Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Ataoko Raha Ampitahaina Amin’ny Zokiko Foana Aho?

Inona no Ataoko Raha Ampitahaina Amin’ny Zokiko Foana Aho?

Manontany ny Tanora Hoe . . .

Inona no Ataoko Raha Ampitahaina Amin’ny Zokiko Foana Aho?

“Te hanana ny toetrako manokana aho, nefa nampitahain’ny olona tamin’ireo zokiko foana. Tsapako anefa fa tsy hahavita ny vitan’izy ireo mihitsy aho.”​—Clare.

TOA mahomby amin’izay rehetra ataony ve ny zokinao? Tsy mitsahatra ny mampirisika anao hanahaka azy ve ireo ray aman-dreninao? Mety hatahotra àry ianao sao hampitahaina foana aminy, ka arakaraka ny fahaizanao manahaka ny zava-bitany no ilazana fa mahomby ianao.

Sady Kristianina tsara laza ireo zoky lahin’i Barry, * no nahazo diplaoma tamin’ny fiofanana tena tsara, dia ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana. * Hoy i Barry: “Lasa tsy natoky tena aho satria noheveriko fa tsy hahavita toa azy ireo mihitsy, na amin’ny fanompoana na amin’ny fahaiza-mandaha-teny. Sarotra tamiko ny nahazo namana ho ahy manokana, satria nanaraka an’ireo zokiko fotsiny aho rehefa nisy nanasa izy ireo. Nieritreritra koa aho fa tsy noho ny amiko no nahatonga ny ankizy nisariaka tamiko, fa noho ireo zokiko.”

Mety hialona kely ianao raha matetika mahazo teny fiderana ny zokinao. Milaza ny Baiboly fa niavaka i Josefa raha noharina tamin’ireo zokiny. Inona ny vokany? ‘Nankahala azy izy ireo ka tsy nahazaka hanao teny tsara taminy.’ (Genesisy 37:1-4) Mazava ho azy fa tsy nanambony tena i Josefa. Mety hanorisory anao anefa ny zokinao, amin’ny fampideraderana foana ny zava-bitany.

Izany no manjo ny tanora sasany ka minia tsy mianatra tsara izy ireo, tsy mazoto amin’ny ara-panahy, ary maditra. Mety hieritreritra izy fa sady tsy mahavita ny vitan’ny zokiny izy, no tsy te hanao izany koa. Ianao ihany anefa no ho voa mafy amin’ny farany raha manao izany. Inona àry no azonao atao raha ampitahaina foana amin’ny zokinao ianao, nefa tianao ny ho afa-po amin’ny tenanao?

Aza mieritreritra hoe tonga lafatra izy

Raha hitanao fa tena hajain’ny olona ny zokinao, dia mety hieritreritra ianao fa lavorary izy, ka tsy ho afaka hifampitaha aminy mihitsy ianao. Marina ve anefa izany? Milaza mazava ny Baiboly hoe: “Samy efa nanota ny rehetra ka tsy mahatratra ny voninahitr’Andriamanitra.”​—Romanina 3:23.

Eny, olombelona toy ny rehetra ihany ny zokinao, na inona na inona fahaizany. (Asan’ny Apostoly 14:15) Tsy misy antony tokony hanindrahindrana azy, na hieritreretana hoe tonga lafatra izy. I Jesosy Kristy irery no olombelona tonga lafatra sy ohatra tsara indrindra.​—1 Petera 2:21.

Mianara amin’izy ireo!

Fantaro koa fa afaka miana-javatra ianao, amin’ny toerana misy anao. Tadidio ireo zandrin’i Jesosy. (Matio 13:55, 56) Eritrereto ny zavatra azon’izy ireo nianarana tamin’ilay zokiny lavorary! ‘Tsy nino azy anefa ny rahalahiny.’ (Jaona 7:5) Niavonavona sy nialona mantsy izy ireo. Ireo rahalahin’i Jesosy ara-panahy, na ireo mpianany no nanaiky ilay fanasany hoe: “Mianara amiko.” (Matio 11:29) Efa taorian’ny nitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty, vao nianatra taminy ireo rahalahiny ara-nofo. (Asan’ny Apostoly 1:14) Efa betsaka anefa ny fahafahana tsy manam-paharoa verin’izy ireo. Afaka nianatra zavatra betsaka tamin’ilay zokiny tena niavaka mantsy izy ireo.

Mitovy amin’izany koa ny fahadisoan’i Kaina. Mpanompon’i Jehovah tena niavaka i Abela zandriny. Hoy ny Baiboly: “Jehovah nankasitraka an’i Abela mbamin’ny fanatiny.” (Genesisy 4:4) Tsy nankasitrahan’i Jehovah kosa i Kaina sy ny fanatiny, noho ny antony sasany. Afaka nanetry tena sy nianatra tamin-jandriny àry i Kaina. “Tezitra indrindra” anefa izy, ka novonoiny i Abela tamin’ny farany.​—Genesisy 4:5-8.

Tsy ho tezitra toy izany mihitsy amin’ny zokinao akory ianao. Mety tsy hahay hanararaotra ny fahafahanao koa anefa ianao, raha miavonavona na mialona. Miezaha tsy hialona, raha ohatra ka mahay matematika be ny zokinao, ikoizana amin’ny tantara, mamiratra amin’ny fanatanjahan-tena tianao, miavaka amin’ny fahaizana Baiboly, sady havanana amin’ny lahateny! Izao koa mantsy: “ny fahamaimaizan-tsaina [na fialonana] dia mahalo ny taolana”, ka ianao ihany no mety ho voa mafy. (Ohabolana 14:30; 27:4) Aza sosotra amin’ny zokinao àry, fa miezaha mianatra aminy. Ekeo fa manana talenta sy fahaizana sasany tsy anananao izy. Jereo ny fomba fanaovany zavatra, ary tsara kokoa aza raha anontanianao izy.

