Ahoana no Hahaizako Mandaha-teny?
Manontany ny Tanora Hoe . . .
Ahoana no Hahaizako Mandaha-teny?
“Nieritreritra aho hoe tsikaritry ny mpihaino daholo ny diso tamin’izay nolazaiko sady hitany hoe tsy natoky tena aho. Tsy nifantoka tamin’ny famelabelarako aho. Toa nihomehy anakampo no fahitako an-dry zareo.”—Sandy. *
FENO hipoka ny efitrano malalaky ny sekoly. Renao antsoina amin’ny mikrô ny anaranao, ka tampoka eo dia any aminao daholo ny mason’ny olona. Toa tsy mety tapitra ny lalana mankeny amin’ny lampihazo. Tsemboka ny tananao, malemy ny lohalikao, ary toy ny hoe maina be ny tendanao. Tsy tandritandrinao akory, dia iny misy hatsembohana mitete eo amin’ny takolakao. Sadaikatra erỳ ianao! Fantatrao fa tsy hotifirina amin’ny basy ianao, nefa tena toy izany mihitsy no fahatsapanao izay hitranga.
Ekena aloha fa matahotra ny ankamaroantsika raha vao hoe handaha-teny. (Jeremia 1:5, 6) Misy mihitsy aza milaza hoe aleony maty toy izay hanao izany! Na ahoana na ahoana anefa, dia tena tokony ho zava-dehibe aminao ny fahaiza-mandaha-teny. Andeha isika hijery ny anton’izany, sy ny fomba hahaizanao mandaha-teny.
Rahoviana ianao no mety handaha-teny?
“Ny rehetra no mila mahay mandaha-teny”, hoy ny dokam-barotra iray momba ny fianarana mandaha-teny. Midika izany fa mety hasaina hiteny eo anatrehan’ny olona maromaro ianao, na ho ela na ho haingana. Ampirisihina handaha-teny, ohatra, ny mpianatra any amin’ny sekoly maro. Hoy ny tovovavy iray antsoina hoe Tatiana: “Imbetsaka aho no tsy maintsy nanao famelabelarana teo anoloan’ny iray kilasy tamiko.” Tsy maintsy mivonona ny handaha-teny tokoa ny mpianatra matetika. Mety hasaina hanao famelabelaran-kevitra na famintinana boky na famelabelarana ampiasana fitaovana elektronika, ohatra, izy ireo.
Rehefa hiasa indray ianao, dia mety hasaina hampianatra ny mpiara-miasa aminao, handroso soso-kevitra amin’ny mpividy, na hanazava ny toe-bolan’ny orinasa amin’ny komity mpitantan-draharaha. Raha ny marina, dia betsaka ny asa ilana fahaizana mandaha-teny, anisan’izany ny varotra sy ny fanaovan-gazety ary ny fitantanana orinasa. Mety hila ny hahay handaha-teny koa ianao, raha asaina manazava amin’ny olona ny zavatra ataon’ny orinasa iasanao.
Ahoana anefa raha mifidy ny hanao asa tanana na asa birao ianao? Mety hiankina amin’ny fahaizanao miresaka tsara mandritra ny fanadinadinan’ny mpampiasa, no hahatafiditra anao ao amin’ny orinasany. Mety ho tombony ho anao koa ny fahaizana miresaka tsara, rehefa tena tafiditra miasa ianao. Mpandroso sakafo
nandritra ny telo taona, ohatra, i Corrine, rehefa vita ny fianarany. Hoy izy: “Raha mahay miresaka tsara ianao, dia manatsoaka hevitra ny olona hoe matotra kokoa sy mahay mandray andraikitra kokoa ianao. Mety hahazo asa na karama tsara kokoa mihitsy aza ianao, na fara faharatsiny, hohajain’ny olona kokoa.”Mandaha-teny matetika koa ny tanora kristianina, satria anisan’ny zavatra atao ao amin’ny fivavahany izany. (Hebreo 10:23) Hoy i Taneisha: “Tena tokony hazava tsara ny resaka ataonao. Manana tombontsoa manokana hitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra mantsy isika.” (Matio 24:14; 28:19, 20) Tsy maintsy ‘miteny momba izay efa hitany sy reny’ ny tanora kristianina, na eo anivon’ny fiangonana izany, na eny amin’ny fanompoana.—Asan’ny Apostoly 4:20; Hebreo 13:15.
