Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hiram-pitiavan’ny Angely

Hiram-pitiavan’ny Angely

Hiram-pitiavan’ny Angely

TOA tsy manintona loatra ny angely, satria dimy santimetatra na latsaka izany monja ny halavany. Nanaitra olona an-tapitrisa eran-tany anefa ny fikiririokany, na hirany. Ahoana no fomba fihiran’io bibikely io, ary nahoana izy no mihira?

Misy karazany 2 400 ny angely, fa ny lahy ihany no mihira. Tsy avy ao an-tenda anefa ny feony, fa avy eo amin’ny elany. Manazava ny rakipahalalana iray fa izao no ataon’ny angely lahy, rehefa hihira izy: Ampifampikasohiny amin’ireo nifinifiny 50 hatramin’ny 250 eo amin’ny elany iray ny elany iray hafa. Miankina amin’ny isan’ireo nifinifiny voakasoka isan-tsegondra ny figadon’ilay feo, izay antsoina hoe hiran’ny angely.

Tsy ny hampifalifaly ny olona mihaino azy anefa no tena antony hihirany, fa mba hitadiavana vady kosa. Hoy ny boky Famantarana ny Zava-miafin’ny Zavaboary (anglisy): “Manao hira telo ny angely lahy mahay mampita hevitra, rehefa mitady vady: fampahafantarany hoe eo izy, fiantsoany izay ho vadiny, ary fandroahany ny mpifaninana aminy.” Manao hira fampahafantarana ny maha eo azy ny angely sasany, mandra-panaton’ilay angely vavy azy. Ren’ilay angely vavy amin’ny “sofiny”, eo amin’ny tongony anoloana, ilay hira, ka manatona izy. Mihira ny hiran’ny fiarahana kosa ilay angely lahy, rehefa manatona azy ilay vavy. Misarika an’ilay angely vavy ho amin’ilay mpihira izany, ka mivady izy ireo.

Miompy angely lahy ny olona sasany any Azia Atsinanana, satria tiany ny hiran’izy ireo. Any amin’ny toerana misy ny angely kosa no tian’ny hafa hankafizana ny hirany. Mahafaly ny olona mihaino azy eran-tany foana anefa ny hiran’io angely kely io, sady midera an’ilay Mpamorona azy.