Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

Mahay Fitenin’ny Alika Hoe?

Namorona fitaovana kely afaka mandika ny vovòn’ny alika ho amin’ny fitenin’ny olona ny orinasa japoney iray, mpanamboatra kilalao, araka ny voalazan’ny Fampitam-baovao Japoney. Afatotra eo amin’ny rojo izay eo amin’ny tendan’ilay alika, ilay fitaovana kely misy mikrô tsy misy fil, ary izy io no mampita ny feo amin’ny fitaovana kely hafa mpandray feo. Lazaina fa dinihin’ilay fitaovana ny feon’ilay alika, ary sokajiny ho amin’ireto fihetseham-po enina ireto: kivy, tezitra, sambatra, malahelo, manam-paniriana, ary masiaka. Manana tabilao ilay mpandray feo, ka asehony eo ny dikan’ny vovòn’ilay alika, anisan’izany ny teny toy ny hoe: “Faly be aho izany!”, “Manorisory mihitsy izy izany!”, “Avia moa hilalao miaraka amiko e!” Nilaza ilay orinasa fa nahalafo 300 000 tamin’io fitaovana kely mitentina 100 dolara io ry zareo tany Japon, ary antenainy hahatratra iray tapitrisa izany, rehefa ho tafiditra any Korea Atsimo sy Etazonia ilay izy.

Tsy Atokisana ny Fivavahana

Hoy ny gazety Leipziger Volkszeitung: “Tena matoky ny polisy sy ny tafika ny Alemà, fa tsy matoky ny fivavahana kosa.” Nanao “fanadihadiana momba ny fatokisana” ny mpanatrika ny Fihaonam-be Momba ny Toe-karena Eran-tany, ka izao no hitany: Ny fivavahana no tsy atokisana indrindra tamin’ireo rafitra lehibe 17 natao lisitra. Nilaza i Armin Nassehi, manam-pahaizana momba ny fiaraha-monina, fa atokisan’ny Alemà kokoa, ny rafitra mahay “manavaka ny tsara sy ny ratsy”, toy ny polisy sy ny tafika, satria tena tsy milamina ny tany. Nahoana no tsy atokisana ny fivavahana? Hoy i Nassehi: “Tsy inoan’ny olona hoe hahalamina ny zava-manahirana lehibe ny fivavahana, na dia mihatia an’Andriamanitra aza izy ireo.” Hoy koa izy: “Fombafomba sisa no misy” any amin’ireo fivavahana eto Alemaina.

Zokinjokiny vao Misara-panambadiana

Milaza ny Berliner Morgenpost fa “maro noho ny hatramin’izay ankehitriny ny mpivady efa ela mifampisintaka”, any Alemaina. Antony lehibe mahatonga izany, araka an’i Gina Kästele mpanolo-tsaina momba ny fanambadiana, avy any Munich, Alemaina, dia ny hoe mihamahaleo tena ny vehivavy, indrindra fa eo amin’ny lafiny ara-bola. Hoy koa izy: “Tsy miavaka intsony hoe mpamelona ny lehilahy, satria tsy izy irery no mampidi-bola.” Maro no mihevitra fa zokinjokiny ny mpivady vao misara-panambadiana, satria nahemotr’izy ireo fotsiny ny fisarahany, ka nandrasany hiala tao an-trano aloha ny zanany. Matetika kokoa anefa, hoy i Kästele, no misara-panambadiana ny zokinjokiny, satria mangala-pitia kely any ivelany ny lehilahy.

Ny Herin’ny Tsiky

“Tsy tia miara-miasa amin’olona malahelohelo ny 74 isan-jaton’ireo nanontaniana, ary tsy te hinamana amin’izy ireo ny 69 isan-jatony.” Izany no nolazain’ny gazety Wprost momba ny fanadihadiana nataon’ny Sekoly Momba ny Sosiolojia, any amin’ny Oniversiten’i Jagiellonian, any Cracovie, Polonina. Ny antony iray voalaza fa mahatonga izany, dia hoe matetika ny olona malahelohelo no heverina ho manafin-javatra. Efa ela no nahafantatra izany ireo zatra miseho vahoaka. “Mitsiky [matetika mihitsy àry] ny mpanao politika, mpanao raharaham-barotra, mpihira malaza, mpanolotra ao amin’ny tele, mpiandraikitra ny serasera, ary ny mpivarotra”, hoy ny Wprost. Hitan’ny mpikaroka koa, fa mihabetsaka ny ra tonga any amin’ny atidohantsika, rehefa mitsiky isika, ka manatsara ny toe-pontsika izany. Hoy ny vehivavy mpandraharaha iray: “Miezaka ny hitsiky aho, na dia rehefa tsy te hanao izany aza. Tsapako ho misy zavatra miova ato anatiko rehefa mitsiky aho, ka azoazoko erỳ ny aiko.”

