Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tambin’ny “Fiaraha-monina Maoderina” ve ny Hetra?

Tambin’ny “Fiaraha-monina Maoderina” ve ny Hetra?

Tambin’ny “Fiaraha-monina Maoderina” ve ny Hetra?

“Mandoa hetra isika mba hiainana eo amin’ny fiaraha-monina maoderina.”—Sampan’asa Mikarakara ny Hetra Anatiny, Washington.

MAHASOSOTRA ny hetra, hoy ny fanjakana, nefa ilain’ny “fiaraha-monina maoderina.” Na mitovy hevitra amin’izany ianao na tsia, dia tsy azo lavina izao: midangana be matetika ny hetra.

Misy roa karazana ny hetra: ny mivantana sy ny tsy mivantana. Hetra mivantana, ohatra, ny hetra amin’ny vola miditra, sy ny amin’ny fananana. Mahasosotra ny maro ny hetra amin’ny vola miditra, indrindra any amin’ny tany izay, arakaraka ny vola miditra no mampidangana ny ampahany alaina amin’ny hetra. Mitaraina ny olona hoe voa mafy ireo miasa mafy sy mahomby.

Milaza ny gazetin’ny OCDE (Fikambanana Misahana ny Fiaraha-miasa sy ny Fampandrosoana Ara-toe-karena), fa ankoatra ny fanjakana foibe, dia “mety hitaky hetra koa ny fokontany sy kaominina ary ny faritany. Izany no zava-misy any Belzika, Espaina, Etazonia, Islandy, Japon, Kanada, Korea, ny firenena any amin’ny faritr’i Skandinavia, sy Soisa.”

Anisan’ny hetra tsy mivantana ny haban-tsena, haban-tseranana, ary hetra amin’ny sigara sy zava-pisotro misy alkaola. Mety havesatra ho an’ny mahantra koa io, na dia tsy mibaribary toy ny hetra mivantana aza. Nolazain’i Jayali Ghosh, mpanoratra an-gazety any Inde, fa tsy ny olona antonontonony sy ny mpanankarena no tena mandoa ny hetra miditra amin’i Inde. Hoy izy: “Avy amin’ny hetra tsy mivantana ny 95 isan-jato maherin’ny hetra azon’ny fanjakana federaly [any Inde]. . . . Ny mahantra no tena mandany vola be andoavana an’izay.” Lafo be ny hetra amin’ny zavatra toy ny savony sy ny sakafo, ka izany no anton’io tsy fitoviana io.

Ampiasain’ny fanjakana amin’ny inona anefa ny vola azony?

Ampiasaina amin’ny inona ny vola?

Ekena fa mila vola be ny fanjakana, ho an’ny asa maro tena ilaina. Mpiasam-panjakana, ohatra, ny ampahefatry ny mpiasa any Frantsa. Misy mpampianatra, mpiasan’ny paositra sy tranom-bakoka ary hopitaly, polisy, na manao asam-panjakana hafa. Andoavana ny karaman’izy ireny ny hetra. Hanaovana lalana sy sekoly ary hopitaly koa ny vola azo amin’ny hetra, ary hikarakarana asa hafa toy ny fitaomana fako sy fizarana taratasy.

Hanohanana ny fandaniana ara-tafika koa ny hetra. Nampandoavina hetra ny mpanankarena tany Grande-Bretagne, tamin’ny 1799, mba hisy holanina tamin’ny adin’izy ireo tamin’i Frantsa. Nandritra ny Ady Lehibe II anefa, dia ny mpiasa rehetra mihitsy no nasain’ny fanjakana britanika nandoa hetra. Mbola tohanana ara-bola izao ny tafika, na dia tsy misy ady aza. Nilaza ny Fikambanana Iraisam-pirenena Natao Ikatsahana Fandriampahalemana, any Stockholm, fa 798 000 tapitrisa dolara teo ho eo ny fandaniana ara-tafika naneran-tany, tamin’ny 2000.

