Avy Amin’ny Mpamaky
Avy Amin’ny Mpamaky
Fidorohana Zava-mahadomelina Nisarika ny masoko ny fonon’ilay Mifohaza! 8 Aprily 2003 (“Ny Fianakaviana sy ny Zava-mahadomelina”). Manan-janaka roa lahy midoroka zava-mahadomelina ilay ramatoa ampianariko Baiboly. Linda no anarany. Nodinihinay tsirairay ny fehintsoratra tao amin’ireo lahatsoratra ireo ny ampitso maraina. Tena nampahery azy izany. Tonga tamin’ny fotoana nilana azy mihitsy ilay gazety.
C. M., Etazonia
Mitantana fikambanana iray manampy ny fianakaviana manana olana amin’ny zava-mahadomelina sy ny alkaolisma aho. Tiako be ny mamaky Mifohaza!, na dia Katolika aza aho. Misaotra anareo aho, namoaka ireo lahatsoratra momba ny fianakaviana sy ny zava-mahadomelina. Tena nahaliana ahy ilay izy, satria ahafahako manampy ny tanora.
H. C., Ekoatera
Fanontaniana Ara-baiboly Mbola kely ny zanako dia efa nampianariko Baiboly. Mihalehibe anefa izy ireo izao, ka sarotra kokoa ny misarika ny sainy ho amin’ny zavatra ara-panahy. Nitady fomba hanampiana azy ireo àry aho, ary nahita hevitra, rehefa namaky ilay lahatsoratra hoe “Fantatrao Ve?”, tao amin’ny Mifohaza! 8 Aprily 2003. Novako ny fipetraky ny fanontaniana mba ho azon’ny zanako, ary nasiako valiny azo isafidianana. Nataoko teo amin’ny rindrina avy eo ireo fanontaniana. Tsy nazoto izy ireo tamin’ny voalohany, nefa nanomboka namaly ihany tatỳ aoriana. Matetika izahay mianakavy izao no miara-mandinika an’ireo fanontaniana ireo.
R. M., Japon
Fahalalahana Haneho Hevitra Vao eo aho no avy namaky ireo andian-dahatsoratra hoe “Ny Fitsarana Tampony Amerikanina sy ny Fahalalahana Haneho Hevitra.” (8 Janoary 2003) Niteraka fihetseham-po maro tao amiko izany. Gaga aho aloha hoe mbola mitohy io adihevitra io any Etazonia. Nampiaiky ahy koa ny fahaizan’ireo rahalahintsika kristianina nampiseho ny fomba fihevitsika. Ary tena ankasitrahako ny didim-pitsarana ara-drariny navoaka, na dia tsy fahita aza ny rariny eto amin’ity tontolo ity. Faly be aho mitory hatrany ny vaovao tsara. Manitatra ny fahalalantsika ny lahatsoratra toy ireny.
O. S., Bélarus
Voaniho Tena nahafinaritra ahy ilay lahatsoratra hoe “Palmie Anisan’ny Mahasoa Indrindra,” tao amin’ny Mifohaza! 8 Aprily 2003. Manamboatra savony izaho sy ny namako, ary karazana fialam-boly ihany ilay izy. Asianay menaka voaniho ny savony amboarinay, satria mahatsara ny hoditra izany sady mandroatra tsara. Vao mainka tiako ny voaniho, rehefa avy namaky io lahatsoratra io aho.
C. B., Kanada
Maniry hisaotra anareo aho noho io lahatsoratra io (8 Aprily 2003). Vao haingana aho no tany Meksika, ary hitako fa be dia be tokoa ny fomba azo ampiasana ny voaniho! Saika hitako daholo ny fampiasana azy, araka ny voalazan’ilay lahatsoratra. Misy zavatra hafa koa azo atao amin’izy io: Tapahina ny rantsany, ary esorina ny raviny. Atambatra ny 10 na 15 amin’ireo sampana maina sy malefaka ireo, ka mety tsara hikapohana lalitra!
D. S., Etazonia
Rehefa namaky an’io lahatsoratra io aho, dia nahatsiaro ny renibeko, izay niaina tany amin’ireo taona 1930. Nataony kaopy ny akoram-boaniho. Maro ny mpiray tanàna taminy no nampiasa ny hazon’izy io mba hanamboarana trano, ary nanaovany tafo ny raviny rehefa maina. Misaotra anareo aho fa tena mahaliana ny lahatsoratra toy ireny.
M. B., Etazonia
Fampinonoana Nahalasa saina ahy ny famakiana ny “Topy Maso Eran-tany”, teo amin’ilay lohateny hoe “Mitondra Soa ny Fampinonoana.” (8 Aprily 2003) Ekeko fa mety tsy hatanjaka tsara ny rafi-kery fanefitry ny ankizy tsy nampinonoina. Tsy nampinonoina aho mantsy, ary voan’ny gripa matetika. Heveriko anefa fa tsy ampy fiheverana an’ireo tsy nampinonoina ianareo, rehefa namoaka ilay tatitra izay milaza fa tsy dia marani-tsaina izy ireo, raha oharina amin’ny ankizy nampinonoina.
C. B., Italia
Mamaly ny “Mifohaza!” hoe: Tsy naniry hanafintohina an’iza na iza izahay. Nosoratanay tao fotsiny ny vokatry ny fikarohana nataon’ny Danoà momba ny fampinonoana. Manampy ny ray aman-dreny mba handray fanapahan-kevitra voahevitra tsara mahakasika ny fomba fitaizana ny fanazavana toy ireny.