Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Ilain’ny Zaza sy Tiany?

Inona no Ilain’ny Zaza sy Tiany?

Inona no Ilain’ny Zaza sy Tiany?

RAHA vao teraka ny zaza dia efa mila fiahiana sy fitiavana. Tafiditra amin’izany ny safosafo sy ny fifampikasohana ara-batana. Mihevitra ny dokotera sasany fa ireo adiny 12 manaraka ny fahaterahana no tena mavesa-danja indrindra. Milaza izy ireo fa “tsy torimaso na sakafo” no tena ilain’ny zaza sy ny reniny raha vantany vao teraka ny zaza, “fa safosafo sy fifampikasohana ary fifampiresahana.” *

Voajanahary amin’ny ray aman-dreny ny mandray sy mitrotro ny zanany, ary manafosafo sy manambitamby azy. Lasa mifikitra amin’ny ray aman-dreniny, sy mahatsiaro ho voaro kosa ilay zaza ho setrin’izany. Lehibe tokoa ny herin’io firaiketam-po io, ka tsy mitandro hasasarana ny ray aman-dreny fa mikarakara foana an’ilay zanany.

Mety halezolezo kosa ilay zaza ary ho faty mihitsy aza, raha tsy eo io firaiketam-po io. Mihevitra àry ny dokotera sasany, fa tokony homena ny reniny avy hatrany ny zaza, raha vantany vao teraka. Milaza izy ireo fa tokony haharitra antsasak’adiny ka hatramin’ny adiny iray io fiarahana voalohany io, fara fahakeliny.

Maro no milaza fa tena ilaina io fiarahana voalohany io. Mety ho sarotra, na tsy ho azo atao mihitsy anefa izy io, any amin’ny hopitaly sasany. Sarahina amin’ny reniny matetika ny zaza vao teraka, sao hifindran’ny aretina. Asehon’ny zava-misy anefa, fa hihena be ny karazan’areti-mandoza mety hahazo ny zaza vao teraka, raha hajanona eo anilan-dreniny izy. Mihabetsaka àry izao ny hopitaly mamela ny reny hiaraka ela kokoa amin’ny zanany vao teraka.

Matahotra ny tsy hiraiki-po

Tsy miraiki-po avy hatrany amin’ny zanany vao teraka ny reny sasany. Manontany tena àry izy sao hanana olana momba ny firaiketam-po. Tsy ny reny rehetra akory no miraiki-po avy hatrany amin’ny zanany vao teraka. Tsy tokony hampanahy be anefa izany.

Afaka miraiki-po tsikelikely amin’ny zanany ny reny, na dia tsy mahatsapa izany aza izy eo am-boalohany. Hoy ny reny iray: “Tsy misy na inona na inona eo am-piterahana afaka mamaritra mialoha ny ho fifandraisanao amin’ilay zanakao.” Raha bevohoka anefa ianao ka manahy ny amin’izany, dia tsara ny manatona dokotera manam-pahaizana momba ny fiterahana. Hazavao tsara hoe rahoviana sy hafiriana no itiavanao hametrahana an’ilay zaza vao teraka eo akaikinao.

“Mba iresaho moa aho e!”

Toa mora mandray zavatra voafaritra tsara ny sain’ny zaza, mandritra ny fotoana voafetra. Tena mora amin’ny ankizikely, ohatra, ny mianatra fiteny hafa, eny fa na dia fiteny maromaro indray miaraka aza. Toa tapitra anefa ny fotoana ahafahany manao izany, rehefa eo amin’ny fahadimy taonany eo ho eo.

Mety hanjary ho tena sarotra ho an’ny ankizy 12 ka hatramin’ny 14 taona, ny mianatra fiteny hafa. Nilaza i Peter Huttenlocher, manam-pahaizana momba ny sain’ny ankizy, fa izany no mitranga rehefa “mihavitsy sy mihamahalana ny fitohizan-tselan-kozatra, ao amin’ny faritra misy ny fahaizana miteny, ao amin’ny atidoha.” Mandritra ireo dimy taona voalohany àry, no tena mora mianatra fiteny ny zaza!

Tena ilaina ny fahaiza-miteny, mba hitomboan’ny saina. Ahoana àry no ianaran’ny ankizy miteny? Ny fifampiresahany amin’ny ray aman-dreniny no fomba voalohany. Misy akony eo amin’ny zaza ny fandrisihan’ny olon-kafa. Nilaza i Barry Arons, avy amin’ny Sekoly Momba ny Teknolojia any Massachusetts, fa “ianaran’ny zaza . . . ny feon’ny reniny.” Mahaliana anefa fa tsy alainy tahaka avokoa akory ny feo rehetra reny. Nilaza i Arons fa “tsy mandray feon-javatra sendra maneno tampoka, miara-henony amin’ny feon’ny reniny, ny zaza.”