Natao hanitsiana ny fiaraha-monina

Natao hanitsiana zavatra sasany eo amin’ny fiaraha-monina koa ny hetra. Nasiana hetra, ohatra, ny zava-pisotro misy alkaola, hisakanana ny fisotroana tafahoatra. Efa ho ny ampahatelon’ny vidin’ny labiera, ohatra, any amin’ny tany maro no aloa ho an’ny hetra.

Midangana koa ny hetra amin’ny sigara sy paraky. Efa ho ny antsasaky ny vidin-tsigara iray pake, ohatra, atsy Afrika Atsimo no aloa ho an’ny hetra. Tsy voatery ho ny hahasoa ny vahoaka anefa, no tena antony itakian’ny fanjakana ny karazan-ketra toy ireny. Nilaza i Kenneth Warner, ao amin’ny gazety Politika Ivelany (anglisy), fa ‘mitana toerana lehibe eo amin’ny toe-karena ny paraky sy sigara. Ana hetsy tapitrisa dolara isan-taona no azo amin’ny vidin-tsigara, ary miditra amin’ny fanjakana ny an’arivo tapitrisa amin’izany.’

Niavaka koa ny zava-niseho tamin’ny fiandohan’ny taonjato faha-20. Nitady hevitra hisakanana ny fiforonan’ny fianakaviana mpanefohefo, ny mpahay lalàna amerikanina. Inona no nataony? Nakany hetra ny fananana. Rehefa maty, ohatra, ny mpanankarena iray, dia alain’ny fanjakana ny ankabeazan’ny harenany. Milaza ny mpankasitraka fa “lasan’ny vahoaka, ny fananan’ireo fianakaviana andriana mpanefohefo.” Marina angamba izany, nefa nahita tetika maro niarovana ny fananany ny mpanankarena.

Mbola ampiasaina amin’ny asa sosialy maro izao ny hetra, ohatra hoe hiarovana ny tontolo iainana. Hoy ny Gazety Momba ny Tontolo Iainana (anglisy): “Firenena sivy any Eoropa Andrefana izao no nampitombo ny hetra amin’ny fako sy zavatra mandoto, ka nampihena ny hetra amin’ny karama. Mampihena ny fandotoana rivotra izany.” Natao handaminana ny fiaraha-monina koa ilay hoe mitombo arakaraka ny vola miditra ny ampahany aloa amin’ny hetra. Tsy ho lehibe amin’izay, ny elanelana eo amin’ny mahantra sy ny manankarena. Ahenan’ny fanjakana sasany koa ny hetran’ny mpanao asa soa, sy ny an’ny mpivady manan-janaka.

Nahoana ny lalàna momba ny hetra no be tsipiriany?

Alohan’ny hamoahana lalàna momba ny hetra, dia dinihin’ireo mpanao lalàna aloha ny hirika rehetra ahazoan’ny olona miala amin’ilay izy. Vola be mantsy no mety ho very. Inona no vokany? Lasa be tsipiriany sy sarotra ny lalàna momba ny hetra. Nohazavain’ny gazety Ny Fotoana (anglisy) fa be tsipiriany ny lalàna momba ny hetra any Etazonia, satria ‘nofaritana tsara avokoa ny fidiram-bola tsy maintsy andoavan-ketra.’ Be dia be koa ny tsipirian-dalàna momba ny zavatra hafa “ahazoana fampihenan-ketra sy tsy andoavana hetra [afaka haba].” Tsy ny lalàna momba ny hetra any Etazonia ihany akory no be tsipiriany. Misy 9 521 pejy, ireo boky folo vao nivoaka, misy ireo lalàna momba ny hetra any Royaume-Uni.

