Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ahoana Raha Manavy ny Zanakao?

Ahoana Raha Manavy ny Zanakao?

Ahoana Raha Manavy ny Zanakao?

“Marary aho izany!” Mety hitsapa avy hatrany ny hafanan’ny zanakao ianao, rehefa mitaraina toy izany izy. Mety hatahotra ianao raha manavy izy, ary tsy mahagaga izany.

Nisy fanadihadiana nataon’ny Foibe Johns Hopkins Mikarakara ny Ankizy, any Baltimore, Etazonia. Hita tamin’izany fa ny 91 isan-jaton’ny ray aman-dreny dia nino fa “mety hisy voka-dratsy toy ny fanintona na fahasimban’ny atidoha ny fanaviana, na dia kely fotsiny aza.” Nasehon’io fanadihadiana io koa fa “nanome fanafody mampidina hafanana an-janany ny 89 isan-jaton’ny ray aman-dreny, na dia mbola tsy nahatratra 38,9 degre akory aza ny hafanan’ilay zaza.”

Tokony hatahotra be ve ianao, rehefa manavy ny zanakao? Inona avy no fomba tsara indrindra hitsaboana azy?

Misy asany lehibe ny fanaviana

Inona no mahatonga ny fanaviana? Tokony ho 37 degre eo ho eo ny hafanan’ny vatan’olombelona, raha tsapaina ao anaty vava. Mety hiakatra na hidina iray degre na mihoatra anefa izy io mandritra ny andro. * Mety hidina ny hafananao ny maraina, ary hiakatra kosa ny takariva. Misy faritra mihazona ny hafanan’ny vatantsika ho ara-dalàna, ao amin’ny atidohantsika, ao amin’ny farahatoka ao. Manavy ny olona rehefa tafihin’ny bakteria na virosy ny rafi-kery fanefitry ny vatany, ka mamoaka zavatra mampiakatra hafanana ao amin’ny ra. Vokatr’izany, dia mampiakatra ny hafanany koa ny vatana.

Tsy voatery ho ratsy ny fanaviana na dia mety hahatonga fahasorisorenana sy fahaverezan-drano malia aza. Tena ilaina izy io, raha ny marina, satria manampy ny vatana hanohitra ny aretina entin’ny bakteria sy virosy, hoy ny Fikambanana Mayo Momba ny Fampianarana sy Fikarohana Ara-pitsaboana. ‘Tsy tian’ny virosy mitondra sery sy aretin’ny taovam-pisefoana mantsy raha mafana ny vatana. Mety ho voatohitra àry ny virosy, raha mampiakatra kely ny hafanany ny vatana.’ Milaza koa io fikambanana io fa “tsy ilaina hampidinina ny hafanan’ny zaza manavinavy, ary mety hampiadana ny fahasitranany ny fanaovana izany.” Mahaliana fa misy hopitaly iray aza any Meksika mitsabo aretina sasany amin’ny alalan’ny fampiakarana ny hafanan’ny vatana.

Hoy ny Profesora Al Sacchetti avy amin’ny Oniversite Amerikanina Manomana Dokotera Mpamonjy Aina: “Mahalana no miteraka olana ny fanaviana. Famantarana ny fisian’aretina kosa izy io. Rehefa manavy àry ny zaza, dia izy sy izay aretina mety hahazo azy no tokony hifantohan’ny saina, fa tsy ny fitsapana ny hafanany.” Nilaza toy izao ny Akademia Amerikanina Momba ny Aretin’ankizy: “Mazàna no tsy ilana fitsaboana ny fanaviana latsaka ny 38,3 degre, raha tsy hoe sorisorena angaha ilay zanakao, na mifanintona matetika rehefa manavy. Tsy mampidi-doza ary tsy misy atahorana na dia ambony noho io aza ny hafanany, raha tsy hoe mifanintona matetika na manana aretina mitaiza angaha izy. Zava-dehibe kokoa ny hijerena ny fihetsiny. Mety tsy hila fitsaboana akory izy raha misakafo sy matory tsara, ary milalao tsara.”

Ahoana no hatao raha manavinavy ny zanakao?

Tena misy azonao atao mba hanampiana ny zanakao, raha manavinavy izy. Ireto no torohevitra omen’ny manam-pahaizana sasany: Ataovy mangatsiatsiaka ny efitranony. Ataovy maivamaivana ny akanjony. (Vao mainka hiakatra mantsy ny hafanany raha atao mafana loatra izy.) Tambatambazo izy hisotro rano na ranom-boankazo matsora, na lasopy, satria mety hahatonga fahaverezan-drano malia ny fanaviana. * (Mampivalan-drano be, ary mety hampitombo ny fahaverezan-drano malia ny zava-pisotro misy kafeinina toy ny coca sy dite mainty.) Tokony hampinonoina foana ny zazakely. Aza omena sakafo saro-devonina izy satria tsy miasa tsara ny vavoniny amin’io fotoana io.

