Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fitsidihana Loharano Mafana Eto Japon

Fitsidihana Loharano Mafana Eto Japon

Fitsidihana Loharano Mafana Eto Japon

AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY JAPON

INONA no tonga ao an-tsainao rehefa mieritreritra an’i Japon ianao? Ny Tendrombohitra Fuji manerinerina ve? Fiarandalamby faran’izay haingam-pandeha ve? Ny tanàn-dehiben’i Tokyo ve? Misy toerana hafa manintona mpizaha tany ankoatra an’ireo, eto Japon. An-tapitrisa isan-taona ny olona tonga mitsidika ireo onsen na loharano mafana, mba hahazoana fitsaboana na hialana sasatra fotsiny. Vao tsy ela izay dia notombanana ho 140 tapitrisa, tao anatin’ny herintaona, ny olona nipetraka tany amin’ireo hotely misy loharano mafana teto Japon. Inona no mahatonga ireny toerana ireny ho be mpitia?

Tantaran’ny onsen

Nankafizin’ny Japoney, efa hatramin’ny taonjato maro, ny fandroana amin’ny rano mafana voajanahary. Miresaka momba ny nampiasana azy io, ireo asa soratry ny taona 700. Toa i Takeda Shingen, andriana tamin’ny taonjato faha-16 no nampandroso ny fampiasana azy io, teo amin’ny sehatry ny fitsaboana. Nandeha nandro tany amin’ny loharano mafana, izy sy ny samouraï tafiny, mba hanasitranana fery avy amin’ny sabatra, taolana tapaka, ratra hafa, ary ny mangana. Nanala ny fihenjanan’ireo miaramila ilay rano mafana, sady nanomana azy ireo ho amin’ny ady manaraka.

Mazava ho azy fa ho mora tamin’ny fahavalo ny nanafika tampoka ireo samouraï teo am-pandroana, noho izy ireo tsy nitam-piadiana. Mba handaminana an’io zava-manahirana io àry, dia nampiasa loharano miafina maromaro i Takeda Shingen. Nantsoina hoe fandroana miafin’i Shingen ireny loharano ireny, tatỳ aoriana. Tsara homarihina fa mampiasa ireny loharano ireny koa ankehitriny ny atleta matihanina (anisan’izany ny mpitolona sumo sy ny mpilalao base-ball), satria heveriny fa manatanjaka ny vatany ho amin’ny lalao fanatanjahan-tena ireny rano mafana ireny.

Tany hafakely

Mety tsara amin’ny loharano mafana ny tanin’i Japon. Misy volkano 245 miely eran’ilay vondronosy, ary volkano velona ny 86 aminy. Tena mahatonga anao hieritreritra momba ny zava-mitranga any ambanin’ny tany lalina any, ireny volkano ireny. Inona moa no mitranga any ambanin’ny tany any?

Eo ambonin’ny sosona nofon-tany, izany hoe tany fisaka mifanakaiky, no misy ireo nosin’i Japon. Heverina fa miforona eo amin’ny toerana rehetra ifandonan’ireo tany fisaka lehibe, ny magmà na vato mitsonika. Lavaka mivoha sady eo ambonin’ireny toerana misy vato mitsonika ireny ny volkano. Manjary mafana koa ny loharano avy ao amin’io faritra mafana be io. Lasa onsen àry ny loharano avy any ambanin’ny tany, rehefa mifampikasoka amin’ny magmà ny ranony, ka mihamafana sady mifoka mineraly. Marina ny voalazan’ny boky Ireo Loharano Mafana any Japon (anglisy) hoe: “Tsy misy tany manana loharano mafana voajanahary betsaka kokoa noho i Japon.” Misy loharano mafana 2 839 tokoa eto Japon, araka ny fanadihadiana natao tamin’ny 1998.

Misy karazany, habeny, endriny, ary lokony samy hafa ny loharano mafana eto Japon. Niezahan’ny Fikambanana Japoney Mpiaro ny Tontolo Iainana ny hanasokajy ny vokatra ara-pitsaboana ananan’ny loharano mafana. Nalaminy ho ao anaty sokajy simika sivy àry ireo loharano mafana. Matetika no manondro izay mampiavaka ilay loharano mafana ny anarana nomena azy. Mety hahatonga ny servietanao hanopy mena sy mavo, ohatra, ny loharano mafana be vy. Nampidirina ao amin’ny anarany ary ny teny hoe “mena.” Nantsoina hoe fandroana masira kosa ireo loharano mafana be sira. Ary ahoana raha mba mirotsaka vetivety ao amin’ny fandroana amalona ianao? Tsy manintona anao angamba ilay anarana, nefa aza manahy. Tsy misy amalona akory ao amin’ilay loharano. Nofidina fotsiny io anarana io, satria somary madity toy ny an’io karazana trondro io, ny hoditry ny olona mivoaka avy ao amin’ilay loharano. Be alkalia mantsy ilay rano.

