Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Rehefa Tsy Hankarary Intsony ny Mikraoba

Rehefa Tsy Hankarary Intsony ny Mikraoba

Rehefa Tsy Hankarary Intsony ny Mikraoba

TENA ilaina ny mikraoba, sy ny zavamiaina bitika hafa. Tapany lehibe amin’ny nofon-tany sy ny vatantsika izy ireny. Hoy ilay efajoro hoe “Karazana Mikraoba”, eo amin’ny pejy faha-7: “An’arivo tapitrisa ny bakteria ao amin’ny vatantsika.” Mahatsara sady tena ilaina mba hahasalama mihitsy ny ankabeazan’izy ireo. Vitsy ihany no mahatonga aretina, nefa matoky isika fa tsy ho ela dia tsy hisy mikraoba mankarary intsony.

Hofantarintsika hoe ahoana no hahatonga ny mikraoba tsy hiteraka aretina intsony. Alohan’izay anefa, dia hojerentsika ny mikasika ny ady atao amin’ny aretina vokatry ny mikraoba. Diniho ilay efajoro hoe “Inona no Azonao Atao?”, sy ny ezaka ataon’ny mpiasan’ny fahasalamana iadiana amin’ny mikraoba mahery.

Tetikady Iraisam-pirenena

Miresaka momba ny ezaka atao ny Dr. Gro Brundtland, tale jeneralin’ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana (OMS) teo aloha. Nilaza izy fa ilaina ny mamolavola “tetikady iraisam-pirenena hanoherana” ny mikraoba mahery (Tatitra Momba Ireo Aretina Vokatry ny Mikraoba, Taona 2000, anglisy, eo ambanin’ny lohateny hoe “Tokony Horesena ny Fanoheran’ny Mikraoba Fanafody”). Noresahiny koa fa tokony hisy “fiaraha-miasa eo anivon’ny mpiasan’ny fahasalamana rehetra”, ary nohamafisiny hoe: “Afaka manomboka ezaka lehibe hiadiana amin’ny aretina vokatry ny mikraoba isika.”

Nanomana “Tetikady Iraisam-pirenena Hisorohana ny Fihanahan’ny Mikraoba Mahery” ny OMS, tamin’ny 2001. Misy toro lalana ho an’ny mpiasan’ny fahasalamana sy ny olon-tsotra, momba “izay tokony hatao sy ny fomba anaovana izany”, ao amin’io antontan-taratasy io. Tafiditra amin’io tetikady io ny fampianarana ny olona hisoroka aretina, sy fanoroana azy ny fomba fampiasana ny antibiotika, rehefa marary izy.

Ampirisihina koa ny dokotera, mpitsabo mpanampy, mpiasan’ny hopitaly, ary ny mpiasan’ny trano fitaizana ny be antitra, mba handray fepetra hentitra kokoa hisakanana ny fiparitahan’ny aretina. Mampalahelo fa milaza ny tatitra hoe maro amin’ny mpiasan’ny fahasalamana no tsy manasa tanana na manolo gan-tanana, rehefa avy mitsabo marary iray ka mankamin’ny marary hafa.

Hita tamin’ny fanadihadiana koa fa misy dokotera manome antibiotika, nefa fanafody hafa no mety amin’ilay marary. Mety ho ilay marary mantsy indraindray no manery ny dokotera hanome azy antibiotika, satria izay no heveriny fa hahasitrana azy haingana. Omen’ilay dokotera fotsiny àry ilay fanafody mba hampifaliana an’ilay marary. Sady tsy manoro izay tokony hataon’ny marariny matetika ny dokotera, no tsy ampy fitaovana amantarana ny mikraoba mahatonga ilay aretina. Mety hanome ny antibiotika nivoaka faramparany koa izy. Lafo kokoa izy ireny, ary mamono mikraoba sy zavamiaina bitika maro hafa. Mahatonga ny mikraoba hahatohitra fanafody koa izany.

Noresahin’ny OMS manokana tao amin’io Tetikady Iraisam-pirenena io koa ny hopitaly, rafitra ikarakarana ny fahasalamana isaky ny firenena, mpamokatra sakafo, kompania mpamokatra fanafody, ary mpanao lalàna. Nampirisika azy ireo ilay tatitra mba hiara-miasa, hiadiana amin’ny fandrahonan’ny mikraoba mahery. Hahomby ve anefa izany fandaharana izany?

