Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Katsentsitra Mahasoa ny Fanenitra

Katsentsitra Mahasoa ny Fanenitra

Katsentsitra Mahasoa ny Fanenitra

MARINA fa hafahafa sady somary mampahatahotra ny endriky ny fanenitra ichneumon. Nahoana anefa izy no antsoina hoe katsentsitra? Satria matetika izy no manatody eo ambony na ao anatin’ny olitry ny bibikely hafa na hala.

Misy 3 000 mahery ny karazan’io fanenitra io any Amerika Avaratra. Ireo indray kosa dia anisan’ny fianakaviamben’ny karazana fanenitra hafa. Tombanan’ny mpahay siansa ho 40 000 mahery ny karazana fanenitra ao amin’io fianakaviambe io, maneran-tany.

Tokony ho 0,3 ka hatramin’ny 5 santimetatra eo ho eo ny halavan’io fanenitra io. Lava noho ny lohany sy ny tratrany mitambatra ny kibony, ary lava mahia sy mifaingoka. Tsy mitovy amin’ny fanenitra manana filo manindrona anefa izy, satria lava kokoa ny tandrony.

Ny tena mampiavaka azy io dia ilay fantsona toy ny fanjaitra eo amin’ny faran’ny kibony. Lava noho ny vatany izy io matetika, ary antsoina hoe fandatsahana atody. Mitovy amin’ny volon-tsoavaly ny haben’io fantsona io, ary misy fibra telo toy ny kofehy ao anatiny. Afaka miakatra sy midina ireo fibra ireo mba hanosehana ny atody hivoaka avy ao amin’ilay fantsona.

Ahoana no ahitan’io fanenitra io olitra ametrahana atody? Nisy nahita Megarhyssa vavy, karazany hafa amin’io fanenitra io, nipaipaika hazo iray tamin’ny tandrony, mba hamantarana raha nisy olitra tao anatiny. Hainy ny namantatra izany, na dia roa santimetatra na mahery miala avy eo amin’ilay hodi-kazo aza no misy ilay olitra. Vao mainka izy nipaipaika mafy kokoa, rehefa reny fa tena nisy olitra tao. Loahany ilay hodi-kazo, ary atsofony any ilay fantsona.

Hoy ireo olona nahita izany: “Rehefa tonga eo amin’ilay olitra ny lohan’ilay fantsona, dia misy atody mivoaka avy ao aminy. Apetrak’ilay fanenitra tsara eo akaikin’ilay olitra na eo amboniny ilay atody. Tsy maintsy ho faty io olitra io avy eo.” Rehefa foy mantsy ilay atody, ka lasa olitra, dia tsentsefiny ny tavy sy ny ranoka ao amin’ilay olitra nipetrahany. Manamboatra trano landy izy aorian’izay, ary mijanona ao mandra-piovany ho fanenitra. Vonona hamono olitra hafa indray izy, rehefa tafavoaka avy ao anatin’ilay hazo.

Manao asa tena lehibe ny fanenitra ichneumon, na dia mety hisy hilaza aza hoe tsy miantra mihitsy izy. Mihinana ny bibikely mpanimba voly mantsy ny olitr’io fanenitra io. Anisan’izany ny bibikely mpihinana voan-javatra sy zava-maitso, ny voangory mpihinana landihazo sy asiperza, ary ny olitra mpihinana paoma, raha tsy hanonona afa-tsy ireo isika. Misakana ny bibikely mpanimba voly tsy hitombo haingana àry io fanenitra io.

Maro be ny fanenitra ichneumon, nefa tsy dia hitan’ny olona loatra. Any amin’ny toerana tsy dia falehan’ny olona mantsy no tena hitadiavany sakafo sy hanatodizany. Mbola mila fantarin’ny olombelona bebe kokoa àry io zavamananaina io sy ny soa entiny ho an’ny tontolo iainana.

[Sary, pejy 24]

Fanenitra “ichneumon” hanomboka hanatody

[Sary nahazoan-dalana]

Scott Bauer/Agricultural Research Service, USDA