Fampiononana Amin’ny Fotoana Ilana Azy
Fampiononana Amin’ny Fotoana Ilana Azy
Maro ny olona mila fampiononana amin’izao fotoan-tsarotra izao, indrindra fa ireo namoy hava-malala. Namoy ny reniny ny vehivavy iray, sady afa-jaza indray taoriana kelin’izay. Izao no nosoratany ho an’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Meksika: “Ny tena nampionona ahy indrindra, dia ny fahazoana ilay bokikely hoe Rehefa Nodimandry ny Olona Iray Tianao. Tonga tamin’ny fotoana tena nilana azy indrindra io fanazavana tena sarobidy io. Misaotra anareo noho ny fitiavana asehonareo sy ny fahazotoanareo manome ireny boky ara-baiboly ireny.”
Tena nampionona an’io vehivavy io ny andinin-teny voasoratra ao amin’ilay bokikely. Izao, ohatra, no lazain’ny 1 Korintianina 15:26: “Ary hofoanana ny fahafatesana, izay fahavalo farany.” Angamba hahazo fampiononana koa ianao, na ny olom-pantatrao, raha mamaky io bokikely 32 pejy io. Dinihina ao ny foto-kevitra toy ny hoe: “Ahoana no Hahazakako ny Alaheloko?”, “Ahoana no Azon’ny Olona Anampiana?”, “Fanantenana Azo Antoka ho An’ny Maty.”
Raha te hanafatra azy io ianao, dia fenoy ilay tapakila ary alefaso any amin’ilay adiresy voalaza eo, na any amin’ny iray amin’ireo adiresy ao amin’ny pejy faha-5 amin’ity gazety ity.
□ Mba andefaso ilay bokikely hoe Rehefa Nodimandry ny Olona Iray Tianao aho.
□ Mba andefaso olona aho hampianatra Baiboly ahy maimaim-poana atỳ an-tranoko.