Vato misakana ny fahombiazana

Noresahina tsy mivantana tamin’io Tetikady Iraisam-pirenen’ny OMS io, ny antony iray mbola mampisy ny olana ara-pahasalamana. Tsy inona izany fa ny fitiavam-bola. Milaza ny Baiboly “fa ny fitiavam-bola no fototry ny karazan-javatra ratsy rehetra.” (1 Timoty 6:9, 10) Mampirisika ny OMS hoe: “Tokony hojerena akaiky koa ny fifaneraserana amin’ny orinasa mpamokatra fanafody, tafiditra amin’izany ny famerana ny fihaonan’ny mpivarotra fanafody amin’ny mpiasan’ny hopitaly, sy ny fiofanana alamin’ny orinasa mpamokatra fanafody ho an’ny mpiasan’ny fahasalamana.”

Mampahafantatra ny fanafodiny amin’ny dokotera ny mpamokatra fanafody. Tsy ny dokotera ihany anefa izao no mahafantatra izany fa ny olon-drehetra mihitsy, satria alefan’izy ireo amin’ny televiziona ny dokam-barotra momba izany. Miharihary fa anisan’ny mahatonga ny olona ho zatra mampiasa fanafody izany, ary antony lehibe mampiparitaka haingana ny mikraoba mahery.

Nisy fizarana niresaka momba ny fampiasana fanafody mpamono mikraoba amin’ny sakafon’ny biby koa tao amin’ilay Tetikady Iraisam-pirenen’ny OMS. Izao no voalaza ao: “Efa ho ny antsasaky ny vola miditra amin’ny veterinera, any amin’ny tany sasany, no azony amin’ny fivarotana fanafody. Ho sarotra àry noho izany ny hametra ny fampiasana antibiotika.” Miroborobo sy miparitaka tokoa ny mikraoba mahery, vokatry ny fampiasana antibiotika be loatra.

Tena mahavariana ny habetsahan’ny antibiotika vokarina. Any Etazonia fotsiny, dia 20 000 taonina eo ho eo isan-taona ny antibiotika vokarina! Tokotokony ho ny antsasaky ny antibiotika vokarina eran-tany ihany anefa no itsaboana olona. Ny ambiny kosa amonoana bibikely manimba voly na omena ny biby fiompy. Matetika no ampiarahina amin’ny sakafon’ny biby ompiana mba hohanina ny antibiotika, mba hitomboan’ilay biby haingana.

Ny andraikitry ny fanjakana

Tsara homarihina ny voalazan’ny Tetikady Iraisam-pirenen’ny OMS, ao amin’ny Famintinana ny Zavatra Tokony Hatao. Hoy izy: “Andraikitry ny firenena tsirairay mihitsy ny manatanteraka ilay tetikady novolavolaina, ary mitana toerana lehibe eo amin’ny fanatanterahana izany ny fanjakana.”

Misy fanjakana mampiditra ny ady amin’ny mikraoba mahery ao amin’ny fandaharan’asany, ary manantitrantitra ny fiaraha-miasa amin’ny eo an-toerana sy ny any ivelany. Ireto avy no anisan’ny atao amin’izany: arahi-maso akaiky ny fampiasana antibiotika sy ny mikraoba mahery, hatsaraina ny fitsirihana ny aretina vokatry ny mikraoba, ampiasaina araka ny tokony ho izy ny fanafody mpamono mikraoba eo amin’ny fitsaboana sy ny fambolena sy fiompiana, fantarina hoe nahoana no mahatohitra fanafody ny aretina, ary mitady fanafody vaovao. Kely fanantenana ny OMS, araka ny Tatitra Momba Ireo Aretina Vokatry ny Mikraoba, Taona 2000. Nahoana?

Milaza ilay tatitra fa “toa tsy laharam-pahamehana ho an’ny politikan’ny fanjakana sasany ny fahasalamam-bahoaka.” Izao koa no nolazainy: “Mahazo vahana koa ny aretina sy ny mikraoba mahery, rehefa misy hotakotaka, fahantrana, ary fifindra-monina faobe. Izany koa no mitranga, rehefa simba ny tontolo iainana ka mandrahona olona maro ny aretina vokatry ny mikraoba.” Mampalahelo fa tsy misy voavahan’ny fanjakan’olombelona ireo olana ireo.

Miresaka ny Baiboly fa hisy fitondram-panjakana hanaisotra ny fototry ny aretina, sady hanala tanteraka ny aretina. Mety hieritreritra ianao fa hiteraka aretina foana ny mikraoba sasany. Misy antony marim-pototra anefa ahazoanao mino fa hahavelom-panantenana ny hoavy.

