Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Resaka Fitafiana sy Taovolo no Tsy Nampandroso Ahy

Resaka Fitafiana sy Taovolo no Tsy Nampandroso Ahy

Resaka Fitafiana sy Taovolo no Tsy Nampandroso Ahy

NOTANTARAIN’I EILEEN BRUMBAUGH

NOTEZAINA tao amin’ny fivavahan’ny Mpirahalahy Batista Alemà, izay mitana ny foto-pinoana tany am-boalohany, aho. Mitovitovy amin’ny fivavahana Amish sy Mennonite izy io, ary nanomboka tany Alemaina tamin’ny 1708. Izy io dia anisan’ny ezaka natao hitarihana ny olona ho tia fivavahana indray. Milaza ny Rakipahalalana Momba ny Fivavahana (anglisy) fa nampiavaka izany ezaka izany “ny finoana fa ilain’ny olombelona ny filazantsara momba an’i Kristy.” Izany fomba fijery izany no nampahomby ny asa misionera nataon’ny Mpirahalahy Batista tany amin’ny firenena maro.

Nisy vitsivitsy tamin’izy ireo tonga tany Pennsylvanie, eto Etazonia, tamin’ny 1719, ary notarihin’i Alexander Mack. Nisaratsaraka izy ireo avy eo, ka nahaforona antokom-pivavahana, izay samy nanana ny fomba nanazavany ny fampianaran’i Alexander Mack. Nisy olona 50 teo ho eo, teo anivon’ilay fiangonana kelinay. Noantitranterina ny famakiana Baiboly sy ny fanarahana akaiky ny fanapahan-kevitry ny mpiangona.

Nanaraka izany finoana sy fomba fiaina izany hatry ny ela izahay mianakavy, efa hatramin’ny raibe sy renibenay. Nanomboka nanaraka io fivavahana io sy natao batisa aho, tamin’izaho 13 taona. Nampianarina ahy fa ratsy ny manana na mampiasa fiara, na traktera, na telefaonina, ary na dia radio sy milina hafa mandeha amin’ny herinaratra aza. Nanao fitafiana tsotra ny vehivavy, ary tsy mba nanapa-bolo izahay, sady nisaron-doha foana. Ny lehilahy indray nanao volombava. Ny dikan’ny hoe tsy anisan’izao tontolo izao, araka ny hevitray, dia hoe tsy manao fitafiana maoderina, na makiazy, na firavaka. Nino mantsy izahay fa ny mpiavonavona no manao an’ireo, ary fahotana ny avonavona.

Nampianarina hanaja fatratra ny Baiboly izahay, ary io no sakafonay ara-panahy. Nivory tao amin’ny efitra fandraisam-bahiny izahay isa-maraina talohan’ny sakafo, ary niara-nihaino an’i Dada namaky sy nanazava toko iray tao amin’ny Baiboly. Nandohalika daholo izahay avy eo, rehefa nivavaka izy. Namerina ilay Vavaka Nampianarin’ny Tompo i Neny taorian’izay. Tsy andriko foana ny hanaovana an’io fanompoam-pivavahana amin’ny maraina io, satria niara-nifantoka tamin’ny zavatra ara-panahy izahay rehetra tamin’izay.

Nipetraka tany amin’ny toeram-pambolena iray tany akaikin’i Delphi, any Indiana, izahay ary namboly legioma isan-karazany. Notaterinay nankany an-tanàna tamin’ny voatiry ny vokatra, ary namidinay teny an-tsisin-dalana na isan-trano. Noraisinay ho anisan’ny fanompoana an’Andriamanitra ny asa mafy, ka nifantoka tamin’izany izahay, afa-tsy ny alahady. Tsy nahazo nanao asa mafy mantsy izahay tamin’io andro io. Variana be tamin’ny fambolena anefa izahay indraindray, ka lasa sarotra ny nifantoka tamin’ny zavatra ara-panahy.

Fanambadiana sy fianakaviana

Nanambady an’i James mpiara-mivavaka taminay aho tamin’ny 1963, rehefa 17 taona. Efa hatramin’ny ray aman-drenin’ny raibeny no tao amin’ny Mpirahalahy Batista. Samy naniry mafy hanompo an’Andriamanitra izahay, sady nino fa ny fivavahanay ihany no marina.

Enina ny zanakay tamin’ny 1975, ary teraka tamin’ny 1983 ny fahafito sady farany. Vavy tokana i Rebecca, zanakay faharoa. Niasa mafy sy tsy nandany vola firy ary tso-piaina izahay. Niezaka izahay nampianatra ny zanakay ireo toro lalan’ny Baiboly, izay nampianarin’ny ray aman-dreninay sy ny mpiara-mivavaka taminay.

