Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tsy Maintsy Mitovy Amin’ny Ray Aman-dreniko Foana ve Aho?

Tsy Maintsy Mitovy Amin’ny Ray Aman-dreniko Foana ve Aho?

Manontany ny Tanora Hoe . . .

Tsy Maintsy Mitovy Amin’ny Ray Aman-dreniko Foana ve Aho?

“Anti-panahy be mpahafantatra eo anivon’ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah i Dada. Manaja azy aho, kanefa sosotra aho indraindray, satria zanak’i Bill foana no iantsoan’ny olona ahy, na aiza na aiza alehako.”—Larry. *

“Nanantena zavatra be tamiko ny olona rehetra, satria anti-panahy be mpahalala i Dada. Tena sarotra tamiko ny nihazona ny maha izy ahy.”—Alexander.

ARA-DALÀNA raha maniry hahaleo tena ianao rehefa mihalehibe, ka hampiseho ny maha izy anao. Nifidy anarana iray ho anao araka izay tiany ny ray aman-dreninao, tamin’ny nahaterahanao, ary izany anarana izany no ahafantaran’ny olona anao. Mihalehibe anefa ianao izao, ary ny maha izy anao no tianao hahafantaran’ny olona anao.

Nanoratra toy izao i Solomona Mpanjaka: “Aleo ho tsara laza toy izay ho be harena, ary tsara ny fitia noho ny volafotsy sy ny volamena.” (Ohabolana 22:1) Irinao angamba ny ho fantatry ny olona noho ny zavatra ataonao sy ny maha izy anao, na dia mbola tanora aza ianao.

Ankizy ampitovina amin’ny ray aman-dreniny foana

Tsapan’ny tanora sasany, toa an’i Larry sy Alexander, fa ampitahain’ny olona amin’ny zava-bitan’ny ray aman-dreniny foana ny zava-bitany. Fantatr’olona angamba izy ireo, noho ny asany na ny fianarana nataony. Na, mety ho be mpahafantatra eo anivon’ny fiangonana kristianina izy ireo. Raha toy izany ny ray aman-dreninao, dia mety hahatsapa ianao indraindray hoe mifantoka aminao ny sain’ny olona ary voara-maso daholo izay rehetra ataonao. Mety ho sosotra ianao satria voatery manao zavatra sasany, noho ny toerana tanan’ny ray aman-dreninao.

Anti-panahy eo anivon’ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah, ohatra, ny rain’i Ivan. Hoy i Ivan: “Ohatra ny hoe voatery ho ohatra tsara izany foana aho tany am-pianarana sy tany an-trano, satria be mpahalala sy nohajain’ny olona i Dada. Nataon’ny ray aman-dreny modely ho an’ny zanany aho, ka izay nataoko no nantenainy fa hataon’ny zanany koa. Nahafinaritra izany, saingy tsapako hoe voatery hiseho ho hendry foana aho teo imason’ny olona, satria tokony ho fakan-tahaka foana. Vokatr’izany, dia tsy nanetry tena sy tsy niaiky ny toetra ratsiko aho indraindray.” Hoy i Alexander: “Toy ny hoe nisy nanara-maso foana aho, ka hotondroin’ny olona molotra avy hatrany, raha vao manao fahadisoana.”

Nanafina ny anaram-pianakaviany i Larry, izay noresahina teo amin’ny teny fampidirana, mba tsy hifantohan’ny sain’ny olona aminy. Hoy izy: “Izao ihany no lazaiko, rehefa mihaona amin’ny olona mbola tsy fantatro aho: ‘Manao ahoana, i Larry no anarako.’ Tsy lazaiko ny anaram-pianakaviako. Raha azo atao, dia ny fanampin’anarako ihany no ampiasaiko rehefa misy taratasy soniavina. Natahotra aho sao hiova ny fomba itondran’ny olona ahy raha fantany hoe iza i Dada. Tiako raha toy ny olona rehetra ihany no fandraisan’ny namako ahy.”