Rehefa ho fongotra ny mikraoba mankarary

Efa ela ny mpaminany Isaia, ao amin’ny Baiboly, no niresaka momba ny fanjakana mahery noho ny fanjakan’olombelona, sy momba ny filohan’izy io. Hoy izy, araka ny Fandikan-teny Katolika: “Fa misy zaza teraka ho antsika; zazalahy nomena antsika; ka ny fanjakana napetraka eo an-tsorony; ary ny anarany atao hoe: Mpanolo-tsaina mahagaga, Andriamanitra mahery, Ray mandrakizay, Andrian’ny fiadanana.”​—Izaia 9:5.

Iza moa io zaza, na andriana, handray ny fanjakana io? Mbola tsy teraka akory izy io, dia efa nilaza toy izao momba azy tamin’i Maria, tovovavy virjiny, ny anjely Gabriela: “Hitoe-jaza ianao, ka hiteraka zazalahy, ary hataonao hoe Jesosy ny anarany. Ho lehibe izy . . . ary tsy hifarana mihitsy ny fanjakany.”​Lioka 1:31-33.

Noporofoin’i Jesosy, rehefa lehibe izy, fa izy tokoa no ho Mpanjakan’ilay Fanjakan’Andriamanitra. Tsy vitan’ny hoe nitety tanàna fotsiny izy nanambara “ny vaovao tsaran’ilay fanjakana”, fa nasehony koa hoe vitany ny manafoana ny aretina sy kilema rehetra. Milaza ny Baiboly fa “nisy vahoaka be nanatona azy, nitondra olona nalemy tongotra, kilemaina, jamba, moana sy maro hafa koa, ary toy ny hoe natsipy teo an-tongony mihitsy ireny, ka nositraniny. Koa talanjona ny vahoaka rehefa nahita ny moana niteny sy ny nalemy tongotra nandeha ary ny jamba nahita.”​—Matio 9:35; 15:30, 31.

Eny, notsaboin’i Jesosy avokoa, na inona na inona aretina na kileman’ny olona. Nisy olona maro efa maty koa aza natsangany indray! (Lioka 7:11-17; 8:49-56; Jaona 11:38-44) Marina fa maty ihany tatỳ aoriana ireo nositranina sy natsangana tamin’ny maty. Nasehon’i Jesosy tamin’ireny fahagagana ireny anefa ny hataony ho an’ireo vahoaka hiaina eo ambanin’ny Fanjakany. Mampanantena ny Baiboly fa “tsy hisy amin’ny mponina ao hilaza hoe: Marary aho.”​—Isaia 33:24; Apokalypsy 21:3, 4.

Mety marary sy maty avokoa isika rehetra. Olona an-tapitrisa no marary na maty mihitsy aza, vokatry ny mikraoba. Mahatalanjona tokoa anefa ny nanaovana ny tenan’olombelona, ka misy manontany tena hoe nahoana isika no marary. Nanoratra momba ny anjara asa lehiben’ny bakteria ny dokotera Lewis Thomas, ary nolazainy fa “toy ny hoe vokatry ny kisendrasendra” fotsiny ny aretina. Hoy izy: “Mety ho ny rafi-kery fiarovan’ilay marary indraindray no misy tsininy.”

Mahalana, na tsy misy mihitsy aza, olona manana rafi-kery fanefitra matanjaka, nefa marary vokatry ny bakteria. Mihantitra sy maty ihany anefa ny olona. Lazain’ny Baiboly fa ny ota nolovana tamin’i Adama, olombelona lavorary voalohany, no fototry ny aretina sy ny fahafatesana. Hazavainy fa ‘niditra avy tamin’ny olona iray ho amin’izao tontolo izao ny ota, ary avy tamin’ny ota no nidiran’ny fahafatesana, ka niely tamin’ny olona rehetra ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra.’​—Romanina 5:12.

Nandefa ny Zanany tetỳ an-tany anefa Andriamanitra, mba hanolotra ny ainy ho vidim-panavotana sy hanafaka ny olombelona amin’ny vokatry ny ota. (Matio 20:28) Hoy ny Baiboly: “Fahafatesana no karama omen’ny ota, ary fiainana mandrakizay amin’ny alalan’i Kristy Jesosy Tompontsika kosa no fanomezana omen’Andriamanitra.” (Romanina 6:23; 1​Jaona 5:11) Tena hanasitrana tokoa ny soron’i Jesosy, rehefa hitondra ny Fanjakan’Andriamanitra. Tsy hankarary intsony amin’izay fotoana izay, na dia ireo mikraoba mitondra aretina ankehitriny aza.