Zava-dehibe tamin’ny Mpirahalahy Batista ny fitafiana sy ny taovolo. Koa satria tsy misy afaka mahita ny ao am-po, dia noheverinay fa mampiseho ny maha izy ny olona ny fomba fiakanjony. Noheverinay ho miavonavona àry ny mpikambana iray, izay nanamboatra be loatra ny volony. Raha lehibe loatra ny sary amin’ny akanjo tsotra nanaovanay, dia fanehoana avonavona koa izany. Toa izany aza no tena nifantohanay fa tsy ny Soratra Masina.

Naiditra am-ponja

Notezaina tao amin’ny fivavahan’ny Mpirahalahy Batista koa i Jesse, rahalahin’ny vadiko. Nogadraina izy tamin’ny faramparan’ireo taona 1960, satria tsy nety nanao raharaha miaramila. Tany izy dia nifankahita tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah, izay mihevitra koa fa tsy mifanaraka amin’ny toro lalan’ny Baiboly ny fandraisana anjara amin’ny ady. (Isaia 2:4; Matio 26:52) Imbetsaka i Jesse no niara-nidinika ny Baiboly tamin’izy ireo, sady nandinika ny toetra tsarany. Natao batisa ary lasa Vavolombelon’i Jehovah izy, rehefa avy nandalina tsara ny Baiboly. Tena tsy faly tamin’izany izahay.

Noresahin’i Jesse tamin’ny vadiko izay nianarany. Nataony koa izay hahazoany tsy tapaka ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! Nihaliana kokoa tamin’ny Baiboly i James, rehefa namaky ireny gazety ireny. Efa naniry hanompo an’Andriamanitra foana izy, nefa nahatsiaro ho lavitra azy. Tena nahaliana azy àry izay rehetra mety hanampy azy hanatona bebe kokoa an’Andriamanitra.

Nampirisika anay ny mpitandrina tao aminay, mba hamaky ny bokim-pivavahan’ny Amish sy ny Mennonites ary ny an’ny fivavahana batista hafa, na dia noheverinay ho anisan’izao tontolo izao aza izy. Faran’izay tsy tia ny Vavolombelona anefa ny raiko. Nihevitra izy fa tsy tokony hamaky Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! mihitsy izahay. Tena nanahy mafy àry aho rehefa nahita an’i James namaky azy ireny. Natahotra aho sao hanaraka fampianaran-diso izy.

Efa ela anefa i James no nisalasala momba ny zavatra sasany inoan’ny Mpirahalahy Batista, izay hitany hoe mifanohitra amin’ny Baiboly, indrindra ny fampianarana hoe fahotana ny miasa mafy ny alahady. Nampianarin’izy ireo, ohatra, fa azo atao ny mampisotro rano ny biby rehefa alahady, fa tsy azo atao kosa ny manongotra ahidratsy na dia iray aza. Tsy afaka nampiseho ny anton’io lalàna io tao amin’ny Soratra Masina ireo mpitandrina. Nanomboka nisalasala momba ireny fampianarana ireny koa àry aho.

Sarotra taminay ny niala tamin’ny Mpirahalahy Batista. Efa hatramin’ny ela mantsy izahay no nihevitra fa io no fiangonan’Andriamanitra, ary fantatray izay mety hanjo anay raha mandao azy io izahay. Tsy namela anay hijanona tao amin’ny fivavahana tsy manaraka tanteraka ny Baiboly intsony anefa ny feon’ny fieritreretanay. Nanoratra taratasy nanazava ny antony nialanay àry izahay tamin’ny 1983, ary nangataka ny hamakiana izany tamin’ny fiangonana. Noroahina izahay avy eo.

Fitadiavana ny fivavahana marina

Nanomboka nitady ny fivavahana marina izahay avy eo, dia fivavahana ahitana mpivavaka manatanteraka izay ampianariny ny hafa. Nailikay daholo aloha izay fivavahana nandray anjara tamin’ny ady. Fivavahana “tsotra” ihany anefa no nahasarika anay, satria nihevitra izahay fa ny fomba fiaina sy fitafy tsotra no amantarana fa tsy anisan’izao tontolo izao ny fivavahana iray. Naka fotoana nitetezana an’i Etazonia izahay nanomboka tamin’ny 1983 ka hatramin’ny 1985, mba handinihana ny fivavahana, toy ny Mennonites, ny Quakers, ary ny fivavahana “tsotra” hafa.