Nandray soa tamin’ny ohatra tsaran’ireo zokiny i Barry, ilay noresahina terỳ am-piandohana. Hoy izy: “Hitako fa tena faly ireo zokiko rehefa nanampy ny mpiara-mivory sy ny olona teny amin’ny fanompoana. Tapa-kevitra ny hanao toa azy ireo àry aho, ka nandray anjara tamin’ny fanorenana Efitrano Fanjakana sy Betela. Lasa natoky tena sy nifandray akaiky kokoa tamin’i Jehovah aho, ho vokatr’izany.”

Fantaro izay manavanana anao

Mety hatahotra ianao hoe tsy hanana ny toetranao manokana intsony, raha mianatra ny toetra tsaran’ny zokinao. Tsy voatery ho izany anefa. Nampirisika an’ireo Kristianina tamin’ny taonjato voalohany ny apostoly Paoly hoe: “Aoka hanahaka ahy ianareo.” (1 Korintianina 4:16) Tsy tian’i Paoly hanana ny maha izy azy ve izy ireo? Tsy izany velively. Betsaka ny toe-javatra ahafahanao mampiseho ny toetranao manokana. Tsy hoe tsy misy ilana anao mihitsy akory, raha tsy mahay matematika be toy ny zokinao ianao. Izay fotsiny no mba mampiavaka anao.

Nanome izao torohevitra azo ampiharina izao i Paoly: “Aoka kosa ny tsirairay samy handinika izay ataony avy, ary amin’izay dia hanana antom-pifaliana ny amin’ny tenany ihany izy, fa tsy amin’ny fampitahany ny tenany amin’ny hafa.” (Galatianina 6:4) Maninona raha kolokoloina tsara ny talenta sy fahaizana efa anananao? Azonao atao, ohatra, ny mianatra teny vahiny, na mozika, na ordinatera. Sady ho afa-po kokoa amin’ny tenanao ianao amin’izay, no hahazo fahalalana. Aza mitady zavatra tonga lafatra! Mianara mafy, aza manao an-tsirambina, ary ataovy izay hahaizanao. (Ohabolana 22:29) Mety tsy ho talentanao ny zavatra sasany, nefa hoy ny Ohabolana 12:24: “Ny tànan’ny mazoto no hanapaka.”

Mety ho ny lafiny ara-panahy anefa no tena tianao handrosoana. Sarobidy sy maharitra kokoa mantsy ny fahaizana ara-panahy, mihoatra noho ny fahaizana hafa tian’ny olona. Tadidio i Esao sy Jakoba. Noderain-drainy fatratra i Esao satria “nahay nihaza” sy “mpianefitra.” Nety ho sarotra kokoa ny nahatsikaritra an’i Jakoba kambana taminy, izay “lehilahy tsara fanahy sady mpitoetra an-day.” (Genesisy 25:27) Nanao an-tsirambina ny ara-panahiny anefa i Esao, ka tsy notahina. Tondraka kosa ny fitahian’i Jehovah an’i Jakoba, satria tia zavatra ara-panahy izy. (Genesisy 27:28, 29; Hebreo 12:16, 17) Inona no ianarantsika avy amin’izany? Miezaha amin’ny ara-panahy, ary ‘aoka hamirapiratra ny fahazavanao’, mba “hiseho amin’ny rehetra ny fandrosoanao.”​—Matio 5:16; 1 Timoty 4:15.

Hoy i Clare, ilay noresahina terỳ am-piandohana: “Naka tahaka foana an’ireo zokiko vavy aho. Tapa-kevitra ny hanaraka izay lazain’ny Baiboly anefa aho, ka ‘nohalalahiko ny foko.’ Niara-nanompo tamin’ny olona samihafa aho, ary nitady fomba hanampiana ny mpiara-mivory sahirana. Nanasa anadahy sy rahavavy avy amin’ny sokajin-taona samihafa koa aho, hisakafo tatỳ an-trano. Faly aho izao satria manana namana maro kokoa, sady afa-po.”​—2 Korintianina 6:13.

Mety ho diso ny ray aman-dreninao indraindray, ka hampitaha anao amin’ny rahalahinao na anabavinao. Tsy tokony ho tezitra be anefa ianao, satria fantatrao fa mitady izay hahasoa anao izy ireo. (Ohabolana 19:11) Tsara koa anefa, raha resahinao amim-panajana amin’izy ireo izay tsapanao, rehefa manao izany izy ireo. Hitady fomba hafa hilazana izay mampanahy azy angamba izy ireo amin’izay.

Aza hadinoina mihitsy fa voamarik’i Jehovah Andriamanitra ianao, raha manompo azy. (1 Korintianina 8:3) Izao no namintinan’i Barry izany: “Tsapako fa mitombo arakaraka ny hanompoako an’i Jehovah ny fifaliako. Eken’ny rehetra izao ny fananako ny toetrako manokana, ka mandray ahy toy ny fandraisany an’ireo zokiko izy ireo.”

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 5 Novana ny anarana sasany.

^ feh. 5 Natao ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Sary, pejy 17]

Ny zokinao ve matetika no tena manintona ny olona?

[Sary, pejy 18]

Kolokoloy ny talentanao ary ianaro tsara ny zavatra mahaliana anao

[Sary, pejy 18]

“Aoka hamirapiratra ny fahazavanao”, amin’ny fampitomboana ny fahaizana ara-panahy