Eo anivon’ny toerana kanto

Tena mahafinaritra sady tsy mora hadinoina izany hoe milona amin’ny ranomafana eo anivon’ny toerana kanto (misy tendrombohitra, lohasaha, renirano, tora-pasika, ary tany lemaka) izany. Mahita tsara ny hakanton’ny natiora ny olona mandro ao, satria any ivelan’ny trano no misy ny ankamaroan’ireo loharano mafana fandroana eto Japon. Ny lanitra manga no tafontrano, ary ny tendrombohitra manodidina no rindrina. Afaka mandre siokam-borona mirindra tsara ianao amin’ny maraina, ao amin’io “efitra ivelany” io. Azonao atao koa ny mihaino ny feon’ny rano mikoriana malefaka. Misy zavatra maro tokoa mampiavaka ireo loharano, ka mahatonga azy io ho tena manintona.

Ho tianao ve ny handro eo amin’ny rian-drano? Afaka hanandrana izany ianao. Manotra anao ny rian-drano, sady anisan’ny mampiavaka ny fandroana Japoney koa izany. Azonao atao koa ny mandro ao anaty lava-bato misy rano mafana sy be mineraly, izay miboiboika avy any anaty vato lalina any. Eny amin’ny tora-pasika no misy ny loharano sasany, ka ahafahana mahita tsara ny masoandro mody. Ny sasany kosa maka toerana tsara eny amoron-drano.

Na aiza na aiza misy ilay loharano mafana fidinao, ary na inona na inona karazan’izy io, dia izao no azo antoka: Ho maivamaivana amin’ny adim-piainana ianao, na dia vetivety ihany aza, raha mandro amin’ny loharano mafana nohafanain’ny volkano. Hahazo famelombelomana ianao rehefa hiala ao, sady mety hahafantatra tsara kokoa ny fomba fiaina japoney. Raha afaka mitsidika an’i Japon àry ianao, dia aza hadinoina mihitsy ny mankafy ny onsen, dia ny loharano mafana japoney!

[Efajoro/Sary, pejy 14]

LOHARANO MAFANA SY IREO SHOGUN

Noheverina ho sarobidy ny ranovisy, nandritra ny vanim-potoana Edo (1603-1867). Nasain’ny miaramila mpanao didy jadona, antsoina hoe Shogun, nolanjaina teo an-tsoroka ny ranovisy natao tao anaty barìka hazo. Lalana mirefy 110 kilaometatra no nitondrana ilay izy, avy tao Atami nankany Edo (Tokyo). Nasiana toerana maromaro teny an-dalana mba hampitana ilay rano sarobidy ho eny an-tsoroky ny mpilanja hafa indray. Nampitampitaina toy izany ny fitaterana ilay rano mba ho tonga haingana. Efa hangotraka mihitsy ilay izy, tamin’ny fotoana nakana azy tao amin’ny loharano mafana. Antonony tsara anefa ny hafanan’izy io, rehefa tonga tany Edo, taorian’ny dia sarotra naharitra 15 ora, ka azon’ilay Shogun natao ny nankafy fandroana namelombelona tao an-dapany!

[Sary nahazoan-dalana]

Tabilao Mandahatra ny Tantaran’i Atami Araka ny Fotoana Nisehoany

[Efajoro/Sary, pejy 16]

Fahalalam-pomba ao Amin’ny Onsen

Araka ny fanao, dia kobanina tsara any ivelan’ilay loharano mafana ny vatana, rehefa avy nohosorana savony sy nosasana. Tonga avy eo, ny fotoana hisitrihana ao anatin’ilay rano madio mangalahala. * Tsara raha miroboka tsikelikely, satria somary mafana ihany ny sasany amin’ireo loharano. Aza kobanina hiala amin’ny vatanao ilay rano be mineraly rehefa hiala ianao, fa faohy amin’ny servieta maina fotsiny. Hanalefaka ny hoditra mantsy, hono, ireo mineraly tafiditra ao aminy.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 22 Mampiavaka ny onsen koa ny fananany toeram-pandroana natokana ho an’ny lehilahy sy natokana ho an’ny vehivavy.

[Sary, pejy 17]

Misokatra mandavantaona ireo loharano mafana

[Sary nahazoan-dalana]

Rian-drano: Yubara, Faritanin’i Okayama; ririnina: Ny Gazety Mainichi

[Sary nahazoan-dalana, pejy 15]

Hakkoda Onsen Yusen