Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

Fiara Mandeha Amin’ny Fako

Manana fiara mandeha amin’ny gaza azo avy amin’ny fako lo ny tompon’ny toeram-pambolena sy fiompiana iray any Failandy. “Diovina aloha ilay fako”, hoy ny gazety failandey Suomen luonto, “ary hafanaina ao anaty fitaovana manokana ao amin’ilay toeram-pambolena, mba hahazoana gaza karbonika sy metanina. Io gaza io no mampandeha ilay fiara.” Io no solika madio indrindra ampiasaina ankehitriny. Tsy manimba ny tontolo iainana koa ny famokarana io gaza io, satria fako no ampiasaina. Ahazoana zezika tena tsara mihitsy aza ilay fako. Afaka mandeha amin’izy io koa ireo fiara mandeha amin’ny metanina, izay miisa roa tapitrisa eo ho eo eran-tany. Mandeha amin’izy io ny fiara fitaterana maro any an-tanàn-dehiben’i Soeda, ary efa mivarotra azy io koa ny fivarotan-dasantsy sasany any. Ny soa farany azo avy aminy, hoy ilay gazety, dia noho izy “mora lavitra noho ny solika hafa.”

Ny Ataon’ny Vitsika mba Tsy ho Fatin’ny Tondra-drano

Inona no ataon’ny vitsika rehefa avy ny orana? Marina fa tsy mipetraka any ambanin’ny tany daholo ny vitsika rehetra. Mampiasa tetika hafakely anefa ny vitsika sasany mipetraka any, mba tsy ho fatin’ny tondra-drano, hoy ny gazety The New York Times. Manazava ny Dr. Edward Wilson sy Bert Holldobler, manam-pahaizana momba ny vitsika, hoe: “Mihazakazaka avy hatrany mampitandrina ny vitsika hafa miara-mipetraka aminy” ny vitsika sasany any amin’ny tany mafana, “na dia rano indray mitete monja aza no milatsaka eo amin’ny varavarana fidirana ao amin’ny tranony. Matetika izy no tonga hatrany amin’ny fidirana hafa. Fofona no alefany amin’izany, mba hitarihana ny vitsika hafa hankany amin’ireo lalana mbola tsy tsentsina, na any ivelan’ilay trano mihitsy indraindray.” Tsy ampy 30 segondra akory, dia efa voangony ny ankamaroan’ireo vitsika. Milaza koa ilay gazety fa “miala ao an-tranony” ny vitsika mena sasany any atsimoandrefan’i Etazonia sy ny faritra avaratr’i Amerika Atsimo, ka “mankeny an-tanety, ary mitsingevana eo ambonin’ilay rano miakatra. Manao andiany maromaro izy ireo, izay ahitana ny renivitsika sy ny zanany ary ny vitsika efa lehibe. Tafavoaka velona ny maro aminy . . . Mifikitra amin’ny bozaka na amin’ny hazo madinika ilay andiam-bitsika, ary mety hiverina any amin’ny tranony izay sisa tsy maty, rehefa mihena ny rano.”

Voka-dratsin’ny Fisotroan-toaka Be Loatra

“Misotro toaka be loatra ny vehivavy sy ny tanora eto Grande-Bretagne, ka mitombo be ny isan’ireo matin’ny toaka”, hoy ny gazety The Independent any Londres. “Nitombo avo roa heny ny isan’ny olona matin’ny fisotroan-toaka be loatra, tato anatin’ny 20 taona. Aretin’aty sy fivontosan’ny aty no tena mahafaty azy ireo.” Ambonin’izany, dia tanora kokoa noho ny hatramin’izay ireo maty. “Folo taona lasa izay”, hoy ilay gazety, “dia 70 taona mahery kely no lehibe indrindra tamin’ireo matin’ny fisotroan-toaka be loatra, na lehilahy na vehivavy. Hita tamin’ny tarehimarika farany ho an’ny taona 1998-2000 anefa fa 60 taona latsaka izao no lehibe indrindra amin’ireo maty.” Tsy aretina ihany no voka-dratsy entin’izy io. “Azo inoana fa ny toaka no mahatonga ny 10 ka hatramin’ny 20 isan-jaton’ireo loza any am-piasana”, any Frantsa, hoy ny gazety Le Monde. Ankoatra izany, dia 2 700 isan-taona no maty ary 24 000 no maratra any Frantsa, noho ny lozam-piarakodia vokatry ny toaka. Vokatry ny fisotroana tafahoatra koa ny 30 isan-jato eo ho eo amin’ny herisetra mitranga. Miteraka fatiantoka be koa izy io. Milaza ny gazety Le Monde fa niteraka fatiantoka 17,6 arivo tapitrisa euros (19,2 arivo tapitrisa dolara) eo ho eo tany Frantsa izy io, tamin’ny 1996.

Fanahiana sy Aretina

“Mety ho mora voan’ny aretina tampoka toy ny sery, na aretina mitovitovy amin’ny gripa, na aretim-bavony, ny olona manahy sy vizana amin’ny asany.” Izany no hita tamin’ny fanadihadiana natao tany Holandy tamin’ny mpiasa 8 000 mahery, ary navoakan’ny Fikambanana Holandey Manao Fikarohana Ara-Tsiansa. ‘Hita tamin’ilay fanadihadiana fa raha im-10 voan’ny sery ny olona tsy dia miasa mafy, ny olona miasa mafy kosa dia in-12 voa.’ Mety ho mora marary koa ny olona miasa alina sy ireo mitebiteby noho ny fiovana natao tao am-piasany. Milaza koa ilay tatitra fa “mora marary kokoa noho ny olona miasa amin’ny antoandro ny olona miasa amin’ny alina.”

