Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nampianatra Zavatra Maro Anay ny Pygmées

Nampianatra Zavatra Maro Anay ny Pygmées

Nampianatra Zavatra Maro Anay ny Pygmées

AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY AMIN’NY RÉPUBLIQUE CENTRAFRICAINE

“Esory ny kiraronareo. Hirobo-drano isika izao, ary hiampita ny lalan’ny elefanta. Araho tsara izay lazaiko. Raha mifanena amin’ny rajako isika, dia miondreha ary aza mibanjina azy. Raha mifanena amin’ny elefanta isika, dia aza mihetsika.”

SADY miala sasatra eo an-davarangan’ny hotely fisakafoana izahay, no misaintsaina ny zava-drehetra vao hitanay. Mikoriana eo anoloanay ny Renirano Sangha. Misy ala matevina sady tsara tarehy kosa erỳ ampita. Eto Bayanga, faritra atsimon’ny République centrafricaine izahay. Eo anelanelan’i Cameroun sy ny Repoblikan’i Congo no misy ny République centrafricaine.​—Jereo ny sarintany eo amin’ny pejy 19.

Nandreraka be ny dianay nankany amin’ny Valam-pirenen’i Dzanga-Ndoki, nefa hadinonay izany, raha vao tonga tany amin’ny vavahady fidirana izahay. Valopolo sy efajato kilaometatra miala an’i Bangui, renivohitry ny République centrafricaine, no misy an’io valam-pirenena io. Nandeha fiara efa ho adiny 11 tamin’ny lalana tery kely izahay mba hahatongavana tany. Misy toerana ahitana volotsangana maromaro maniry eny an-tsisin-dalana. Tsy maintsy nandeha baka izahay tany Ngoto, satria nila niampita renirano. Hafakely io baka io noho izy tsy misy maotera. Ny rano fotsiny no manosika azy mankeny ampita. Tady vy lehibe no mihazona azy tsy ho lasan’ny rano, ary tovolahy vitsivitsy monja no misintona azy ho eo amin’ny toerany.

Lavidavitra kokoa miala eo ny Renirano Bambio. Misy tetezana mitsinkafona eo amin’io renirano io, ary tena manampy ny olona ilay izy satria azo ampiasaina foana na fahavaratra na main-tany. Afaka miakatra sy midina arakaraka ny haavon’ny rano mantsy ilay tetezana. Kanto ny tontolo manodidina. Nahita biby isan-karazany tany amin’ny fonenany voajanahary izahay, ary nahita ireo Pygmées Aka, * izay mbola manaraka fomba fiaina nentim-paharazana.

Te hiaraka aminay hitsidika an’io valam-pirenena tsara tarehy io ve ianao, na dia an’eritreritra fotsiny aza? Pygmée no mpitari-dalana anay. Benoît no anarany. Nankany amin’ny tanànany aloha izahay haka an’i Germaine sy Valérie, Pygmées roa mpitsabo amin’ny raokandro, mba hiaraka aminay. Talanjona izahay rehefa nasehony anay ireo zavamaniry samihafa fanaovana fanafody, tao anatin’ilay ala.

Zavamaniry fanaovana fanafody

Nandeha fiara nanaraka lalan-kely tao anaty ala izahay, nandritra ny minitra vitsivitsy. Nasain’ireo Pygmées nivoaka sy nanaraka azy izahay avy eo. Nikapa ny rantsankazo teo alohany tamin’ny antsibe izy ireo mba hahafahanay handeha. Izahay kosa niezaka mafy nanaraka azy ireo. Ny karazana hazo fingotra iray antsoina hoe mo nzambu nzambu no nahavariana anay voalohany. Avy hatrany, dia nanapahan’ireo Pygmées tokony ho 50 santimetatra io zavamaniry io, ary nosotroinay ny rano nivoaka avy tao amin’ilay izy. Madio sy mangatsiatsiaka ary mahafaka hetaheta ilay rano.

Nampisehoan’izy ireo ravin-goavy izahay, lavidavitra kely teo. Tanehin’ny Pygmées ny ravin’ireny, ary hataony ody kohaka ny ranony. Nahita hazo antafara koa izahay. Mamoaka ranoka fotsifotsy tena mety hitsaboana areti-maso izy io. Nanontany izahay hoe: “Misy zavamaniry mahasitrana ny kaikitry ny bibilava ve?” Namaly izy ireo hoe: “Tena misy. Mitoto ravina bolo [teny aka iantsoana karazan-javamaniry mandady] izahay, ary apetakay amin’ilay faritra voakaikitra.” Nampisehoan’izy ireo zavamaniry hafa azo atao fanafody izahay, arakaraka ny nandehananay. Misy, ohatra, ny manasitrana ratra, na ampiasaina ho toy ny fanafody kankana, aretin-tsofina, ary nify loaka. Misy zavamaniry mampiteraka mihitsy aza.

