Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Eken’Andriamanitra ve ny Filana Tsy Araka ny Natiora?

Eken’Andriamanitra ve ny Filana Tsy Araka ny Natiora?

Ny Fiheveran’ny Baiboly

Eken’Andriamanitra ve ny Filana Tsy Araka ny Natiora?

“RAHOVIANA no ho fantatro hoe lehilahy sa vehivavy no tokony hanaovako firaisana?” Izany no nosoratan’ny ankizivavy iray 13 taona tany amin’ny gazety iray mpanome torohevitra ho an’ny tanora. Ahitana taratry ny toe-tsain’ny olona maro ankehitriny ilay fanontaniany. Mieritreritra mantsy izy ireo fa anjaran’ny tsirairay ny mifidy hoe lehilahy sa vehivavy no hanaovany firaisana.

Mety hisy olona tena miady saina tokoa amin’io lafiny io. Ny hafa indray dia hita fa manaraka filana tsy araka ny natiora, toy ny firaisana amin-dehilahy na amim-behivavy toa azy. Misy sahy manao sarin-dahy na sarim-bavy. Ny sasany manao fandidiana mba ho lasa lehilahy na ho vehivavy. Misy mihitsy aza milaza fa tokony havela hanao firaisana amin’ny ankizy ny olon-dehibe.

Anjaran’ny tsirairay tokoa ve anefa ny mifidy hoe lehilahy sa vehivavy no hanaovany firaisana, na hanova ny tenany ho lehilahy na ho vehivavy izy? Inona no lazain’ny Tenin’Andriamanitra momba izany?

“Lahy sy vavy no namoronany azy”

Lazain’ny Genesisy, boky ao amin’ny Baiboly, fa Andriamanitra mihitsy no namorona ny olona ho lehilahy sy ho vehivavy. Izao no voalaza ao: “Andriamanitra nahary ny olona tahaka ny endriny; . . . lahy sy vavy no namoronany azy. Ary Andriamanitra nitso-drano azy hoe: Maroa fara sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany, ka mampanompoa azy.”​—Genesisy 1:27, 28.

Nomen’Andriamanitra safidy malalaka ny olombelona noforoniny, ary navelany hankafy izany fahalalahany izany. (Salamo 115:16) Navelan’Andriamanitra hifidy ny anaran’ny zavamananaina hafa rehetra teto an-tany mihitsy aza ny olombelona, satria nankininy tamin’izy ireo ny fikarakarana azy ireny. (Genesisy 2:19) Nanome toro lalana voafaritra tsara momba ny firaisana anefa Andriamanitra.​—Genesisy 2:24.

Nandova tsy fahatanterahana daholo isika rehetra, noho ny tsy fankatoavan’i Adama. Tsy maintsy iadiantsika àry ny fahalemen’ny nofo sy ny faniriana mafy tsy mifanaraka amin’ny fikasan’Andriamanitra tany am-boalohany. Izany no antony niresahan’Andriamanitra mazava tsara tao amin’ny lalàn’i Mosesy ny amin’ny karazana firaisana maharikoriko azy, dia ny fanitsakitsaham-bady, firaisana amin’olom-pady, firaisan’ny samy lehilahy na samy vehivavy, ary firaisana amin’ny biby. (Levitikosy 18:6-23) Nilaza mazava koa izy fa tsy azon’ny olona iray atao ny manao sarin-dahy na sarim-bavy mba hananana firaisana maloto. (Deoteronomia 22:5) Averimberin’ny Baiboly fa ny firaisana ifanaovan’ny lehilahy sy vehivavy mpivady ara-dalàna ihany no ankasitrahan’Andriamanitra. (Genesisy 20:1-5, 14; 39:7-9; Ohabolana 5:15-19; Hebreo 13:4) Ara-dalàna ve izany fitsipika izany?

Safidin’ny tsirairay ve?

Ampitahain’ny Baiboly amin’ny tanimanga eo an-tanan’ny mpanefy azy, ny olombelona eo anatrehan’ny Mpamorona. Hoy ny Baiboly: “Fa iza tokoa moa ianao, ralehilahy, no hamalivaly an’Andriamanitra? Izay novolavolaina ve hilaza amin’ilay namolavola azy hoe: ‘Nahoana ianao no nanao ahy toy izao?’” (Romanina 9:20) Hita avy amin’ny fomba namoronan’Andriamanitra ny lehilahy sy ny vehivavy, fa nataony hifanintona izy ireo. Filana tsy araka ny namoronan’Andriamanitra ny olombelona àry ny hoe lehilahy te hanao firaisana amin’ny lehilahy, na vehivavy amin’ny vehivavy, na olona te hanao firaisana amin’ny biby na amin’ny ankizy.​—Romanina 1:26, 27, 32.