Mahasoa anao amin’ny lafin-javatra maro àry ny fianarana mandaha-teny. Mety mbola hitebiteby ihany anefa ianao, raha vao mieritreritra ny hoe tsy maintsy hiteny eo anatrehan’ny olona maromaro. Misy zavatra azonao atao ve? Eny, misy tokoa.
Reseo ny tahotrao
“Tsy voatery hoe mahay be na tsy misy hokianina ianao, vao azo lazaina hoe mahay mandaha-teny”, hoy ny Dr. Morton Orman, manam-pahaizana momba ny tebiteby sady mpandahateny matihanina. “Ny tena tanjona rehefa mandaha-teny dia ny hilaza zavatra mahasoa ny mpihaino anao.” Midika izany fa tokony hifantoka amin’izay lazainao ianao, fa tsy amin’ny tenanao na ny tebitebinao. Nihevitra ny olona sasany tamin’ny taonjato voalohany, fa tsy tena nahay nandaha-teny ny apostoly Paoly. Nahasoa foana anefa izay nolazainy, ka azo lazaina fa nahay nandaha-teny izy. (2 Korintianina 11:6) Toy izany koa fa hihena ho azy ny tebitebinao, raha milaza zavatra izay tena inoanao fa mahasoa ianao.
Izao no soso-kevitr’i Ron Sathoff, mpandahateny malaza sady mpampianatra mandaha-teny: Aza eritreretina hoe manao lahateny ianao. Eritrereto kosa hoe miresaka ianao. Miezaha àry miresaka amin’ny mpihaino anao, tsy amin’ny fitambarany, fa isam-batan’olona, toy ny fanaonao rehefa miresaka isan’andro. Anehoy “fiheverana manokana” ny mpihaino anao, ary ataovy toy ny fomba fiteninao isan’andro ny firesahanao aminy. (Filipianina 2:3, 4) Ho tony kokoa ianao, rehefa miezaka manao izany.
Mitebiteby koa ny olona matetika, rehefa mieritreritra hoe sao hanao fahadisoana na hotsikerain’ny mpihaino. Mampahatsiahy anefa i Lenny Laskowski, mpandahateny matihanina sady mpampianatra mandaha-teny, fa mazàna ny mpihaino no mijery izay lafin-javatra tsara ao anatin’ny lahateny. “Tiany ho vitanao tsara ny lahateninao”, hoy i Laskowski. Aoka àry ianao hijery lafy tsaran-javatra. Raha azo atao, dia arahabao ny mpanatrika sasany, rehefa tonga. Aza mihevitra azy ireo ho toy ny fahavalonao, fa ho toy ny namanao.
Tadidio koa fa tsy voatery ho ratsy ny mitebiteby. Hoy ny manam-pahaizana iray: “Tsy araka Ohabolana 11:2) Atleta sy mpitendry zavamaneno ary mpilalao sarimihetsika maro no milaza fa te hanatsara kokoa ny zavatra ataony izy ireo, rehefa somary mitebiteby. Marina koa izany raha ny amin’ny mpandahateny.
ny fiheveran’ny ankamaroan’ny olona azy, fa mahasoa ny tebiteby, na ho an’ny tenanao na ho an’ny lahateninao.” Nahoana? Satria matoa ianao somary mitebiteby, dia midika izany fa tsapanao hoe voafetra ihany ny zavatra vitanao. Hanampy anao tsy hatoky tena loatra izany. (Soso-kevitra mba hahombiazana
Nisy tanora kristianina nampihatra ny soso-kevitra etsy ambany sy ny hafa koa, ka lasa mpandahateny za-draharaha sy mahay, any an-tsekoly sy any am-piasana ary eo anivon’ny fiangonany. Jereo raha mety hanampy anao ny sasany amin’ny soso-kevitr’izy ireo.
Jade: “Ataovy amin’ny fomba fiteninao ilay lahateny. Ataovy izay hiekenao fa mahasoa ilay izy. Raha tsapanao mantsy fa zava-dehibe ny lahateninao, dia hahatsapa izany koa ny mpanatrika.”