Nampianatra anay zavatra maro ireo olona ireo, na dia heverina ho tsy nahita fianarana aza indraindray. Sady nanohy nitsidika an’ilay ala izahay, no nanangona ny sakafony izy ireo. Holatra sy salady dia no sakafony, ary fakan-javamaniry no ataony solon’ny tongolo lay. Azo inoana fa matsiro be ny ravin-javamaniry sasany satria hohanin’izy ireo avy hatrany ilay izy, raha vao avy tangosany! Tena hahafinaritra tokoa izany hoe mbola hianatra zavatra maro be izany, rehefa tonga ao amin’ilay tontolo vaovao nampanantenain’Andriamanitra!​—Isaia 65:17; 2 Petera 3:13; Apokalypsy 21:1-4.

Mitangorona eo amin’ilay toerana feno sira izy rehetra

Nandeha tany amin’ny toerana iray feno sira izahay ny tolakandro, mba hijery elefanta. Teny an-dalana ho any no nanomezan’ilay mpitari-dalana anay an’ireo toromarika tetsy am-piandohana. Fa toy inona moa ilay toerana feno sira? Toerana malalaka tsy misy hazo izy io, ary feno sira mineraly, izay tena tian’ny biby sasany. Izany no mahatonga azy io ho ambohipihaonan’ny elefanta, ombidia lehibe, antilopa, lambo lehibe, ary ny bibidia hafa, isan’andro.

Nanamboarana lavarangana azo itazanana teo amin’ny sisin’ilay toerana feno sira, satria tena matevina ilay ala, ka sarotra be ny mahita ireo biby. Tsy maintsy niampita heniheny anefa izahay, mba hahatongavana teny amin’ilay lavarangana, ka hatreny antsasa-pe ny rano. Nihaino tsara izay feo nanodidina anay ilay mpitari-dalana, ary nataony azo antoka foana hoe tsy lavitra azy izahay. Fa nahoana? Satria mandeha amin’io lalanay io koa ny elefanta indraindray!

Naka fotoana nijerena an’ireo biby izahay, raha vao tonga teo amin’ilay lavarangana. Elefanta 80 mahery sy ombidia lehibe ary antilopa vitsivitsy no teo. Misy mpahay siansa efa nandinika an’ireo elefanta hatramin’ny 11 taona mahery koa ao amin’ilay toerana. Hoy izy taminay: “Samy manana ny toetrany ny elefanta tsirairay. Elefanta 3 000 izao no efa noraisiko an-tsoratra ny mombamomba azy, ary haiko ny anaran’ny 700 amin’ireo.” Mampalahelo fa tena be mpitady ny ivoaran’ny elefanta. Hanaovan’ny olona any amin’ny tany aziatika sasany fitomboka manokana izy ireny, ho famantarana ny mpamorona lahatsoratra na sary hoso-doko sasany. *

Fomba fihazana amin’ny harato

Nanaraka mpihaza folo izahay ny ampitso vao mangiran-dratsy, mba hahita ny fomba fihazana amin’ny harato. Samy nitondra ny haratony vita amin’ny zavamaniry mandady, na lehilahy na vehivavy. Mirefy 20 metatra ny halavan’ny harato tsirairay, ary 1,20 metatra ny sakany. Rehefa nitsofoka kokoa tao anatin’ilay ala izahay, dia novelarin’izy rehetra ny haratony, ary nampifamatorany tsara. Nahatratra 200 metatra teo ho eo ny fitambarany. Nanao faribolana nanodidina an’ilay toerana nametrahany harato izy ireo. Niara-nanatona moramora an’ilay toerana izy avy eo, sady nanetsiketsika rantsankazo no nikiakiaka. Handroahana ny biby rehetra mety ho ao amin’ilay toerana ho ao anatin’ireo harato no antony nanaovany izany. Tsy nisy biby anefa tamin’izay. Novahan’ireo mpihaza àry ny haratony, ka nitsofoka kokoa tao anaty ala izy, ary namerina ny zava-drehetra efa nataony teo aloha. Naveriny imbetsaka izany.