Tonga nitsidika anay tany amin’ny toeram-pambolenay, tany akaikin’i Camden, any Indiana, ny Vavolombelon’i Jehovah, nandritra izany fotoana izany. Nihaino azy ireo izahay, ary nangataka ny tsy hampiasana afa-tsy ny Baiboly Dikan-tenin’ny Mpanjaka Jacques. Nanaja ny hevitra ijoroan’ny Vavolombelon’i Jehovah momba ny ady aho. Sarotra tamiko anefa ny nihaino azy ireo, satria nihevitra aho fa noho izy ireo tsy nanao fitafiana tsotra, mba ho tafasaraka amin’izao tontolo izao, dia tsy ny fivavahan’izy ireo no marina. Nihevitra aho fa ny avonavona no nahatonga ny olona hanao fitafiana hafa noho ny anay. Nino koa aho fa nahatonga ny olona hiavonavona ny fananana.

Nanomboka nankany amin’ny Efitrano Fanjakanan’ny Vavolombelon’i Jehovah i James, ary nentiny niaraka taminy ny zanakay lahy sasany. Tezitra be aho tamin’izay. Nampirisihiny hiaraka taminy aho, nefa tsy nandeha. Hoy izy indray andro: “Na dia tsy hanaraka ny fampianarany rehetra aza ianao, dia tongava ihany mijery ny fomba fifampitondrany.” Izany fifampitondrany izany no nampiaiky azy.

Nanapa-kevitra ny handeha ihany aho tamin’ny farany, nefa nitandrintandrina be. Nanao fitafiana tsotra sy saron-doha aho, rehefa nankany amin’ny Efitrano Fanjakana. Tsy nikiraro ny zanakay lahy sasany ary tsotra koa ny akanjony. Nanatona anay anefa ireo Vavolombelona ary nitondra anay tamim-pitiavana. Hoy aho anakampo: ‘Tsy mitovy amin’izy ireo izahay, nefa raisiny tsara.’

Nampiaiky ahy ny fitiavana nasehon’izy ireo, saingy mbola tapa-kevitra ny hijery fotsiny aho. Tsy nitsangana aho na nihira, rehefa nihira izy ireo. Rehefa nirava, dia nametrahako fanontaniana be dia be izy ireo, momba izay noheveriko fa tsy mety ataony, na ny hevitry ny andinin-teny sasany. Faly niresaka tamiko daholo ny olona nanontaniako, na dia somary nivantambantam-piteny aza aho. Nametraka fanontaniana nitovy tamin’ny olona samy hafa aho, nefa nifanaraka tsara ny valin-teny azoko, ary nampiaiky ahy koa izany. Nosoratan’izy ireo tamin’ny taratasy ny valin-teniny indraindray, ary tena nanampy ahy izany, satria afaka nandinika azy ireny indray aho tatỳ aoriana.

Nandeha nanatrika ny fivoriamben’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Memphis, any Tennessee, izahay mianakavy tamin’ny 1985, mba hijery fotsiny. Mbola nisy volombava i James ary mbola nanao fitafiana tsotra izahay. Nahalana vao tsy nisy olona nifampiresaka taminay nandritra ny fiatoana. Nanintona anay ny fanehoan’izy ireo fitiavana sy fiheverana, ary ny fanekeny anay. Nampiaiky anay koa ny firaisan-tsain’izy ireo. Nitovy foana mantsy ny zavatra nampianarina, na taiza na taiza izahay no nivory.

Nanohina an’i James ny fiahian’ireo Vavolombelona azy, ka nanaiky hianatra Baiboly izy. Nodinihiny tsara ny zavatra rehetra, satria tiany ho azo antoka izay nianarany. (Asan’ny Apostoly 17:11; 1 Tesalonianina 5:21) Rehefa nandeha ny fotoana, dia niaiky i James fa nahita ny fahamarinana izy. Izaho kosa anefa very hevitra. Te hanao ny marina aho, nefa tsy te ho “lasa maoderina” sy hoheverina ho “mpanaraka an’izao tontolo izao.” Rehefa nanaiky hianatra Baiboly voalohany aho, dia napetrako teo amin’ny lohaliko anankiray ny Baiboly Dikan-tenin’ny Mpanjaka Jacques, ary teo amin’ny ilany ny Baiboly Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao, izay vao haingana kokoa. Samy nojereko tamin’ireo Baiboly roa ireo ny andinin-teny tsirairay, mba hahazoako antoka fa tsy nofitahina aho.

