Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

Feno Biby avy any An-tany Hafa, any Espaina

Hoy ny gazety espaniola El País: “Manenika an’i Espaina ka manimba ny biby sy ny zavamaniry, ny karazam-biby efapolo mahery avy any amin’ny tany samihafa. Manidina na mivelona any anaty rano na etỳ an-tanety izy ireny.” Anisan’izany ny poisson-chat lehibe avy any Alemaina, ny ahidrano maitso avy any Karaiba, ny sarivazo avy any Arzantina, ary ny voalavon-drano avy any Amerika Avaratra. Maro no nentina tany Espaina mba hitadiavam-bola. Nandositra ny biby sasany, fa ny sasany kosa navotsotra, rehefa hita fa tsy nahitan-tsoa na nanahirana. Hoy i Daniel Sol, biolojista: “Ny biby avy any an-tany hafa izao no tena mampihena ny karazam-biby eto Espaina, ankoatra ny tsy fisian’ny fonenana.”

Ody Kaikitra Bibilava, Azo avy Amin’ny Atody

Hoy ny The Times of India: “Hitan’ny mpahay siansa karàna fa azo akana molekiola hitsaboana ny kaikitry ny bibilava ny atodin’akoho.” Notsindronina “poizim-bibilava tsy mahafaty” azy ny akoho 12 herinandro eo ho eo, ary notsindronina indray, afaka tapa-bolana hatramin’ny roatokombolana. Nisy mpisetra miady amin’ny poizina tao amin’ny atodin’ilay akoho rehefa nanatody izy, afaka 21 herinandro. Antenain’ny mpikaroka fa hahasolo ny ody poizina azo avy amin’ny soavaly izy io. Hoy mantsy ny The Times: “Misy andrana maromaro mampijaly atao [amin’ny soavaly], vao azo ny ody poizina bibilava.” Lazain’ireo mpahay siansa any Aostralia aza, fa nahomby tamin’ilay teknika vaovao izy ireo, rehefa nanandrana azy io tamin’ny biby. Hahasoa an’i Inde io ody poizina azo avy amin’ny atody io, raha mety amin’ny olombelona, satria olona 300 000 isan-taona any no voakaikitry ny bibilava, ary maty ny 10 isan-jaton’izy ireo.

Fahaizan’ny Lolo Manidina

Hoy ny The Independent any Londres: “Niezahan’ny mpahay siansa nandritra ny taona maro ny hahatakatra hoe nahoana ny lolo no mahafehy tsara ny fihetsehany, na dia rehefa manidina moramora aza. Toa tsy miezaka firy izy, na dia rehefa manidina eo am-pitoerana aza, na mankany ankavia sy ankavanana, na manidina miverina.” Mino ny mpikaroka ao amin’ny Oniversiten’i Oxford fa hitan’izy ireo ihany tamin’ny farany ny tsiambaratelon’ilay bibikely. Nataony tao anaty tionelina manokana fitsofan-drivotra ny lolo, mba handinihana ny fanidiny. Nampidirany setroka kely tao anatin’ilay tionelina mba hahitana ny fizotran’ny rivotra rehefa manidina ireo lolo. Fakantsary azo akana sary betsaka isan-tsegondra no nampiasaina mba hanarahana ny fizotran’ny rivotra manodidina ny elatr’ireo lolo. Hitan’izy ireo àry, fa “tsy kisendrasendra na fihetsika tsy ampoizina ny fikopaky ny elatry ny lolo, fa avy amin’ny fahaizana ny fizotran’ny rivotra sy ny heriny.” Mihevitra ny hampiasa an’io fahalalana io mba hanamboarana fiaramanidina kely azo baikoina lavitra ny mpahay siansa. Ho folo santimetatra monja ny elatr’izy ireny. Ho azo ampiasaina ho mpanara-maso izy ireny, rehefa asiana fakantsary, noho izy afaka manidina any amin’ny toerana teritery.

Tsy Ampy Torimaso ny any Italia

Dokotera maherin’ny 600 sy marary maherin’ny 11 000 no nandray anjara tamin’ilay fanadihadiana goavana indrindra natao tany Italia, momba ny tsy fahampian-torimaso, tamin’ny 2002. Nasehon’io fanadihadiana io, hoy ny gazety La Stampa, fa maherin’ny 12 tapitrisa ny Italianina tsy ampy torimaso. Rendremana amin’ny maraina ny 65 isan-jaton’ireo nanontaniana. Rendremana amin’ny fotoana hafa ny 80 isan-jatony, ary tsy mahavita mifantoka amin’ny asany kosa ny 46 isan-jatony. Hoy koa ilay gazety: “Ny mpamily fiara no miteraka loza maro indrindra, satria mpamily rendremana no nahatonga ny 22 isan-jaton’ny lozam-pifamoivoizana.” Nasehon’ilay fanadihadiana koa, fa tsy niresaka momba an’io olana io tamin’ny dokoterany mihitsy, ny 67 isan-jaton’ireo tsy nahita tory. Hoy i Mario Terzano, mpandrindra an’io fanadihadiana io: “Roapolo isan-jaton’ireo tsy ampy torimaso no voan’izany, nefa toa tsy misy antony mazava mahatonga ilay izy.” Mety hifandray amin’ny olana ara-batana anefa ilay tsy fahitan-tory, rehefa dinihin’ny dokotera. Misy antony hafa koa, hoy i Terzano, mahatonga ny tsy fahitan-tory. Anisan’izany ny fanahiana (24 isan-jato), faneren’ny fiainana (23 isan-jato), ary ny hakiviana (6 isan-jato).