Mazava ho azy fa ara-dalàna raha manantena zavatra be aminao ny olona, raha anti-panahy kristianina na mpanampy amin’ny fanompoana ny rainao. Tokony “hahay hitondra ny zanany sy ny ankohonany” mantsy ny lehilahy voatendry toy izany. (1 Timoty 3:5, 12) Koa tsy mahagaga àry raha manantena anao ho ohatra tsara ny olona! Tena ratsy be ve anefa izany? Tsy ratsy izany rehefa heverina izay nitranga tamin’ilay tanora kristianina natao hoe Timoty. Mety ho mbola zatovo izy rehefa nifidy azy mba hanao dia sy hanompo miaraka aminy i Paoly. (1 Tesalonianina 3:1-3) Noho izany, dia tokony hiezaka mafy ianao mba ho ohatra tsara, na anti-panahy ny rainao na tsia.

Safidy ratsy ny fikomiana

Mikomy ny tanora sasany mba tsy ampitahan’ny olona azy amin’ny ray aman-dreniny. Hoy i Ivan: “Tsy maintsy nanome ohatra tsara ho an’ny hafa aho, ary tena nanorisory ahy izany indraindray. Nikomy aho ka navelako ho lava ny voloko, ary nojereko hoe rahoviana vao hisy sahy hiteny.”

Nikomy i Absaloma, iray tamin’ireo zanak’i Davida Mpanjaka. Nalaza noho ny fifikirany tamin’i Jehovah i Davida rainy, ary betsaka ny olona tia azy teo amin’ny firenen’Israely. Ara-drariny ny zavatra nantenaina tamin’i Absaloma, nefa tsy araka izay no nataony, fa nikomy tamin’ny rainy izy mba hahazoana laza ho an’ny tenany. Tamin’i Jehovah anefa no tena nikomiany, satria solontena sy voahosotr’i Jehovah i Davida. Nanala baraka ny fianakaviany sy nitondra loza ho an’ny tenany izy tamin’izany.—2 Samoela 15:1-15; 16:20-22; 18:9-15.

Mety hisy vokany tena ratsy eo aminao koa ny fikomiana. Diniho izay resahin’ny Baiboly momba an’i Nehemia. Nisy fahavalony namandrika azy, mba hitarihana azy hanao ratsy. Nahoana? Mba ‘hisy hoentiny haharatsy laza ahy sy hahafa-baraka ahy’, hoy i Nehemia. (Nehemia 6:13, Kat.) Mety haharatsy laza anao ny fikomiana, ary mety tsy hohadinoin’ny olona mihitsy izany.

Misy vokany eo amin’ny hafa koa ny fikomiana, ary tsy azo atao ambanin-javatra izany. Mety hampalahelo ny ray aman-dreninao ianao. (Ohabolana 10:1) Mety hisy fiantraikany ratsy eo amin’ny tanora hafa koa ny zavatra ataonao. Niaiky i Ivan hoe: “Nisy fiantraikany ratsy teo amin’ny zandriko lahy ny fitondran-tenako. Nisy fotoana nandaozany tanteraka ny fiangonana kristianina, ka nanaovany izay rehetra fantany fa mandika ny fitsipiky ny Baiboly. Soa ihany fa nody ny sainy, ary sambatra izy izao manompo an’i Jehovah indray.”

Vahaolana tsara kokoa

Tsy nanaraka ny nataon’i Absaloma rahalahiny i Solomona. Vonona hanetry tena sy hianatra tamin’i Davida rainy izy. (1 Mpanjaka 2:1-4) Naleon’i Solomona nitady laza tsara teo anatrehan’Andriamanitra, toy izay hitady voninahitra sy fahefana teo amin’ny olona. Nitondra voninahitra ho an’ny fianakaviany izy rehefa nanao izany, ary nalaza ho iray amin’ireo mpanjaka tsara indrindra teo amin’ny Israely.—1 Mpanjaka 3:4-14.