Ny nandresy lahatra ahy

Rehefa niara-nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelona izahay, dia hitanay fa Andriamanitra iray ihany ilay Raintsika any an-danitra, fa tsy telo izay iray akory, ary tsy manana fanahy tsy mety maty isika. (Deoteronomia 6:4; 1 Korintianina 8:5, 6) Nianaranay koa fa tsy toerana fijalijaliana ny afobe, fa ny fasan’ny olona rehetra. (Joba 14:13; Salamo 16:10; Mpitoriteny 9:5, 10; Asan’ny Apostoly 2:31) Dingana lehibe teo amin’ny fandrosoanay ny fianarana ny marina momba ny afobe, satria tsy nifanaraka momba ny hevitr’izy io mihitsy ny Mpirahalahy Batista.

Mbola nanontany tena ihany anefa aho hoe ahoana no maha fivavahana marina ny Vavolombelona, nefa tao an-tsaiko dia mbola anisan’izao tontolo izao izy ireo. Tsy nanana ilay fiainana “tsotra”, izay noheveriko ho tena zava-dehibe izy ireo. Tsapako koa anefa fa manatanteraka ny didin’i Jesosy mba hitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana amin’ny olona rehetra izy ireo. Tena sahiran-tsaina aho tamin’izany!​—Matio 24:14; 28:19, 20.

Nanampy ahy hanadihady hatrany nandritra izany fotoan-tsarotra izany ny fitiavan’ireo Vavolombelona. Niahy ny fianakavianay ny fiangonana manontolo. Tonga nitsidika anay ny sasany, ary ny hividy ronono sy atody indraindray no nataony anton-dia mba hitsidihana anay. Nanomboka tsapanay àry fa olona tena mahafinaritra izy ireo. Tsy nanakana azy ireo hitsidika anay ny fahalalana fa misy Vavolombelona nampianatra anay. Tonga foana kosa izy ireo rehefa sendra nandalo teny akaikinay. Tena nilainay izany mba hahafantarana ireo Vavolombelona, ary nankasitrahanay ny fiahiana sy ny fitiavan’izy ireo.

Tsy ireo Vavolombelona teo anivon’ilay fiangonana teo akaiky anay indrindra ihany no niahy anay toy izany. Tonga nitsidika ahy koa i Kay Briggs, Vavolombelona avy tamin’ny fiangonana tsy lavitra teo, raha mbola sahiran-tsaina momba ny fitafiana sy ny taovolo aho. Nifidy ny hanao fitafiana tsotra izy ary tsy nanao makiazy. Nahazo aina aho niaraka taminy, ary tsy sadaikatra rehefa niresaka. Nitsidika ahy koa i Lewis Flora indray andro. Notezaina tao amin’ny fivavahana “tsotra” koa izy. Hitany teo amin’ny endriko fa tena very hevitra aho, ka nandefasany taratasy nisy pejy 10 aho hampitonena ny adin-tsaiko. Nanohina ahy ny hatsaram-panahiny ka latsa-dranomaso aho, ary namerimberina namaky ny taratasiny.

Nasaiko nohazavain’ny Anadahy O’Dell, mpiandraikitra mpitety faritany, tamiko ny Isaia 3:18-23 sy ny 1 Petera 3:3, 4. “Tsy mampiseho ve ireo andinin-teny ireo fa tena ilaina ny manao fitafiana tsotra mba hampifaliana an’Andriamanitra?”, hoy aho. Nampisaintsaina ahy izy hoe: “Misy maha ratsy ny manao saron-doha ve? Ratsy ve ny mandrandrana volo?” Ao amin’ny Mpirahalahy Batista, dia mandrandrana ny volon’ny ankizivavy kely izahay, ary manao saron-doha ny vehivavy. Tsapako tamin’izany fa tsy nanaraka tanteraka izay lazain’ny Baiboly izahay. Nampiaiky ahy koa ny faharetana sy ny hatsaram-panahin’ilay mpiandraikitra mpitety faritany.

Resy lahatra tsikelikely aho, nefa mbola nisy zavatra tena nanelingelina ahy, dia ny vehivavy nanapa-bolo. Nampisaintsaina ahy ireo anti-panahy kristianina fa mety ho voafetra ihany ny fanirin’ny volon’ny vehivavy sasany, fa ny hafa kosa mety ho lava volo be. Midika ve izany fa tsara kokoa noho ny an’ny hafa ny volon’ny vehivavy sasany eo imason’Andriamanitra? Nanampy ahy koa izy ireo hahatakatra fa miankina amin’ny feon’ny fieritreretana ny fitafiana sy taovolo, ary nomeny fanazavana an-tsoratra aho hodinihiko tany an-trano.