Mitady ho Lany Tamingana ny Antilopa Saïga

Nahatratra iray tapitrisa mahery ny antilopa saïga nirenireny tany amin’ny tany lemak’i Rosia sy Kazakhstan, tamin’ny 1993. Milaza ny New Scientist, fa “latsaka ny 30 000 sisa izy ireo ankehitriny.” Ripaky ny “fihazana tsy ara-dalàna” izy ireo, hoy ilay gazety. “Lazain’ny mpahay siansa fa ny fihenan’ny isan’io biby io no haingana sy goavana indrindra hatramin’izay.” Nahoana no nitombo ny fihazana tsy ara-dalàna ny antilopa saïga? Nanahy be ny mpiaro ny loharanon-karena voajanahary, teo am-piandohan’ireo taona 1990, satria nadiva ho lany tamingana ny tokantandroka (rhinocéros) tany Chine, noho ny fampiasana ny tandrony mba hanaovana fitsaboana nentim-paharazana. Nampirisika ny hampiasana ny tandroky ny saïga àry izy ireo, ho solon’ny tandroky ny tokantandroka. Ny biby tany Azia afovoany avy eo no natao lasibatra, rehefa tsy nisy saïga intsony tany Chine. Nihena efa ho antsasany ny isan’ilay biby tao anatin’ny dimy taona (1993-1998), ary nihena 97 isan-jato, tamin’ny 2002. Maty ny 99 isan-jaton’io biby io, any Kazakhstan Afovoany, ka 4 000 sisa no tavela. Nilaza toy izao i Abigail Entwistle, manam-pahaizana momba ny biby, avy ao amin’ny Zavamaniry sy Biby Iraisam-pirenena: “Roa taona angamba sisa no ananantsika mba hitadiavana vahaolana hamonjena ny karazam-biby.”

Eritreritra sy Toe-po ary Fahasalamana

Mety hisy vokany lehibe kokoa eo amin’ny vatana, mihoatra noho ny niheverana azy hatramin’izay, ny zavatra eritreretintsika, hoy ny gazety poloney Wprost. Hoy koa izy: “Misy fiantraikany eo amin’ny taova lehibe sy ireo rafitra ao amin’ny vatana ny zavatra eritreretintsika sy ny toe-pontsika. Anisan’izany ny rafi-pitatitra, rafi-kery fanefitra, hormonina, fikorianan-dra, ary fananahana.” Hoy àry i Marek Kowalczyk, mpampianatra ao amin’ny Sekoly Miaramila Momba ny Fitandremam-pahasalamana sy ny Areti-mifindra, any Varsovie, Polonina: “Voan’ny sery sy gripa avo roa heny noho ny olon-kafa, ny olona be zava-manahirana.” Mety hihena 50 isan-jato koa, hoy izy, ny fahafahan’ny vehivavy ketraka ho bevohoka. Nilaza koa ny Wprost fa na tsy ny adim-piainana aza no mahatonga ny kansera, dia “mety hanafaingana ny fitomboan’ny kansera mbola tsy mihetsika” izy io. Mety hanimba ny fahasalamana koa ny hatezerana, satria heverina fa azo inoana kokoa ho voan’ny aretin’ny mpanelira ny olona masiaka sy tezi-dava, ka vao mainka ho mora voan’ny aretim-po izy.

Varotra Ivoara Ara-dalàna

Nihena ho antsasany mahery ny isan’ny elefanta tany Afrika, tao anatin’ny folo taona monja (1979-1989). Anisan’ny nahatonga izany ny hoe lasa be mpitady ny vokatra vita amin’ny vangin’elefanta. Ny antony hafa dia satria mihamaro ny basy mahavita tifitra vary raraka, ananan’ny mpihaza tsy ara-dalàna. Nandrara tanteraka ny varotra ivoara àry, tamin’ny 1989, ny Fifanarahana Ara-barotra Iraisam-pirenena Momba ny Zavamaniry sy Biby Atahorana ho Lany Tamingana (CITES). Vao haingana anefa izay, hoy ny gazety African Wildlife, dia neken’ny CITES ny hamelana an’i Afrika Atsimo sy Botswana ary Namibia hivarotra ivoara 60 taonina. Ivoara nalaina avy tamin’ny mpihaza tsy ara-dalàna na avy tamin’ny elefanta maty izy ireo. Nisy firenena roa hafa, hoy ilay lahatsoratra, tsy nomena lalana hivarotra ivoara, “satria tsy afaka nanome antoka izy ireo fa ho vitany ny hanakana ny varotra ivoara tsy ara-dalàna.”