Manohitra an’Andriamanitra ny olona tsy manova izany faniriana tsy araka ny natiora izany. Mampitandrina toy izao ny Baiboly: “Lozan’izay miady amin’ny namorona azy! Tavim-bilany isan’ny tavim-bilany amin’ny tany ihany ireny! Ny tanimanga va hilaza amin’ny mpanefy azy hoe: ‘Inona no ataonao?’” (Isaia 45:9) Ara-dalàna tokoa raha manome tari-dalana momba ny firaisana ilay Mpamorona ny olombelona. Tsy rariny koa ve raha manaraka izany tari-dalana izany ny olombelona?

Mahay mifehy tena

Nanome tari-dalana ho an’ny Kristianina mikasika ny firaisana i Paoly, mpanoratra ao amin’ny Baiboly. Hoy izy: ‘Tokony hahay hifehy tena ianareo tsirairay, ao anatin’ny fahamasinana sy ny haja, fa tsy amin’ny filan’ny nofo tsy mety afa-po.’ (1 Tesalonianina 4:4, 5) Mahay mifehy tena ny olona iray, raha mampifanaraka ny eritreriny sy ny faniriany amin’ny fitsipi-pitondran-tena napetrak’Andriamanitra.

Ekena aloha fa mety ho sarotra izany, indrindra fa ho an’ireo novetavetaina na nahita sary sy boky mamoafady tamin’ny fahazazany, na nanjary nanana fiheverana diso momba ny atao hoe tena lehilahy na tena vehivavy, noho ny fitondran-tenan’ny ray aman-dreniny na ny mpitaiza azy. Mety hanova ny fanirian’ny olona iray mahakasika ny firaisana koa ny olana eo amin’ny fototarazo sy ny hormonina, na ny olana ara-tsaina. Mampahery anefa ny mahafantatra fa afaka manampy sy manohana an’ireo mila fanampiana ny Mpamorona antsika.​—Salamo 33:20; Hebreo 4:16.

Avelao hamolavola anao ilay mpanefy tanimanga lehibe

Tsy maintsy apetraky ny mpanefy tsara eo afovoan’ilay milina fanodinana azy ny tanimanga, mba hahafahany hamolavola azy. Volavolain’ilay mpanefy moramora amin’ny rantsantanany ilay tanimanga, rehefa mihodina ilay milina, mba hahazoany izay endrika tiany. Toy izany koa fa tokony hampifanarahantsika tsara amin’ireo toro lalan’Andriamanitra sy ireo fitsipiny tsy miovaova ny fiainantsika, mba hahafahany hamolavola antsika araka izay tiany. Hovolavolain’Andriamanitra moramora amin’ny alalan’ny Baiboly sy ny fanahiny masina ary ny fianakavian’ny mpirahalahy kristianina isika, raha vao manomboka manao izany. Ho tsapantsika tsikelikely avy eo, fa miahy antsika manokana izy.

Tsy maintsy matoky anefa isika fa hendry ny Mpamorona, ka mahalala izay tena mahasoa antsika. Hanampy antsika hatoky azy ny vavaka sy ny fianarana tsara ny Baiboly. Ho mora amin’ny Mpamorona ny hamolavola ny olona iray, raha matoky io olona io fa hain’ny Mpamorona ny manampy azy hanalavitra ny filana tsy araka ny natiora. Hoy ny 1 Petera 5:6, 7: “Manetre tena eo ambanin’ny tana-maherin’Andriamanitra, mba hanandratany anareo amin’ny fotoana voatondrony, ary apetraho aminy avokoa izay rehetra mampanahy anareo, satria mikarakara anareo izy.”

Hahita ny tantaran’ireo mpanompon’Andriamanitra nahatoky, izay tsy nanaiky ho resin’ny fahalemen’ny nofo mihitsy, isika, raha mamaky Baiboly tsy tapaka. Mampahery tokoa ireny tantara ireny! Takatsika avy amin’ny tenin’ny apostoly Paoly, ohatra, fa ketraka izy indraindray. Hoy izy: “Indrisy! Olo-mahantra aho! Iza no hanafaka ahy amin’ity vatana izay azon’ny fahafatesana ity?” Natorony antsika anefa hoe avy aiza no nahazoany fanampiana, rehefa novaliany toy izao ny fanontaniany: “Isaorana anie Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika!”​—Romanina 7:24, 25.