Mampihatra izay nianaranay izahay

Nitady vokatra tsara izahay ka nahita. Hoy i Jesosy: “Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro ianareo raha mifankatia.” (Jaona 13:35) Niaiky izahay fa maneho ny tena fitiavana ny Vavolombelon’i Jehovah. Sahiran-tsaina anefa i Nathan sy Rebecca, zanakay roa voalohany, tamin’ireny fotoana ireny, satria efa nanaiky ny fivavahan’ny Mpirahalahy Batista izy ary natao batisa tany. Tatỳ aoriana anefa, dia nanohina azy ireo ny fahamarinana ara-baiboly nampitainay taminy, sy ny fitiavana nasehon’ireo Vavolombelona.

Naniry hihavana tamin’Andriamanitra foana, ohatra, i Rebecca. Mora kokoa taminy ny nivavaka tamin’Andriamanitra rehefa fantany fa tsy mandahatra izay hataon’ny olona na ny hoavin’izy ireo izy. Nahatsiaro ho akaiky azy koa izy rehefa nahafantatra fa tsy anisan’ny Andriamanitra telo izay iray mifono zava-miafina izy, fa tena misy sy azony tahafina kosa. (Efesianina 5:1) Faly koa izy satria tsy voatery nanaraka ny fiteny tranainy be ao amin’ny Baiboly Dikan-tenin’ny Mpanjaka Jacques, rehefa miresaka aminy. Nahatsiaro ho akaiky kokoa ny Mpamorona azy izy, rehefa nahafantatra izay takiny momba ny vavaka, sy ny fikasany hametraka ny olombelona ao amin’ny paradisa eto an-tany, mba hiainany ao mandrakizay.​—Salamo 37:29; Apokalypsy 21:3, 4.

Tombontsoa ankafizinay rehetra

Teo antenatenan’ny taona 1987, dia natao batisa ary lasa Vavolombelon’i Jehovah izaho sy James ary ny zanakay dimy voalohany, dia i Nathan, Rebecca, George, Daniel, ary i John. Tamin’ny 1989 i Harley no natao batisa, ary i Simon tamin’ny 1994. Be zotom-po hatrany izahay rehetra manao ilay asa nanirahan’i Jesosy Kristy ny mpianany, dia ny fitoriana ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra.

Efa samy niasa tao amin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah eto Etazonia daholo ny zanakay dimy mirahalahy, izany hoe i Nathan, George, Daniel, John, sy Harley. Toy izany koa i Rebecca zanakay vavy. Efa 14 taona no naha tany an’i George, ary mbola any izy izao. Vao haingana koa i Simon no lasa anisan’ny mpianakavin’ny Betela, rehefa nahavita ny fianarany tamin’ny 2001. Anti-panahy na mpanampy amin’ny fanompoana ao amin’ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny zanakay lahy rehetra. Anti-panahy ao amin’ny fiangonana Thayer, eto Missouri, ny vadiko, ary be atao eo amin’ny fanompoana foana aho.

Manan-jafikely telo izahay izao, dia i Jessica sy Latisha ary Caleb, ary finaritra erỳ mahita ny ray aman-dreniny mampianatra azy ireo ho tia an’i Jehovah dieny mbola kely. Faly izahay rehetra, satria nampian’i Jehovah hanatona azy sy hahafantatra ny vahoakany, noho ilay fitiavana asehon’izy ireo.

Takatray tsara ny fihetseham-pon’ny olona maniry mafy hampifaly an’Andriamanitra, nefa manana feon’ny fieritreretana nampiofanin’ny tontolo nahabe azy, fa tsy nampiofanin’ny Baiboly. Manantena izahay fa ho faly toa anay izy ireo, rehefa mandeha isan-trano, tsy hivarotra legioma, fa hitondra ny hafatra momba ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny zava-mahatalanjona hataon’izy io. Ankasitrahako tokoa ny faharetana sy ny fitiavana nasehon’ny vahoakan’i Jehovah taminay, ary latsa-dranomaso mihitsy aho rehefa mieritreritra izany!

[Sary, pejy 19]

Tamin’izaho fito taona teo ho eo sy rehefa nihalehibe

[Sary, pejy 20]

James, George, Harley, ary Simon, manao akanjo tsotra

[Sary, pejy 21]

Niseho tamin’ny gazety teto an-toerana io sariko mitondra legioma mankany an-tsena io

[Sary nahazoan-dalana]

Journal and Courier, Lafayette, Indiana

[Sary, pejy 23]

Izahay mianakavy amin’izao fotoana izao