Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nanjary Fantany fa Tia Azy Andriamanitra

Nanjary Fantany fa Tia Azy Andriamanitra

Nanjary Fantany fa Tia Azy Andriamanitra

Sarotra amin’ny olona sasany ny mino hoe tena tiana izy, indrindra moa fa hoe tena tian’Andriamanitra. Manome toky ny amin’izany anefa ilay boky Manatòna An’i Jehovah. Maro àry no nanoratra mba hanehoana ny fankasitrahany, rehefa avy namaky azy io. Nanoratra toy izao ny vehivavy iray any Decatur, any Etazonia: “Manohina lalina ny foko ny fahafantarana fa tena tia ahy izy, na dia eo aza ny fahadisoako rehetra.”

Nilaza koa izy hoe: “Latsa-dranomasom-pifaliana aho, rehefa namaky ilay fehezanteny [ao amin’ny pejy 117] hoe: ‘Ray manao ny rariny i Jehovah, ka ampifandanjainy tsara ny hoe hentitra sy ny rariny, miaraka amin’ny famindram-po amin’ireo zanany eto an-tany mila ny fanampiany sy ny famelany.’”

Izao indray no nosoratan’ny lehilahy iray avy any Ripon, any Kalifornia: “Misaotra betsaka anareo nampiseho tamiko fa tena tia ahy i Jehovah. Tena miahy ahy koa izy, sady mihevitra ny toetrako sy ny maha izy ahy.” Hoy ny vehivavy iray any New Hampshire: “Ohatra ny hoe tsy tiako hapetraka mihitsy ilay boky indraindray. Tena sarotra tamiko taloha ny nino hoe afaka ny ho tia ahy i Jehovah.” Ilay boky io mihitsy no tena nilainy.

Mino izahay fa hahasoa anao koa ny famakiana azy io. Aorian’ireo toko telo fampidirana, dia misy fizarana efatra mitondra ny lohateny hoe: ‘Hery Tsy Toha’, “Tia Rariny”, “Hendry Am-po”, ary “Andriamanitra dia Fitiavana.” Mamelabelatra ny iray amin’ny toetra lehibe ananan’Andriamanitra ny fizarana tsirairay. Ny lohatenin’ny toko farany amin’io boky mandrisika antsika hanao zavatra io, dia hoe “Manatòna An’Andriamanitra, dia Hanatona Anareo Izy.”

Raha te hanafatra an’io boky misy pejy 320 io ianao, dia fenoy ilay tapakila ary alefaso any amin’ilay adiresy voalaza eo, na any amin’ny iray amin’ireo adiresy ao amin’ny pejy faha-5 amin’ity gazety ity.

□ Mba andefaso ilay boky hoe Manatòna An’i Jehovah aho.

Amin’ny fiteny:

□ Mba andefaso olona aho hampianatra Baiboly ahy maimaim-poana atỳ an-tranoko.