Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fantatrao Ve?

Fantatrao Ve?

Fantatrao Ve?

(Mamaly ireto fanontaniana ireto ny andinin-teny eo akaikiny; ary hita ao amin’ny pejy 27 ny valiny. Raha mila fanazavana fanampiny, dia jereo ny boky “Fahatakarana ny Hevitry ny Soratra Masina”, frantsay, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.)

1. Inona no nolazain’i Jehovah hoe tsy hitsahatra mihitsy? (Genesisy 8:22)

2. Nilaza i Jesosy fa mody tsy nahita ny “rariny sy ny fitiavana an’Andriamanitra” ny Fariseo, nefa nahavita tsara nandoa ny ampahafolon’ny zavamaniry sasany. Inona avy ireo zavamaniry ireo? (Lioka 11:42)

3. Amin’ny fomba ahoana no hiverenan’i Jesosy, araka ny nolazainy? (Apokalypsy 16:15)

4. Firy ny Filistinina novonoin’i Samsona tamin’ny “valanoranom-boriky vaovao”? (Mpitsara 15:15)

5. Inona no iantsoana an’i Jesosy, noho izy hany zavaboary noforonin’i Jehovah mivantana? (Jaona 3:18)

6. Inona avy no didy nomen’i Paoly ny Tesalonianina momba ny olona kamo? (2 Tesalonianina 3:10, 12)

7. Inona no nolazain’i Jesosy fa tsy maintsy ataon’ny rehetra mba ho ‘tafiditra amin’ny varavarana tery’ izy ireo? (Lioka 13:24)

8. Inona no anarana nanjary niantsoana ny farany avaratra tamin’ny tanin’ny Israely? (1 Samoela 3:20)

9. Ahoana no nampitandreman’Andriamanitra an’ireo mpanandro nitsidika an’i Jesosy mba tsy hiverina tany amin’i Heroda Mpanjaka, mpamono olona? (Matio 2:12)

10. Koa satria tsy misy anaram-boninahitra maromaro eo aloha na eo aorian’ny anaran’i Jesosy, ao amin’ny Soratra Masina, inona no anaram-boninahitra tsy hitantsika ao mihitsy?

11. Nahoana no tsy maintsy “tsara laza amin’ny olona eny ivelany” ny mpiandraikitra eo anivon’ny fiangonana? (1 Timoty 3:7)

12. Taiza i Filipo no nahita sy nampianatra an’ilay tandapa etiopianina? (Asan’ny Apostoly 8:26)

13. Inona no sazin’i Saoly noho izy tsy nankatò ilay didin’i Jehovah hoe haringana daholo ny Amalekita sy ny ondry aman’osiny ary ny ombiny? (1 Samoela 15:23, 26)

14. Nahoana i Abrahama no nijanona ho mpivahiny foana, saika nandritra ny androm-piainany manontolo? (Hebreo 11:10; 12:22)

15. Inona avy no heloka nanamelohana an’i Barabasy, ilay nafahan’i Pilato ho solon’i Jesosy? (Lioka 23:25; Jaona 18:40)

16. Iza no anaran’ilay lehilahy nalemy avy any Lyda, izay ‘nandry teo ambony fandriana tsihy nandritra ny valo taona’, nefa nositranin’i Petera? (Asan’ny Apostoly 9:32-34)

[Efajoro, pejy 27]

Valin’ny Fanontaniana

1. ‘Ny taom-pamafazana sy ny taom-pijinjana, ny hatsiaka sy ny hafanana, ny fahavaratra sy ny ririnina, ary ny andro sy ny alina’

2. Solila sy rota

3. “Toy ny mpangalatra”

4. 1 000

5. “Zanakalahy Tokan’Andriamanitra”

6. “Raha misy tsy mety miasa, dia aoka izy tsy hihinana” sy hoe “hiasa amim-pilaminana ka hihinana izay nisasarany”

7. ‘Miezaka mafy’

8. Dana

9. Tamin’ny nofy

10. “Jesosy Kristy Mpanjaka”

11. Mba “tsy ho afa-baraka izy na ho latsaka ao amin’ny fandriky ny Devoly”

12. Tany amin’ny lalana midina avy any Jerosalema ho any Gaza

13. Nolavin’i Jehovah tsy ho “mpanjakan’ny Isiraely intsony” izy

14. Satria “ilay tanàna manana fototra tena izy”, dia i Jerosalema any an-danitra, no nandrasany

15. Fitaomana olona hikomy sy vonoan’olona ary fanaovana asan-jiolahy

16. Enea