Mitovy daholo ny filanton’ny feon’ny reny rehetra, rehefa miresaka amin-janany kely. Mihamidobodoboka ny fon’ny zaza, rehefa miresaka aminy amim-pitiavana ny ray aman-dreniny, ary lasa mora kokoa aminy, hono, ny mampifandray ny teny reny sy ny zavatra hitany. Tsy miloa-bava akory ilay zaza, nefa toa milaza hoe: “Mba iresaho moa aho e!”

“Mba jereo moa aho e!”

Hita fa miraiki-po amin-dreniny, na amin’izay olon-dehibe mikarakara azy ny zaza, hatreo amin’ny fahaherintaonany eo ho eo. Mivelatra kokoa amin’ny olon-kafa ny zaza nanehoana fitiavana, fa tsy mba toy izany ireo tsy mahazo ny firaiketam-pon’ny ray aman-dreniny. Voalaza fa efa tokony hahatsapa ny firaiketam-pon-dreniny izy, raha vao telo taona.

Tena mora mandray zavatra ny sain’ny zaza mandritra io fotoana io. Inona no mety hitranga raha eo izy no tsy raharahaina? Hoy i Martha Erickson, izay nanao fandinihana nandritra ny 20 taona mahery, tamin’ny reny 267 sy ny zanak’izy ireo: “Hihasimba tsikelikely ny sain’ny zaza, raha tsy raharahaina izy. Tsy te hifandray amin’ny olon-kafa intsony [ilay zaza] amin’ny farany, ary tsy ho liana amin’izay mitranga eo amin’ny manodidina azy intsony izy.”

Niresaka momba ny voka-dratsin’ny tsy firaharahana ny ankizy ny Pr. Bruce Perry, avy amin’ny Hopitalin’ny Ankizy, any Texas. Hoy izy: “Raha mandray zaza enim-bolana isika ka asaina misafidy aho hoe inona no mety kokoa amin’io zaza io: hotapahina daholo ve ny taolany sa tsy horaharahaina mandritra ny roa volana izy, dia aleoko tapahina daholo ny taolany.” Nahoana? Nilaza i Perry fa “mety ho sitrana ihany ny taolana tapaka, fa hikorontan-tsaina mandrakizay kosa ilay ankizy, raha tsy raharahaina mandritra ny roa volana izy, amin’ny fotoana mampisokatra ny sainy.” Misy mieritreritra fa azo sitranina ihany ireny ankizy tsy raharahaina ireny. Asehon’ny fanadihadian’ny manam-pahaizana anefa, fa tena zava-dehibe amin’ny sain’ny ankizy, ny toe-piainana hanjakan’ny fitiavana.

Nilaza ny boky hoe Zaza (anglisy), fa “vonona ho tia sy hotiavina [ny ankizy].” Matetika no mitomany ny zaza, mba hilazana amin’ny ray aman-dreniny hoe: “Mba jereo moa aho e!” Tena tokony hanambitamby azy ny ray aman-dreniny, rehefa mitranga izany. Ho fantatr’ilay zaza, amin’izay, fa afaka mampahafantatra izay ilainy izy. Mianatra mifandray amin’ny olon-kafa izy rehefa manao izany.

‘Sao ampihantaiko loatra àry ity zaza ity’

Mety hihanta loatra ve ilay zaza, raha raisinao foana izy isaky ny mitomany? Mety ho izany. Tsy mitovy hevitra avokoa ny olona, momba io lafiny io. Ny ray aman-dreny no mahafantatra ny karazana fitaizana mandaitra amin’ny zanany, satria samy manana ny toetrany ny ankizy. Hita tamin’ny fikarohana vao haingana anefa, fa mamokatra karazana hormonina mampikorontana ny sainy ny zaza rehefa tezitra, na tsy mahazo aina, na sorena. Mitomany izy mba hampisehoana izany. Rehefa manome izay ilainy, hono, ny ray aman-dreniny amin’izay, dia mianatra mampitony ny sainy ilay zaza. Nilaza koa ny Pr. Megan Gunnar, fa raha tambatambazana avy hatrany ny zaza rehefa mitomany, dia ho kely kokoa ny hormonina mampikorotan-saina vokarin’ny vatany. Ho hainy àry ny hitony haingana, rehefa sorena izy.

Nilaza i Martha Erickson fa ‘tsy be konetaka loatra ny ankizy zatra tambitamby, raha oharina amin’ireo navela hitomany lava, indrindra teo anelanelan’ny faha-6 sy ny faha-8 volany.’ Tsara koa raha ovaovana ny fomba hanambatambazana azy. Mety hihanta tokoa ny zaza, raha fahananao na raisinao foana izy isaky ny mitomany. Mety ho ampy indraindray ny miteny fotsiny, mba ho fantany fa henonao ny tomaniny. Afaka mibitsika aminy amin’ny feo malefaka koa ianao, na manafosafo ny lamosiny na ny kibony.

Fitenin’ny olona any Azia atsinanana ny hoe: “Ny mitomany no asan’ny zaza.” Mitomany ny zaza matetika, mba hilazana ny zavatra tiany. Inona no ho tsapanao raha tsy raharahaina foana ianao isaky ny mangataka zavatra? Ary raha ny zazakely, izay tsy maintsy mila ny fanampian’ny olon-dehibe no tsy raharahaina foana, inona no ho tsapany? Iza anefa no tokony hikarakara ilay zaza?

