Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Avy Amin’ny Mpamaky

Avy Amin’ny Mpamaky

Avy Amin’ny Mpamaky

Tsy Fahampian-tsakafo Tena nahaliana ahy ilay andian-dahatsoratra hoe “Tsy Fahampian-tsakafo—‘Loza Misoko Mangina.’” (8 Martsa 2003) Tsy olana lehibe izany atỳ Japon, ka tena gaga aho noho izay novakiko. Enga anie ka hotorina bebe kokoa hatrany amin’izay rehetra mijaly noho io zava-manahirana io ny vaovao tsara momba ny Fanjakan’Andriamanitra.

Y. T., Japon

Clip Mahazo ny gazetinareo avy amin’ny Vavolombelon’i Jehovah iray fantatro aho indraindray. Tena tsara ilay lahatsoratra hoe “Manontany ny Tanora Hoe . . . Tokony Hijery Clip ve Aho?” (8 Martsa 2003) Voafaritra tsara ny hevitra tao anatiny, ary naharihariny ireo loza miafina ao amin’ny mozika maoderina.

M. M., Japon

Avy hatrany dia novakiko hatramin’ny farany ilay lahatsoratra raha vao azoko. Mpijery clip ny ankamaroan’ny namako, ary tena tia miresaka momba izany. Nanampy ahy tsy ho resin’ny fakam-panahy hijery clip ilay lahatsoratra. Roa ambin’ny folo taona aho, ary tena tonga tamin’ny fotoana nilako azy ilay izy.

K. W., Etazonia

Tena nankafiziko ilay lahatsoratra. Mpitory ny vaovao tsara manontolo andro aho, ary fantatro fa zava-dehibe ny hanomezako ohatra tsara ho an’ny tanora hafa. Koa rehefa manontany ahy izy ireo hoe nahoana aho no tsy mijery clip sasany, dia azoko lazaina aminy fa tsy tiako ho simba ny fifandraisako amin’i Jehovah. Manohiza foana mamoaka lahatsoratra “Manontany ny Tanora” toy ireny. Tena hahalalan-javatra izy ireny.

R. B., Etazonia

Efa ho 21 taona aho ary tia mijery clip. Marina anefa ny teninareo hoe misy heriny eo amin’ny mpijery azy ny clip. Matetika ny feony sy ny gadony no itiavan’ny tanora ny hira iray. Tsy miraharaha ny tonon-kira izy ireo, indrindra raha amin’ny fiteny vahiny ilay izy. Matetika ilay clip no mampiharihary ny hafatra tena tian’ilay hira hampitaina. Gaga aho indraindray mahita ireo clip miaraka amin’ny hira noheveriko fa tsara! Ovako ny fandaharana raha vao ratsy ilay clip, ary tsy mihaino iny hira iny intsony aho.

T. G., Frantsa

Gnou Tena nahafinaritra ahy ilay lahatsoratra hoe “Mpifindra Monina Manao Rodobe.” (8 Martsa 2003) Tena tia biby aho, ka ny lahatsoratra momba ny biby foana no vakiko voalohany, rehefa misy Mifohaza! vaovao tonga. Tena gaga aho namaky fa afaka mampijanona ny fiterahany ny gnou vavy raha misy loza, ka hamita izany any amin’ny toeran-kafa, rehefa tsy misy loza intsony! Tiako raha mamoaka lahatsoratra mahafinaritra toy ireny foana ianareo.

K. R., Italia

Fahotana Tsy Hahazoana Famelan-keloka Tsy hitako izay teny hanehoana ny fankasitrahako an’i Jehovah sy ianareo, noho ilay lahatsoratra hoe “Ny Fiheveran’ny Baiboly: Misy Fahotana Tsy Hahazoana Famelan-keloka Ve?” (8 Febroary 2003) Efa elaela no nitadiavako fanazavana toy izany. Niezaka nahatakatra ny hevitry ny Hebreo 10:26 aho, ary nihevitra fa ny 144 000 izay mankany an-danitra ihany, no voakasik’izy io. Misaotra anareo nanazava izany.

R. A. P., Ghana

Syria Tena nankasitrahako ilay lahatsoratra hafakely hoe “Syria—Mbola Ahitana Taratry ny Lasa Iray Mahaliana.” (8 Febroary 2003) Tena tia tantara sy jeografia aho, ka nahaliana ahy ny nampifanaraka ny andinin-tenin’ny Baiboly tamin’ny toerana voafaritra tsara teo amin’ilay sarintany. Manantena aho fa mbola hamoaka karazana lahatsoratra toy ireny ianareo.

M. P., Frantsa

[Sary nahazoan-dalana, pejy 30]

UN/DPI Photo by Eskinder Debebe