Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Sakafo avy ao An-tanimbolinao

Sakafo avy ao An-tanimbolinao

Sakafo avy ao An-tanimbolinao

AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY AMIN’NY RÉPUBLIQUE CENTRAFRICAINE

ZAVATRA eritreretina isan’andro ny fitadiavana sakafo hohanin’ny fianakaviana, any amin’ny tany maro. Lafo ny legioma, ka sarotra matetika ny mahita sakafo ho an’ny fianakaviana. Nahita vahaolana tsotsotra anefa ny sasany, dia ny fambolena ny sakafony.

Mety ho tianao ny hanandrana hanao tanimboly kely. Marina fa mety tsy hisy tany azo volena manodidina ny tranonao. Mety hisy tany tsy lavitra loatra anefa ho azonao atao tanimboly kely. Eritrereto ny vola mety ho voangonao, raha mamboly sakafo matsiro sy mahasalama ianao! Mety ho fanatanjahan-tena ho anao aza, ny fikarakarana tanimboly kely. Azo atao tetik’asan’ny fianakaviana koa ilay izy, mba hifalian’ny zanakao. Mampiana-javatra tokoa ny fambolena legioma. Mampianatra antsika hanana toetra toy ny faharetana izy io. (Jakoba 5:7) Mihakaiky an’ilay Mpamorona ny zava-tsoa rehetra koa isika, rehefa mandinika ny fitomboan’ny zavamaniry.​—Salamo 104:14.

Aza mihevitra anefa hoe tsy mila ezaka firy ny mamboly, na hoe hahita vokatra vetivety ianao. Hahomby anefa ianao, raha tena tapa-kevitra sady miezaka mianatra kely momba ny fambolena!

Nahavita namboly ny sakafony ilay fianakaviana

Diniho ange i Timothée sy Lucie e! Mipetraka any Bangui, renivohitry ny République centrafricaine, io mpivady kristianina manan-janaka roa io. Hitan’izy ireo, fa tena mahasoa ny manao tanimboly kely, ary mety hanampy ny fidiram-bolany.

Nanao tanimboly kely teo akaikin’ny tranony i Lucie, tamin’izy 13 taona. Isaky ny avy nianatra sy rehefa faran’ny herinandro izy no nikarakara izany. Faly izy nijery ny fanirin’ireo zavatra namboleny. Taona maro tatỳ aoriana anefa vao tonga tao an-tsainy indray ny hanao tanimboly kely ho an’ny fianakaviany. Nangatahiny mba hatao tanimboly àry ilay toerana fanariam-pako, tsy lavitra ny nisy azy ireo. Hitan’i Lucie fa azo nokarakaraina tsara mba handraisan-tsoa ilay toerana. Tsy simban’ireo fako lo teo akory ilay tany, fa vao mainka kosa azo novolena sakafo. Navadik’i Lucie sy Timothée ho tanimboly mamokatra ilay izy.

Fanombohana

Nanao fikarohana kely aloha ry zareo. Niresaka tamin’ny olona mahay tsara momba ny fambolena legioma izy, ary nihaino tsara azy ireny. Nianatra nanao lava-drano mihitsy ry zareo, mba hahazoana rano hanondrahana ilay tany. Nanampy azy ireo koa ny famakiany boky momba ny fambolena.

Hitany tamin’ny boky fa misy zavamaniry mifanohana tsara, rehefa miaraka ambolena. Misy zavamaniry tsy tsara ampiarahina kosa, satria mifanimba. Misy milaza, ohatra, fa azo ampiarahina tsara ny karaoty sy voatabiha. Maniry tsara koa ny seleria sy ny soflera, rehefa ampiarahina. “Naman’ny” pitipoà sy kôkômbra, salady, ary tongolobe koa, ny zava-maitso atao hoe karaotintsoavaly. Tsy tsara ampiarahina kosa ny salady sy ny persily. Hanimba ny harikôvera sy pitipoà ny tongolobe. Manjary malemy ka mora voan’aretina sy bibikely ny zavamaniry, raha zavamaniry mifamono no ampiarahina.

Nianaran’i Timothée sy Lucie koa fa tsy mety raha zavatra iray ihany no ambolena eo amin’ny tanimboly. Ho faty avokoa mantsy izy rehetra, raha sendra misy aretina na bibikely. Tsy dia hisy izany raha voly isan-karazany voafantina tsara no ambolena eo. Namboly zava-maitso sy voninkazo teo amin’ilay tanimboly kely ry zareo, ka sady nampisy loko sy aina ary hatsaran-tarehy ho an’ilay tanimboly izany, no nisarika tantely sy biby hafa mahasalama ny voly.

Fantatr’izy mivady koa izay tokony hataony mba tsy hanisiana fanafody manapoizina ny voliny. Fantany izao fa ho voaro amin’ny karazan’aretina sasany ny voly, raha volena tongolo gasy fotsiny ilay tanimboly. *

Nila naneho faharetana sy niasa mafy i Timothée sy Lucie, kanefa manana tanimboly kely mahavokatra izy ireo izao. Mahazo laisoa, persily, voatabiha, karaoty, kôkômbra, ary baranjely, izy ireo, ary mihoatra noho izay lanin’ny fianakaviany izany indraindray!

Manaova tanimboly kely!

Tsy ny olona atỳ Afrika ihany no mahita fa mahasoa ny manana tanimboly kely toy izany. Mahatratra iray tapitrisa mahery, ohatra, ny tanimboly kely toy izany any Alemaina. Nozarazaraina ho faritra kely (200 ka hatramin’ny 400 metatra tora-droa) azon’ny mponina hofana ireny tanimboly kely ireny, ary antsoina hoe Schrebergaerten (avy amin’ny anaran’i Daniel von Schreber, manam-pahaizana momba ny zavamaniry) izy ireny indraindray. “Manana anjara toerana lehibe eo amin’ny famokarana voankazo sy legioma vaovao” izy ireny, araka ny voalazan’ny mpikaroka iray. “Paradisa” kely ho an’ny tompony koa ireny tanimboly kely ireny, satria toerana azony iasana sy ialana sasatra.

Mampanantena ny Baiboly fa tsy ho ela dia ho lasa zaridaina avokoa, na tena paradisa tsara tarehy, ny tany manontolo. (Lioka 23:43) Mandra-pahatongan’izany anefa, dia mitadiava sombin-tany hataonao tanimboly kely, mba hifalianao amin’ny fahazoana sakafo avy aminy.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 13 Jereo ilay lahatsoratra hoe: “Le jardinage biologique, une autre façon de jardiner”, ao amin’ny Réveillez-vous! 22 Martsa 2002.

[Sary, pejy 16]

Timothée sy Lucie maka rano hanondrahana ny tanimboly keliny

[Sary, pejy 16]

Tanimboly kely any Munich, Alemaina