Hery afaka manampy antsika hiova

Afaka mahazo ny fanahy masin’Andriamanitra koa isika. Hery lehibe afaka manampy antsika hiova izy io. Manampy antsika ny fanahy masina mba ‘hanaisotra ny toetra taloha’, ka “hitafy ny toetra vaovao izay noforonina araka ny sitrapon’Andriamanitra, amin’ny tena fahitsiana sy fahatokiana.” (Efesianina 4:22-24) Mamaly ny vavaka ataontsika foana ilay Raintsika be fitiavana any an-danitra, raha mangataka aminy amim-pahatsorana ny fanahy masina isika, mba hanampy antsika hiova. Manome toky antsika i Jesosy fa “hanome ny fanahy masina an’izay mangataka aminy” ny Ray. (Lioka 11:13) Ilaina anefa ny maharitra amin’ny vavaka, araka izao teniny izao: “Mangataha hatrany, dia homena ianareo.” (Matio 7:7) Tena ilaina indrindra izany rehefa miezaka mifehy ireo filan’ny nofo mahery isika.

Manampy antsika koa Andriamanitra amin’ny alalan’ny fianakavian’ny mpirahalahy kristianina marina, izay ahitana olona avy amin’ny fiaviana rehetra. ‘Lehilahy nanaiky hanaovan-dehilahy firaisana’ sy ‘lehilahy niray tamin’ny lehilahy’ ny Kristianina sasany teo anivon’ny fiangonan’i Korinto, tamin’ny taonjato voalohany. Niova anefa izy ireo. Nodiovin’ny ran’i Kristy izy ireo, ka nanjary nankasitrahan’Andriamanitra. (1 Korintianina 6:9-11) Misy olona mila manao fiovana toy izany koa ankehitriny. Afaka manohana azy amin’ny ady ataony amin’ny fanirian-dratsy ny fiangonana kristianina.

Midika ve izany fa ho resy ho azy ny faniriana rehetra tsy araka ny natiora, rehefa lasa Kristianina ny olona iray, ary ho afaka ho azy ny fisalasalana raha tokony ho lehilahy izy na ho vehivavy? Tsy voatery ho izany. Nanampy ny Kristianina sasany hanana fiainana madio ny fampiharana hatrany ny toro lalan’ny Baiboly. Tsy maintsy niady matetika tamin’ny fanirian-dratsy anefa izy ireo. Toy ny manana “tsilo ao amin’ny nofo” izy ireo, nefa mbola manohy manompo an’Andriamanitra ihany. (2 Korintianina 12:7) Kristianina mahatoky sy madio foana eo anatrehan’Andriamanitra izy ireo, raha mbola miezaka hatrany miady amin’ny fanao ratsy sy manana fitondran-tena tsara. Azon’izy ireo andrandraina ilay fotoana hanafahana ny olombelona rehetra amin’ny ‘fanandevozan’ny fahalovana, ka hanana ny fahafahana be voninahitr’ireo zanak’Andriamanitra.’​—Romanina 8:21.

Mandra-pahatongan’izany, dia tsy maintsy manaraka foana ny fitsipiny marina ny olona rehetra te hampifaly an’Andriamanitra. Tsy maintsy mifidy ny hanompo an’Andriamanitra ny Kristianina marina, fa tsy hanaraka ny fanaony feno fitiavan-tena. Ho faly sy ho sambatra mandrakizay ireo manaiky amim-panetren-tena ny sitrapon’Andriamanitra eo amin’ny fiainany manontolo.​—Salamo 128:1; Jaona 17:3.

[Teny notsongaina, pejy 21]

Nanome toro lalana voafaritra tsara momba ny firaisana Andriamanitra

[Teny notsongaina, pejy 22]

‘Lehilahy nanaiky hanaovan-dehilahy firaisana’ sy ‘lehilahy niray tamin’ny lehilahy’ ny Kristianina sasany teo anivon’ny fiangonan’i Korinto, tamin’ny taonjato voalohany. Niova anefa izy ireo

[Sary, pejy 23]

Manampy antsika hanana fitsipi-pitondran-tena tsara ny fianarana Baiboly