Rehefa mihoatra ny 38,9 degre ny hafanan’ny zaza, dia matetika no omena fanafody mampidina hafanana izy, toy ny paracétamol sy ny toy izany, izay azo vidina tsy ilana taratasim-panafody. Ilaina anefa ny manaraka ny fatran’ny fanafody mifanentana amin’ny taonany. (Tsy tokony homena afa-tsy fanafody voalazan’ny dokotera ny zaza latsaka ny roa taona.) Tsy mahatohitra ny virosy ireo fanafody mampidina hafanana. Tsy manafaingana ny fahasitranan’ny sery na aretina mitovitovy amin’izany àry izy ireny, fa manamaivamaivana an’ilay zaza fotsiny. Misy manam-pahaizana manoro hevitra ny tsy hanomezana aspirinina ny ankizy manavy latsaka ny 16 taona, satria mety hahatonga an’ilay aretina mahafaty, antsoina hoe aretin’i Reye izany. *

Mety hampihena ny fanaviana koa ny fanasana an’ilay zaza amin’ny sponjy. Izao no atao amin’izany: Apetraka ao anaty koveta misy rano matimaty izy, ary sasana amin’ny sponjy mando ny vatany. (Aza mampiasa alkaola fa mety hanapoizina azy izany.)

Hazavaina ao amin’ny efajoro miaraka amin’ity lahatsoratra ity hoe rahoviana no tsara ny manapa-kevitra hiantso dokotera. Ny olona mipetraka any amin’ny faritra be aretina mahery vaika toy ny dengue, aretin’i Ebola, tefoedra ary tazo vony, no tena tokony hanatona dokotera.

Amin’ny ankapobeny àry, dia ny fanaovana izay hanamaivamaivana ny zanakao no zavatra tsara indrindra tokony hatao. Tadidio fa mahalana no manimba ny atidoha na mahafaty ny fanaviana be loatra. Mampahatahotra raha mifanintona ny zaza manavy, nefa tsy misy vokany maharitra izany mazàna.

Mazava ho azy fa ny fisorohana ny aretina no tsara indrindra. Anisan’ny fomba tena mahomby mba hiarovana ny zanakao amin’ny aretina, ny fampianarana azy hitandro ny fahadiovana. Tokony hampianarina hanasa tanana matetika ny ankizy, indrindra alohan’ny hisakafoana, rehefa avy any an-kabine, nilalao tany amin’ny toerana be olona, ary nisafosafo biby. Aza taitaitra loatra anefa, raha manavinavy ny zanakao na dia efa miezaka be aza ianao. Misy zavatra betsaka azonao atao mba hanampiana azy ho sitrana, araka ny efa hitantsika.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 6 Mety hiovaova ny hafanana, arakaraka ny toerana hitsapana azy, sy ny fitaovana ampiasaina amin’izany.

^ feh. 10 Jereo ny Mifohaza! tamin’ny 8 Aprily 1990, pejy 7, mba hahitana ny fanamboarana rano manonitra ny fahaverezan-drano malia, raha mandoa sy mivalana koa ilay manavy.

^ feh. 11 Aretin’ny rafi-pitatitra ny aretin’i Reye, ary ny ankizy efa voan’ny aretina entin’ny virosy no mety ho tratrany.

[Efajoro, pejy 27]

Iantsoy Dokotera ny Zaza Manavy Raha . . .

◼ Telo volana na latsaka, ary mahatratra 38 degre na mihoatra ny hafanany notsapaina tao amin’ny fitombenana

◼ Telo volana ka hatramin’ny enim-bolana, ary mahatratra 38,3 degre na mihoatra ny hafanany

◼ Mihoatra ny enim-bolana ary mahatratra 40 degre na mihoatra ny hafanany

◼ Tsy mety misotro rano nefa hita fa very rano malia

◼ Mifanintona na valaka be

◼ Mbola manavy foana aorian’ny telo andro

◼ Mitomany tsy laitra ampanginina, na hita fa mirediredy

◼ Misefosefo sy sempotsempotra, mivalana, na mandoa matetika

◼ Henjana ny hatony na marary be tampoka ny andohany

[Sary nahazoan-dalana]

Loharanon-kevitra: Ny Akademia Amerikanina Momba ny Aretin’ankizy