. México

© Bristol Biomedical Image Archive, University of Bristol

[Sary, pejy 4]

Alexander Fleming, ilay nahita ny penisilinina