Rochelle: “Alaiko video aho, rehefa manomana famelabelarana. Hitanao ny fahadisoanao, nefa mahasoa anao izany. Miezaha koa mifidy loha hevitra tianao. Ho hita mandritra ny famelabelaranao ny fitiavanao ilay loha hevitra.”
Margrett: “Hitako hoe tsotra kokoa sady toy ny isan’andro ny fiteniko, rehefa mampiasa drafitra aho, fa tsy manoratra ilay famelabelarana manontolo. Mifoka rivotra tsara koa aho alohan’ny hitenenako, ka manampy ahy ho tony izany.”
Corrine: “Na nilaza zavatra diso aza ianao, dia hihomehezo fotsiny ilay izy. Manao fahadisoana daholo ny olona rehetra. Miezaha fotsiny hanao izay tsara indrindra vitanao.”
Mazava ho azy fa tena mila traikefa sy fanazaran-tena betsaka ianao, toy ny amin’ny fanatanjahan-tena sy ny zavakanto ary ny mozika. Manoro hevitra i Tatiana hoe tsara raha omaninao aloha be ny famelabelaranao, mba hanananao fotoana hamerimberenana azy. Aza mora kivy koa anefa. Hoy i Tatiana: “Arakaraka ny iresahako eo anatrehan’ny olona no mampihena ny tebitebiko.” Misy loharanom-panampiana hafa tsy tokony hohadinoinao anefa, indrindra rehefa asaina mandaha-teny mba hanandratana ny fivavahana marina ianao.
Fanampiana avy amin’ilay Mpampita Hevitra Lehibe
Mbola tsy mpanjakan’ny Israely akory i Davida, fa vao tovolahy, dia efa nalaza sahady ho “mahay mandaha-teny.” (1 Samoela 16:18) Nahoana? Satria niezaka nifandray akaiky tamin’i Jehovah Andriamanitra, ilay Mpampita Hevitra Lehibe, angamba izy, fony izy nandany ora maro niandrasana ondry teny an-kalamanjana. (Salamo 65:2) Nahatonga azy ho sahy sy hahay hiteny mazava tsara ary hahay handresy lahatra izany fifandraisana izany, na dia tamin’ny tarehin-javatra sarotra aza.—1 Samoela 17:34-37, 45-47.
Afaka matoky ianao fa hanampy anao hahay handresy lahatra Andriamanitra mandritra ny fanompoanao azy, toy ny nanampiany an’i Davida. Hanome anao ny “lelan’ny efa mahay” izy. (Isaia 50:4; Matio 10:18-20) Tena hahay handaha-teny ianao, raha manararaotra ireo fanampiana omena anao, mba hanatsaranao azy io dieny izao!
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 3 Novana ny anarana sasany.
[Efajoro, pejy 26]
Ampiofanina mba ho Mpandahateny
Misy fandaharam-pianarana miorina amin’ny Baiboly, antsoina hoe Sekolin’ny Fanompoana, atao isan-kerinandro any amin’ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany. Mandray anjara amin’ny fiaraha-midinika atao any ny mpianatra, sy manao famelabelarana eo anatrehan’ny fiangonana, ary mahazo torohevitra, mba hanampiana azy handroso. Mahomby ve io fandaharana io? Diniho ny zavatra hitan’ny tovolahy iray 19 taona, atao hoe Chris.
Hoy izy: “Tamin’izaho mbola tsy nandray anjara tamin’io sekoly io, dia tsy nahazo aina mihitsy aho, rehefa niaraka tamin’ny olona. Tsy noeritreretiko mihitsy hoe ho vitako izany handaha-teny izany. Nampahery ahy anefa ny olona sasany teo anivon’ny fiangonana. Nilaza izy ireo fa tiany foana ny lahateniko na miakanakana foana aza aho, satria fantatr’izy ireo fa niezaka mafy aho vao nahavita ilay izy. Midera ahy foana koa ry zareo, isaky ny avy manao lahateny aho. Tena nanampy ahy izany.”
Efa dimy taona izao i Chris no nandray anjara tamin’ny Sekolin’ny Fanompoana. Miomana ny hanao ny lahateniny voalohany, maharitra 45 minitra, izy izao. Manararaotra io fandaharana io ve ianao?
[Sary, pejy 24, 25]
Manampy anao eo amin’ny lafiny rehetra amin’ny fiainana ny fahaizana mandaha-teny