Vizana izahay, rehefa antoandro ny andro. Nahita antilopa kely telo ireo Pygmées, saingy nahay niala an’ireo harato izy ireo, ary nitsoaka. Tsy ny hahita biby ho tafiditra ao amin’ireo harato akory no tena nahaliana anay. Tianay ho fantatra kosa ny fahaizana ampiasain’ny Pygmées mba hahavelona azy, na dia toa tsy ampy sy tsy maoderina aza ny fitaovana ananany. Tsy diso fanantenana àry izahay satria nahita zavatra hafakely.

Nitaingina lakana teny amin’ny Renirano Sangha

Iza no tsy te hisosa moramora eny ambony rano? Mahafinaritra kokoa ny manao izany raha mitaingina lakana ianao, satria efa hitovy ny haavon’ilay lakana sy ny rano. Nitaingina lakana izahay ny tolakandro, ka nahita vano sy vorona maro miloko isan-karazany, izay samy tsara tarehy avokoa. Manidintsidina isaky ny hazo eny amoron-drano ny sasany amin’izy ireo, ka toy ny hoe manaraka anay.

Nijery rajako nitsambikimbikina isaky ny hazo izahay tany amin’ny toerana sasany. Miala voly fotsiny izy ireo amin’izany, na angamba te hampiala voly anay! Niezaka nitondra anay lavidavitra kokoa i Alain Patrick, ilay mpivoy lakana, satria nahita hipopotama tany izy ny omalin’io. Hahita azy ireo indray ve izahay? Nampalahelo fa tsia. Efa nifindra izy ireo. Nahita tanàna vitsivitsy amoron-drano anefa izahay. Nahafinaritra anay koa ny nijery an’ireo ankizy maro kinga erỳ mivoy ny lakan-keliny. Tena tsy hohadinoinay mihitsy iny fitaingenana lakana teny amin’ny Renirano Sangha iny.

Ny fihetseham-ponay rehefa nody

Maro tamin’ireny zavatra hitanay sy niainanay ireny no niverina tao an-tsainay, teny an-dalana hody any Bangui. Maro ny zavatra tena nampihetsi-po anay. Nisy koa nahavariana anay. Ny tena tsy hohadinoinay mihitsy, dia ny fahendren’ny Pygmées, satria mahay mivelona ao anaty ala izy ireo, nefa tsy manimba azy io.

Tsy nanam-potoana nijerena ny zava-drehetra tao anatin’ilay valam-pirenena izahay. Nahazo tombony manokana anefa izahay, satria afaka nitsidika an’io faritra miavaka eto an-tany io, izay ahitana elefanta, rajako, hipopotama, antilopa, pantera, ary vorona sy lolo miloko isan-karazany. Nolazaina taminay fa ahitana karazan-javamaniry 7 000 eo ho eo sy karazam-biby mampinono 55 ny ala matevina ao amin’ny Tahirin-javaboarin’i Dzanga-Sangha sy ny Valam-pirenen’i Dzanga-Ndoki.

Mampahatsiahy anay an’ity andinin-teny ao amin’ny Baiboly ity ireo zavaboary isan-karazany sy tsy manam-paharoa ireo: “Endrey ny hamaroan’ny asanao, Jehovah ô! Fahendrena no nanaovanao azy rehetra; henika ny zavatra nataonao ny tany.” (Salamo 104:24) Io fitsidihana tsy hay hadinoina sy nianaran-javatra io, dia nahatonga anay ho tapa-kevitra kokoa hampihatra ireto teny ireto, izay hita ao amin’io salamo io ihany: “Hihira ho an’i Jehovah aho, raha mbola velona koa; hankalaza an’Andriamanitro aho, raha mbola miaina. Ho maminy anie ny fisainako Azy; izaho no hifaly amin’i Jehovah.”​—Salamo 104:33, 34.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 6 Malaza ho fohy ny Pygmées any Afrika ekoatorialy. Latsaka ny 1,27 metatra eo ho eo ny halavan’izy ireo.

^ feh. 15 Vita amin’ny zavatra hafa koa ireny fitomboka ireny. Raha mila fanazavana fanampiny, dia jereo ny Réveillez-vous! 22 Mey 1994, pejy 22-24.

[Sarintany, pejy 19]

(Jereo ny gazety)

CAMEROUN

REP. CONGO

RÉPUBLIQUE CENTRAFRICAINE

Bangui

Bayanga

Valam-pirenen’i Dzanga-Ndoki

[Sary nahazoan-dalana, pejy 18]

© Jerry Callow/Panos Pictures