Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Mason’ny Voromahery

Ny Mason’ny Voromahery

Ny Mason’ny Voromahery

AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY ESPAINA

LAZAIN’NY Espaniola ho manana masom-boromahery ny olona matsilo maso (vista de águila). Manana teny mitovy amin’io koa ny Alemà (Adlerauge). Misy antony matoa natao oha-teny efa hatramin’ny an-jato taona ny hatsilon’ny masom-boromahery. Hoy i Joba momba ny voromahery, tokony ho telo arivo taona lasa izay: “Mahatsinjo lavitra ny masony.”​—Joba 39:27, 29.

Afaka mahita hatraiza marina ny voromahery? Hoy ny Boky Guinness Momba ny Zavatra Miavaka Indrindra Vitan’ny Biby (anglisy): “Afaka mahatsikaritra bitro sendra mihetsika erỳ amin’ny roa kilaometatra, ny voromahery volombolamena (Aquila chrysaetos) raha mazava tsara ny fahitana.” Misy aza milaza fa mahita lavitra noho izany ny voromahery!

Nahoana ny voromahery no mahita lavitra be toy izany? Voalohany aloha, tena be maso ny voromahery volombolamena ka ny masony no tena miharihary eo amin’ny lohany. Milaza ny Boky Momba ny Vorona any Grande-Bretagne (anglisy) fa ‘be maso be ny voromahery volombolamena, ka raha ny marina dia efa mahatratra ny fetra farany amin’ny mety aminy izany. Tsy manavesatra azy loatra anefa ny masony ka afaka manidina ara-dalàna ihany izy.’

Ambonin’izany, avo dimy heny ny fahitan’ny voromahery, raha oharina amin’ny fahitantsika. Sahabo ho 1 000 000 isaky ny milimetatra tora-droa mantsy ny habetsaky ny sela mpandray hazavana ao amin’ny masony, raha 200 000 ny an’ny olombelona. Saika mifandray amin’ny selan-kozatra avokoa ireo sela ireo. Koa avo roa heny noho ny an’ny olombelona àry ny isan’ny tsiratsiraka ao amin’ny masom-boromahery (ny tsiratsiraka no mitatitra izay hitan’ny maso ho any amin’ny atidoha). Tsy mahagaga raha tena mora mahita loko izy! Farany, matsilo be ny mason’ny vorona mpihaza, toy ny an’ny vorona hafa koa, ka afaka mijery akaiky kely izy, ary afaka mijery lavitra be tampoka. Mbola tsara lavitra noho ny antsika koa ny masony amin’io lafiny io.

Tena matsilo maso ny voromahery mandritra ny andro, fa ny vorondolo kosa no tena mahita amin’ny alina. Manana mena-kolatrolamaso betsaka koa ny vorondolo, sady be voamaso. Avo zato heny noho ny fahitantsika àry ny fahitany amin’ny alina. Tsy maintsy miantehitra amin’ny sofiny matsilo anefa izy mba hihazana, rehefa sendra haizina mikitroka.

Iza no nanome izany rehetra izany an’ireny vorona ireny? Nanontany an’i Joba Andriamanitra hoe: “Noho ny didinao va no iakaran’ny voromahery?” Mazava ho azy fa tsy misy olombelona afaka hilaza hoe izy no nahary ny zava-mahatalanjona toy izany. Nanetry tena i Joba ka nilaza hoe: “Fantatro fa hainao [Jehovah] avokoa ny zavatra rehetra.” (Joba 39:27; 42:1, 2) Vao iray monja amin’ireo zavatra mampiharihary ny fahendren’ny Mpamorona, ny mason’ny voromahery.

[Sary, pejy 18]

Voromahery volombolamena

[Sary, pejy 18]

Vorondolo fotsy