Hoy ny birao mikaroka momba ny hetra, any amin’ny Oniversiten’i Michigan: “Mandany adiny 3 000 tapitrisa mahery isan-taona, ny mponina any Etazonia, amenoana ireo taratasin-ketra. . . . Efa ho 100 000 tapitrisa dolara isan-taona, ny vola sy fotoana laniny [amenoana ny taratasin-ketra]. Tokotokony ho ny ampahafolon’ny hetra voangona izany. Ny mahatonga izany dia satria sarotra be ny lalàna momba ny hetra.” Hoy i Reuben, ilay noresahintsika tamin’ny lahatsoratra teo aloha: “Nandramako nofenoina ny taratasin-ketrako, nefa nandany fotoana loatra izany ka toy ny hoe vao mainka nitombo ny vola tokony haloako. Manakarama olona mahay kaonty aho izao hanao izany.”—Jereo ny efajoro eo amin’ny pejy faha-8 hoe “Ny Tokony Hatao Rehefa Mandoa Hetra.”

Misy mandoa, misy manao izay tsy andoavana, ary misy mandà tsy handoa

Maro no miaiky tsy fidiny fa ilain’ny fiaraha-monina ny hetra. Hoy ny tale mikarakara ny hetra, any Angletera: “Tsy misy faly mandoa hetra, nefa vitsy no milaza fa tsara raha foanana tanteraka izy io.” Tombanana ho ny 90 isan-jaton’ireo tokony handoa hetra, any Etazonia, no mandoa. Nisy manam-pahefana momba ny hetra nilaza hoe: “Tsy hoe tsy te handoa hetra ny olona sasany, fa be tsipiriany loatra ny lalàna sy ny taratasin-ketra.”

Misy koa anefa mitady hevitra tsy handoavana hetra sasany. Izao, ohatra, no nolazain’ny Vaovaon’i Etazonia & Tatitra Momba An’izao Tontolo Izao (anglisy), momba ny hetra amin’ny tombom-barotry ny orinasa: “Orinasa maro no mitady hevitra tsy handoavana ampahany lehibe amin’ny hetrany na tsy handoavana ilay hetra mihitsy aza. Mitady hevitra hahazoana fampihenan-ketra izy, na manao hafetsifetsena hafa.” Miresaka momba ny iray amin’ireny hafetsifetsena ireny, ny tohin’ilay lahatsoratra. Hoy izy: “Manangana orinasa any amin’ny tany tsy itakiana hetra be ny fikambanana amerikanina, ary asiany sampana any Etazonia izany.” Tsy mandoa hetra amin’ny fanjakana amerikanina izy amin’izay, (izay mety ho tafakatra hatramin’ny 35 isan-jato) nefa “zara raha birao kely fotsiny ilay foibeny.”

Mihabetsaka ihany koa izao ny olona mitsoaka tsy mandoa hetra. Milaza ny tatitra avy amin’ny tany iray any Eoropa, fa lasa toy ny kilalao mihitsy ny fitsoahana hetra. Nisy fanadihadiana natao tamin’ny lehilahy 25 ka hatramin’ny 29 taona, tany Etazonia. Maherin’ny antsasak’izy ireo no nilaza fa tsy ratsy ny mandainga kely amin’ny habetsaky ny vola miditra. Hoy àry ilay mpanao fanadihadiana: “Hita amin’ilay tatitra fa ambany ihany ny toe-tsain’ny fiaraha-monina misy antsika.” Tokotokony ho ny 35 isan-jaton’ny olona tokony handoa hetra koa no tsy mandoa, any Meksika.

Amin’ny ankapobeny àry, dia eken’ny olona fa ilaina ny hetra, ary mandoa ny anjarany izy. Toa marina mihitsy anefa ny nolazain’i Tiberio Kaisara hoe: “Tokony hanety ny volon’ny ondriny ny mpiandry tsara, fa tsy hanendaka ny hodiny.” Ahoana no tokony hiheveranao ny fandoavan-ketra, raha tsapanao fa mavesatra sy tsy rariny ary saro-takarina ny rafitra momba ny hetra?

[Efajoro, pejy 7]

Mieritrereta Tsara vao Mifindra!

Miovaova arakaraka ny tany, ny rafitra momba ny hetra, ary mety tsy hitovy mihitsy aza ny hetra ao amin’ny tany iray ihany. Tsara kokoa ve ny mifindra any amin’ny faritra tsy itakiana hetra lafo be? Angamba. Mieritrereta tsara anefa vao mifindra.