Tsy hahafinaritra tokoa ve ny hianatra momba an’io Fanjakana ampanantenain’ny Baiboly, izay hamaha ny olana mianjady amin’ny olombelona io? Ho faly ny Vavolombelon’i Jehovah hanampy anao hahafantatra bebe kokoa momba azy io.

[Efajoro, pejy 9]

Inona avy no Azonao Atao?

Inona avy no azonao atao mba tsy handrahona loatra ny mikraoba mahery? Manome toro lalana vitsivitsy momba izany ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana. Voalohany, resahiny ny fomba ampihenantsika ny aretina sy isorohana ny fiparitahany. Ary faharoa, atorony antsika ny fomba ampiasantsika tsara ny fanafody mpamono mikraoba.

Ny fanaovantsika izay rehetra azontsika atao mba hahasalama antsika, no fomba tsara indrindra ampihenana ny aretina sy isorohana ny fiparitahany. Inona avy no azonao atao mba hahasalama anao?

Fomba isorohana aretina

1. Tokony hotandremanao ireto telo ireto: ataovy izay hahazoanao sakafo mahasalama, fialan-tsasatra ampy, ary manaova fampiasan-tena amin’ny antonony.

2. Miezaha hadio foana. Nantitranterin’ny manam-pahaizana momba ny fahasalamana fa ny fanasana tanana no fomba voalohany isorohana ny aretina sy tsy amindrana azy.

3. Ataovy azo antoka fa sakafo mahasalama no hohaninao sy ny fianakavianao. Tandrovy ny fahadiovan’ny tananao sy ny toerana ikarakaranao sakafo. Rano madio hatrany koa ampiasaina rehefa manasa tanana sy sakafo. Andrahoy tsara ny hena, satria miroborobo ny mikraoba, rehefa any anaty sakafo. Tahirizo tsara ny sakafo, ary mampiasà vata fampangatsiahana.

4. Aza tia manao zavatra eny an-tokotany amin’ny alina na vao maraina be, raha be bibikely mpamindra aretina ny toerana misy anao. Amin’ireny ora ireny mantsy ny bibikely no tena betsaka. Mampiasà foana lay.

5. Manampy ny vatanao ny vaksiny, mba ho zatra manohitra mikraoba sasany fahita eo amin’ny misy anao.

Fomba fampiasana antibiotika

1. Manontania aloha dokotera, vao mividy antibiotika na fanafody hafa mpamono mikraoba. Tsy ny mpividy fa ny mpivarotra matetika no mahazo tombony, rehefa misy fihenam-bidy ny fanafody tsy mila taratasin’ny dokotera.

2. Aza terena hanome anao antibiotika ny dokotera. Mety homeny anao fotsiny mantsy izany, satria tsy tiany hiova dokotera ianao. Tsy sitran’ny antibiotika, ohatra, ny sery, satria virosy no mahatonga azy. Raha mihinana antibiotika ianao, nefa virosy no mankarary anao, dia mety ho faty ny bakteria sasany ilainao, fa mety ho velona be kosa ny bakteria mahatohitra fanafody.

3. Aza mikiry hampiasa izay fanafody vao nivoaka farany foana. Tsy voatery ho tsara aminao mantsy ilay izy, nefa mety ho betsaka kokoa noho ny tokony ho izy ny vola laninao.

4. Fantaro avy amin’ny loharanon-kevitra azo antoka, ny tena marina momba ilay fanafody: Fanafody inona ilay izy? Inona avy no mety ho vokany hafa? Inona avy ireo fanafody tsy azo ampiarahina aminy, ary rahoviana no mety hampidi-doza ny fihinanana azy?

5. Raha tena mety amin’ny aretinao ilay antibiotika, dia tsara kokoa raha lanina tanteraka ilay fanafody, araka izay nolazain’ny dokotera, na dia toa efa sitrana aza ianao. Natao hanasitranana tanteraka an’ilay aretina mantsy ireo antibiotika farany.

[Sary, pejy 10]

Hifaly amin’ny fiainana tsy hisy mikraoba mankarary intsony ny olona, rehefa hitondra ny fanjakana marin’Andriamanitra