Nanasongadina hevitra roa lehibe ny ohatra tsara nomen’i Solomona. Ny voalohany dia hoe: Tsy ny fihatahana amin’ny fianakavianao no hanampy anao hanana ny maha izy anao, fa ny fanahafana ny toetra tsarany. Hoy ny gazety iray natao ho an’ny zatovo: “Tsy tokony hihataka amin’ny ray aman-dreniny mihitsy ny ankizy, rehefa lasa zatovo, satria hoe te hampisongadina ny maha izy azy.” Voalazan’ilay gazety koa fa ny ‘fanampian’ny ray aman-dreninao akory tsy misakana anao tsy hampiseho ny maha izy anao, fa vao mainka aza hanampy anao amin’izany.’

Tsara homarihina fa nampirisika toy izao i Solomona: “Maneke ny rainao izay niteraka anao, ary aza manamavo ny reninao, saingy efa antitra izy.” (Ohabolana 23:22) Mazava, araka izany, fa tsy nanoratra ho an’ny ankizy madinika i Solomona, satria efa lehibe ny zanaka, amin’ny fotoana maha “antitra” ny ray aman-dreniny. Inona no tian’ilay ohabolana holazaina? Afaka mandray soa avy amin’ny fahendren’ny ray aman-dreninao foana ianao, na dia efa lehibe sy manana ny tokantranonao aza. Niaiky izany i Ivan. Hoy izy: “Niezaka nanaraka ny toetra tsaran’ny ray aman-dreniko sy tsy namerina ny fahadisoany aho, rehefa nihalehibe.”

Ny hevitra faharoa dia hoe: Ny hampifaly an’i Jehovah no zava-dehibe tamin’i Solomona, fa tsy ny hampisongadina ny “maha izy azy.” Marina fa betsaka ny zavatra nantenaina taminy, noho izy zanak’i Davida. Afaka niantsoroka ny andraikiny anefa izy, satria niantehitra tamin’i Jehovah. Izany koa no nataon’i Alexander. Hoy izy: “Manaiky aho izao fa betsaka kokoa, amin’ny ankapobeny, no antenaina amin’ny zanaky ny anti-panahy. Nanapa-kevitra ny hijery ny lafy tsaran’izany aho, ary tena niaro ahy izany. Takatro fa ny fiheveran’i Jehovah ahy no tena zava-dehibe. Fantany ny tena maha izy ahy, ary tsy ny maha zanak’i Dada ahy fotsiny no jereny.”

Nahazo diplaoma tamin’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada An’ny Tilikambo Fiambenana, * ny rain’i Daryn. Mampiofana misionera io sekoly io. Be mpahafantatra ny ray aman-dreniny, ary nianatra niaina nifanaraka tamin’izany izy. Hoy izy: “Rehefa natao batisa aho, dia nanolo-tena ho an’i Jehovah fa tsy ho an’olon-kafa. Manao araka izay fara heriko aho mba hiainana mifanaraka amin’ny fanoloran-tenako. Noho izany, dia manana fiadanana anaty aho, satria fantatro fa faly amiko i Jehovah, na dia tsy mahavita izay rehetra nataon’ny ray aman-dreniko aza aho.”

Nanao izao fanamarihana izao i Solomona Mpanjaka: “Na dia ny zaza aza dia mampiseho amin’ny fanaony na madio sy mahitsy ny fitondrantenany.” (Ohabolana 20:11) Raha ny marina tokoa, dia izay lazainao sy ataonao no hahatsiarovan’ny olona anao. Aoka ianao ho modely “eo amin’ny teny sy ny fitondran-tena sy ny fitiavana sy ny finoana ary ny fahadiovam-pitondran-tena.” Ho tian’ny olona sy hohajainy noho ny maha izy anao ianao, raha manome ohatra tsara!—1 Timoty 4:12.

Ny zava-tsarotra ho an’ny tanora sasany anefa dia ny fampitahan’ny olona azy amin’ny iray tam-po aminy, izay tena nahomby. Hiresaka ny fomba hiatrehanao izany ny lahatsoratra amin’ny nomerao manaraka.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Novana ny anarana sasany.

^ feh. 22 Ny Vavolombelon’i Jehovah no mitantana ny Sekolin’i Gileada.

[Efajoro, pejy 26]

Hampalahelo ny ray aman-dreninao sy hanimba ny lazanao fotsiny ianao raha mikomy

[Sary, pejy 26]

Mety hahasoa ny hafa ny ohatra tsara omenao