Ampahatsiahivin’ny gazetin’ny OCDE, fa mahatafiditra zavatra hafa koa ny hetra amin’ny vola miditra, ankoatra ny habetsahan’ny vola takina. Hoy izy: “Mampiova ny vola aloa koa ny fampihenan-ketra isan-karazany.” Any amin’ny tany sasany, ohatra, dia mora kokoa ny hetra, nefa “vitsy ny fampihenan-ketra sy ny zavatra tsy andoavan-ketra.” Be kokoa amin’izay ny vola aloa. Lafo kokoa angamba ny hetra any an-tany hafa, nefa maro koa ny fampihenan-ketra sy zavatra tsy andoavan-ketra.

Mahaliana ny olona sasany any Etazonia, ny mifindra any amin’ny fanjakana federaly hafa tsy itakiana hetra amin’ny vola miditra. Tena ahazoana tombony ve anefa izany? Tsia, hoy ny boky iray momba ny toe-karena. Hoy izy: “Nanao fanadihadiana tany amin’ny fanjakana federaly maromaro izahay. Tsy itakiana hetra any ny vola miditra, kanefa matetika no ataony lafo be ny hetra amin’ny fananana sy ny haban-tsena ary ny hetra hafa, mba hamenoana ny tsy ampy.”

[Efajoro, pejy 8]

Ny Tokony Hatao Rehefa Mandoa Hetra

Maro no sahiran-tsaina rehefa mandoa hetra. Nanontany olona za-draharaha momba ny hetra àry ny Mifohaza!, mikasika ny zavatra sasany azo atao.

“Mangataha torohevitra. Tena ilaina io, satria sarotra indraindray ny lalàna momba ny hetra. Matetika koa no tsy ekena ho fialan-tsiny ny tsy fahaizana lalàna. Manome toro lalana tsotra sy mazava matetika ireo tompon’andraikitra momba ny hetra, na dia eritreretina foana aza fa izy ireo no tena fositra. Tian’ny manam-pahefana kokoa raha tonga dia fenoinao tsara ny taratasin-ketranao, toy izay hoe voatery hitory anao izy ireo, satria tsy nahaloa hetra ianao.”

“Manatòna matihanina amin’ny famenoana taratasin-ketra, raha maro ny fidiram-bolanao. Maro amin’izy ireny no tena mieritreritra izay hahasoa anao. Mitandrema anefa, satria tsy vitsy koa ny tsy mitady afa-tsy ny tombontsoany. Manontania olona azonao itokisana na mahafantatra tsara momba ilay raharaha, ary hamarino tsara raha mendri-pitokisana tokoa ilay olona hameno ny taratasin-ketranao.”

“Aza mitaredretra. Henjana indraindray ny sazy, raha tara ny fanaterana ny antontan-taratasy.”

“Ataovy milamina tsara ny antontan-taratasy. Ataovy milamina sy marina foana ny kaonty na inona na inona fomba ampiasainao. Ho kely kokoa ny asanao, rehefa tonga ny fotoana hamenoana ny taratasin-ketra, ary ho vonona tsara koa ianao raha misy fanamarinana ny toe-bola.”

“Manaova ny marina. Mety halaim-panahy handainga kely ianao, mba hahazoana tombony. Manana fomba mandaitra maro hamantarana ny filazana tsy marina anefa, ny manam-pahefana momba ny hetra. Tsara foana ny manao ny marina.”

“Hamarino raha feno tsara ny taratasin-ketra. Ianao ihany no tompon’andraikitra, raha tsy feno araka ny tokony ho izy ny taratasin-ketranao. Hamarino tsara àry raha feno araka ny ilànao azy ilay taratasin-ketra.”

[Sary, pejy 7]

Lafo be ny hetra amin’ny paraky sy sigara ary zava-pisotro misy alkaola, any amin’ny tany maro

[Sary, pejy 8, 9]

Ampiasaina amin-javatra maro mety tsy hoeritreretintsika akory ny vola azo amin’ny hetra