Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Avy Amin’ny Mpamaky

Avy Amin’ny Mpamaky

Avy Amin’ny Mpamaky

Rano Misaotra tamin’ilay lahatsoratra hoe “Antoky ny Fahavelomana ny Rano.” (8 Oktobra 2003) Milaza izy io fa misy manam-pahaizana momba ny hatavezana manoro hevitra hoe tokony hisotro rano roa litatra eo ho eo isan’andro ny olona salama. Manoro hevitra kosa anefa ny dokotera hoe tsy tokony hisotro rano be loatra ny olona iray raha marary fo, na tsy miasa tsara ny voany.

T. A., Japon

Mamaly ny “Mifohaza!” hoe: Miovaova mazàna ny torohevitry ny manam-pahaizana momba ny fatran’ny rano tokony hosotroina. Misy milaza fa tokony hoferana arakaraka ny aretin’ilay olona ny rano sotroiny. Tsara raha manatona dokotera ny olona mila torohevitra fanampiny momba izany.

Fahaketrahana Aorian’ny Fiterahana Renim-pianakaviana aho, ary manan-janaka vavy kely vao herintaona monja, izay tena tiako. Mbola tsy tsapako hoe niahy sy nampionona ahy toy izany mihitsy i Jehovah, raha tsy rehefa namaky ilay lahatsoratra hoe “Fantaro ny Atao hoe Fahaketrahana Aorian’ny Fiterahana”, tao amin’ny Mifohaza! aho. (8 Jona 2003) Tsy ampy ny teny hilazako ny fankasitrahako iny lahatsoratra iny. Tena voninahitra lehibe ho ahy ny anisan’ny fandaminana iray, izay tia sy miahy ny mpikambana tsirairay ao aminy. Misaotra eram-po eran-tsaina!

M. G., Espaina

Fitiavan-karena Maniry hisaotra anareo aho noho ilay lahatsoratra hoe “Ny Fiheveran’ny Baiboly: Inona no Atao hoe Fitiavan-karena?” (8 Aprily 2003) Tena marina fa maro ankehitriny ny olona tsy mieritreritra afa-tsy ny hanan-karena. Mampalahelo fa mety hahazo ny Kristianina koa izany. Nanampy ahy hahatakatra ny atao hoe fitiavan-karena sy hanalavitra izany iny lahatsoratra iny. Hanao izay rehetra azoko atao aho manomboka izao, mba hifantoka amin’ny zavatra ara-panahy fa tsy amin’ny zavatra ara-nofo. Misaotra indrindra namoaka lahatsoratra andraisana lesona toy iny!

Z. K., Rosia

Takaitra Misaotra tamin’ilay lahatsoratra hoe “Nanova ny Fiainako ny Takaitra Nahazo Ahy.” (8 Mey 2003) Mitovy amin’izay tsapan’ny Anadahy Ombeva mihitsy no tsapako. Voan’ny fibromyalgie (karazana aretin-kozatra) sy aretina hafa aho. Mahatsiaro manaintaina be aho indraindray, ka tsy misy azoko atao afa-tsy ny mitomany. Tsy maintsy mitoky tanteraka amin’i Jehovah aho, mba hanomezany ahy hery hiaretana. Araka ny tenin’ny Anadahy Ombeva, dia tena manampy ny fisaintsainana andinin-teny mampionona. Tena manohana ahy koa ny vadiko, rehefa mahatsiaro manaintaina aho. Misaotra amin’ny lahatsoratra toy ireny.

C. F., Etazonia

Mipitsoka ny taolana ao amin’ny hazondamosin’ny vadiko noho ny loza nahazo azy tany am-piasana. Niady mafy izahay mba tsy ho kivy, tsy nisy hafa tamin’ny nataon’ny Anadahy Ombeva. Namoy fo tanteraka izahay, satria tsy nisy azonay natao. Tena nampahory ahy ny nahita ny vadiko nanaintaina be, sy ny nieritreritra hoe tsy nisy zavatra firy azoko natao hanamaivanana azy. Roa taona izay no lasa, nefa mbola mahatsiaro manaintaina ihany izy indraindray. Tsy mafy toy ny taloha anefa izany. Nanohana anay i Jehovah rehefa tena mafy ny nanjo anay. Mbola maneho fitiavana sy miahy anay foana koa izy amin’ny alalan’ny lahatsoratra toy iny. Misaotra betsaka!

A. S., Etazonia

Manontany ny Tanora Enina ambin’ny folo taona aho, ary vao niditra tany amin’ny lise. Miatrika zava-tsarotra sy fitaoman-dratsy mbola tsy hitako hatramin’izay mihitsy aho. Tena tsapako hoe misy vokany eo amiko ny fitaoman’ny ankizy hafa. Nanampy ahy hahatakatra ny maha zava-dehibe ny famakiana sy fianarana ny Baiboly, ny lahatsoratra “Manontany ny Tanora.” Tena mankasitraka anareo aho satria miahy ny tanora ianareo. Toy ny hoe izaho mihitsy matetika no ahinareo!

S. R., Etazonia