Iza no hikarakara ilay zaza?

Hita tamin’ny fanisam-bahoaka natao vao haingana tany Etazonia, fa maherin’ny antsasaky ny zaza latsaka ny sivy taona, no tezain’ny olon-kafa ankoatra ny ray aman-dreniny. Ray aman-dreny maro no tsy maintsy samy miasa, mba hameloman-tena. Mahazo herinandro na volana vitsivitsy tsy hiasana koa indraindray, ny renim-pianakaviana vao tera-bao. Iza anefa no hikarakara ilay zaza rehefa hiverina hiasa izy?

Tsy misy fitsipika hentitra momba izany. Tsara fotsiny ny mitadidy fa mbola marefo ny zaza, mandritra io fotoana eo amin’ny fiainany io, ka mila tandremana fatratra. Tokony samy hieritreritra izany amim-pitandremana ny ray aman-dreny. Tokony hodinihina mialoha anefa ny lafin-javatra rehetra, vao manapa-kevitra ny amin’izay hatao.

Hoy ny Dr. Joseph Zanga, avy amin’ny Akademia Amerikanina Momba ny Aretin’ankizy: “Lasa azo antoka kokoa izao, fa tsy mahasolo ny fotoana ilain’ny zanaka iarahana amin’ny ray aman-dreniny mihitsy ny fandaharam-panabeazana hafa, na dia tsara toy inona aza.” Mampanahy ny manam-pahaizana sasany ny mahita fa tsy ampy an’ireo zaza mihitsy ny fifandraisan’ny mpanabe sy ny ankizy, any amin’ny toerana fitaizan-jaza.

Tsapan’ny reny sasany fa mila fikarakarana manokana ny zanany kely. Miala amin’ny asany àry izy ary mijanona ao an-trano, mba ho izy mihitsy no handray an-tanana ny fanolokoloana ny fihetseham-pon’ny zanany. Hoy ny reny iray: “Afa-po aho, ary tena inoako fa tsy misy asa hafa mahafa-po toa an’io.” Tsy ny reny rehetra anefa no afaka manao izany, satria sarotra ny fiainana. Manakarama mpitaiza ihany ny ray aman-dreny sasany, saingy miezaka hampiseho fiheverana sy fitiavana bebe kokoa amin’ilay zanany izy, rehefa miaraka aminy. Maro koa ny ray na reny tokan-tena sady miasa, no tsy manan-tsafidy firy amin’io lafiny io. Miezaka mafy hitaiza ny zanany anefa izy ireo, ary mitondra vokatra tsara izany.

Afaka ny ho asa mahafinaritra sy tena mahaliana ny fitaizan-janaka. Sarotra sy mandreraka anefa izy io. Ahoana àry no hahombiazanao?

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 2 Misy hevitra avy amin’ny manam-pahaizana maro momba ny fikarakarana ny ankizy ireo lahatsoratra mifampitohy ato amin’ity Mifohaza! ity. Hita mantsy fa tena hahalalana zavatra izany, sady hahasoa ny ray aman-dreny. Mety hiova arakaraka ny fandehan’ny fotoana anefa ireny hevitra ireny, tsy toy ireo fitsipika ara-baiboly, aseho mazava ato amin’ny Mifohaza!

[Efajoro/Sary, pejy 6]

Zazakely Mangina

Milaza ny dokotera sasany any Japon, fa mihabetsaka ny zaza sady tsy mitomany no tsy mitsiky. Zazakely mangina no iantsoan’ny Dr. Satoshi Yanagisawa azy ireny. Nahoana no tsy mampiseho ny fihetseham-pony intsony ny zaza? Milaza ny dokotera fa tsy ampy ny fifandraisan’ilay zaza amin’ny ray aman-dreniny. Tsy afa-manoatra ilay zaza amin’izay. Misy koa milaza fa tsy hampiseho ny fihetseham-pony intsony ny zaza, raha tsy raharahaina na adika vilana foana ny fihetsiny.

Nilaza ny Dr. Bruce Perry, lehiben’ny fitsaboana aretin-tsaina ao amin’ny Hopitalin’ny Ankizy, any Texas, fa ilaina ny mandrisika ny zaza, amin’ny fotoana mampisokatra ny sainy. Raha tsy izany, dia hisy akony amin’ny sainy izany, ka mety tsy hahay hahatakatra ny fihetseham-pon’ny hafa izy rehefa lehibe. Mety tsy ho sitrana intsony izy, raha tena tsy raharahaina mihitsy. Mihevitra koa ny Dr. Perry fa anisan’ny mahatonga ny tanora sasany himamo sy hifoka rongony ary hahery setra ny tsy firaharahana azy tamin’ny mbola kely.

[Sary, pejy 7]

Mihamafy ny firaiketam-pon’ny reny sy ny zanany kely, raha mifandray akaiky izy ireo