Ny Ankizy sy ny Hira

‘Afaka manatsara ny toetran’ny ankizy ny hira, satria fomba iray lehibe anehoana ny ao am-po izy io.’ Izany no nolazain’ny Dr. Michael Fuchs, manam-pahaizana momba ny sofina sy ny orona ary ny tenda, any amin’ny Oniversiten’i Leipzig, tao amin’ny Gesundheit, gazetiboky alemà momba ny fahasalamana. Malahelo anefa i Fuchs milaza fa “nihena ny karazam-peo hain’ny ankizy tao anatin’ny 20 taona lasa. Niova koa ny feony.” Antony roa no lazain’i Fuchs fa mahatonga izany. Voalohany, “tsy mihira firy intsony ny ankizy ao an-trano. Nihira sy nitendry mozika ny fianakaviana taloha, rehefa nanana fotoana nalalaka. Miara-mijery tele anefa izy ireo izao, ary tsy mba mitendry mozika fa mihaino fotsiny.” Faharoa, mazàna ny ankizy no maka tahaka ny feo farimparin’ny mpihira rock sy pop, rehefa mihira. “Manimba ny taova famoaham-peony izy ireo”, hoy i Fuchs, “rehefa manandrana maka tahaka an’ireny mpihira malaza ireny.” Mety hampihenjana ny lohatraoka sy ny hoza-tenda izany. Mety hisy nofo haniry koa eo amin’ny tadim-peo, ka vao mainka manaratsy ny feo.

Fikambanana Ara-panatanjahan-tena sy Zava-mahadomelina

“Misotro toaka betsaka kokoa sady mamo matetika kokoa noho ny ankizy hafa ny tanora any amin’ny fikambanana ara-panatanjahan-tena”, hoy ny Fampielezam-peo Failandey tamin’ny vaovao navoakany tamin’ny Internet. Nanadihady momba izany ny Foibe Mpikaroka Momba ny Fahasalamana any amin’ny Oniversiten’i Jyväskylä. Hita tamin’ilay fanadihadiana, hoy ny gazety Helsingin Sanomat any Helsinki, fa “matetika no ampifandraisina amin’ny toaka sy labiera ary sigara ny fanatanjahan-tena, ka amin’ny alalan’ny dokam-barotra no anaovana izany. Mety ho mpamokatra toaka sy labiera ary sigara koa ny mpanohana ara-bola an’ilay fanatanjahan-tena. Arahin’ny tanora koa ny ataon’ireo atleta zokiny, izay be mpitia sy be mpanahaka. Tsy miafina amin’izy ireo ny fisotroana champagne be dia be, sy ny fifohana sigara mandritra ny fety fankalazana fandresena ataon’ireny atleta ireny.” Mihinam-paraky koa ny tanora ao amin’ny fikambanana ara-panatanjahan-tena. Milaza ilay gazety hoe: “Latsaka ny 4 isan-jato tamin’ny ankizilahy 15 taona tsy ao amin’ny fikambanana ara-panatanjahan-tena no nihinam-paraky isan-kerinandro. Efa ho 10 isan-jato kosa anefa ny ankizilahy nanao izany tao amin’ireny fikambanana ireny.”

Ririnina sy Vitaminina D

“Ilaina ny vitaminina D rehefa mihinana kalsioma”, hoy ny Tufts University Health & Nutrition Letter. “Manampy ny kalsioma hijanona ao amin’ny taolana mantsy izy io, ka miaro ny taolana tsy ho tapaka. Miforona ao amin’ny hoditsika ny 90 isan-jaton’ny vitaminina D, amin’ny ankapobeny, rehefa mitanina andro isika. Tsy ampy anefa ny hainandro any amin’ny faritra mangatsiaka, mandritra ny ririnina, ka tsy mahavita mamorona vitaminina D ny vatana. Mampalahelo anefa fa tena vitsy kely ny olona zokinjokiny na be taona mihinana ireo sakafo mitondra ny 10 isan-jato amin’ny vitaminina D.” Nanoro hevitra àry ny Fikambanana Misahana ny Fahasalamana any Etazonia fa tokony hihinana vitaminina D betsaka kokoa ny olona any amin’ny ila-bolan-tany avaratra, mandritra ny ririnina, indrindra ireo olona 50 taona mahery. Tokony hihinana sakafo toy ny trondro matavy sy menaka avy amin’ny atin’ny lamôria izy ireo, na fanafody misy vitaminina D. Tsy tokony hihoatra ny 50 mikrôgrama isan’andro anefa ilay fanafody.

Misotro Toaka Be Loatra ny Tanora any Afrika Atsimo

“Mety ho lasa mpimamo ny mponin’i Afrika Atsimo any aoriana any, satria mbola tena kely ny ankizy, dia efa manomboka misotro toaka be loatra”, hoy ny fampitandreman’ny gazety The Star any Johannesburg. Voalaza fa ankizy vao sivy taona monja tany amin’ny sekoly sasany no narary andoha sy nisalebolebo vokatry ny toaka be loatra nosotroiny. Mihamaro hatrany koa ireo misotro tafahoatra. Nahoana ny ankizy no manao izany? Milaza ny polisy fa “mahasarika ny tanora ny fomba fiaina aseho ao amin’ny dokam-barotra momba ny toaka.” Resahin’ilay gazety koa fa mora vidy sy hita hatraiza hatraiza ny toaka ary tsy mampaninona ny olona. Milefitra loatra koa ny ray aman-dreny, ary lasa manana fahalalahana sy vola ny ankizy. Hoy koa ny dokotera psikology iray: “Tsy miraharaha manam-pahefana koa ny ankizy, sady tsy voafehin’ny ray aman-dreniny. Raha lazaina amin’ny teny hafa, dia tsy misy intsony ny fanajana ny fahefana rehetra eo amin’ny fiaraha-monina.”