Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanomezana Tena Sarobidy ny Ain’i Jesosy

Fanomezana Tena Sarobidy ny Ain’i Jesosy

Fanomezana Tena Sarobidy ny Ain’i Jesosy

Efa ho 2 000 taona lasa izay no nanaovan’Andriamanitra fanomezana tsara indrindra ho an’ny olombelona. Tsy inona izany fa ny ain’i Jesosy Kristy Zanany. Noho izany, dia afaka ny hiaina mandrakizay isika. (Jaona 3:16) Maro no mankasitraka izany, ka nanome ilay boky hoe Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany ho an’ny havany sy ny namany. Miresaka momba ny fiainan’i Jesosy, araka ny itantaran’ny Filazantsara efatra azy, io boky io.

Tsy ela izay, dia nisy lehilahy nilaza fa omeny an’io boky io izay rehetra manoratra ho azy, ka miarahaba azy tratran’ny Krismasy. Mamaly ny taratasin’izy ireo izy, ary manazava fohifohy ny antony tsy ankalazany Krismasy intsony. Mampiasa rakipahalalana sy diksionera ary Baiboly izy amin’izany. Ampiarahiny amin’ilay taratasy ny boky Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany.

Nahazo valiny tena nampahery avy tamin’ny mpampianatra roa eny amin’ny oniversite io lehilahy io. Nilaza ny iray hoe: “Nahazo ilay fanomezana nahafinaritra nataonao izahay indray andro izay, dia ilay boky Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany. Faly erỳ izahay nahazo azy io. Misy lafiny maro be maha tsara an’ilay izy. Efa nampiasainay imbetsaka ny fanazavana ao aminy.”

Resahina ao amin’io boky io ny toritenin’i Jesosy, sy ny fanoharana ary ny fahagagana nataony. Niezahana nalahatra araka ny fotoana nitrangany ny zavatra rehetra tantaraina ao amin’izy io. Ahitana sary tsara tarehy nomanina tamim-pitandremana, mba hampisehoana ny fihetseham-pon’i Jesosy sy ny mpiara-belona taminy koa ao amin’io boky io.

Raha te hanafatra io boky misy pejy 448 io ianao, dia fenoy ilay tapakila ary alefaso any amin’ilay adiresy voalaza eo, na any amin’ny iray amin’ireo adiresy ao amin’ny pejy faha-5 amin’ity gazety ity.

□ Mba andefaso ilay boky hoe Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany aho.

□ Mba andefaso olona aho hampianatra Baiboly ahy maimaim-poana atỳ an-tranoko.