Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Arakaraka ny Sokajin-dranao ve ny Toetranao?

Arakaraka ny Sokajin-dranao ve ny Toetranao?

Ny Fiheveran’ny Baiboly

Arakaraka ny Sokajin-dranao ve ny Toetranao?

MALAZA any amin’ny tany sasany ny hoe arakaraka ny sokajin-dran’ny olona, hono, ny toetrany. Rehefa manombo-dresaka, ohatra, ny olona any Japon, dia mahazatra azy ny manontany hoe: “Inona ny sokajin-dranao?” Milaza ny mpanohana an’io hevitra io fa tony, mandray andraikitra, ary fatra-piahiahy, hono, ireo manana ra sokajy A. Ireo olona manana ra sokajy B indray dia tsotra, tia manome, mora malahelohelo, mora kivy, sy ny maro hafa koa. Misy koa milaza fa sarotra amin’ny olona iray, hono, ny mifandray amin’ny olona tsy mitovy sokajin-dra aminy. Misy indray milaza ny mifanohitra amin’izany.

Eritreretin’ny sasany ho zava-dehibe ny sokajin-dra ka anisan’ny jereny izy io, rehefa hifidy ny ankizy hiray kilasy izy, na tompon’andraikitra amin’ny orinasa, eny fa na dia hatramin’ny fifidianana vady koa aza. Misy porofo ve anefa fa arakaraka ny sokajin-drantsika ny toetrantsika? Inona no ampianarin’ny Baiboly momba io lafin-javatra io?

Inona no atao hoe sokajin-dra?

Hoy ny Rakipahalalan’izao Tontolo Izao (anglisy): “Manana proteinina atao hoe antigène, ny fonontselan’ny liomena, ary maherin’ny 300 ny karazana antigène fantatra.” Misy olona manana antigène sasany tsy ananan’ny olon-kafa, ary misy antigène tsy afa-miaraka. Milaza àry ilay rakipahalalana fa “arakaraka ny antigène ao amin’ny ran’ny olona iray, no hamaritan’ny mpahay siansa ny sokajin-drany.”

Ny ABO no famaritana sokajin-dra tena be mpampiasa. Sokajin’izy io ho efatra karazana ny ra, dia ny sokajy A, B, AB, ary O. Misy koa mampiasa ny famaritana Rh. Misy efa 20 eo ho eo, raha ny marina, ny karazana famaritana sokajin-dra. Hita amin’izany fa tena be pitsiny ny ra. Hoy ny Rakipahalalana Britannica (anglisy): “Be loatra ny karazana antigène ao amin’ny liomena, ka tsy azo eritreretina mihitsy hoe misy olona manana ra mitovy sokajy tanteraka, afa-tsy ireo kambana mitovy ihany.”

Toa midika izany fa samy manana ny “sokajin-drany” manokana ny olona tsirairay. Tsy marim-pototra àry ny filazana fa manana toetra itovizana ny olona mitovy sokajin-dra. Miankina amin-javatra maro ny toetran’ny olona iray.

Miankina amin’ny inona ny toetrantsika?

Milaza ny Rakipahalalana Britannica hoe: “Ny toetrantsika dia ny fihetsitsika manokana, izay nolovana na nianarana, ary mampiavaka antsika amin’ny olon-kafa.” Ankoatra ny toetra nolovana àry, dia misy anton-javatra hafa koa mety hamolavola ny toetrantsika. Anisan’izany ny fiainam-pianakaviana, fanabeazana, fiaraha-monina, ary zavatra tsara na ratsy niainana. Koa tsy ny fototarazontsika ihany àry no mamaritra ny toetrantsika. Na ny kambana mitovy, izay mitovy fototarazo aza matetika dia samy hafa toetra.

Zava-dehibe koa ny hoe afaka miova sy azo ovana ny toetran’ny olona. Nasongadin’ny apostoly Paoly fa manana hery hanovana olona ny fampianaran’ny Baiboly. Hoy izy: “Esory ny toetra taloha mbamin’ireo fanao niaraka taminy, ary tafio ny toetra vaovao, izay havaozina tsikelikely amin’ny alalan’ny fahalalana marina tsara, eny, havaozina araka ny endrik’Ilay namorona azy.” (Kolosianina 3:9, 10) Eken’ny Kristianina fa manota sy mirona hanao ratsy izy noho ny toetra nolovana. Koa tsy maintsy miova àry izy mba heken’Andriamanitra.

Inona no afaka manova azy? Ny herin’ny tenin’Andriamanitra. Hoy i Paoly, rehefa niresaka momba io herin’ny tenin’Andriamanitra izy: “Velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra, eny, maranitra noho ny sabatra roa lela ary manindrona ka mahavita manavaka ny miseho ivelany sy ny any am-po ary mampisaraka ny tonon-taolana sy ny tsoka, ka mahay mamantatra ny eritreritry ny fo sy ny fikasany.” (Hebreo 4:12) Miova tsikelikely ny toetran’ny olona, raha avelany hanan-kery eo aminy ny fanahin’Andriamanitra, ary ezahiny harahina ny fitsipiky ny Baiboly momba ny tsara sy ny ratsy. Anisan’ireo lafin-toetra mifanaraka amin’ny toro lalan’ny Baiboly ny ‘fitiavana lalina, fangoraham-po, hatsaram-panahy, fanetren-tena, fahalemem-panahy, ary fahari-po.’—Kolosianina 3:12.

Mahay mandanjalanja ny Kristianina

Marina fa tsy raran’ny Baiboly ny mamantatra ny sokajin-dra. Zavatra hafa mihitsy anefa ny filazana fa misy ifandraisany amin’ny toetran’ny olombelona izy io. Tokony havelantsika hitari-dalana antsika amin’ny lafiny rehetra eo amin’ny fiainana ny Tenin’Andriamanitra. (Salamo 119:105) Tena zava-dehibe koa ny fahaiza-mandanjalanja.—Filipianina 4:5.

Tsy tokony hatao fialan-tsiny amin’ny toetra ratsy mihitsy anefa ny sokajin-dra. Tokony hiezaka mafy hanahaka sy hampiseho ny toetra tsaran’i Jehovah sy Jesosy foana ny Kristianina, na toy inona na toy inona fototarazony.—Efesianina 5:1.

Miezaka hitovy fomba fijery amin’i Jehovah koa ny Kristianina, rehefa mijery olon-kafa. “Tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra.” (Asan’ny Apostoly 10:34, 35) Eken’i Jehovah amim-pifaliana ny karazan’olona rehetra. Tsy manao ny rariny àry isika ary tsy manana toetra mendrika ny Kristianina, raha toa ka manao izay tsy ifaneraserana amin’ny olona sasany, satria fotsiny hoe tsy mitovy sokajin-dra amintsika izy ireo. Toy izany koa raha toa isika ka tsy mifanerasera afa-tsy amin’ireo manana sokajin-dra eritreretintsika ho “mety” amintsika. Hoy ny fananaran’ny Baiboly: ‘Raha mbola mizaha tavan’olona foana ianareo dia manota.’—Jakoba 2:9.

Mitombo be arakaraka ny handrosoan’ny siansa sy ny teknolojia, ny zava-baovao fantatra momba ny tenan’olombelona. Ara-dalàna raha liana amin’izany isika. Ny Baiboly anefa fa tsy ny fihevitr’olombelona, no tokony havelan’ny Kristianina hamolavola ny toe-tsainy. Amin’ny lafim-piainana rehetra, dia tokony ‘hamantatra tsara ny zava-drehetra’ ny Kristianina, ary ‘hifikitra amin’izay tsara.’—1 Tesalonianina 5:21.