Tandremo ny Afon-dasy

Milaza ny Medical Journal of Australia (MJA) fa “vainafo, fa tsy lelafo no nandoro” ny 70 isan-jato maherin’ireo ankizy main’ny afon-dasy, tany Aostralia. May ny “ampitson’ny namonoana ny afo izay noheverina ho efa maty”, ny ankamaroan’ireo main’ny afon-dasy. Ahoana no mahatonga izany? Hitan’ny mpikaroka fa midina hatramin’ny 16 degre ny hafanan’ny vainafo sy lavenon’ilay afon-dasy, adiny valo atỳ aoriana, raha rano no namonoana azy. Mbola 91 degre kosa ny hafanan’ilay afo, adiny valo atỳ aoriana, raha fasika no namonoana azy, ka ho may be ny hoditra, iray segondra aorian’ny ifampikasohana aminy. Nilaza ny MJA, fa ny “famonoana afo amin’ny rano ihany no tena azo antoka, satria mbola mandoro ihany, ilay afo raha fasika no namonoana azy.”

Tandra Misy Kansera

Tsy misy atahorana ny ankamaroan’ny tandra eo amin’ny hoditra. Tsara anefa ny mailo amin’ireo tandra misy kansera. Tokony hanao fitsirihana ianao, hoy ny gazety Milenio any Meksika, raha miseho ireto famantarana ireto: Tsy mitovy habe amin’ny antsasak’ilay tandra ny antsasany, tapatapaka ny soritra manodidina ilay tandra, miova ny lokony sy ny habeny, mihoatra ny 0,6 santimetatra [haben’ny gaoma eo amin’ny pensilihazo] ny savaivony, mandeha ra na mangidihidy ilay izy. Hoy i Nancy Pulido Díaz, dokotera avy ao amin’ny Foibe Fitsaboana La Raza: “Ny tandra voajanahary sy ny tandra eo amin’ny felatanana ary ny eo amin’ny faladia, no tena tokony hahamailo antsika.”

Mianatra Fiteny Vahiny

Tianao ve ny hianatra fiteny vahiny? Izao no torohevitry ny Poradnik Domowy, gazety poloney: “Tsy maintsy manao fahadisoana ireo mianatra fiteny vahiny. Dingana voalohany ho amin’ny fahombiazana ny fanekena an’io zava-misy io.” Tena ilaina koa ny “fahasahiana.” Rehefa tsy haintsika ny fomba ilazana zavatra, dia “mila matoky izay tonga ao an-tsaintsika isika, na maminavina.” Tsara kokoa izany, noho ny tsy miteny mihitsy. Hoy ilay gazety: “Tsy takatsika matetika fa mety ho ny tahotra na ny henatra, no manahirana antsika. Handroso haingana kokoa àry isika, raha mahavita mandresy ireo fahalemena ireo.” Azon’ny mpampianatra mahay atao koa ny manampy antsika handresy ny tahotra sy handroso haingana kokoa.

‘Olona 1,6 Tapitrisa no Matin’ny Herisetra’

Hoy ny The Wall Street Journal: “Sambany izao ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana no namaritra ny fielezan’ny herisetra. Nolazain’ny tatitra farany navoakany àry, fa olona 1,6 tapitrisa tamin’ny taona 2000 no matin’ny herisetra. Mitovy isa amin’ny matin’ny tioberkilaozy izany, ary betsaka kokoa noho ny matin’ny tazo.” Nangonina avy tamin’ny firenena 70 ny fanazavana iorenan’ilay tombantombana, ary tafiditra amin’izany ny ady, fanafihana, famonoan-tena, ary fifampitifirana. Hoy koa ilay lahatsoratra: “Hitan’ny mpikaroka fa ny herisetra no mahatonga ny 3 isan-jaton’ny fahafatesana eran-tany. Betsaka kokoa noho ny noeritreretiny ny herisetra ampiharina amin’ny vehivavy, ankizy, zokiolona, ary ny fiaraha-monina amin’ny ankapobeny, satria matetika izy ireny no tsy anaovana tatitra.” Izao no itsinjarana ny fahafatesana vokatry ny herisetra: Namono tena: 50 isan-jato, novonoin’olona: 30 isan-jato, matin’ny ady: 20 isan-jato. Any Eoropa Atsinanana no betsaka olona mamono tena indrindra, ka ny Federasionan’i Rosia sy Litoania no voalohany amin’izany. Any Albania kosa no betsaka olona maty voatifitra indrindra, izany hoe 22 isaky ny 100 000. Olona 11,3 isaky ny 100 000 kosa ny any Etazonia, 0,3 any amin’ny Royaume-Uni, ary 0,1 any Japon.

“Fifaninanana” Radio-na Fiara

Iza no manana radio-na fiara maneno mafy kokoa? Nampipoitra fifaninanana vaovao iraisam-pirenena io fanontaniana io, hoy ny National Public Radio, any Etazonia. Misy fitaovana atao ao anatin’ilay fiara, mba handrefesana hoe firy desibela ny hamafin’ilay radio. Tsy refesina ny feo re etỳ ivelany, hany ka manatsara ny fiarany ny mpifaninana mba tsy hisy feo very. Hoy i Wayne Harris, izay anisan’ny mpifaninana: “Mahatratra 7 na 10 santimetatra ny hatevin’ny varavaran-kely eo amin’ny ankamaroan’ny fiara nasiana fanamboarana goavana. . . . Nohamafisina tamin’ny rihitra simenitra sy vy koa ny varavarany.” Tsy mijanona ao anaty fiarany ny mpifaninana rehefa akarina ny feo, ary rariny raha manao izany izy.